Avia, hanaraka Ahy
16–22 nôvambra. “Ho tia azy tsy vozonana Aho”: Hosea 1–6; 10–14; Joela


“16–22 nôvambra. -Ho tia azy tsy vozonana-: Hosea 1–6; 10–14; Joela,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Testamenta Taloha 2026 (2026)

“16–22 nôvambra. -Ho tia azy tsy vozonana Aho,-” Avia, hanaraka Ahy: Testamenta Taloha 2026

mpivady vao, eo ivelan’ny tempoly

16–22 nôvambra: “Ho tia azy tsy vozonana Aho”

Hosea 1–6; 10–14; Joela

Natao ho tena lalim-paka sy tena manan-danja ny fanekempihavanana nataon’ny Tompo tamin’i Isiraely ka nampitahain’ny Tompo tamin’ny fanambadiana izany. Tahaka ny fanambadiana, ilay fanekempihavanana dia nahitana fanoloran-tena mandrakizay, fifampizarana traikefa, fiarahana manorina fiainana, fahitsim-po aman-tsaina tanteraka ary ny faratampony indrindra dia fitiavana avy amin’ny fo manontolo. Indrisy fa tsy nahatoky tamin’ny fanekempihavanan’izy ireo ny Isiraelita. Kanefa ny hafatry ny Tompo ho azy ireo dia tsy hoe “Handà anareo mandrakizay Aho.” Fa hoe: “Hasaiko hiverina ianareo” (jereo ny Hosea 2:16–17). “Hofofoiko ho vadiko amin’ny fahamarinana hianao,” hoy Izy nanambara tamin’ny alalan’ny mpaminany Hosea (Hosea 2:22). “Hositraniko ny fiodinany, ho tia azy tsy vozonana Aho” (Hosea 14:5). Izany ihany no hafatra omeny antsika amin’izao fotoana izao eo am-pikatsahantsika ny hanaja ireo fanekempihavanantsika amim-pitiavana sy amim-panolorantena.

Nizara hafatra mitovy amin’izany i Joela: “Miverena amin’i [Tompo] Andriamanitrareo; fa mamindra fo sy miantra Izy. Mahari-po sady be famindrampo” (Joela 2:13). Ny famakiana ny tenin’ireo mpaminany ireo dia mety hamporisika anao hisaintsaina ny fifandraisanao manokana amin’ny Tompo—hieritreritra ny fomba hamporisihan’ny fahatokiany aminao anao mba ho mahatoky Aminy.

Mba hanaovana topimaso ny bokin’i Hosea sy i Joela, dia jereo ny “Hosea” sy ny “Joela” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina.

sary famantarana ny fandalinana

Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana

Hosea 1–314

Manasa ahy lalandava hiverina Aminy ny Tompo.

Nivadi-pitokisana tamin’i Hosea i Gomera vadiny ary nasongadin’ Andriamanitra izany zava-nitranga nampalahelo izany mba hampianarana ireo Isiraelita ny zavatra tsapany momba azy ireo sy momba ireo fanekempihavanana nataon’izy ireo Taminy. Rehefa mamaky ny Hosea 1–3 ianao dia saintsaino ny fomba fijerin’ny Tompo ny fifandraisany amin’ny olon’ny fanekempihavanany. Inona no mampitovy ny fanaovana fanekempihavanana amin’ny Tompo amin’ny firosoana amin’ny fanambadiana? Inona no itovian’ny tsy fahavitana mitandrina izany fanekempihavanana izany amin’ny hoe mivadi-pitokisana amin’ny vady? (jereo ny Hosea 2:7–9, 15). Inona no ampianarin’ny Hosea 2:16–25 antsika momba ny fitiavana sy ny famindram-pon’ny Tompo? Ahoana no fomba hampisehoanao Azy ny fitiavanao sy ny fahitsim-po aman-tsainao?

Tadiavo ao amin’ny Hosea 14 ireo fampanantenana tsara maro ataon’ny Tompo amin’ireo izay miverina Aminy. Midika inona aminao ilay andian-teny hoe “tia azy tsy vozonana”? (andininy 5). Inona no ampianarin’ireo fanoharana momba ny zava-maniry ao amin’ny andininy 6–9 antsika momba ny fitahiana avy amin’ny Tompo, ka tafiditra ao anatin’izany ny fitahian’ny fibebahana? Hevero ny hihira na hihaino, ao anatin’ny fandalinanao, hira iray momba ny famindram-pon’ny Mpamonjy, toy ny “Venez à Jésus! Il vous appelle” (Cantiques, no. 62).

vehivavy iray kivy

Notoloran’ny Tompo fanavotana i Gomera, izay maneho ny mpianakavin’i Isiraely sy ny fanekempihavanan’izy ireo izay rava. Sary fanehoana nataon’i Deb Minnard, nahazoana fahazoan-dalana avy amin’ny goodsalt.com

Hosea 6:4–7; Joela 2:12–13

Ny fanolorantena ho an’ Andriamanitra dia tsy maintsy tsapa any anaty fa tsy aseho eny ivelany fotsiny.

Nanolotra sorona biby ireo olona tamin’ny andron’i Hosea, saingy nandika didy manan-danja kokoa noho izany izy ireo. Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe “ny famindram-po no sitraky ny [Tompo] fa tsy fanatitra alatsa-dra, ary fahalalana an’ Andriamanitra noho ny fanatitra odorana”? (Hosea 6:6). Inona araka ny eritreritrao ny dikan’ny hoe toy ny rahona na ny ando ny fahamarinana? (jereo ny Hosea 6:4). Tokony ho toy ny rahoana ny fahamarinantsika? (jereo ny Isaia 48:18; 1 Nefia 2:9–10).

Azonao atao koa ny mamaky ny Matio 9:10–13; 12:1–8 mba hahitana ny fomba nampiasan’ny Mpamonjy ny Hosea 6:6 nandritra ny asa fanompoany. Manampy anao mba hahatakatra ny tenin’i Hosea amin’ny fomba ahoana ireo andinin-tsoratra masina ireo?

Rehefa mamaky ny Joela 2:12–13, dia mety manampy ny mahafantatra fa ny fanatriarana na fandrovitana ny akanjon’ny tena dia famantarana avy ety ivelany ny fitomaniana sy ny nenina. Inona no tsy mampitovy ny fanatriarana ny fontsika sy ny fanatriarana ny fitafiantsika?

Joela 2

sary famantarana ny seminera
“Handatsaka ny Fanahiko amin’ny nofo rehetra Aho.”

Inona no hitanao fa mampitovy ny androntsika amin’ny andro izay hitan’i Joela? (jereo indrindra indrindra ny Joela 2:1–2, 11, 18–32). Inona no manan-danja aminao mikasika ireo fitahiana nampanantenain’ny Tompo ao amin’ny andininy 18–32? Nahoana ireo fitahiana ireo no sarobidy, indrindra fa amin’izao fotoana izao?

Mety hahaliana ny mamaky ny zavatra nolazain’i Môrônia momba ny Joela 2 rehefa nitsidika an’i Joseph Smith izy tamin’ny 1823 (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:41). Ahoana no ahatsapanao fa tanteraka amin’izao androntsika izao ireo faminaniana ao amin’ny Joela 3:1–5? (jereo koa ny Asan’ny Apostoly 2:1–21). Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe ny Tompo dia “handatsaka ny fanahi[ny] amin’ny nofo rehetra”? (Joela 3:1).

Azonareo saintsainina ireto teny avy amin’ny Filoha Russell M. Nelson ireto: “Ao anatin’ireo andro ho avy, dia tsy azo heverina ny ho velon’aina ara-panahy raha tsy misy ny fitaoman’ny Fanahy Masina izay mitarika, sy manoro hevitra, ary mampionona tsy tapaka” (“Fanambarana ho an’ny Fiangonana, Fanambarana ho an’ny fiainantsika,” Liahona, mey 2018, 96). Nahoana ny fanambarana no tena manan-danja ho an’ny fahavelomanao ara-panahy?

Inona no azonao atao raha toa ianao ka mahatsapa fa tsy mahazo izany fandatsahana ny Fanahy izany? Ireto misy ohatra vitsivitsy mety hanampy. Inona no nataon’ireo olona ao amin’ireo soratra masina ireo mba handraisana ny fandatsahana ny Fanahin’ny Tompo?

Rehefa mamaky ireto teny avy amin’ny Loholona David A. Bednar ireto ianao dia saintsaino ny dikan’ny hoe mahatsapa fitobahan’ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainanao andavanandro:

“Matetika dia manao izay hahasarotra ny fahazoana fanambarana ho an’ny tenantsika manokana isika. Ny tiako holazaina amin’izany dia hoe, ilay fampanantenana avy amin’ny fanekempihavanana dia hoe rehefa manaja ny fanekempihavanantsika isika dia ananantsika mandrakariva miaraka amintsika ny Fanahy Masina. Kanefa rehefa miresaka momba izany isika dia raisintsika toy ireny hoe zavatra mahalana ireny ny fandrenesana ny feon’ny Tompo amin’ny alalan’ny Fanahiny. … Natao hiaraka amintsika amin’ny fotoana rehetra [ny Fanahy]. Tsy hoe isa-tsegondra, saingy raha manao ny tsara indrindra vitany ny olona iray—ary tsy voatery hoe tonga lafatra ianao—raha manao izay tsara indrindra vitantsika izaho sy ianao ary tsy nahavita fandikan-dalàna goavana isika dia afaka miantehitra amin’ny Fanahy Masina hitarika antsika isika. …

“… Toa mino isika fa ny Fanahy Masina dia fisehon-javatra lehibe sy tampoka, kanefa izany dia feo tony sy malefaka ary mitombo tsikelikely” (“Elder David A. Bednar Discussion” [takariva iarahana amin’ny Manampahefana Ambony, 7 feb. 2020], broadcasts.ChurchofJesusChrist.org).

Jereo koa Gary E. Stevenson, “Bitsiky ny Fanahy,” Liahona, nôv. 2023, 42–45; “Territoire ennemi” (horonan-tsary), Médiathèque de l’Évangile.

3:38

Enemy Territory

Mamorona tontolo hahatsapana ny Fanahy. “Inona no tsikaritrao fa mitondra anjara biriky eo amin’ny famoronana tontolo ara-panahy ho an’ny fianarana ny filazantsara? Ary inona no manakana izany?” … Eritrereto ilay sehatra tena ampianaranao [na ianaranao] matetika. Inona no tsapanao rehefa ao ianao? Ahoana no ahafahanao ho mahomby kokoa eo amin’ny fanasana ny Fanahy mba hanatrika eo?” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy7).

sary famantarana ny fizarana ho an’ny ankizy

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

Hosea 2:21–22

Afaka mitandrina amim-pahatokiana ireo fanekempihavanana nataoko aho.

  • Ao amin’ny bokin’ny Hosea ny Tompo dia mampitaha ireo fanekempihavanana nataony tamin’i vahoakany amin’ny fanambadiana. Mba hianarana avy amin’io fampitahana io dia afaka mijery sarina mpanambady ianao sy ny zanakao ary miresaka momba ny fomba tian’ny Ray any An-danitra hifampitondran’ny mpivady. Ampio ny zanakao hitady teny ao amin’ny Hosea 2:21–22 izay mamaritra ny zavatra tsapan’ny Tompo momba antsika. Amin’ny fomba ahoana no hanehoantsika amin’ny Tompo fa tiantsika Izy ary ho mahatoky Aminy isika?

Hosea 10:12

“Izao no andro hitadiavana an’i Jehovah.”

  • Ny Hosea 10:12 dia miresaka ny famafazana, ny fijinjana, ny fotoana, ary ny rotsak’orana ho sariohatra entina hanasana antsika hitady ny Tompo. Eo am-pamakianao io andininy io dia inona no zavatra foronina tonga ao an-tsainao mba hitaomana ny ankizy hikatsaka Azy? Ohatra, azon’ny zanakao atao tsara ny manao sarina famantaranandro iray ary manoratra ireo fomba ahafahan’izy ireo mitady ny Tompo amin’ny fotoana samihafa mandritra ny andro. Ny hira toy ny “Anytime, Anywhere” (Médiathèque de l’Évangile) dia afaka manampy anao hampianatra fa izao no fotoana tsara itadiavana ny Tompo.

  • Na afaka manao fihetsika tsotra izay mifanaraka amin’ilay andininy ny zanakao, toy ny mody mamboly voa, na mioty legioma, na mijoro ao anatin’ny orana. Ampio ireo zanakao hampitaha ny fambolena voa sy ny fijinjana sakafo tsara amin’ny fiainana amim-pahamarinana sy ny fandraisana ireo fitahiana avy amin’ny Tompo. Avy eo ianareo dia afaka mifampizara ireo fitahiana narotsaky ny Tompo taminareo rehefa niezaka nitady Azy ianareo.

Hosea 13:4, 14

I Jesoa Kristy no Mpamonjy sy Mpanavotra ahy.

  • Mba hanamafisana ny fahamarinana ao amin’ny Hosea 13:4 fa tsy misy Mpamonjy afa-tsy i Jesoa Kristy, dia azonao atao ny mampiseho sarin’olona maromaro amin’ny zanakao, anisan’izany i Jesoa. Afaka mifandimby manondro ilay olona manana hery hamonjena antsika amin’ny fahotana sy ny fahafatesana ny zanakao. Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany.

  • Afaka mitady teny ao amin’ny Hosea 13:4, 14 izay mamariparitra an’i Jesoa Kristy ireo zanakao. Inona no ampianarin’ireo tandindona ireo antsika momba Azy? Hevero ny hanampy ny zanakao hampiasa ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina mba hahitana soratra masina hafa izay mampianatra fa i Jesoa no Mpamonjy sy Mpanavotra antsika. Ifampizarao ny zavatra tsapanareo momba an’i Jesoa Kristy.

zatovolahy iray mivavaka

Joela 3:1–2

Afaka mitarika ahy ny Fanahy Masina.

  • Azonao atao angamba ny manampy ny zanakao hahatakatra ny Joela 3:1–2 amin’ny alalan’ny famelana azy ireo handraraka rano hitosaka ary avy eo dia hampitaha izany amin’ny rano atao mitete na mitsitaitaika. Mety hidika inona izany hoe ny Fanahy dia “nalatsaka” tamintsika izany?

  • Rehefa miara-mamaky ny Joela 3:1–2 ianareo dia azonao atao ny manasa ny zanakao hampiditra ny anaran’ny tsirairay eo amin’ny toeran’ireo andian-teny hoe “zanakalahinareo” sy “zanakavavinareo.” Avy eo dia ampio izy ireo hanao fikarohana ao amin’ny soratra masina tahaka ny Jaona 14:16; Môrônia 10:5; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:17 mba hahitana ny fomba ahafahan’ny Fanahy manampy azy ireo.

Raha te hanao zavatra misimisy kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

I Jesoa manao fihetsika amin’ny tanana eo amin’ny varavarana iray

Mpamonjy, nataon’i Kelly Pugh

Pejin’ny sahanasa ho an’ny Kilonga: Afaka mitarika ahy ny Fanahy Masina