“26 ôktôbra–1 nôvambra. -Hampodiko ho fifaliana ny fitomaniany-: Jeremia 31–33; 36–39; Fitomaniana 1; 3” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Testamenta Taloha 2026 (2026)
“26 ôktôbra–1 nôvambra. -Hampodiko ho fifaliana ny fitomaniany,-” Avia, hanaraka Ahy: Testamenta Taloha 2026
Jeremiah Lamenting the Destruction of Jerusalem [I Jeremia mitomany noho ny faharavan’i Jerosalema], nataon’i Rembrandt van Rijn
26 ôktôbra–1 nôvambra: “Hampodiko ho fifaliana ny fitomaniany”
Jeremia 31–33; 36–39; Fitomaniana 1; 3
Rehefa niantso vao voalohany an’i Jeremia mba ho mpaminany ny Tompo dia nolazainy taminy fa ny asa hanirahana azy dia ny “hanongotra sy hanjera” (Jeremia 1:10), ary tena feno faharatsiana ilaina hongotana sy hazera tany Jerosalema. Saingy ampahany tamin’ny asa nanirahana an’i Jeremia ihany izany fa izy koa dia voantso mba “hanorina sy hamboly” (Jeremia 1:10). Inona no azo aorina sy volena ao amin’ilay toerana rava sy mahonena navelan’ny fikomian’ireo vahoakan’ny fanekempihavanana? Raha anontaniana amin’ny fomba hafa, dia ahoana no ahafahantsika manorina sy mamboly indray rehefa namela ny fiainantsika ho rava ny fahotana sy ny fahoriana? Ny valiny dia hita ao amin’ilay “Rantsana marina” (Jeremia 33:15), ilay Mesia nampantenaina. Mitondra “fanekena vaovao” (Jeremia 31:31) Izy, izay fanekena mitaky zavatra misimisy kokoa noho ny endrika ahitana ny fanoloran-tena ety ivelany. Ny lalàny dia tsy maintsy “hatao ao an-tsain[tsika],” sy voasoratra “ao am-pon[tsika].” Izany ho an’ny Tompo no dikan’ny hoe “Andriamani[tsika]” Izy ary izany ho antsika no dikan’ny hoe “olo[ny]” isika (Jeremia 31:33). Dingana mitranga mandritra ny fiainana izany ary mbola hanao fahadisoana isika sy hanana antony hitomaniana indraindray. Saingy rehefa mitranga amintsika izany dia mampanantena ny Tompo hoe: “Hampodiako ho fifaliana ny fitomaniany” (Jeremia 31:13).
Raha hanao topimaso ny Fitomaniana dia jereo ny “Fitomaniana, Bokin’ny” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina.
Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana
Jeremia 31; 33
Hitondra ny vahoakan’ny fanekempihavanany hiala amin’ny fahababoana ny Tompo.
Ao amin’ny Jeremia 31; 33 ny Tompo dia niaiky ny “fidradradradrana sy fitomaniana fatratra,” (Jeremia 31:15) izay hiainan’ireo Isiraelita rehefa ho lasa babo izy ireo. Na izany aza dia nanolotra teny fampaherezana sy mifono fanantenana koa Izy. Tadiavo izany rehefa mamaky ireo toko ireo ianao. Inona avy ireo fampanantenana hitanao fa miantefa aminao?
Jeremia 31:31–34; 32:37–42
“Izy ho oloko, ary Izaho ho Andriamaniny.”
Na dia tsy nanaja ny fanekempihavanana nataony aza ireo Isiraelita, dia naminany i Jeremia fa hanorina indray “fanekena vaovao” sy “fanekena mandrakizay” amin’izy ireo Izy (Jeremia 31:31; 32:40). Inona izany fanekempihavanana izany? Hevero ny hitady hevi-baovao ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizay,” Médiathèque de l’Évangile.
Rehefa mamaky ny Jeremia 31:31–34; 32:37–42 ianao dia saintsaino ny hoe:
-
Midika inona aminao ny maha-isan’ny vahoakan’ny fanekempihavanan’ Andriamanitra.
-
Midika inona ny hoe manana ny lalàny voasoratra ao am-ponao.
-
Inona no ampanantenain’ny Tompo rehefa manao fanekempihavanana Aminy ianao.
-
Manova anao amin’ny fomba ahoana ny fifandraisana mifono fanekempihavanana nataonao tamin’ny Tompo.
Inona avy ireo fampanantenana nataonao tamin’ Andriamanitra rehefa nandray anjara tamin’ireo ôrdônansy masina ianao? Amin’ny fomba ahoana no hanatanterahany ny fampanantenany aminao?
Jereo koa ny David A. Bednar “Tomoera ato Amiko ary Izaho ao aminao; koa miaraha-mandeha Amiko,” Liahona, mey 2023, 123–26.
Jeremia 36
Manana ny hery hampanalavirana ahy amin’ny ratsy ny soratra masina.
Araka ny voalazan’ny Jeremia 36:2–3, dia nahoana ny Tompo no nandidy an’i Jeremia mba hirakitra an-tsoratra ireo faminaniany? Rehefa mamaky ny Jeremia 36 ianao, dia mariho ny zavatra tsapan’ireto olona manaraka ireto mikasika ireo faminaniana ireo:
-
Ny Tompo (jereo ny andininy 1–3, 27–31)
-
Jeremia (jereo ny andininy 4–7, 32)
-
Baroka (jereo ny andininy 4, 8–10, 14–18)
-
Jehody sy ny mpanjaka Joiakima (jereo ny andininy 20–26)
-
Elnatana, Delaia, ary Gemaria (jereo ny andininy 25)
Saintsaino ny zavatra tsapanao momba ireo soratra masina. Ahoana no fomba nanampian’izany anao mba hanalavitra ny ratsy?
Jeremia 37–39
Aoka ianao ho mafy orina amin’ny fanarahana ireo mpaminanin’ Andriamanitra.
Ao amin’ny Jeremia 37:1–3, 15–21; 38:1–6, 14–28, inona no porofo hitanao fa nino ny Mpanjaka Zedekia fa mpaminany marin’ny Tompo i Jeremia? Inona no porofo hitanao fa tsy nino i Zedekia? Inona no ianaranao avy amin’io fampitahana io? Eo am-pamakianao ny Jeremia 39, dia saintsaino ny fahasamihafana mety ho nisy raha nanaraka ny mpaminany sy nitandrina ny didin’ny Tompo i Zedekia sy ny vahoakany. (Ampitahao amin’ny zavatra nitranga tamin’ny fianakavian’i Lehia ao amin’ny 1 Nefia 1–2 ny zavatra nitranga tamin’i Zedekia.)
Jeremia 38:6–13; 39:15–18
Afaka ny ho feno fahasahiana aho amin’ny fiarovana ny marina.
Nahatsapa ireo mpanapaky ny mpanjaka fa nahatonga ireo miaramila ho tsy dia nanana fahavononana hiady ny faminanian’i Jeremia, ka dia natsipin’izy ireo tao anaty fonja maloto i Jeremia (jereo ny Jeremia 38:1–4). Ao amin’ny Jeremia 38:6–13, inona no manaitra aminao mikasika ny zavatra nataon’i Ebeda-Meleka Etiopiana ho setrin’izany? Jereo ihany koa ny fitahiana nomen’ny Tompo an’i Ebeda-Meleka ao amin’ny Jeremia 39:15–18.
Ahoana no ahafahanao manaraka ny ohatra nasehon’i Ebeda-Meleka?
Ny fitarainan’i Jeremia
Fitomaniana 1; 3
Afaka manamaivana ny alahelo tsapako noho ny fahotana ny Tompo.
Ny bokin’ny Fitomaniana dia amboaran-tononkalo nosoratana taorian’ny faharavan’i Jerosalema sy ny tempoliny. Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ny naha-voatahiry azy ireo? Diniho hoe manampy anao hahatakatra inona momba ny alahelo lehibe tsapan’i Isiraely ireo sarinteny ao amin’ny Fitomaniana 1 sy 3. Inona avy ireo hafatra mitondra fanantenana ao amin’i Kristy hitanao? (jereo indrindra indrindra ny Fitomaniana 3:20–33; jereo koa ny Matio 5:4; Jakoba 4:8–10; Almà 36:17–20).
Ny Filoha M. Russell Ballard dia nilaza toe-javatra maromaro izay mety hahatonga ny olona sasany ho kivy, ary nanome torohevitra momba ny fahazoana fanantenana izy:
“Ny sasany amintsika dia mety hahita fa vesaran’ny fahasorenana sy ny hakiviana ary ny alahelo ny fiainantsika. Betsaka no mahatsiaro ho tsy afa-manoatra mba hiatrika ny korontana izay toa manjaka eto amin’izao tontolo izao. Ny hafa kosa dia mangirifiry noho ny olona ao amin’ny fianakaviana izay voasintona mafy amin’ny fanaovana ireo zavatra mampitotongana ny fenitry ny fitsipi-pitondran-tena izay hironan’ny maro. … Ny maro dia efa nilavo lefona ka nanaiky fa ny faharatsiana sy ny habibian’izao tontolo izao dia tsy misy fanafany intsony. Tsy manantena intsony izy ireo. …
“… Ny sasany amintsika dia mety namery ny fanantenana rehetra noho ny fahotana sy ny fandikan-dalàna. Ny olona iray dia mety ho tafarotsaka lalina amin’ny fomban’izao tontolo izao ka tsy mahita lalana hivoahana amin’izany izy ary very fanantenana tanteraka. Ny fiangaviako amin’ireo rehetra izay tafalatsaka ao anatin’ny fandrik’ilay fahavalo dia ny hoe aza milavo lefona na oviana na oviana! Na dia toa mahakivy tahaka ny inona aza ny toe-javatra na ny mety mbola hivoaran’izany dia minoa ahy fa afaka mahazo fanantenana foana ianao. Foana foana” (“The Joy of Hope Fulfilled,” Ensign, Nov. 1992, 31–32).
Jereo koa ny “Vous qui souffrez, venez,” Cantiques, no. 64.
Ampio ny hafa handray andraikitra amin’ny fianaran’izy ireo. Indraindray dia toy ny hoe ny milaza fotsiny amin’ny mpianatra ny zavatra eritreretintsika fa tokony ho fantatr’izy ireo no fomba mora indrindra hampianarana. Na izany aza nefa dia tsy voatery ho ny fomba mora indrindra foana no fomba tsara indrindra. Nampianatra ny Loholona David A. Bednar hoe: “Tsy tokony hoe -Inona no holazaiko azy ireo?- no zavatra kasaintsika.” Fa ny fanontaniana tokony hapetratsika amin’ny tenantsika kosa dia ny hoe -Inona no zavatra azoko angatahina amin’izy ireo mba hataon’izy ireo? Inona avy ireo fanontaniana tsara azoko apetraka izay hanomboka hanasa ny Fanahy Masina ho eo amin’ny fiainan’izy ireo, raha vonona ny hamaly izy ireo?-” (evening with a General Authority, Feb. 7, 2020, broadcasts.ChurchofJesusChrist.org; jereo koa ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 25). Misy fomba maro hanampiana ny mpianatra handray andraikitra amin’ny fianarany. Ohatra, ao amin’ity rindran-damina ity ny mpianatra dia asaina hikaroka, hisaintsaina, hanao lisitra, hijery sary, handray anjara amin’ireo lesona ampiasana zavatra azo tsapain-tanana, hanao sary, ary hizara sy hampihatra ny zavatra nianarany.
Hevitra enti-mampianatra ny ankizy
Jeremia 31:3
Tia ahy “amin’ny fitiavana mandrakizay” ny Ray any An-danitra sy i Jesoa.
-
Rehefa mamaky ny Jeremia 31:3 miaraka amin’ny zanakao ianao dia afaka manampy anao izy ireo hahita zavatra (na sarin-javatra) izay maharitra ela, toy ny vola vy, sy zavatra sasany izay tsy maharitra, toy ny voankazo iray. Azonareo atao ny miresaka momba ny dikan’ny hoe “maharitra mandrakizay” sy mifampizara ny fomba nahatsapanareo ny “fitiavana mandrakiza[in’ny]” Ray any An-danitra.
Jeremia 31:31–34; 32:38–41
Hanampy ahy hitandrina ny fanekempihavanako Andriamanitra.
-
Mety hankafizin’ny zanakao ny hanao sarina fo eo amin’ny taratasy iray ary avy eo dia hanoratra ao anatin’ilay fo ireo zavatra ianaran’izy ireo avy amin’ny Jeremia 31:31–34 mikasika ny fanaovana fanekempihavanana amin’ Andriamanitra. Azonareo atao ny mamerina mijery ny fanekempihavanana nataon’izy ireo tamin’ny batisa (jereo ny Môzià 18:10, 13) sy mifanakalo hevitra momba ny dikan’ny hoe manana ireo fampanantenana ireo voasoratra ao am-pon’izy ireo.
Jeremia 36:1–4
Ny soratra masina dia tenin’ Andriamanitra.
-
Ny pejin’ny sahanasa ho an’ity herinandro ity dia mety ho afaka hanampy ny zanakao hianatra momba an’i Jeremia sy i Baroka ary ny mpanjaka (jereo ny Jeremia 36). Afaka manao fihetsika mifanaraka amin’ireo teny ao amin’ny Jeremia 36:4–10 koa izy ireo, toy ny fanoratana ao anaty boky iray (jereo ny andininy 4) sy ny famakiana ny soratra masina amin’ny vahoaka (jereo ny andininy 8, 10).
-
Afaka mijery boky iray ho an’ny ankizy sy bokin-tsoratra masina ianao sy ny zanakao ary miresaka momba ny maha-samy hafa ireo boky ireo. Inona no mampiavaka ny soratra masina? Mety hitaona fanahy ny mifampizara andalan-tsoratra masina vitsivitsy izay manana lanjany manokana aminareo.
Jeremia 38:6–13
Afaka mijoro amin’ny marina aho.
-
Azonao ampiasaina ilay sary any amin’ny faran’ny rindran-damina mba hanampiana ny zanakao haka sary an-tsaina ny tantaran’i Ebeda-Meleka ao amin’ny Jeremia 38:6–13. Azonao atao angamba ny manampy azy ireo hitady andininy iray izay nanaovan’i Ebeda-Meleka zavatra sarotra tamin-kerimpo mba hanampiana ny mpaminanin’ny Tompo. Inona no azontsika atao mba hanehoana fa fantatsika fa voantson’ Andriamanitra ny mpaminanintsika ankehitriny?
Fitomaniana 1:1–2, 16; 3:22–26
Nataon’ny Mpamonjy izay ahafahako ho voavela amin’ny fahotako.
-
Mba hampahafantarana ny Fitomaniana dia azonao atao ny manazava amin’ny zanakao fa noho ny tsy nibebahan’ny Isiraelita dia rava i Jerosalema sy ny tempoly. Azonareo atao ny mifampizara ny zavatra mety ho tsapanareo raha nipetraka tany ianareo tamin’izany fotoana izany (jereo ny Fitomaniana 1:1–2, 16). Tamin’ny fomba ahoana no mety nanomezan’ireo hafatra ao amin’ny Fitomaniana 3:22–26 fanantenana anareo?
-
Azonareo atao ihany koa ny mifampitantara ireo fotoana nahatsapanareo ho nalahelo momba ny safidy ratsy nataonareo. Inona no hitantsika ao amin’ny Fitomaniana 3:22–26 izay manampy antsika hahatakatra ny famelan-keloka atolotr’i Jesoa Kristy?
Raha te hanao zavatra misimisy kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.