“28 septambra–4 ôktôbra. -Ampionony ny oloko-: Isaia 40–49,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana : Testamenta Taloha 2026 (2026)
“28 septambra–4 ôktôbra. -Ampionony ny oloko,-” Avia, hanaraka Ahy: Testamenta Taloha 2026
Healing the Blind Man [Fanasitranana ilay lehilahy jamba], nataon’i Carl Heinrich Bloch, ao amin’ny Tranombakoky ny Tantaram-pirenena Frederiksborg
28 septambra–4 ôktôbra: “Ampionony ny oloko”
Isaia 40–49
Ny hoe “Ampionony” no teny voalohany ao amin’ny toko 40 an’ny Isaia. Manamarika ny fiandohan’ny fomba filazan-javatra vaovao izany, zavatra vaovao izay hamafisina ao amin’ny tenin’ilay mpaminany. Ireo rakitsoratr’i Isaia teo aloha dia nampitandrina an’i Isiraely sy i Joda mikasika ny faharavana sy ny fahababoana izay ho avy noho ny fahotan’izy ireo. Saingy ireo faminaniana taty aoriana ireo dia natao hampionona ny vahoaka Jiosy tao anatin’ny 150 taona mahery taty aoriana—taorian’ny nandravana an’i Jerosalema sy ny tempoly ary nentin’i Babylona ho babo ny vahoaka. Ireo faminaniana ireo nefa dia misy fiantraikany lavitra kokoa amin’ny hoavy noho ny tamin’i Isiraely izay resy sy kivy. Miteny amintsika izy ireo, izay mahatsapa ho resy sy kivy ary very mihitsy aza indraindray.
Tsotra ny hafatr’i Isaia tamin’ireo vahoakany sy amintsika: “Aza matahotra hianao” (Isaia 43: 1). Tsy very akory ny zava-drehetra. Tsy nanadino anao ny Tompo, ary manana hery hifehezana ny toe-javatra rehetra izay toa tsy azonao fehezina Izy. Moa ve ny Tompo izay “nahary ny lanitra” (Isaia 42:5), tsy mahery kokoa noho i Babylona noho ny fahotana, mihoatra izay rehetra mihazona anao ho babo? Miangavy Izy manao hoe “Koa miverena Amiko,” “fa efa nanavotra anao Aho” (Isaia 44:22). Afaka manasitrana, mamerina amin’ny laoniny, mamela heloka, sy mampionona Izy, na inona na inona ilainao, raha ny mahakasika anao manokana, mba ho avotra.
Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana
Isaia 40–49
Afaka mampionona sy manome fanantenana ahy i Jesoa Kristy.
Rehefa babo tany Babylona ny Isiraelita dia maro no mety nanontany tena raha toa ka efa very mandrakizay ny toerany amin’ny maha-vahoakan’ny fanekempihavanan’ Andriamanitra azy ireo. Rehefa mamaky ny Isaia 40–49 ianao, dia mitadiava andalan-tsoratra masina izay manome fampiononana sy fanantenana. Ho an’ny andalan-tsoratra masina tsirairay izay hitanao dia saintsaino ary raketo ny zavatra izay mety holazain’ny Tompo aminao ao amin’ireo andininy ireo. Ireto misy andinin-tsoratra masina vitsivitsy izay azonao hanombohana:
-
40:11, 29–31:
-
41:10–13, 17–18:
-
42: 6–7:
-
43:1–7, 25:
-
44:1–4, 21–24:
-
46:3–4:
-
49:7–16:
Inona no tsapanao fa tian’ny Tompo ho fantatrao momba Azy?
Mety ho tsikaritrao fa ny fihirana “Fototra mafy orina” (Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah 12) dia nosintonina avy tamin’ny tenin’i Isaia ao amin’ny Isaia 41:10; 43:2–5; 46:4. Hevero ny hihira na hihaino io hira io, ary tadiavo ireo fitoviana misy eo amin’ny tonony sy ireo andininy ao amin’ny Isaia. Tamin’ny fomba ahoana no nanatanterahan’ny Mpamonjy ireo fampanantenana ao amin’ireo andininy ireo teo amin’ny fiainanao?
Jereo koa ny Patrick Kearon, “Velona Izy ary manana fanasitranana ao amin’ny elany: Afaka ny ho lasa mihoatra noho ny mpandresy isika,” Liahona, mey 2022, 37–40.
Mampiasà soratra masina fanampiny. Indraindray isika dia afaka mahatakatra tsara kokoa ny Testamenta Taloha raha toa ka ampiantsika amin’ireo andininy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ny fandalinantsika. Ohatra, i Nefia sy i Jakôba izay mpaminany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia afaka nampiasa ireo rakitsoratr’i Isaia teo amin’ireo takela-barahina (jereo ny 1 Nefia 19:22–23), ary nampiasa ireo faminaniana ireo izy ireo mba hampianarana momba ny Mpamonjy. Mba hianarana ny fomba nampiharan’i Nefia sy i Jakoba ny Isaia 48–49 tamin’ny vahoakan’izy ireo dia jereo ny 1 Nefia 22. Mety hanampy anao hampihatra ireo toko ireo amin’ny fiainanao manokana izany.
Rehefa mankatò ny Tompo isika dia afaka ny hanana “fiadanana … tahaka ny onjan-dranomasina” (Isaia 48:18).
Isaia 40–49
“Mpanompoko ianao.”
Ny Tompo dia miresaka momba ny “mpanompo[ny]” sy ny “vavolombelo[ny]” manerana ny Isaia 40–49. Ireo teny ireo dia mety miresaka an’i Jesoa Kristy (jereo ny Isaia 42:1–7), ny mpianakavin’i Isiraely (jereo ny Isaia 45:4), ary ny Mpanjaka Kyrosy, izay nanome lalana ny vahoaka Jiosy hiverina tany Jerosalema sy hanorina indray ny tempoly (jereo ny Isaia 44:26–28; 45:1–4). Azonao atao koa ny mandinika ny fomba iantefan’ireo andalan-tsoratra masina tsirairay ireo aminao amin’ny maha-mpanompo sy vavolombelon’ny Tompo anao. Ohatra, saintsaino ny fanontaniana toy ireto:
Isaia 40:1–3, 9–11; 43:9–12. Ahoana no ahafahana milaza fa vavolombelon’i Jesoa Kristy ianao? Inona avy ireo “teny soa mahafaly” azonao zaraina amin’ny maha-vavolombelony anao? Azonao alaina sary an-tsaina hoe nantsoina ho eo amin’ny toerana ho an’ny vavolombelona ao amin’ny fitsarana ianao. Amin’ity fitsarana ity dia i Jesoa Kristy no voampanga ho nanao ilay fanambarana voarakitra ao amin’ny Isaia 43:11. Inona no fijoroana ho vavolombelona azonao omena mba hanohanana ny zavatra nolazain’i Jesoa? Inona no porofo avy amin’ny fiainanao izay hozarainao?
Isaia 41:8–13; 42:6; 44:21. Hanao inona no niantsoan’ny Tompo anao? Eritrereto ireo antso ao am-piangonana sy ireo fahafahana hafa hanompoana Azy. Tamin’ny fomba ahoana no namoronany na nanomanany anao ho lasa mpanompony? Ahoana no hanohanany anao rehefa manompo ianao?
Isaia 49:1–9. Hafatra inona ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo no hitanao fa afaka hanampy anao rehefa toa “zava-poana sy tsinontsinona” ny ezaka sy ny fanompoana nataonao? (andininy 4).
Isaia 40:3–8, 15–23; 42:15–16; 47:7–11
Lehibe noho ny hery araka ny an’izao tontolo izao ny herin’ Andriamanitra.
Namerimberina nampahatsiahy ny vahoakany ny amin’ny herin’ Andriamanitra tsy manam-paharoa i Isaia, na dia ampitahana amin’ny herin’izao tontolo izao izay mangeja ary manodidina azy ireo aza izany. Jereo izany hafatra izany rehefa mamaky ny Isaia 40:3–8, 15–23; 42:15–16; sy ny 47:7–11 ianao (mariho tsara fa ny toko 47 dia natao ho an’ilay nambabo an’i Isiraely, dia i Babylona). Inona no ampianarin’ireo andalan-tsoratra masina ireo anao momba ny zavatr’izao tontolo izao? Inona no ampianarin’izy ireo anao momba an’ Andriamanitra? Saintsaino hoe nahoana io hafatra io no mety ho sarobidy tamin’ireo vahoaka Jiosy izay babo. Nahoana no sarobidy aminao izany?
Isaia 48:10; 49:13–16
Afaka manadio ahy amin’ny alalan’ny fahoriako ny Tompo.
Eo am-pamakianao ny Isaia 48:10, dia saintsaino ny “memy fahoria[nao].” Ahoana ny fomba hanadiovan’ny Tompo anao? Ahoana no anampian’ny Isaia 49:13–16 anao rehefa ory ianao?
Jereo koa ny “Le feu du fondeur” (horonan-tsary), Médiathèque de l’Évangile.
PTH_PRJ15829224_Q4ComeFollowMeD&C-VALP_TheRefinersFire_DUB_01Aug2025_HDF-2398_MLG.mp4
Mba hahitana fampahalalana misimisy kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.
Hevitra enti-mampianatra ny ankizy
Isaia 40:3–5
Afaka manampy amin’ny fanomanana “ny lalan’ny Tompo” aho.
-
Mieritrereta fomba vitsivitsy hanehoana ny mety ho dikan’ny hoe “manamboara lalana … ho an’i Jehovah,” araka ny voalaza ao amin’ny Isaia 40:3–5. Ohatra, afaka manitsy zavatra miolakolaka ianao sy ny zanakao, na manadio gorodona feno korontana, na manamboatra lalana mazava eo amin’ny tany vatovatoina. Azonao atao ihany koa ny mampiseho ny sarin’i Jaona Mpanao Batisa sy i Joseph Smith (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 35, 87). Tamin’ny fomba ahoana no nanomanan’izy ireo ny fiavian’ny Tompo? (jereo ny Lioka 3:2–18; Fotopampianara sy Fanekempihavanana 135:3). Ahoana no ahafahantsika manampy? Mety ho fotoana azo araraotina hiresahana momba ny fomba hanampian’ireo mpihazona ny Fisoronana Aharôna amin’ny fanomanana ny lalan’ny Tompo izany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:26–28).
Isaia 43:10
Afaka ny ho vavolombelon’ny Tompo aho.
-
Rehefa avy niara-namaky ny Isaia 43:10 ianareo dia afaka miresaka momba ny dikan’ny hoe vavolombelona. Mifampizarà zavatra niainana izay ahafahanareo ho “vavolombelona” ny amin’izany—ohatra hoe sakafo iray izay nandramanareo, toerana izay notsidihanareo, na olona iray fantatrareo. Inona no dikan’ny hoe vavolombelon’ny Tompo? Inona no azontsika lazaina amin’ny olona hafa momba Azy?
Isaia 44:3–4; 45:8
“Handatsaka” ireo fitahiany amiko ny Tompo.
-
Rehefa avy mamaky ireo andinin-tsoratra masina ireo dia afaka manondraka zava-maniry iray ny zanakao ary miresaka momba ireo fitahiana izay efa narotsaky ny Tompo tamin’izy ireo. Inona no mitranga eo amin’ny zava-maniry iray rehefa manondraka rano amin’izany isika? Ahoana no nanampian’ireo fitahian’ny Tompo antsika hivoatra?
Afaka ny ho “onjan-dranomasina ny fahamarinan[tsika]” (Isaia 48:18).
Isaia 48:17–18
Mitondra fiadanana ny fitandremana ny didin’ Andriamanitra.
-
Afaka manampy ny zanakao haka sary an-tsaina ny Isaia 48:18 ireo sary na horonan-tsary ahitana renirano sy onjan-dranomasina (toy ny sary ato amin’ity rindran-damina ity). Mety ho tian’ny zanakao ny hanetsika ny tanany sy ny sandriny toy ny rano sy ny onjan-dranomasina. Amin’ny fomba ahoana no itovian’ny fiadanana amin’ny renirano? Amin’ny fomba ahoana no itovian’ny fahamarinana amin’ny onja? Miresaha momba ny fomba nanampian’ny fitandremana ny didin’ Andriamanitra anao hahatsapa fiadanana toy ny ony na natanjaka toy ny onja.
-
Miaraha mihira hira iray momba ny didy, toy ny “Hajao ireo didy” (Bokin-kiran’ny ankizy, 68). Inona no ampianarin’io hira io momba ny antony tokony hanajantsika ireo didy?
Isaia 49:14–16
Tsy hanadino ahy mihitsy ny Tompo.
-
Ny Isaia 49:14–16 dia afaka ny ho fampaherezana lehibe ho an’ireo zanakao mandritra ireo taona maro ho avy. Rehefa mamaky ny andininy 14 ianao dia afaka miresaka momba ny zavatra mety hahatonga ny olona hahatsapa ho hadino na hafoy. Ahoana no ahafantarantsika fa tsy nanadino antsika ny Tompo?
-
Mba hampahafantarana ny andininy 15–16, dia azonao atao ny manontany ny zanakao momba ny olona iray izay tsy hohadinoin’izy ireo na oviana na oviana, toy ny olona iray ao amin’ny fianakaviana na namana. Araka ny Isaia 49:15–16, dia nahoana ny Tompo no tsy hanadino antsika mihitsy? Avy eo dia azonareo atao ny mifampizara ny zavatra tsapanareo momba an’i Jesoa Kristy.
Raha te hanao zavatra misimisy kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.