Avia, hanaraka Ahy
21–27 desambra. “[Izy] izay nandrasantsika hamonjy antsika”: Krismasy


“21–27 desambra. -[Izy] izay nandrasantsika hamonjy antsika-: Krismasy” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Testamenta Taloha 2026 (2026)

“21–27 desambra. -[Izy] izay nandrasantsika hamonjy antsika,-” Avia, hanaraka Ahy: Testamenta Taloha 2026

I Jesoa zazakely matory

For unto Us a Child Is Born [Fa zaza no teraka ho antsika], nataon’i Simon Dewey

21–27 desambra: “[Izy] izay nandrasantsika hamonjy antsika”

Krismasy

Ny Testamenta Taloha dia mifono fiandrandrana zavatra mafy. Amin’izay lafiny izay dia toa toy ny ao anatin’ny vanim-potoanan’ny Krismasy izany. Nanomboka tamin’i Adama sy i Eva, ireo patriarika sy mpaminany ary mpahaitononkalo sy vahoaka tao amin’ny Testamenta Taloha, dia niandrandra ireo andro tsara kokoa, feno fanantenana ny mba hiaina fanavaozana sy fanafahana avy amin’ny Mesia. Ary ireo Israelita dia matetika nila izany fanantenana izany, na tamin’izy ireo babo tany Egypta na Babylona na babo noho ny fahotan’izy ireo na ny fikomian’izy ireo ihany. Tao anatin’izany rehetra izany dia nampahatsiahivin’ireo mpaminany izy ireo fa ho avy ilay Mesia sy Mpanavotra iray “hitory fanafahana amin’ny babo” (Isaia 61:1).

Nanomboka nihatanteraka izany fanantenana izany rehefa teraka tany Betlehema i Jesoa Kristy. Teraka tao an-tranon’omby iray ary nampatoriana teo amin’ny fihinanam-bilona ilay Mpanafaka lehibe an’i Isiraely (jereo ny Lioka 2:7). Saingy tsy Mpanafaka an’ireo Isiraelita fahiny fotsiny Izy. Tonga Izy mba hanafaka anao, hitondra ny aretinao, sy hivesatra ny fahorianao ary hotorotoroina noho ny helokao, mba hahafahan’ny dian-kapoka Taminy hanasitrana anao (jereo ny Isaia 53:4–5). Izany no antony mahatonga ny Krismasy ho mifono fiandrandrana zavatra mahafaly na dia amin’izao fotoana izao aza. Tonga ny Mesia 2000 taona lasa izay ary tsy mitsahatra tonga eo amin’ny fiainantsika Izy isaky ny mikatsaka Azy isika.

sary famantarana ny fandalinana

Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana

sary famantarana ny seminera
Mifaly amin’ilay Mpanavotra ahy aho.

Ny Krismasy dia fantatra amin’ny maha-vanim-potoana feno fifaliana azy noho ilay fifaliana entin’i Jesoa Kristy eo amin’izao tontolo izao. Taon-jato maro talohan’ny nahaterahan’ny Mpamonjy, dia nahatsapa fifaliana koa ireo mpaminany rehefa niresaka mikasika ny fahatongavan’ny Mesia izy ireo. Vakio ny sasany amin’ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto ary eritrereto ny antony nahatonga izany ho sarobidy ho an’ireo izay niandrandra ny asa nanirahana ny Mpamonjy: Salamo 35:9; Isaia 25:8–9; 44:21–24; 51:11; Zefania 3:14–20; Mosesy 5:5–11. Nahoana ireo andinin-tsoratra masina ireo no sarobidy aminao? Inona avy ireo antony tokony hifaliana omen’ireo andinin-tsoratra masina ireo?

Jereo ihany koa ny Dallin H. Oaks, “Une bonne nouvelle d’une grande joie” (Veillée de Noël de la Première Présidence, 4 dec. 2022), Médiathèque de l’Évangile; “Oh, quel bonheur! Jésus viendra!,” Cantiques, no 123.

kintana mamirapiratra eny amin’ny lanitra amin’ny alina

Manampy ahy hahatsiaro an’i Jesoa Kristy ireo fanehoana an’ohatra.

Maro amin’ireo fomba fanao hatrizay izay mifandray amin’ny Krismasy no mifono hevitra araka ny fanehoana an’ohatra izay mampitodika antsika any amin’i Kristy. Rehefa nandalina ny Testamenta Taloha ianao dia mety nahatsikaritra fanehoana an’ohatra maro mifandray amin’ny Mpamonjy. Misy vitsivitsy amin’izany voatanisa etsy ambany. Hevero ny handalina azy ireo sy hirakitra an-tsoratra ny zavatra ampianarin’izy ireo anao momba Azy.

  • Kintana (Nomery 24:17; Matio 2:2; Apokalypsy 22:16).

  • Mpiandry ondry (Salamo 23; Lioka 15:4–7; Jaona 10:11)

  • Zanak’ondry (Genesisy 22:8; Eksodosy 12:5; 1 Petera 1:18–20).

  • Rano (Eksodosy 17:1–6; Jeremia 2:13; Ezekiela 47:1–12; Jaona 4:7–14).

  • Vatolampy (1 Samoela 2:2; 2 Samoela 22:2–3; Salamo 118:22–23; Isaia 28:16; Efesiana 2:20).

  • Solofo (Isaia 11:1–2; Jeremia 23:5; 33:15).

  • Fahazavana (Salamo 27:1; Isaia 9:2; 60:19; Mika 7:8; Jaona 8:12).

Inona avy ireo fanehoana an’ohatra sy andinin-tsoratra masina ary tantara hafa izay hitanao tao amin’ny soratra masina ka mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy?

Jereo koa ny 2 Nefia 11:4; Môzià 3:14–15; Mosesy 6:63; “Tandindona na sariteny momba an’i Kristy” sy “Jesoa Kristy,” izay samy hita ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina (Médiathèque de l’Évangile).

“Ny anarany hatao hoe Mahagaga.”

I Jesoa Kristy dia antsoina amin’ny anarana sy anaram-boninahitra maro samihafa. Mitadiava anaram-boninahitra ao amin’ireto andininy manaraka ireto: Salamo 23:1; 83:18; Isaia 7:14; 9:6; 12:2; 63:16; Amosa 4:13; Zakaria 14:16; Mosesy 7:53. Inona koa ireo anarana hafa azonao eritreretina? Mety ho tena tianao koa aza ny mitanisa ireo anaram-boninahitr’i Jesoa Kristy izay hitanao ao amin’ireo hiran’ny Krismasy ao amin’ny fihirana. Inona no fiantraikan’ny anaram-boninahitra tsirairay eo amin’ny fomba fieritreretanao Azy?

Hevero ny hisafidy anaram-boninahitra na anjara asan’ny Mpamonjy izay hanampy anao hahatsiaro Azy mandritra ny taona ho avy.

Jereo koa ny Quentin L. Cook, “Fiadanana ho an’ny tena manokana mandritra ny fotoan-tsarotra,” Liahona, nôv. 2021, 89–92; “Ecoutez le chant des anges,” Cantiques, no. 128.

Mba hahitana fampahalalana misimisy kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy ny Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.

sary famantarana ny fizarana ho an’ny ankizy

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

Mampianatra ahy momba an’i Jesoa ny Testamenta Taloha.

  • Mety hanana ravaka Krismasy vitsivitsy azonareo ampiasaina ianao sy ny zanakao mba hanombohana resadresaka momba an’i Jesoa Kristy. Azonareo atao angamba ny miresaka momba ny fomba hampahatsiahivan’ny kintana, na jiro, na fanomezana Krismasy iray antsika momba ny Mpamonjy. Avy eo dia azonao atao ny mijery ao amin’ny iray na maromaro amin’ireto soratra masina manaraka ireto mba hitadiavana zavatra izay mety maneho an’ohatra an’i Jesoa Kristy: Genesisy 22:8; Nomery 24:17; Salamo 23:1; 27:1. Azon’ny zanakao atao angamba ny mitazona sary na ravaka izay mifanaraka amin’ny andininy tsirairay rehefa mamaky izany izy ireo. Inona no mampitovy an’i Jesoa amin’ny zanak’ondry, na kintana, na mpiandry ondry, na fahazavana? Hevero ny hiara-hihira hiran’ny Krismasy iray, toy ny “Kintan’ny Krismasy” (Bokin-kiran’ny ankizy, 24).

  • Afaka mijery ilay sary any amin’ny faran’ity rindran-damina ity koa ireo zanakao rehefa mamaky ny Isaia 9:6 amin’izy ireo ianao. Angataho ny zanakao mba hanondro an’i Jesoa zazakely rehefa maheno ilay andian-teny hoe “zaza no teraka” izy ireo. Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao fa nahafantatra ireo mpaminany tao amin’ny Testamenta Taloha fa ho teraka i Jesoa.

  • Eo am-piomananao handalina ny fiainan’i Jesoa Kristy ao amin’ny Testamenta Vaovao amin’ny taona ho avy, dia hevero ny hiara-hamerina amin’ny zanakao ny zavatra nianaran’izy ireo momba Azy tamin’ity taona ity tao amin’ny Testamenta Taloha. Afaka mamerina mijery ireo rindran-damina ao amin’ity loharanom-pitaovana ity sy izay mety ho zavatra noraketin’ny tena manokana an-tsoratra ianao mba hanampiana anao hahatsiaro ny zavatra nianaranao. Mety hitondra vokatsoa ho an’ny ankizy madinika ny fijerena ny Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha na ireo sary ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy. Inona avy ireo faminaniana na tantara nanan-danja? Inona no nianarantsika momba ny Mpamonjy?

Afaka mampitodika any amin’i Jesoa Kristy ireo fomba fanao mandritra ny Krismasy.

  • Ireo fianakaviana Isiraelita dia nanana fomba fanao nentim-paharazana, toy ny Paska sy ireo fety hafa izay natao mba hampitodihana ny fon’izy ireo sy ny sain’izy ireo tamin’ny Tompo (jereo ny Eksodosy 12). Inona avy ireo fomba fanaonao sy ny zanakao rehefa vanim-potoan’ny Krismasy izay manampy anareo hifantoka amin’i Jesoa Kristy? Inona avy ireo fomba fanao izay fantatrao avy amin’ny tantaram-pianakavianao? Azonao atao ny mifanakalo hevitra miaraka amin’ny zanakao momba ireo fomba fanao sasantsasany izay tianareo hatomboka. Mety ho isan’ny hevitra vitsivitsy amin’izany ny fanompoana olona sahirana, ny fisafidianana zavatra hatolotrareo ho “fanomezana” ho an’ny Mpamonjy, ny fanasana namana hijery ny fampaherezam-panahy Krismasy ataon’ny Fiadidiana Voalohany miaraka aminareo (broadcasts.ChurchofJesusChrist.org), ny fanoratana ny hira Krismasy noforoninareo, na ny fitadiavana fomba vaovao iray hizarana hafatra momba ny fahaterahan’i Kristy.

Ny fianarana sy ny fiainana dia tsy afa-misaraka ao an-tokantrano. “Azo iainana avy hatrany ao an-tokantrano ny filazantsara. Ny olona miara-mianatra ny filazantsara aminao ihany no hiara-hiaina izany aminao ao, isan’andro. Raha ny marina, ny fiainana ny filazantsara, amin’ny ankamaroan’ny fotoana, no fomba ianarantsika ny filazantsara. Noho izany, rehefa mianatra sy mampianatra ny filazantsara ao an-tokantrano ianao, dia mitadiava fomba hampifandraisana ny zavatra ianaranao amin’ny zavatra izay ataonao. Aoka ny filazantsara ho zavatra ezahinao mba hiainana ao an-tokantranonao, fa tsy zavatra resahina fotsiny” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy31).

fanehoana ny zavatra nitranga tamin’ny Fahaterahan’i Jesoa Kristy

Sary maneho ny Fahaterahan’i Jesoa Kristy, nataon’i Ethan Brown

Nomen’ny Ray any An-danitra ahy ny fanomezana ny Zanany mba ho Mpamonjy ahy.

  • Ahoana no fomba ahafahanao manampy ny zanakao hahatsapa ny fanajana fatratra sy ny fifaliana amin’ny fahaterahan’i Kristy? Azonareo jerena ilay horonan-tsary “The Christ Child” (Médiathèque de l’Évangile) na iaraho mamaky ny Matio 1:18–25; 2:1–12; Lioka 1:26–38; 2:1–20. Afaka misafidy olona iray avy ao amin’ny ilay horonan-tsary na ilay tantara ao amin’ny soratra masina ny ankizy tsirairay ary mizara ny zavatra tsapan’izany olona izany momba ny Mpamonjy. Avy eo dia azonareo atao ny mifampizara ny zavatra tsapanareo manokana momba Azy.

    17:57

    The Christ Child

  • Azonao sy ny zanakao atao angamba ny miresaka momba ireo fanomezana izay nomenareo na noraisinareo tao anatin’ireo taona maro, izay nitondra fifaliana. Avy eo dia azonareo atao ny miara-mamaky ny Isaia 25:9 ary miresaka momba ny antony hifalianao fa nandefa Mpamonjy ho antsika ny Ray any An-danitra. Mba hanampiana ny ankizy hahatakatra tsaratsara kokoa ny anjara asan’i Jesoa Kristy amin’ny maha-Mpamonjintsika Azy, dia asao izy ireo hamaky ny Isaia 25:8–9; 53:3–5; sy ny Hosea 13:14. Inona no ampianarin’ireo soratra masina ireo antsika momba ny fomba anavotan’ny Tompo antsika?

  • Azonareo atao ihany koa ny miara-mihira hiran’ny Krismasy iray, toy ny “Tao an-tranon’omby” (Bokin-kiran’ny ankizy, 42–43) na ny “Petite ville, Betléhem” (Cantiques, no. 136). Ampio ny zanakao hitady andian-teny ao amin’ilay hira izay manampy azy ireo hahafantatra fa tia azy ireo ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Raha te hanao zavatra misimisy kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

fanehoana ny zavatra nitranga tamin’ny Fahaterahan’i Jesoa Kristy

The Nativity [Ny Fahaterahan’i Jesoa Kristy], nataon’i N. C. Wyeth

Pejin’ny sahanasa ho an’ny Kilonga: Mampianatra ahy momba an’i Jesoa ny Testamenta Taloha