Avia, hanaraka Ahy
2–8 nôvambra. “Fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo”: Ezekiela 1–3; 33–34; 36–37; 47


“2–8 nôvambra. -Fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo-: Ezekiela 1–3; 33–34; 36–37; 47,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Testamenta Taloha 2026 (2026)

“2–8 nôvambra. -Fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo,-” Avia, hanaraka Ahy: Testamenta Taloha 2026

mpitily eo amin’ny tilikambo

2–8 nôvambra: “Fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo”

Ezekiela 1–3; 33–34; 36–3747

I Ezekiela dia mpaminany natao sesitany. Nosamborina sy nalefa tany Babylona niaraka tamin’ireo Isiraelita hafa izy. Tokony ho mpisorona nanompo tao amin’ny tempoly i Ezekiela tao Jerosalema. Anisan’ireo “babo” tao Babylona izy ary dia “teo amin’izay nipetrahany” (Ezekiela 3:15), an-jato kilaometatra niala ny tranon’ Andriamanitra izay nolalainy ary kely ny fanantenana mba hiverenana. Ary avy eo, indray andro dia nahita fahitana i Ezekiela. Nahita “ny voninahitr’i Jehovah” izy (Ezekiela 1:28), tsy tany amin’ny tempoly tany Jerosalema fa tao Babylona kosa, teo anivon’ireo izay natao sesitany. Henony fa ny faharatsiana tao Jerosalema dia lasa tena nahery vaika, hany ka tsy tany intsony ny fanatrehan’ Andriamanitra (jereo ny Ezekiela 8–11; 33:21).

Kanefa dia mbola misy zavatra mahavelom-panantenana momba ny hafatr’i Ezekiela. Na toy ny ahoana na toy ny ahoana ny halehiben’ny fahalavoan’ny vahoakan’ny fanekempihavanana dia tsy nandao azy ireo tanteraka Andriamanitra. Raha toa ka “[hihaino] ny tenin’i Jehovah” (Ezekiela 37:4) izy ireo, dia ho azo velomina indray ny zavatra efa maty. Azo soloina “fo vaovao” ny “fo vato” (Ezekiela 36:26) ao amin’izy ireo. Ary any aoriana any ny Tompo dia hanorina tempoly vaovao sy Jerosalema vaovao, “ary ny anaran’ny tanàna hatramin’izay andro izay dia Jehovah no ao.” (Ezekiela 48:35).

Raha hanao topy maso ny bokin’i Ezekiela, dia jereo ny “Ezekiela” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina.

sary famantarana ny fandalinana

Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana

Ezekiela 334

Manasa ahy hamahana ny ondriny ny Tompo.

Ao amin’ny Ezekiela 3 sy 34, ny Tompo dia miantso ireo mpitarika ny vahoakany ho mpitily sy mpiandry ondry. Rehefa mamaky ireo toko ireo ianao dia eritrereto ny hevitra aroson’ireo anarana fiantsoana ireo mikasika ny dikan’ny hoe mpitarika.

Iza ireo “ondry” izay tian’ny Tompo hofahananao? Inona no hitanao ao amin’ny Ezekiela 34 izay afaka manampy olona hiomana hanao asa fitoriana, hitaiza zanaka, na hanatanteraka asa fanompoana iray? Ahoana no ahafahanao manaraka ny ohatra izay napetraky ny Mpamonjy amin’ny maha-mpiandry ondrintsika Azy? (jereo ny andininy 11–31).

Azonao atao ihany koa ny misaintsaina ny fanehoana an’ohatra hitanao ao amin’io toko io. Mety maneho inona ny “tany tsara” sy ny “fiandrasana tsara ahitra” ao amin’ny andininy 14? Inona no maha samy hafa ny ondry “very” sy ny “voaroaka”? (andininy 16). Inona no fanehoana an’ohatra hafa hitanao?

Jereo koa ny Jaona 21:15–17; Gerrit W. Gong, “Fanompoana,” Liahona, mey 2023, 16–19.

Ezekiela 33:10–19

Te hamela heloka ny Tompo.

Raha “eto aminay ny … fahotanay,” hoy ireo Isiraelita babo nanontany tena, “dia nahoana no mbola velona izahay?” (Ezekiela 33:10). Ho setrin’izany dia nampianatra azy ireo momba ny fibebahana sy ny famelan-keloka ny Tompo. Mety hanampy anao hisaintsaina ny zavatra nampianariny ireto fanontaniana ireto:

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe “mitoky amin’ny fahamarina[nao]”? (jereo ny Ezekiela 33:12–13).

  • Inona no holazainao amin’ny olona izay mahatsapa fa tsy rariny ny natao tamin’ireo olona tantaraina ao amin’ny Ezekiela 33:12–19? (jereo koa ny Matio 21:28–31; Lioka 18:9–14).

  • Inona no hitanao ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo izay manampy anao hahatakatra ny dikan’ny hoe mibebaka? Inona no hevi-baovao fanampiny hitanao ao amin’ny Ezekiela 36:26–27 sy Almà 7:14–16?

Ezekiela 37

sary famantarana ny seminera
Manangona ny olony ny Tompo ary manome azy ireo fiainam-baovao.

Aseho amin’ny alalan’ny fanehoana an’ohatra anankiroa ao amin’ny Ezekiela 37 ny fanangonana an’i Isiraely. Rehefa mamaky ny voalohany ianao—taola-maina novelomina (jereo ny andininy 1–14) dia saintsaino ny zavatra tian’izany holazaina aminao mikasika ny fanangonana an’i Isiraely amin’ny lafy roan’ny voaly (jereo ihany koa ny Ezekiela 36:24–30). Saintsaino ny fanontaniana toy ireto:

  • Inona no ezahin’ny Tompo tanterahina amin’ny alalan’ny fanangonana an’i Isiraely?

  • Ahoana no anatanterahany izany?

Azonao apetraka amin’ny tenanao ireo fanontaniana ireo rehefa mamaky momba ilay fanehoana an’ohatra faharoa ianao, ao amin’ny andininy 15–28. Io fanehoana an’ohatra io dia ahitana tapa-kazo roa, izay hazavain’ireo manam-pahaizana maro hoe tabilao fanoratana vita amin’ny hazo nakambana tamin’ny savily. Ny tapa-kazon’i Joda dia maneho ny Baiboly (satria ny ankamaroany ao amin’ny Baiboly dia nosoratan’ny taranak’i Joda), ary ny tapa-kazon’i Josefa dia afaka maneho ny Bokin’i Môrmôna (satria ny fianakavian’i Lehia dia taranak’i Josefa avy ao Egypta). Raha miaraka amin’izany ao an-tsaina, dia inona no ampianarin’ireo andininy ireo anao momba ny andraikitry ny soratra masina amin’ny fanangonana an’i Isiraely?

Eritrereto ny fomba niarahan’ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna niasa teo amin’ny fiainanao, indrindra mba hanampiana anao hanatona an’i Kristy. Inona avy ireo andinin-tsoratra masina nanan-danja manokana taminao?

Jereo koa ny 2 Nefia 3:11–13; 29:14; “Israël, ton Dieu t’appelle,” Cantiques, no. 6; Sujets et questions, “Bible,” “Le livre de Mormon,” Médiathèque de l’Évangile.

1:31

The Book of Mormon Gathers Scattered Israel

ny Ranomasina Maty hodidinin’ny tany foana

Nahita tao anatina fahitana ony iray nikoriana avy tao amin’ny tempoly i Ezekiela ary nanasitrana ny Ranomasina Maty.

Ezekiela 47:1–12

Afaka mahazo fahasitranana ara-panahy ao amin’ny tranon’ny Tompo aho.

Rehefa mamaky ny Ezekiela 47:1–12 ianao dia mety hanampy ny mahafantatra fa ny Ranomasina Maty dia tena masira be ka tsy afaka miaina ao ny trondro sy ny zavamaniry. Inona no manan-danja aminao momba ireo rano fariparitana ao amin’ny andininy 1–12? (jereo koa ny Apokalypsy 22:1). Mety haneho inona ireo rano ireo? Mety haneho inona ireo hazo voalaza ao amin’ny andininy 12?

Manampy inona amin’ny fahatakaranao ny hafatry ny Loholona Dale G. Renlund hoe “Tantaram-pianakaviana sy asa atao any amin’ny tempoly: famehezana sy fanasitranana”? (Jereo ny Liahona, mey 2018, 47–48). Saintsaino ny fomba nahazoanao fiainana ara-panahy sy fahasitranana noho ny tempoly.

sary famantarana ny fizarana ho an’ny ankizy

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

Ezekiela 3:17; 33:1–5

Ny mpaminany dia toy ny mpitily mampitandrina antsika amin’ny loza.

  • Mety hankafizin’ny zanakao ny manao fihetsika mifanaraka amin’ny Ezekiela 3:17. Ohatra, afaka manondro ny masony sy ny sofiny ary ny vavany izy ireo rehefa mamaky ny teny hoe “mpitily,” “[maheno],” ary “[vava]” ianao. Mety ho tian’izy ireo koa ny manao dia an-tongotra, any ivelan’ny trano na manerana ny efitrano. Rehefa mandeha izy ireo dia omeo fampitandremana amin’ireo zavatra eny an-dalana, toy ny renirano mila dikaina, ireo rantsankazo mila iondrehana, ary ireo biby mila andosirana (tena izy na mody atao hoe tena misy). Mety hitarika amin’ny resadresaka momba ny fomba hampitandreman’ny mpaminanin’ny Tompo antsika amin’ireo loza izay tsy hitantsika izany.

  • Ity misy fomba iray hafa hanehoana ny Ezekiela 3:17; 33:1–5. Ny iray amin’ireo zanakao dia afaka mody manao hoe “mpitily” amin’ny alalan’ny fitazanana eo am-baravarankely sy ny filazana amin’ny olona hafa rehetra izay zava-mitranga any ivelany. Afaka mijery ny horonan-tsary “Watchman on the Tower” koa ianareo (ChurchofJesusChrist.org). Ahoana no maha-toy ny mpitily ho antsika ny mpaminanintsika velona?

    4:17

    Watchman on the Tower

I Ezekiela mihazona horonan-taratasy roa

The Prophet Ezekiel [Ny Mpaminany Ezekiela], nataon’i Lyle Beddes

Ezekiela 37:15–23

Ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna dia manampy amin’ny “fanangonana” antsika ao amin’i Jesoa Kristy.

  • Rehefa avy niara-namaky ny Ezekiela 37:15–23 ianao sy ny zanakao dia afaka mitady hazo roa ianareo ary manoratra eo amin’ny iray hoe Ho an’i Joda ( Baiboly) ary eo amin’ilay iray hafa hoe Ho an’i Josefa ( Bokin’i Môrmôna). Avy eo dia afaka mizara tantara na soratra masina avy ao amin’ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna ianareo izay manampy anareo hahatsapa ho akaiky kokoa ny Mpamonjy ary ho lasa “vahoaka[ny]” (andininy 23). Nahoana no tsara ny manana ireo boky soratra masina roa ireo?

Aza miezaka ny hampianatra ny zavatra rehetra ao anatin’ny lesona. Mety tsy ho afaka ny handinika ny fahamarinana rehetra ao amin’ny Ezekiela miaraka amin’ny zanakao ianao. Diniho ombam-bavaka ny zavatra ilain’izy ireo takarina, ary mikatsaha fitarihana ara-panahy mba hanapahana ny zavatra tokony hifantohana. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy17.)

Ezekiela 47:1–12

Afaka mahazo fanasitranana ao amin’ny tranon’ny Tompo ny fontsika sy ny fianakaviantsika.

  • Ny Ezekiela 47 dia manoritsoritra ny fahitan’i Ezekiela momba ny rano izay nikoriana avy tao amin’ny tempoly ka nanasitrana ny Ranomasina Maty, ranomasina izay masira dia masira ka tsy ahafahan’ny trondro sy ny zava-maniry miaina ao anatiny. Azon’ny zanakao atao angamba ny manao sarina zavatra iray na roa avy ao amin’ilay fahitana, toy ny tempoly, renirano, tany foana, ny Ranomasina Maty, trondro maro, na hazo mamoa be. Avy eo, rehefa miara-mamaky ny andininy 1–12 ianareo dia azon’izy ireo zaraina ny sary nataony rehefa voatonona izany zavatra izany. Inona avy ireo fitahiana azo avy amin’ilay renirano tao amin’io fahitana io? Ampio ireo ankizy hahita ny fomba itovizan’ireo fitahiana ireo amin’ireo fitahiana atolotry ny Mpamonjy an’ireo izay mitandrina ny fanekempihavanan’ny tempoly. Afaka manampy ilay horonan-tsary hoe “Et le torrent deviendra plus profond” (Médiathèque de l’Évangile).

    3:43

    And the River Will Grow

  • Azonareo atao koa ny miara-mihira hira iray mamariparitra ireo fitahian’ny tempoly, toy ny “Fianakaviana mandrakizay” (Bokin-kiran’ny ankizy,, 98). Inona no ampianarin’io hira io momba ny fomba hitahian’ny Tompo antsika ao amin’ny tranony masina?

Raha te hanao zavatra misimisy kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

renirano mikoriana avy ao amin’ny tempolin’i Jerosalema

“Indro, nisy rano niboika avy eo atsinanana eo ambanin’ny tokonan’ny trano. … Ary ny zava-manan’aina rehetra sesehena na aiza na aiza alehan’ny ony tondraka dia ho velona” (Ezekiela 47:1, 9). Sary nahazoana fahazoan-dalana avy amin’ny goodsalt.com

Pejin’ny sahanasa ho an’ny Kilonga: Manangona antsika ao amin’i Jesoa Kristy ny Bokin’i Môrmôna sy ny Baiboly