Avia, hanaraka Ahy
21–27 septambra. “Zava-mahagaga sy mahatalanjona”: Isaia 13–14; 22; 24–30; 35


“21–27 septambra. -Zava-mahagaga sy mahatalanjona-: Isaia 13–14; 22; 24–30; 35,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Testamenta Taloha 2026 (2026)

“21–27 septambra. -Zava-mahagaga sy mahatalanjona,-” Avia, hanaraka Ahy: 2026

Andriamanitra sy i Jesoa Kristy miseho amin’i Joseph Smith zatovo

Sacred Grove [Alakely Masina], nataon’i Brent Borup

21–27 septambra: “Zava-mahagaga sy mahatalanjona”

Isaia 13–14; 22; 24–3035

Zavatra iray angatahin’ny Tompo hataon’ireo mpaminany ny mampitandrina antsika mikasika ireo vokatry ny fahotana. Ho an’ireo mpaminany ao amin’ny Testamenta Taloha dia matetika izany no midika hoe milaza amin’ireo mpanapaka ireo fanjakana matanjaka fa nila nibebaka izy ireo. Asa nampidi-doza izany saingy tsy natahotra i Isaia ary feno fahasahiana ny fampitandremany an’ireo fanjakana tamin’ny androny, tafiditra tao anatin’izany i Isiraely, i Joda ary ireo firenena manodidina (jereo ny Isaia 13–23).

Na izany aza dia nanana hafatra mifono fanantenana ihany koa i Isaia. Na dia tanteraka tokoa teo amin’ireo fanjakana ireo aza ny faharavana araka ny faminaniana, dia nahita mialoha fahafahana hiaina famerenana amin’ny laoniny sy fihavaozana i Isaia. Hanasa ny vahoakany mba hiverina Aminy ny Tompo. Izy dia hanao “ny alonalona mitarehin-drano … ho tonga farihy tokoa, ary ny tany mangentana ho loharano miboiboika” (Isaia 35:7). Izy dia hanatanteraka “zava-mahagaga sy mahatalanjona” (Isaia 29:14), ka hamerina amin’i Isiraely ireo fitahiana nampanantenainy azy ireo. Na Isaia, na iza na iza velona tamin’izany fotoana izany, dia tsy niaina mba hahita izany asa mahatalanjona izany. Fa mahita izany isika ankehitriny. Raha ny marina dia tafiditra ao anatin’izany isika.

sary famantarana ny fandalinana

Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana

Isaia 13:1–11, 19–22; 14:1–20

Tsy hahomby ny avonavona sy ireo zavatr’izao tontolo izao.

Tamin’ny andron’i Isaia dia fanjakana tena matanjaka nanana mpanapaka be fahefana i Babylona. Ankehitriny dia tantara fahiny i Babylona. Koa nahoana no zava-dehibe amintsika ankehitriny ny hafatr’i Isaia ho an’i Babylona ao amin’ny Isaia 13–14? Satria i Babylona dia maneho ny avonavona sy ny fitiavan-karena ary ny fahotana, zavatra izay mbola manemitra antsika manodidina ankehitriny. Eritrereto izany tandindona izany rehefa mamaky ny Isaia 13:1–11, 19–22; 14:1–20 ianao. Azonao atao koa ny mandinika fanontaniana tahaka ireto:

  • Inona no zavatra mitovy hitanao amin’ny avonavon’ny mpanjaka Babyloniana sy ny avonavon’i Satana? (jereo ny Isaia 14:4–20; Mosesy 4:1–4). Inona no fampitandremana hitanao fa ho anao ao amin’ireo andininy ireo?

  • Ahoana no fomba fanomezan’ny Mpamonjy “fitsaharana ho afaka amin’ny fahorianao sy ny fitebitebin’ny fonao”? (Isaia 14:3).

I Jesoa efa nitsangana tamin’ny maty miseho amin’i Maria eo akaikin’ny fasany

“Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana” (Isaia 25:8).

Isaia 22:22–23; 24:21–23; 25:6–8; 26:19; 28:16

I Jesoa Kristy no ilay Mesia nampanantenaina.

Matetika ireo fampianaran’i Isaia no miresaka ny asa nanirahana ny Mpamonjy, tafiditra ao anatin’izany ny sorona fanavotana nataony, ny Fitsanganany tamin’ny maty ary ny Fiaviany Fanindroany. Lafiny inona amin’ny asa nanirahana Azy no tonga ao an-tsainao rehefa mamaky ireto andininy ireto ianao: Isaia 22:22–23; 24:21–23; 25:6–8; 26:19; 28:16? Inona avy ireo andalan-tsoratra masina hafa izay hitanao ka mampahatsiahy anao ny Mpamonjy?

Omeo fahafahana hijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ny mpianatra. “Ny atao hoe mpampianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia ny manampy ny hafa hahatakatra sy hiantehitra amin’ny fampianarany sy ny heriny manavotra ary ny fitiavany tonga lafatra” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy8). Fomba tsotra iray hanaovana izany isaky ny mampianatra ianao ny mametraka fanontaniana toy ny hoe “Inona no hitanao tao amin’ny soratra masina tamin’ity herinandro ity izay nampianatra anao zavatra momba ny Mpamonjy?” Avy eo dia avelao ny mpianatra hizara ny zavatra niainany sy hifampatanjaka ny finoan’izy ireo.

Isaia 24:1–12; 28:1–8; 29:7–13; 30:8–14

Mitondra loza ara-panahy ny fialana amin’ny Tompo.

Tao anatin’ny famindram-pony dia naniraka an’i Isaia ny Tompo mba hampitandrina ny vahoakan’ny fanekempihavanana fa niala Taminy izy ireo. Jereo raha toa ka hitanao ireo famantarana ny fampitandremana ara-panahy momba izany ao amin’ny Isaia 24:5; 29:13; 30:8–12. Nahoana no mampidi-doza ara-panahy ireo fomba fisainana sy fihetsika ireo?

Nampiasa fampitahana vitsivitsy tsy hay hadinoina i Isaia mba hampitandremana mikasika ny vokatry ny fialana amin’ny Tompo. Rehefa mandalina azy ireny ianao dia manontania tena hoe manao ahoana izany miala amin’ny Tompo izany:

  • Tany malahelo sy foana (Isaia 24:1–12).

  • Fahamamoana (Isaia 28:7–8).

  • Hanoanana sy hetaheta (Isaia 29:7–10).

  • Manda na vilany tanimanga vakivaky (Isaia 30:13–14).

Nahoana no zava-dehibe aminao ny mitoetra akaikin’ny Tompo?

Isaia 29; 30:18–2635

sary famantarana ny seminera
Afaka mamerina amin’ny laoniny ireo zavatra very na simba ny Tompo.

Efa very zavatra izay noeritreretinao fa tsy ho hitanao intsony ve ianao? Na mety nisy zavatra tapaka na vaky, ka nanahy ianao hoe tsy ho azo amboarina intsony izany. Rehefa miala amin’ny Tompo isika dia tian’i Satana ny hieritreretantsika fa tsy afaka ny hiverina na ho sitrana intsony isika. I Isaia anefa dia namariparitra ny sasany amin’ireo zavatra mahatalanjona izay hataon’ny Tompo mba hanampiana antsika hiverina any Aminy. Inona no ianaranao avy amin’ny Isaia 29:13–24; 30:18–2635 mikasika ny Tompo, sy ny fitiavany ary ny heriny? Azonao atao angamba ny mitady andian-teny iray ao amin’ireo andalan-tsoratra masina ireo izay manome fanantenana anao rehefa mila fanasitranana ianao. Azonao atao ihany koa ny mijery ao amin’ny hafatra nozarain-dRahavavy Amy A. Wright hoe “Manasitrana izay rava i Kristy” (Liahona, mey 2022, 81–84).

Ny fomba iray anehoan’ny Tompo ny heriny amin’izao androntsika izao dia amin’ny alalan’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsarany. Ny Isaia 29 dia ahitana andalan-tsoratra masina maro izay mifandrindra amin’ireo zava-nitranga ao anatin’ny Famerenana amin’ny laoniny. Ohatra:

Araka ny hevitrao dia nahoana ny hoe “mahagaga” sy “mahatalanjona” (Isaia 29:14) no teny tsara hamariparitana ny Tompo mamerina amin’ny laoniny ny filazantsarany? Ahoana no ahafahanao manampy amin’ny fanatanterahana ireo faminaniana momba ny Famerenana amin’ny laoniny? Mba hahazoana hevitra dia jereo ao amin’ny hafatra nozarain’ny Loholona Gerrit W. Gong hoe “Ny firenena sy ny foko ary ny samy hafa fiteny rehetra” (Liahona, nôv. 2020, 38–41).

Jereo koa ny “Ny Famerenana amin’ny laoniny ny fahafenoan’ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy: Fanambarana ho an’izao tontolo izao nandritra ny fankalazana ny faha-roanjato taona, (Médiathèque de l’Évangile); “Le jour paraît, chassant la nuit,” Cantiques, no 1.

Mba hahitana fampahalalana misimisy kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.

sary famantarana ny fizarana ho an’ny ankizy

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

Isaia 14:3; 25:8–9; 28:16

Afaka manavotra ahy amin’ny fahotana sy ny fahafatesana i Jesoa Kristy.

  • Ahoana no hanampianao ny zanakao hahita ny Mpamonjy ao amin’ny asasoratr’i Isaia? Azonao atao ny manampy azy ireo hitady andian-teny izay mampahatsiahy azy ireo Azy ao amin’ny Isaia 14:3; 25:8; na ny 28:16. Azon’izy ireo atao ihany koa ny mampifandray ireo andininy avy amin’i Isaia ireo amin’ireo andinin-tsoratra masina hafa izay mampianatra momba ny Mpamonjy, toy ny Matio 11:28–30; 1 Korintiana 15:53–57; Helamàna 5:12. Inona no zavatra lehibe efa nataon’ny Tompo ho antsika?

  • Rehefa avy miara-mamaky ny Isaia 25:8–9 ianareo dia afaka mijery sarin’ny Mpamonjy tao Getsemane sy teo amin’ny hazofijaliana ary taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty. Avelao ny zanakao hiresaka momba ny zava-mitranga eo amin’ireo sary sy ny antony itiavany an’i Jesoa ka “hiravoravo amin’ny famonjeny” (andininy 9).

  • Azonao atao ny misafidy ny hitantara amin’ny zanakao ny alahelo tsapanao rehefa maty ny olona iray tianao. Mijoroa ho vavolombelona momba ny fampiononana azonao noho i Jesoa Kristy. Azon’ny zanakao atao angamba ny manao sarina tarehy mitomany ary avy eo dia mamafa ny ranomaso rehefa miara-mamaky ny Isaia 25:8 ianareo.

I Jesoa tao Getsemane

Thy Will Be Done [Ny sitraponao no hatao], nataon’i Ken Spencer

Isaia 25:4–6

Omen’i Jesoa “fierena amin’ny ranon’oram-baratra” aho.

  • Efa niaina ny fananana fialofana azo antoka nandritra ny tafio-drivotra na alokaloka tamin’ny andro mafanan’ny fahavaratra ve ianao sy ny zanakao? Sa efa nankafy sakafo tsara tamin’ny fotoana naha-noana anareo? Resaho ireo zavatra niainana ireo rehefa mamaky ny Isaia 25:4–6 ianareo. Inona no mampitovy an’i Jesoa amin’ireo zavatra ireo?

Isaia 29:11–18, 24

Ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara dia “zava-mahagaga.”

  • Rehefa mamaky ny Isaia 29:14 ianao sy ny zanakao dia zarao amin’izy ireo ireo teny hafa izay mitovy hevitra amin’ny hoe “mahagaga” sy “mahatalanjona.” Avelao izy ireo hanampy anao hitady zavatra na sary izay maneho ny sasany amin’ireo asa mahatalanjon’ny Tompo mandritra ny andro farany. Mety ho tafiditra ao anatin’izany ny tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna, sarina tempoly, na sarin’ny Fahitana Voalohany (misy iray any am-piandohan’ity rindran-damina ity). Avy eo dia afaka misafidy zavatra iray ary mizara ny antony maha-mahagaga izany eo imasony ireo zanakao.

  • Afaka miaraka tsara amin’ny Isaia 29 ny hira iray momba ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara, toy ny“Lohataona mamiratra” (Bokin-kiran’ny ankizy, 57). Ary angamba afaka manampy ny ankizy hahatakatra ny dikan’ny hoe famerenana amin’ny laoniny ny zavatra iray niainanao manokana. Ohatra, afaka miresaka momba ny zavatra iray izay very sy ny fomba nahitanareo izany ianao sy ny zanakao. Ampio ny zanakao hampitaha izany amin’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara. Araka ny Isaia 29:13–15, dia nahoana isika no mila ny Famerenana amin’ny laoniny? Inona avy ireo asa mahatalanjona ataon’ny Tompo mba hamerenana amin’ny laoniny ny filazantsarany? (jereo ny pejin’ny sahanasa ho an’ity herinandro ity).

Raha te hanao zavatra misimisy kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

I Jesoa eo amin’ny hazofijaliana

The Crucifixion [Ny Fanomboana], nataon’i Carl Heinrich Bloch, ao amin’ny Tranombakoky ny Tantaram-pirenena Frederiksborg

Pejin’ny sahanasa ho an’ny Kilonga: “Asa mahatalanjona” ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara