Avia, hanaraka Ahy
9–15 nôvambra. “Tsy misy andriamani-kafa mahavonjy”: Daniela 1–7


“9–15 nôvambra. “Tsy misy andriamani-kafa mahavonjy”: Daniela 1–7,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Testamenta Taloha 2026 (2026)

“9–15 nôvambra. -Tsy misy andriamani-kafa mahavonjy,-” Avia, hanaraka Ahy : Testamenta Taloha 2026

I Nebokadnezara mihaino tsara an’i Daniela

Daniel Interprets Nebuchadnezzar’s Dream [i Daniela manazava ny nofin’i Nebokadnezara], nataon’i Grant Romney Clawson

9–15 nôvambra: “Tsy misy andriamani-kafa mahavonjy”

Daniela 1–7

Azo inoana fa tsy hisy olona handrahona hanipy anao ao anaty lafaoro misy afo mirehitra na ao an-davaky ny liona noho ny finoanao an’i Jesoa Kristy. Saingy tsy misy amintsika izay mandalo eto amin’ity fiainana ity ka tsy handalo fisedrana ny finoana. Mba hahafahantsika rehetra mahazo vokatsoa avy amin’ny ohatra nasehon’ny olona toa an’i Sadraka, sy i Mesaka, ary i Abednego izay nalain’ilay fanjakana Babyloniana mahery ho babo fony izy ireo mbola tovolahy (jereo ny 2 Mpanjaka 24:10–16). Noho izy ireo voahodidin’ny kolontsaina tsy mahazatra miaraka amin’ny soatoavina samy hafa, dia niatrika fakam-panahy lehibe handao ny zavatra inoany sy ny fomban-drazana marina fanaony izy ireo. Na izany aza dia nijanona ho nahatoky tamin’ny fanekempihavanany izy ireo. Ahoana no nahavitan’izy ireo izany? Tamin’ny alalan’ny fanaovana ireo zavatra kely sy tsotra asain’ Andriamanitra hataontsika rehetra: mivavaka, mifady hanina, mifidy namana tsara, matoky an’ Andriamanitra ary mijoro ho fahazavana ho an’ny hafa. Toa an’i Josefa tany Egypta sy i Estera tany Persia, i Daniela sy ireo namany tany Babylona dia nihazona ny finoany an’ Andriamanitra, dia nanao fahagagana izay mbola manentana ny fanahin’ireo mpino mandraka androany Andriamanitra.

Raha hanao topimaso ny bokin’i Daniela, dia jereo ny “Daniela” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina.

sary famantarana ny fandalinana

Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana

Daniela 1; 36

sary famantarana ny seminera
Afaka matoky ny Tompo aho rehefa sedraina ny finoako.

Amin’ny lafiny iray isika rehetra dia miaina ao Babylona avokoa. Matetika isika no miatrika fakam-panahy mba hanaovantsika izay mifanohitra amin’ny fenitra arahintsika ary hiala amin’ny finoana an’i Kristy. Rehefa mamaky ny Daniela 1, 3, ary 6 ianao dia jereo tsara ireo fomba nentina nanerena an’i Daniela, i Sadraka, sy i Mesaka, ary i Abednego mba hanaovan’izy ireo zavatra izay fantany fa tsy mety. Inona no nataon’izy ireo tao anatin’ireo toe-javatra nisy ireo? (jereo ny Daniela 1:10–13; 3:15–18; 6:10). Inona no vokatry ny finoan’izy ireo? Inona no nianaranao avy amin’ireo zavatra niainana ireo izay afaka hanampy anao hatoky ny Tompo rehefa miatrika fanoherana ianao? Dia diniho koa ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Oviana ianao no nahatsapa ho noterena hanao zavatra izay fantatrao fa tsy mety? Tamin’ny fomba ahoana no nitahian’ny Tompo anao noho ny fitandremanao ny didiny?

  • Ary ahoana raha tsy mitarika any amin’ny fahagagana izay katsahinao ny finoanao? (raha te hahita ohatra amin’izany dia jereo ny Almà 14:8–13). Raha miainga amin’ny zavatra vakinao ao amin’ny Daniela 3:13–18, dia mety ho tamin’ny fomba ahoana araka ny hevitrao no namalian’i Sadraka, sy i Mesaka, ary i Abednego io fanontaniana io? Inona no mety ho fiantraikan’ny ohatra nasehon’izy ireo amin’ny fiatrehanao ny fitsapana anao?

  • Ahoana no ahafahan’ny safidy tsara ataonao mitarika ny hafa hanana finoana lehibe kokoa ny Tompo? (jereo ny Daniela 2:47; 3:28–29). Saintsaino ny mety ho fiantraikan’ireo safidinao eo amin’ny hafa.

Jereo koa ny Dieter F. Uchtdorf, “Aza matahotra, minoa fotsiny ihany,” Liahona, nôv. 2015, 76–79.

Miezaha mampandray anjara ny tsirairay. Ny Mpamonjy dia “manainga ny rehetra … hanatona Azy sy hanana anjara amin’ny hatsaram-pony” (2 Nefia 26:33). Raha mampianatra ny fianakavianao ianao na kilasy iray, dia saintsaino ireo fomba ahafahanao manome fahafahana ny tsirairay handray anjara amin’ny fomba vitsivitsy. Ohatra, azonao omena andinin-tsoratra masina iray ny olona tsirairay, na fizarana iray ao amin’ny hafatra avy amin’ny fihaonambe, na andininy iray avy ao amin’ny fihirana iray mba hosaintsainina sy hanaovana fanamarihana. Aza manery na iza na iza handray anjara, fa omeo fahafahana hanao izany izy ireo.

Sadraka, Mesaka, Abednego, ary olona iray hafa ao anaty lafaoro

Shadrach, Meshach, and Abednego in the Fiery Furnace [Sadraka sy Mesaka ary Abednego ao anaty lafaoro mirehitra afo], nataon’i William Maughan

Daniela 2

Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany.

Tamin’ny alalan’ny fanambarana, i Daniela dia nahita ny nofin’i Nebokadnezara nilaza mialoha ny fanjakan’izao tontolo izao amin’ny ho avy, ary koa ny fanjakan’ Andriamanitra amin’ny ho avy, izay “tsy ho rava mandrakizay” (Daniela 2:44). “Ny Fiangonana izany fanjakana amin’ny andro farany voalazan’ny faminaniana izany, izay tsy noforonin’ny olona fa naorin’ Andriamanitra ka mikodiadia toy ny vato -nendahana tamin’ny tendrombohitra nefa tsy nendahan-tanana- ka mahafeno ny tany” (“Nahoana no ilaina ny Fiangonana,” Liahona, nôv. 2015, 111). Eritrereto ny momba ny fanjakan’ Andriamanitra amin’ny andro farany rehefa mamaky ny famariparitana ilay vato ao amin’ny Daniela 2:34–35, 44–45 ianao. Inona no anjara asanao mba hanampy amin’ny fahatanterahan’io faminaniana io?

Jereo koa ny “Peuples du monde, écoutez donc!,” Cantiques, no. 170 ChurchofJesusChrist.org.

13:49

God Gave Them Knowledge

Daniela 2:1–30

Mitaky fiomanana ara-panahy ny fandraisana fanambarana.

Rehefa mamerina mijery ny Daniela 2:1–15 ianao dia eritrereto ny zavatra mety ho tsapanao raha toa ka teo amin’ny toerana nisy an’i Daniela ianao. Inona no nataon’i Daniela? (jereo ny Daniela 2:16–18). Inona no azonao ianarana avy amin’ny Daniela 1:17 momba ny fomba nanomanan’ Andriamanitra an’i Daniela? Inona no azonao ianarana avy amin’ny teny sy ny zavatra nataon’i Daniela taorian’ny nahazoany fanampiana avy amin’ny Tompo? (jereo ny Daniela 2:19–30).

Daniela 7:13–14

Zanaky ny Ray Mandrakizay i Jesoa Kristy.

Nandritra ny asa fanompoan’ny Mpamonjy teto an-tany dia maro ny Jiosy nihevitra fa ny anarana fiantsoana hoe “Zanak’olona” avy ao amin’ny Daniela 7:13 dia nentina nilazana ny Mesia izay ho avy. Inona no ianaranao momba ny Mesia ao amin’ny Daniela 7:13–14? (jereo koa ny Mosesy 6:57).

Matetika ny Mpamonjy no niantso ny tenany hoe “ny Zanak’olona.” Hevero ny handinika ohatra vitsivitsy: Matio 25:31; Marka 9:31; 10:45. Inona no ampianariny momba ny Tenany ao amin’ireo andininy ireo? Ao amin’ny Marka 14:61–64 i Jesoa dia nampiasa io anarana fiantsoana io tamin’ny andro farany niainany teto an-tany. Mariho ny fihetsika nasehon’ny olona izay nandre ny fanambarany. Inona no fiantraikan’ny faminanian’i Daniela momba ny Zanak’Olona eo amin’ny zavatra tsapanao momba ny zavatra nitranga Taminy ao amin’ny Marka 15?

Tahaka ny nankahalana an’i Jesoa noho ny fanambarana fa Izy no “Zanak’olona,” dia mety hiatrika fanenjehana noho ny filazana ny marina koa ianao. Ampitahao amin’ireo fampanantenana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:29, 46 ilay faminaniana ao amin’ny Daniela 7:13–14.

Jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49:6; Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Zanak’Olona,” Médiathèque de l’Évangile.

sary famantarana ny fizarana ho an’ny ankizy

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

Daniela 1; 36

Hanampy ahy hanao ny tsara i Jesoa na dia sarotra aza izany.

  • Mba hanampiana ny zanakao hianatra avy amin’ireo tantara manentana ny fanahy ao amin’ny bokin’i Daniela dia afaka mahita ny sarin’ireo zava-nitranga ao amin’ny Daniela 1, 3, ary 6 ianao (jereo ny pejin’ny sahanasa ho an’ity herinandro ity na ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 23, 2526). Avy eo dia azonao ahohoka ireo sary ary manasà ankizy iray hamadika ny iray dia hiresaka momba ilay tantara asehon’izany. (Mba hahitana fanampiana dia jereo ny “Daniela sy ireo namany,” “Sadraka, Mesaka ary Abednego,” ary ny “Daniela sy ny lavaky ny liona” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha., 154–56, 160–62, 163–65.)

    1:39

    Daniel and His Friends

    1:39

    Shadrach, Meshach, and Abed-nego

    1:45

    Daniel and the Lions’ Den

  • Ampio ny zanakao hieritreritra ireo toe-javatra izay mety hanerena azy ireo hanao safidy ratsy, tahaka an’i Daniela sy ireo namany ao amin’ny Daniela 1, 3, ary 6. Ifampizarao ny fomba nitahiana anareo noho ny fanaovana safidy tsara na dia sarotra aza izany. Azonareo atao koa ny miara-mihira hira iray mifandray amin’io lohahevitra io, toy ny “Bien choisir” (Cantiques, no. 154).

zatovolahy mandà ny hihinana hena

Matoky ny fahendren’ny teny

Daniela 1:1–17

Tian’ny Ray any An-danitra hikarakara ny vatako aho.

  • Ny famakiana ny tantara momba an’i Daniela sy ireo namany nandà ny hena sy ny divain’ny mpanjaka dia mety hamporisika ny firesadresahana momba ny lalàn’ny fahasalamana izay nomen’ny Ray any An-danitra antsika amin’izao fotoana izao (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89). Azonao atao angamba ny mitady ireo fitahiana noraisin’i Daniela sy ireo namany ary mampitaha izany amin’ireo fitahiana nampanantenaina ao amin’ny Tenin’ny Fahendrena (jereo ny Daniela 1:15–17 sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89:18–21).

Daniela 2

Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany.

  • Eo am-pamakianao miaraka amin’ny zanakao ny Daniela 2:31–35, 44–45 dia azonao asaina izy ireo hanao sary maneho ny nofin’i Nebokadnezara. Ampio izy ireo hahatakatra fa ilay vato ao amin’ilay nofy dia maneho Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Inona no ianarantsika momba ny Fiangonana avy amin’io nofy io? Afaka mitanisa zavatra vitsivitsy nataon’ny Ray any An-danitra mba hananganana ny Fiangonany amin’ny andro farany ny zanakao. Raha mila fanampiana izy ireo dia afaka mampiseho sary ahitana ireo zava-nitranga tamin’ny Famerenana tamin’ny laoniny ny Fiangonana ianao (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, p. 90–95).

Daniela 6

Tian’ny Ray any An-danitra hivavaka matetika aho.

  • Nahoana no zava-dehibe tamin’i Daniela ny nivavaka tamin’ny Ray any An-danitra? Azonao sy ny zanakao atao angamba ny miresaka momba izany fanontaniana izany rehefa miara-mamaky ny Daniela 6 ianareo. Avy eo dia afaka mifampizara ny antony maha-zava-dehibe aminareo ny fivavahana ianareo. Mety ho tena tian’ny zanakao ny hanao ny sarin’izy ireo mivavaka ao anatina toe-javatra samihafa. Azon’izy ireo ampiasaina ny sary nataon’izy ireo mba hifampianarana fa afaka mivavaka amin’ny Ray any An-danitra isika na aiza na aiza misy antsika, na inona na inona ilaintsika.

Raha te hanao zavatra misimisy kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

I Daniela mijoro eo anoloan’ny andiana liona

Daniel in the Lions’ Den [I Daniela tao an-davaky ny liona], nataon’i Briton Rivière

Pejin’ny sahanasa ho an’ny Kilonga: Hitahy ahy Andriamanitra rehefa misafidy ny hanara-dia an’i Jesoa Kristy aho