Avia, hanaraka Ahy
19–25 ôktôbra. “Hatry ny fony hianao tsy mbola noforoniko tany an-kibo no efa fantatro”: Jeremia 1–3; 7; 16–18; 20


“19–25 ôktôbra. -Hatry ny fony hianao tsy mbola noforoniko tany an-kibo no efa fantatro-: Jeremia 1–3; 7; 16–18; 20,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Testamenta Taloha 2026 (2026)

“19–25 ôktôbra. -Hatry ny fony hianao tsy mbola noforoniko tany an-kibo no efa fantatro,-” Avia, hanaraka Ahy: Testamenta Taloha 2026

I Jeremia mijery lehilahy iray hafa

Jeremia, nataon’i Walter Rane

19–25 ôktôbra: “Hatry ny fony hianao tsy mbola noforoniko tany an-kibo no efa fantatro”

Jeremia 1–3; 7; 16–1820

Tamin’ny voalohany dia tsy nihevitra i Jeremia fa ho afaka ny ho lasa mpaminany tsara izy. “Indro, tsy mahay mandaha-teny aho,” hoy izy nanohitra (Jeremia 1:6). Saingy nanome toky azy ny Tompo hoe, “efa nataoko ao am-bavanao ny teniko” (andininy 9). Nahatsapa i Jeremia fa “zaza” (andininy 6) tsy ampy traikefa izy, saingy nanazava ny Tompo fa efa vonona mihoatra izay noheveriny izy raha ny marina, efa notendrena ho amin’izany antso izany talohan’ny nahaterahany mihitsy aza izy (jereo ny andininy 5). Noho izany dia nesorin’i Jeremia ny tahony ary nekeny ilay antso. Nampitandrina ireo mpanjaka sy ireo mpisorona tao Jerosalema izy fa tsy hanavotra azy ireo ny fodian’izy ireo ho masina. Ilay “zaza” izay nihevitra fa tsy afaka hiteny dia nahatsapa ny tenin’ Andriamanitra “tonga toy ny afo mirehitra [t]ao am-po[ny]” ka tsy azo hampanginina (Jeremia 20:9).

Tantaranao ihany koa ny tantaran’i Jeremia. Fantatr’ Andriamanitra talohan’ny nahaterahanao koa ianao ary nanomana anao tamin’ny iraka ampanaovina anao eo amin’ny fiainana Izy. Ankoatra ireo zavatra hafa, izany iraka izany dia ahitana zavatra iray izay efa hitan’i Jeremia mialoha: dia ny fanangonana tsirairay ny vahoakan’ Andriamanitra, mba “ho enti[na] ho any Ziona” (Jeremia 3:14). Ary na dia tsy fantatrao mazava tsara aza ny zavatra tokony hataonao na hoteneninao, dia afaka ny “[tsy h]atahotra[ ianao] …; fa momba anao Aho… hoy Jehovah” (Jeremia 1:8, 19).

Raha hanao topimaso ny bokin’i Jeremia, dia jereo ny “Jeremia” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina.

sary famantarana ny fandalinana

Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana

Jeremia 1:4–19; 7:1–7; 20:8–9

Antsoina hanambara ny tenin’ Andriamanitra ny mpaminany.

Alaovy sary an-tsaina hoe miresaka amin’ny namana iray izay tsy mbola nandre mpaminany mihitsy ianao, ka manapa-kevitra ny hanazava ilay hevitra amin’ny alalan’ny fampiasana ny fiantsoana an’i Jeremia ho mpaminany ao amin’ny Jeremia 1:4–19 ianao. Inona no hitanao ao amin’ireo andininy ireo izay mampianatra zavatra momba ireo mpaminanin’ Andriamanitra? Azonao atao ihany koa ny mijery ao amin’ny Jeremia 7:1–7; 20:8–9.

Azonao atao ihany koa ny mampianatra ny namanao momba ny mpaminany velona amin’izao fotoana izao. Misy zavatra mety hanampy ve ao amin’ireo andininy ireo? Ohatra hoe, “[m]anongotra” sy “[m]anjera” inona ireo mpaminany amin’izao androntsika izao? “[M]anorina” sy [m]amboly” inona izy ireo? (Jeremia 1:10). Ahoana no nahafantaranao fa nantsoin’ Andriamanitra ny mpaminanintsika velona?

Jereo koa ny Fanekem-pinoana 1:6, 9ChurchofJesusChrist.org.

1:37

Why Do We Have Prophets?

Jeremia 1:5

sary famantarana ny seminera
Fantatr’ Andriamanitra aho talohan’ny nahaterahako.

Inona no nianaran’i Jeremia momba ny tenany ao amin’ny Jeremia 1:5? Amin’ny maha-mpaminany vao nantsoina azy dia nahoana no ho zava-dehibe ho azy ny mahafantatra izany fampahalalana izany?

Ny ankamaroan’ny zavatra nianaran’i Jeremia momba ny tenany ao amin’ny Jeremia 1:5 dia marina ihany koa mahakasika anao. Fantatr’ Andriamanitra ihany koa ianao talohan’ny nahaterahanao ary nanomana anao hisahana andraikitra manokana Izy. Mba hahafantarana misimisy kokoa momba ny fiainanao talohan’ny nahaterahanao dia vakio ny Almà 13:1–4; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:53–56; ary ny Abrahama 3:22–23. Afaka manao ny lisitr’ireo fahamarinana hitanao ianao. Nahoana no zava-dehibe ho anao ny mahafantatra izany fampahalalana izany?

Mba hahafantatrana ny fiantraikan’ireo fahamarinana ireo teo amin’ny fiainan’ny Loholona Ahmad S. Corbitt, dia halalino ilay hafany hoe “Afaka manangona an’i Isiraely ianao!” (Liahona, mey 2021, 63–63). Inona no fiantraikan’ny fahafantarana momba ny fiainanao talohan’ny nahaterahana amin’ny fomba iainanao ny fiainanao eto an-tany?

Izao no nolazain’ny Filoha Russell M. Nelson momba ny fiainanao talohan’ny nahaterahana:

“Efa nahafantatra anao nandritra ny fotoana ela be ny Rainao any An-danitra. Ianao, amin’ny maha zanany lahy na vavy anao dia nosafidiany ho tonga ety an-tany amin’izao fotoana izao indrindra, mba ho mpitarika iray ao amin’ity asany lehibe ity eto ambony tany. Nosafidiana ianao, tsy noho ny toetoetranao ara-batana fa noho ny toetoetranao ara-panahy, toy ny herim-po, ny risi-po, ny fahamarinan’ny fo, ny faniriana fahamarinana, ny faniriana fahendrena, ary ny faniriana hanompo ny hafa.

“Talohan’ny nahaterahanao no nahazoanao ny sasany amin’ireo toetra ireo. Ny hafa indray dia azonao hianarana eto an-tany rehefa mikatsaka izany amim-paharetana ianao” (“Fanapahan-kevitra ho an’ny mandrakizay,” Liahona, nôv. 2013, 107).

Mieritrereta toe-javatra vitsivitsy mety hatrehanao ka mety ho zava-dehibe ny mahatsiaro ao anatin’izany ireo fahamarinana momba ny fiainanao talohan’ny nahaterahana ireo. Inona no azonao atao mba hampahatsiahivana ny tenanao ireo fahamarinana ireo?

Jereo ihany koa ny Russell M. Nelson, “Fanapahan-kevitra ho an’ny mandrakizay,” Liahona, nôv. 2013, 106–9; Lohahevitra sy fanontaniana, “Préordination,” “Fiainana talohan’ny nahaterahana,” Médiathèque de l’Évangile.

eo ankavia, olona iray mijoro ao anatina fitahirizan-drano lehibe tsy misy rano iray, eo ankavanana, riandrano

Ao amin’ny Jeremia 2:13, ny Tompo dia nampitaha ny toetra ara-panahin’ny vahoaka tamin’ny “lavaka famorian-drano … mitriatriatra” ary nampitaha ny Tenany tamin’ny “loharanon’aina.”

Jeremia 2; 7

“Efa nahafoy Ahy, loharanon’aina, izy.”

Nitahiry rano sarobidy tao amina lavaka fitahirizan-drano ambany tany nantsoina hoe lavaka famorian-drano ny olona tao amin’ny faritra ngazana izay nipetrahan’ny Isiraelita. Mety ho tandindon’ny inona araka ny eritreritrao ireo “lavaka famorian-drano … mitriatriatra” izay voalaza ao amin’ny Jeremia 2:13? Nahoana no tsaratsara kokoa ny mahazo rano avy amin’ny loharano toy izay miantehitra amina lavaka famorian-drano? Inona no dikan’ny hoe mahafoy ny “loharanon’aina”? Rehefa mamaky ny Jeremia 2 sy 7 ianao dia jereo ny fomba nahafoizan’ny vahoaka ny rano velon’ny Tompo (jereo ohatra ny Jeremia 2:26–28; 7:2–11). Nahoana ny “loharanon’aina” no tandindona tsara maneho ny zavatra omen’ny Mpamonjy anao? Eritrereto ny fomba handraisanao loharanon’aina.

Ny Jeremia 7 dia natao ho an’ireo olona izay niditra “ny tranon’i Jehovah … mba hiankohoka eo anatrehan’i Jehovah”, saingy tsy nifanaraka tamin’ny fanoloran-tenan’izy ireo tety ivelany ny zavatra nataon’izy ireo (jereo ny andininy 2–11). Inona no hafatra tsapanao fa atolotry ny Tompo ho anao ao amin’ny andininy 21–23?

Mampiasà lesona ampiasana zavatra azo tsapain-tanana. Matetika ireo mpaminanin’ny Tompo no mampitaha ireo fahamarinana ara-panahy amin’ny zavatra mahazatra. Hevero ny hanao toy izany rehefa mianatra sy mampianatra ny filazantsara ianao. Ohatra, mba hakana sary an-tsaina ny Jeremia 2:13, dia azonao atao ny manisy rano ao anaty fitoeran-javatra mitriatriatra na misotro rano avy amina paompy iray fisotroana rano. Inona no mampitovy an’i Jesoa amin’ny “loharanon’aina” iray? (Jeremia 2:13). Ahoana no hisotroantsika avy amin’ny loharanon’ainy?

Jeremia 3:14–18; 16:14–21

Hanangona ny vahoakany ny Tompo.

Ao amin’ny Jeremia 16:14–15 dia nampitaha ny fanangonana an’i Isiraely amin’ny andro farany tamin’ny Fifindra-monin’i Isiraely avy any Egypta i Jeremia. Araka ny hevitrao, dia nahoana no ho manan-danja kokoa ho an’ny vahoakan’ Andriamanitra ny fanangonana raha oharina amin’ny Fifindra-monina?

Inona no lazain’ny Jeremia 3:14–18; 16:14–21 momba ny fomba hitrangan’ilay fanangonana?

Ao amin’ny hafany hoe “Fanantenana ho an’iIsiraely,” ny Filoha Russell M. Nelson, tahaka an’i Jeremia, dia nampianatra fa ny fanangonana an’i Isiraely “no zavatra manan-danja indrindra mitranga eto an-tany amin’izao fotoana izao” (fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny zatovo, 3 jona 2018, Médiathèque de l’Évangile). Vakio na henoy ny hafany, ary jereo raha afaka mahita (a) ny fomba hamaritan’ny Filoha Nelson ny fanangonana an’i Isiraely, (b) ny fomba hamariparitany ny maha-zava-dehibe izany, ary (d) ny fomba ahafahanao mandray anjara amin’ilay fanangonana ianao.

Mba hahitana fampahalalana misimisy kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.

sary famantarana ny fizarana ho an’ny ankizy

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

Jeremia 1:5

Fantatry ny Ray any An-danitra aho talohan’ny nahaterahako.

  • Mba hampahafantarana ny fahamarinana manan-danja ampianarina ao amin’ny Jeremia 1:5, dia azonao atao ny mampiseho an’ny zanakao sarina zazakely iray (na, raha azo atao dia afaka mijery ny sarin’ireo zanakao fony izy ireo zazakely ianao). Anontanio ny zanakao raha fantatr’izy ireo ny toerana nipetrahan’izy ireo talohan’ny nahaterahany. Azonareo atao koa ny miara-mihira hira iray izay mampianatra momba ny fiainantsika talohan’ny nahaterahana, toy ny “Taloha aho dia niaina tany an-danitra tany” (Bokin-kiran’ny ankizy, 140).

  • Raha te hianatra misimisy kokoa ny zanakao dia azonao atao ny manampy azy ireo hitady ny “Fiainana talohan’ny nahaterahana” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina. Azon’izy ireo atao ny mitady valiny ho an’ireo fanontaniana hoe “iza,” “rahoviana,” ary “inona” momba ny fiainana talohan’ny nahaterahana.

ankizivavy iray mihazona zazakely

Jeremia 1:4–19

Ny mpaminany dia nantsoina hilaza ny tenin’ny Tompo.

  • Hevero ny hampiseho sarin’ny mpaminany velona na ireo mpaminany ao amin’ny soratra masina (afaka mahita ny sasany amin’izany ao amin’ireo gazetibokin’ny Fiangonana, ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, ary ny Avia, hanaraka Ahy ianao). Anontanio ny zanakao izay fantany momba ireo mpaminany ireo.

  • Mba hampianarana momba ny zavatra ataon’ireo mpaminany dia azonao atao ny misafidy andininy vitsivitsy manampy avy ao amin’ny Jeremia 1, toy ny andininy 5, 7, 10, ary 19. Afaka misafidy ny iray amin’ireo andininy ireo sy mamaky izany ary mizara ny zavatra izay nianarany momba ny mpaminany ny zanakao.

Jeremia 16:14–16

Afaka manampy ireo zanaky ny Ray any An-danitra mba hiverina any Aminy aho.

  • Eo am-pamakianao ny Jeremia 16:16 dia afaka mody “[m]amovo” (manjono) na “[m]ihaza” zavatra manerana ny efitrano ny zanakao. Ny Filoha Russell M. Nelson dia nampitaha ireo mpanjona sy mpihaza ao amin’io andininy io amin’ireo misiônera (jereo ny “The Gathering of Scattered Israel,” Liahona, Nov. 2006, 81). Inona no ataon’ny misiônera? ChurchofJesusChrist.org

    3:30

    Video: A Message for Children from President Russell M. Nelson

Jeremia 18:1–6

Afaka mamela ny Tompo hitarika ny fiainako aho, toy ny hanefen’ny mpanefy ny tanimanga.

  • Mba hamakafakana ireo andininy ireo dia azonao atao ny mifanakalo hevitra na mampiseho ny fomba fanaovana vilany tanimanga (jereo ilay sary any amin’ny faran’ity rindran-damina ity). Inona no hafatra tian’ny Tompo omena antsika ao amin’ny Jeremia 18:1–6? Inona no dikan’ny hoe tanimanga eo an-tanan’ny Tompo? (jereo koa ny Isaia 64:8). Mba hahitana tantara iray hafa izay mampitaha antsika amin’ny tanimangan’ny mpanefy, dia jereo ny hafatry ny Loholona Richard J. Maynes hoe “Ny fifaliana avy amin’ny fananana fiainana mifantoka amin’i Kristy” (Liahona, nôv. 2015, 27–30).

Raha te hanao zavatra misimisy kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

tanana manefy vilany tanimanga amin’ny tournette

“Indro, toy ny tanimanga eo an-tanan’ny mpanefy azy, dia toy izany ianareo eo an-tanako, ry taranak’ Isiraely” (Jeremia 18:6).

pejin’ny sahanasa ho an’ny Kilonga: Afaka manampy ireo zanaky ny Ray any An-danitra hiverina any Aminy aho