“23–29 nôvambra. -Mitadiava an’i Jehovah, dia ho velona ianareo,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Testamenta Taloha 2026 (2026)
“23–29 nôvambra. -Mitadiava an’i Jehovah, dia ho velona ianareo,-” Avia , hanaraka Ahy: Testamenta Taloha 2026
Jonah on the Beach at Nineveh [I Jona teo amoron-dranomasin’i Ninive], nataon’i Daniel Lewis
23–29 nôvambra: “Mitadiava an’i Jehovah, dia ho velona hianareo”
Amosa; Obadia; Jona
Nandeha sambo ho any Tarsisy i Jona. Tsy nisy naharatsy ny fandehanana an-tsambo nankany Tarsisy afa-tsy hoe lavitra an’i Ninive izany, izay toerana tokony nandehanan’i Jona mba hitondrana ny hafatr’ Andriamanitra. Rehefa tojo tafiotra mahery ilay sambo dia fantatr’i Jona fa noho ny tsy fankatoavany izany. Natsipin’ireo tantsambo izay niaraka taminy tany amin’ny ranomasina lalina i Jona rehefa nisisika nangataka izany mba hampitsaharana ilay tafiotra. Toy ny hoe izany no niafaran’i Jona sy ny asa fanompoany. Saingy tsy nilavo lefona tamin’i Jona ny Tompo, toy ny tsy nilavoany lefona tamin’ny vahoakan’i Ninive sy ny tsy hilavoany lefona amin’ny mpianakavin’i Isiraely, na amin’ny tsirairay avy amintsika.
Noho izany dia manohy mandefa mpaminany izy—tahaka an’i Jona, Amosa, Obadia, ary ireo mpaminanintsika ankehitriny—miaraka amin’ny hafatra hoe raha mibebaka isika dia tsy horoahina mandrakizay. Amin’ireo tsiambaratelo izay ambaran’ Andriamanitra (jereo ny Amosa 3:7), ity iray ity dia anisan’ireo sarobidy indrindra: fa noho i Jesoa Kristy dia tsy tara loatra ny miova. Mbola te hanampy antsika hiaina mifanaraka amin’ireo fanekempihavanana nataontsika Taminy Izy, ary vonona ny hanome antsika fahafahana hiezaka indray.
Mba hahalalana misimisy kokoa momba ireo boky ireo dia jereo ny “Amosa,” “Obadia,” ary ny “Jona” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina.
Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana
Amosa 3:1–8; 7:10–15
Manambara fahamarinana amin’ny alalan’ireo mpaminaniny ny Tompo.
Ao amin’ny Amosa 3:3–6, ny mpaminany Amosa dia nanolotra ohatrana fehin-kevitra azontsika sintonina avy amin’ireo famantarana izay rentsika na hitantsika: rehefa miherona ny liona, dia tsy maintsy efa nahasambotra haza izy izay; raha tratra ao anaty fandrika ny vorona iray dia tsy maintsy efa nisy tadivavarana izay tao. Ao amin’ny andininy 7–8, dia nampiharin’i Amosa amin’ny mpaminany izany lojika izany. Inona no fehin-kevitra azontsika tsoahina rehefa maminany ny mpaminany iray? Inona ihany koa no ianaranao momba ny mpaminany avy amin’ny Amosa 7:10–15?
Inona no nambaran’ny Tompo taminao tamin’ny alalan’ireo mpaminaniny?
Nilaza ny Loholona Ulisses Soares fa “Ny fananana mpaminany dia mariky ny fitiavan’ Andriamanitra” (“Miteny amin’ny herin’ny Fanahy Masina ireo mpaminany,” Liahona, mey 2018, 99). Diniho ny fomba hamenoanao ity fehezan-teny ity: “Fantatro fa tia ahy Andriamanitra, satria mandefa mpaminany izay …” Ireto misy soratra masina vitsivitsy izay afaka manampy: Deoteronomia 18:18; Ezekiela 3:16–17; Efesiana 4:11–14; 1 Nefia 22:2; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:4–6; 84:36–38; 107:91–92.
Inona no holazainao amin’ny olona iray izay mahatsapa fa tsy ilaina ny mpaminany ankehitriny?
Jero koa ny Sujets et questions, “Prophètes,” Médiathèque de l’Évangile.
Amosa 4–5
“Mitadiava an’i Jehovah, dia ho velona hianareo.”
Araka ny voalazan’ny Amosa 4:6–13, dia inona no nantenain’ny Tompo fa hitranga rehefa avy niatrika fitsapana ny Isiraelita? (jereo koa ny Helamàna 12:3). Raha toa tsy Andriamanitra no nandefa ny fitsapana niainanao dia ahoana no nanomezan’izy ireny anao fahafahana hitodika Aminy?
Eo am-pamakianao ny Amosa 5:4, 14–15, dia saintsaino ny fomba nanehoan’ny Tompo famindrampo taminao. Tamin’ny fomba ahoana no nitondran’ny fitadiavana Azy fiainana ho anao?
Amosa 8:11–12
Ny tenin’ny Tompo dia afaka hanome fahafaham-po ny hanoanana sy ny hetaheta ara-panahy.
Eo am-pamakianao ny Amosa 8:11–12, dia eritrereto ny antony maha-azo ampitahana tsara ny mosary amin’ny fiainana tsy misy ny tenin’ Andriamanitra (jereo koa ny Jaona 6:26–35; 2 Nefia 9:50–51; 32:3; Enôsa 1:4–8). Ahoana no hahalalanao fa noana ara-panahy ianao?
Azo ampiharina amin’ny Apôstazia Lehibe ihany koa ireo andininy ireo (jereo ny Sujets et questions, “Apostasie,” Médiathèque de l’Évangile). Inona no fiantraikan’izany “mosary” ara-panahy izany teo amin’ny zanak’ Andriamanitra? Ahoana no nanafahan’ny Famerenana amin’ny laoniny ny hanoananao ara-panahy?
Jereo koa ny “The Great Apostasy” (horonan-tsary), Médiathèque de l’Évangile.
The Great Apostasy
Obadia 1:21
Iza ireo “mpamonjy … ao an-tendrombohitr’i Ziona”?
Raha niresaka momba ny Obadia 1:21 ny Filoha Gordon B. Hinckley dia nanazava fa lasa mpamonjy ao an-tendrombohitr’i Ziona isika rehefa mandray ireo ôrdônansy ho an’ny maty ao amin’ny tempoly (jereo ny “Closing Remarks,” Liahona, Nov. 2004, 105). Inona no mampitovy ny fanaovana izany asa izany—na dia amin’ny fomba bitika aza—amin’ny zavatra nataon’ny Mpamonjy ho antsika? Nanampy anao hahatsapa ho akaiky kokoa ny Mpamonjy tamin’ny fomba ahoana ny fanaovana izany asa izany?
Jereo koa ny “Temples sur le mont de Sion;” Cantiques,” no. 183.
Jona 1–4
Mamindra fo amin’izay rehetra mitodika Aminy ny Tompo.
Fahavalon’i Isiraely izay fantatra tamin’ny herisetra sy ny habibiana nataony i Ninive. Ho an’i Jona dia toa tsy mbola azo noheverina ny hananan’izy ireo fahavononana hibebaka. Mety tena hahaliana ny hampitaha ny fihetsik’i Jona (jereo ny Jona 1; 3–4) amin’ny fahatsapana nananan’i Almà sy ireo zanakalahin’i Môzià (jereo ny Môzià 28:1–5; Almà 17:23–25). Inona no ianaranao avy amin’ny Jona 3 izay mamporisika anao hizara ny filazantsara na dia amin’ireo olona izay toa tsy vonona ny hiova aza?
Rehefa mamaky ny Jona ianao dia mitadiava ohatra mampiseho ny famindrampon’ny Tompo. Nahoana ianao no mahatsapa fa tsy nankasitraka sy nirehitra hatezerana (Jona 4:1) i Jona rehefa nanolotra famindrampo tamin’ny vahoakan’i Ninive ny Tompo? Inona no tsapanao fa nezahin’ny Tompo nampianarina azy ao amin’ny toko 4? Saintsaino ny fomba niainanao ny famindrampony teo amin’ny fiainanao. Inona no ianaranao avy amin’i Jona ka afaka manampy anao ho feno famindrampo kokoa?
Hevitra enti-mampianatra ny ankizy
Satria alahady fahadimin’ny volana ny alahady ho avy izao dia amporisihina ireo mpampianatra ao amin’ny Kilonga mba hampiasa ireo sahanasa enti-mianatra ao amin’ny “Tovana B: Manomana ny ankizy hijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanan’ Andriamanitra mandritra ny androm-piainany.”
Amosa 3:7
Irak’i Jesoa Kristy ireo mpaminany.
-
Mba hanampiana ny zanakao hahatakatra ny Amosa 3:7, dia azonao atao ny mibitsibitsika hafatra tsotra amin’ny iray amin’izy ireo ary mangataka azy ireo hizara ilay hafatra amin’ny ankizy hafa. Inona no mampitovy ilay iraka ato amin’ity sahanasa ity amin’ny mpaminany? Nahoana ny Tompo no manome antsika mpaminany?
-
Mba hahalalana misimisy kokoa momba ny zavatra ataon’ireo mpaminany dia afaka mandinika ireo hafatra vao haingana avy amin’ny Filohan’ny Fiangonana amin’izao fotoana izao ianao sy ny zanakao. Afaka mihira hira toy ny “Araho hatrany ny mpaminany” (Bokin-kiran’ny ankizy, 58–59) koa ianareo. Ifampizarao ny antony hisafidiananareo hanaraka ny mpaminanin’ Andriamanitra.
Ampio ny ankizy hanao tsianjery ny soratra masina. Nizara izao ny Loholona Richard G. Scott: “Toy ny manomboka finamanana vaovao ny fanaovana tsianjery soratra masina. Toy ny fiezahana mamantatra olona iray vaovao izay afaka manampy amin’ ny fotoana ilana fanampiana izany, sy afaka manome fitaomana ara-panahy sy fankaherezana, ary ho loharano hahazoana risi-po hanaovana ny fanovana izay ilaina” (“Ny herin’ny soratra masina,” Liahona, nôv. 2011, 6). Mba hanampiana ny zanakao hitadidy ny Amosa 3:7 manontolo na ny ampahany, dia azonao soratana izany ary averinareo miaraka. Avy eo dia afaka mamafa na manakona teny vitsivitsy isaky ny mandeha ianao mandra-pahafahan’ny zanakao mamerina tsianjery ilay andininy iray manontolo.
Amosa 8:11–12
Ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara no namarana ny mosarin’ny apôstazia.
-
Asao ny zanakao mody hanao hoe noana rehefa mamaky ny Amosa 8:11–12 ianao. Inona no tsapantsika rehefa noana ny tenin’ Andriamanitra isika? Azon’ny zanakao atao angamba ny mody manao hoe misakafo rehefa mifampizara ny sasany amin’ireo soratra masina tianareo indrindra ianareo.
-
Azonao ampiasaina ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Apôstazia” (Bibliothèque de l’Évangile), na ny “Taorian’ny Testamenta Vaovao” (ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Vaovao, 167–70) mba hanampiana ny zanakao hahatakatra ny “mosary” izay avy amin’ny Apôstazia Lehibe sy ny fomba niafaran’izany tamin’ny Famerenana amin’ny laoniny. Mifampizarà antony maha-velom-pankasitrahana anareo fa namerina tamin’ny laoniny ny filazantsarany ny Tompo amin’izao androntsika izao.
2:52After the New Testament
Jona 1–3
Hanampy ahy hankatò Azy ny Tompo na dia amin’ny fotoana maha-sarotra izany aza.
-
Mba hanampiana ny zanakao hianatra ny tantaran’i Jona dia azonareo jerena miaraka ny “Jona mpaminany” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha; jereo koa ny pejin’ny sahanasa ho an’ity herinandro ity). Avy eo dia azonao atao ny manontany hoe:
-
Inona no nitranga rehefa tsy nankatò ny Tompo i Jona? (jereo ny Jona 1:4–17).
-
Inona no nataon’i Jona mba hibebahana? (jereo ny Jona 1:10–12; 2:1–4, 9; 3:1–4).
-
Inona no nitranga rehefa nankatò i Jona? (jereo ny Jona 3:5).
2:30Jonah the Prophet
-
-
Mety ho tena tian’ny zanakao ny hamerina hitantara ny tantaran’i Jona na hilalao izany an-tsehatra. Mifampizarà zavatra niainana vitsivitsy izay nanirian’ny Tompo anareo hanao zavatra izay sarotra taminareo. Ahoana no nanampiany anareo hankatò Azy?
Jona 1–4
Mamindra fo amin’izay rehetra mitodika Aminy ny Tompo.
-
Azon’ny zanakao atao angamba ny mody manao tafatafa amin’i Jona momba ny zavatra niainany. Inona avy ireo fanontaniana hapetrak’izy ireo aminy? Amporisiho izy ireo hametraka fanontaniana mba hamantarana ny zavatra nianaran’i Jona momba ny Tompo. Inona ohatra no mety holazain’i Jona momba ny famindrampon’ny Tompo? (jereo ohatra ny Jona 2:7–10; 3:10; 4:2).
Chirst and the Palsied Man [I Kristy sy ilay lehilahy nalemy], nataon’i J. Kirk Richards
-
Ampio ny zanakao hieritreritra ireo ohatra amin’ny fotoana nanehoan’ny Mpamonjy famindrampo tamin’ny hafa, tahaka ny Marka 2:3–12; Lioka 23:33–34; ary Jaona 8:1–11. Afaka mitady sary maneho ireo ohatra ireo ianao sy ny zanakao. Inona avy ireo fotoana azontsika araraotina mba hanehoana famindrampo amin’ny hafa?
Raha te hanao zavatra misimisy kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.