“30 nôvambra–6 desambra. -Tia famindrampo [Izy]-: Mika; Nahoma; Habakoka; Zefania,- Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Testamenta Taloha 2026 (2026)
“30 nôvambra–6 desambra. -Tia famindrampo [Izy],-” Avia, hanaraka Ahy: Testamenta Taloha 2026
In the Beginning Was the Word [Tamin’ny voalohany ny Teny], nataon’i Eva Timothy
30 nôvambra–6 desambra: “Tia famindrampo [Izy]”
Mika; Nahoma; Habakoka; Zefania
Ny famakiana ny Testamenta Taloha dia matetika midika hoe mamaky ireo faminaniana mikasika ana faharavana. Miantso mpaminany matetika ny Tompo mba hampitandremana ny olon-dratsy momba ny fitsarany. Ohatra tsara maneho izany ireo asa fanompoana nataon’i Mika, Nahoma, Habakoka, ary Zefania. Tamin’ny filazana antsipirian-javatra nampihoroho no nilazan’ireo mpaminany ireo mialoha ny faharavan’ireo tanàna izay toa natanjaka sy nahery tamin’izany fotoana izany, dia i Ninive, i Babylona izany ary i Jerosalema. Fa an’arivorivo taona lasa no nitrangan’izany. Nahoana no manan-danja ny famakiana ireo faminaniana ireo amin’izao fotoana izao?
Na dia noravana aza ireo tanàna feno avonavona sy faharatsiana ireo dia mbola misy foana ny faharatsiana feno avonavona. Mety mahatsikaritra soritra kely amin’izy ireny ao am-pontsika aza isika. Manambara ny fomba ahafahantsika miala amin’ireo faharatsiana ireo ny mpaminany ao amin’ny Testamenta Taloha. Angamba izany no antony iray mbola hamakiantsika ny tenin’izy ireo amin’izao fotoana izao. Tsy mpaminany nanambara momba ny fitsarana sy ny faharavana fotsiny izy ireo, fa mpaminany nanambara fanafahana koa. Ny famariparitana ny faharavana dia halefahin’ireo fanasana hanatona an’i Kristy sy handray ny famelan-keloka avy Aminy. Araka ny nilazan’i Mika azy, dia tsy tia manameloka antsika ny Tompo, fa “Tia famindrampo [Izy].”(Mika 7:18). Izany no fomban’ny Tompo fahiny ary mbola fombany izany amin’izao fotoana izao. “Fanaony hatry ny fahagola ny Azy” (Habakoka 3:6).
Mba hanaovana topimaso ireo boky ireo dia jereo ny “Mika,” “Nahoma,” “Habakoka,” ary ny “Zefania” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina.
Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana
Mika 6: 1– 8
“[Inona no] ilain’i Jehovah aminao?”
Manasa antsika i Mika mba haka sary an-tsaina hoe mety ho tahaka ny ahoana izany hoe “hanatona an’i Jehovah, sy miondrika … eo anatrehan’ Andriamanitra any amin’ny avo” izany (Mika 6:6). Inona no tian’ny andininy 6–8 holazaina aminao momba ny zavatra izay manan-danja amin’ny Tompo rehefa manombantombana ny fiainanao Izy?
Jereo ihany koa ny Dale G. Renlund, “Hanao ny marina sy ho tia famindram-po ary hanaraka an’ Andriamanitra amin’ny fanetrentena,” Liahona, nôv. 2020, 109–12.
“Tsara Jehovah, fiarovana mafy amin’ny andro fahoriana” (Nahoma 1:7).
Nahoma 1
Ny Tompo dia sady mahery no be famindrampo.
Ny asa nanirahana an’i Nahoma dia ny hanambara mialoha ny faharavan’i Ninive, renivohitr’i Asyria ilay fanjakana tia herisetra, izay nampiely patrana an’i Isiraely ary nampijalijaly an’i Joda. Nanomboka tamin’ny famaritana ny fahatezeran’ Andriamanitra sy ny heriny tsy manam-paharoa i Nahoma, fa niresaka momba ny famindrampon’ Andriamanitra sy ny hatsaram-panahiny koa izy. Tadiavo ao amin’ny toko 1 ireo andininy izay manampy anao hahatakatra ny tsirairay amin’ireo toetra ireo, sy ireo toetran’ Andriamanitra hafa izay tsikaritrao. Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ny mahafantatra ny tsirairay amin’ireo zavatra momba ny Tompo ireo?
Habakoka
Afaka matoky ny sitrapon’ny Tompo sy ny fotoanany aho.
Na ny mpaminany aza dia manana fanontaniana momba ny lalan’ny Tompo indraindray. Nanomboka ny rakitsorany tamin’ny fametrahana fanontaniana tamin’ny Tompo i Habakoka, izay niaina nandritra ny fihanahan’ny faharatsiana tao Joda (jereo ny Habakoka 1:1–4). Ahoana no hamintinanao ireo ahiahin’i Habakoka? Inona ihany koa no fanontaniana mitovitovy amin’izany apetraky ny olona momba an’ Andriamanitra amin’izao fotoana izao? Efa nahatsapa zavatra mitovy amin’izany ve ianao? Azonao atao ihany koa ny mampitaha ny fanontaniany amin’ireo hafa ao amin’ny soratra masina, toy ireo izay hita ao amin’ny Marka 4:37–38 ary ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:1–6.
Namaly ireo fanontanian’i Habakoka ny Tompo tamin’ny filazana fa handefa ny Kaldeana Izy (ny Babyloniana) mba hanasaziana an’i Joda (jereo ny Habakoka 1:5–11). Saingy mbola nikorontan-tsaina i Habakoka satria toa tsy rariny raha toa ny Tompo hiraviravy tanana “raha [i Babylona] ratsy fanahy [h]andrapaka ny marina noho izy dia [i Joda]” (jereo ny andininy 12–17). Inona no hitanao ao amin’ny Habakoka 2:1–4 izay mitaona anao hatoky ny Tompo rehefa manana fanontaniana tsy voavaly ianao? (jereo koa ny Marka 4:39–40; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:7–8; “Dieu nous édifiera” [horonan-tsary], Médiathèque de l’Évangile).
God Will Lift Us Up
Ny toko 3 dia ny vavaka maneho fiderana sy finoana nataon’i Habakoka. Inona no maha samy hafa ny lantom-peo nampiasain’i Habakoka ao amin’ny toko 3 amin’ny ao amin’ny toko 1? Ity misy hevitra hanampiana anao hisaintsaina ny andininy 17–19: Manaova lisitra ahitana ireo fitahiana ara-nofo sy ara-panahy nomen’ Andriamanitra anao. Avy eo dia alaovy sary an-tsaina hoe very ireo fitahiana ara-nofo tokony ho anao. Inona no mety ho tsapanao momba ireo fitahiana hafa vokatr’izany? Nahoana no mety ho sarotra ny “[m]ifaly amin’i Jehovah” (andininy 18) mandritra ny fotoan-tsarotra tahaka ireo izay voafaritra ao amin’ny andininy 17? Saintsaino ny fomba ahafahanao manana finoana lehibe kokoa an’ Andriamanitra, na dia toa tsy rariny aza ny fiainana.
Jereo ihany koa ny Gerrit W. Gong, “Ny zavatra rehetra ho soa ho antsika,” Liahona, mey 2024, 41–44; “Brillante étoile, étoile du matin,” Cantiques, no. 52; Lohahevitra sy fanontaniana, “Fikatsahana ny valin’ireo fanontanianao,” Médiathèque de l’Évangile.
Mahareta. Indraindray dia tiantsika ho azo eo no ho eo ihany ireo valin’ny fanontaniantsika, saingy mitaky fotoana ny fahazoana hevi-baovao ara-panahy ary tsy azo terena. Hoy ny Tompo tamin’i Habakoka hoe: “Andraso ihany, fa ho avy tokoa izy” (Habakoka 2:3).
Zefania
“Mitadiava an’i Jehovah, hianareo mpandefitra rehetra amin’ny tany.”
Rehefa mamaky ireo faminanian’i Zefania ianao dia jereo ireo toe-tsaina sy fitondrantena izay nitarika ho amin’ny faharavana, jereo indrindra indrindra ny Zefania 1:4–6, 12; 2:8, 10, 15; 3:1–4. Avy eo dia tadiavo ireo toetoetran’ny olona izay harovan’ Andriamanitra. Jereo ny Zefania 2:1–3; 3:12–13, 18–19. Inona no hafatra tsapanao fa atolotry ny Tompo ho anao ao amin’ireo andininy ireo?
Zefania 3:14–20
Hifaly miaraka amin’ny vahoakany ao Ziona ny Tompo.
Rehefa avy namaky ny Zefania 3:14–20 ianao dia jereo hoe misy firy ny fomba ahafahanao mameno ity fehezanteny ity: “Mifalia sy miravoravoa amin’ny fonao rehetra” satria … Nahoana no zava-dehibe aminao ny mahafantatra ireo antony ireo mba hifaliana? Afaka mampitaha ireo andininy ireo amin’ireo zavatra niainana voafariparitra ao amin’ny 3 Nefia 17 ianao ary misaintsaina ny zavatra tsapan’i Jesoa Kristy momba ny olony, ka tafiditra ao anatin’izany ianao.
Mba hahitana fampahalalana misimisy kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy ny Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.
Hevitra enti-mampianatra ny ankizy
Mika 5:1
Teraka tao Betlehema i Jesoa Kristy.
-
Mety tsy ho fantatry ny zanakao fa ny faminanian’i Mika no nanampy ireo Magy hahita an’i Jesoa zazakely tao Betlehema. Rehefa mampiasa ny Mika 5:1 sy ny Matio 2:1–6 ianao dia mety ho afaka hamelona indray ny zavatra niainan’izy ireo ny zanakao. Avy eo dia azonareo resahina ny antony naha-zava-dehibe tokoa ny fahaterahan’i Jesoa ka dia nahafantatra momba izany taona maro talohan’ny nahaterahany ireo mpaminany.
The Holy Child Is Born [Teraka Ilay Zaza Masina], nataon’i Dana Wood
Nahoma 1:7
“Tsara Jehovah, fiarovana mafy amin’ny andro fahoriana.”
-
Rehefa avy mamaky ny Nahoma 1:7 ireo zanakao dia afaka manangana na manao sarina “fiarovana mafy” na manda lehibe izy ireo (misy sarina manda anankiray ato amin’ity rindran-damina ity). Inona avy ireo antony sasany mety hilan’ny olona manda lehibe? Inona no mahatonga ny androntsika ho “andro fahoriana”? Inona no mampitovy an’i Jesoa Kristy amin’ny fiarovana mafy ho antsika?
Habakoka 2:3
Hanatanteraka mandrakariva ireo fampanantenany Andriamanitra.
-
Mba hampahafantarana ny Habakoka 2:3, dia afaka miresaka momba ireo zavatra tsara, izay tonga tsara aorian’ny fiandrasana fotsiny, ianao sy ny zanakao. Inona no mety hitranga raha toa ka niezaka nihinana ilay voankazo na nihinana ilay koba mialoha ny naha vonona izany isika? Avy eo dia azonareo atao ny miresaka momba ny mpaminany Habakoka, izay naniry ny hahafantatra ny fotoana hampitsaharan’ny Tompo ny faharatsiana eto amin’izao tontolo izao. Vakio ny valintenin’ny Tompo ao amin’ny Habakoka 2:3. Afaka manampy ny zanakao ianao hieritreritra zavatra izay nampanantenain’ Andriamanitra. Azonareo atao ny miara-miteny ho an’ny ohatra tsirairay hoe: “Andraso ihany, fa ho avy tokoa izy.”
Habakoka 2:14
Afaka manampy amin’ny famenoana ny tany amin’ny fahalalana an’i Jesoa Kristy aho.
-
Mba hanehoana ny Habakoka 2:14, dia afaka mameno tavoara na fitoeran-javatra hafa amin’ny sary na teny maneho ireo zavatra nataon’i Jesoa na nampianariny ianao sy ny zanakao. Ahoana no ahafahantsika manampy mba hameno ny tany amin’ny fahalalana ny Tompo?
-
Azonao atao koa ny mampiseho sarintanin’izao tontolo izao an’ireo zanakao (jereo ny Sarintanin’ny toerana manan-tantara ho an’ny Fiangonana, lah. 7, “Sarintanin’izao tontolo izao”). Ampio izy ireo hitady ny toerana fonenany sy ireo toerana nanompoan’ireo misiônera fantany. Azonareo atao ihany koa ny mihira hira iray momba ny fizarana ny filazantsara toy ny “Hitory maneran-tany” (Bokin-kiran’ny ankizy, 92–93). Inona no azontsika lazaina amin’ny hafa momba an’i Jesoa Kristy?
Zefania 3:14–20
Miara-mifaly amin’ireo izay manaraka Azy i Jesoa Kristy.
-
Azon’ny zanakao atao ny mitady ao amin’ny Zefania 3:14–20 ny zavatra izay mahatonga azy ireo te “[hioby, hifaly, sy hiravoravo] amin’ny fo[ny] rehetra.” Azonareo atao angamba ny miara-mihira fihirana na hira mahafinaritra ary miresaka momba ny fifaliana azonareo ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.
Raha te hanao zavatra misimisy kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.