“14–20 desambra. -Efa tia anareo Aho, hoy Jehovah- Malakia,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Testamenta Taloha 2026 (2026)
“14–20 desambra. -Efa tia anareo Aho, hoy Jehovah,-” Avia, hanaraka Ahy: Testamenta Taloha 2026
14–20 desambra: “Efa tia anareo Aho, hoy Jehovah”
Malakia
“Efa tia anareo Aho,” hoy ny Tompo tamin’ny vahoakany tamin’ny alalan’i Malakia mpaminany. Saingy ireo Isiraelita izay nianjadian’ny fahoriana sy ny fahababoana tao anatin’ny taranaka nifandimby maro dia nanontany hoe: “Inona no nentinao nitia anay?” (Malakia 1:2). Taorian’ny zavatra rehetra niainan’i Isiraely, dia mety nanontany tena izy ireo raha toa ny tantaran’izy ireo ka tena tantaran’ny fitiavan’ Andriamanitra ho an’ny vahoakan’ny fanekempihavanany tokoa. Amin’ny lafiny sasantsasany dia mora kokoa ny mahatakatra fa tantaran’ny fahalemena sy ny fikomian’ny olombelona izany. Saingy tao anatin’izany rehetra izany dia tsy nitsahatra nanolo-tanana tamim-pitiavana Andriamanitra. Rehefa nampijalian’ireo zanakalahin’i Jakoba i Josefa rahalahin’izy ireo, dia mbola namonjy azy ireo tamin’ny mosary ihany ny Tompo (jereo ny Genesisy 45:4–8). Rehefa nimonomonona tany an-tany efitra i Isiraely, dia nofahanany tamin’ny mana izy ireo (jereo ny Eksodosy 16:1–4). Na dia tamin’ny fotoana nitodihan’i Isiraely tamin’ny andriamani-kafa aza ka dia naely patrana izy ireo, dia nampanantena Andriamanitra fa hanangona sy hanavotra azy ireo “amin’ny indrafo lehibe” Izy (jereo ny Isaia 54:7). Raha ny marina dia tantaran’ny faharetana sy ny fitiavan’ Andriamanitra maharitra tokoa ny Testamenta Taloha. Ary mitohy izany tantara izany amin’izao fotoana izao. I Jesoa Kristy, ny “Masoandron’ny fahamarinana,” araka ny niantsoan’i Malakia Azy, dia tonga “[niaraka tamin’ny] fanasitranana ao amin’ny tanany” (Malakia 3:20). Porofo lehibe indrindra an’ilay fitiavan’ Andriamanitra an’i Isiraely fahiny sy antsika rehetra Izy.
Mba hahazoana fampahalalana bebe kokoa momba ny bokin’i Malakia dia jereo ny “Malakia” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina.
Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana
Malakia 1–3
“Miverena Amiko, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho.”
Tamin’ny andron’i Malakia dia efa namerina nanorina ny tempoly tao Jerosalema ireo Isiraelita, saingy mbola nila namerina nanorina ny fifandraisan’izy ireo tamin’ny Tompo izy ireo amin’ny maha-vahoaka azy. Rehefa mandalina ny Malakia ianao dia tadiavo ireo fanontaniana izay napetraky ny Tompo tamin’ireo Isiraelita na napetrak’izy ireo Taminy. Hevero ny hametraka fanontaniana mitovy amin’izany amin’ny tenanao (misy ohatra vitsivitsy natolotra etsy ambany) mba hanampiana anao hanombantombana ny fifandraisanao amin’ny Tompo sy hanakaiky Azy kokoa.
-
Ahoana ny fomba nahatsapako ny fitiavan’ny Tompo ahy? (jereo ny Malakia 1:2).
-
Moa ve tena manome haja ny Tompo ny fanatitra atolotro Azy? (jereo ny Malakia 1:6–11)
-
Ahoana avy ireo fomba tokony hiverenako amin’ny Tompo? (jereo ny Malakia 3:7).
-
Moa ve mandroba an’ Andriamanitra aho? (jereo ny Malakia 3:8–11).
-
Maneho ny zavatra tsapako momba ny Tompo amin’ny fomba ahoana ny toe-tsaina ananako mandritra ireo fotoan-tsarotra? (jereo ny Malakia 3:13–15; jereo koa ny 2:17).
Malakia 1:6–14
Mangataka “fanatitra madio” ny Tompo.
Rehefa mamaky momba ireo fanatitra voafariparitra ao amin’ny Malakia 1 ianao dia inona no tsikaritrao momba ny fahafoizan-tena natolotr’ireo mpisorona? Maneho inona mahakasika ny zavatra tsapan’ireo mpisorona ireo momba ny Tompo ireo fanatitra ireo? (jereo ny Malakia 1:13). Hevero ny hanao lisitra ireo fanatitra, na fahafoizan-tena izay ataonao amin’ny Tompo. Saintsaino, ho an’ny singa tsirairay ao amin’ilay lisitra, ny zavatra mety hahatonga izany ho fanatitra “voaloto” na fanatitra “madio” (Malakia 1:7, 11).
Malakia 3:8–12
Manokatra ny varavaran’ny lanitra ny Tompo rehefa maneho ny finoako aho amin’ny alalan’ny fandoavana fahafolonkarena.
Alaovy sary an-tsaina hoe manana namana iray ianao izay vao nahafantatra fa hay ianao mandoa fahafolonkarena. “Nahoana ianao no manao izany?” hoy ilay namanao nanontany. Eritrereto izany eo am-pamakianao ny Malakia 3:8–12. Inona no hitanao ao ka afaka manampy amin’ny famaliana ny fanontanian’ilay namanao? Inona koa no tianao ho takatr’ilay namanao momba ny fahafolonkarena? Mba hahazoana fanampiana misimisy kokoa dia afaka manao fikarohana ao amin’ny hafatry ny Loholona Neil L. Andersen hoe “Ny fahafolonkarena: Manokatra ny varavaran’ny lanitra” (Liahona, nôv. 2023, 32–35) ianao mba hitadiavana ny valin’ny fanontaniana tahaka ireto:
-
Nahoana isika no tian’ny Tompo handoa fahafolonkarena?
-
Inona no mety hanakana ny olona iray tsy handoa fahafolonkarena, ary ahoana no ahafahantsika mandresy ireo sakana ireo?
-
Ahoana no hampatanjahan’ny fandoavana fahafolonkarena ny finoantsika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?
Azonao atao ihany koa ny mizara amin’ny namanao ny fomba nitahian’ny Tompo anao rehefa mandoa fahafolonkarena ianao. Afaka mitady hevitra ianao ao amin’ilay fizarana mitondra ny lohateny hoe “Lesona # Laharana 1—Fitahiana lehibe saingy misoko mangina.” ao amin’ny hafatry ny Loholona David A. Bednar hoe “Ny varavaran’ny lanitra” (Liahona, nôv. 2013, 17–18). Lasa karazana olona manao ahoana isika rehefa mandoa fahafolonkarena?
Inona araka ny eritreritrao no mety ho dikan’ilay andian-teny hoe “hovohako ny varavaran’ny lanitra ho anareo” (andininy 10)? Azonao atao angamba ny mitazana eo am-baravarankely ary mieritreritra momba ireo tanjona nanaovana ny varavarankely. Nahoana ny “varavaran’ny lanitra” no fomba tsara hamaritana ny fomba hitahian’ny Tompo antsika rehefa mandoa fahafolonkarena isika?
Vision in the Kirtland Temple [Fahitana tao amin’ny Tempolin’i Kirtland], nataon’i Gary Smith
Malakia 3:23–24
“Izaho haniraka an’ i Elia mpaminany ho aminareo.”
Rehefa nitanisa ny Malakia 3:23–24 tamin’i Joseph Smith i Môrônia dia nataony “somary niova kely amin’ny fomba famakiantsika azy” ao amin’ny Baiboly ny fitanisany izany (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:36–39). Manampy inona amin’ny fahatakaranao io faminaniana io ny fanovana nataon’i Môrônia? Saintsaino manokana ny fanontaniana toa ireto:
-
Iza ireo “razana”? (jereo ny Deoteronomia 29:12). Inona avy ireo fampanantenana natao tamin’izy ireo? (jereo ny Abrahama 2:9–11). Ahoana no hanampianao amin’ny fanatanterahana ireo fampanantenana ireo?
-
Inona avy ireo zavatra niainana nanampy anao nampitodika ny fonao tamin’ireo razambenao? Nahoana izany no manan-danja lehibe tokoa amin’ny drafitr’ Andriamianitra?
Mba hianarana misimisy kokoa momba ny fiavian’i Elia sy ny fahatanterahan’io faminaniana io amin’izao fotoana izao dia jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:13–16 sy ny D. Todd Christofferson, “Ny fahefan’ny famehezana” (Liahona, nôv. 2023, 19–22). Nahoana ianao no feno fankasitrahana fa tonga i Elia?
Jereo koa Gerrit W. Gong, “Manana tantara avokoa isika tsirairay,” Liahona, mey 2022, 43–46; “Soyez prêts,” Cantiques, no. 180 ChurchofJesusChrist.org.
The Sealing Power
Mba hahitana fampahalalana misimisy kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy ny Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.
Hevitra enti-mampianatra ny ankizy
Malakia 1:2
Tia ahy ny Tompo.
-
Ahoana no hamalianao sy ny zanakao ilay fanontaniana ao amin’ny Malakia 1:2 hoe: “Inona no nentin’[ny Tompo] nitia anay?” Ifampizarao ireo antony ahafantaranareo fa tia anareo Izy. Azon’ny zanakao atao angamba ny manao sary izay mampahatsiahy azy ireo ny fitiavany.
Amporisiho ny ankizy mba handray anjara ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra momba ny filazantsara. Raha mampianatra ankizy kely ianao dia mety mila mieritreritra fomba vaovao mahaliana mba hampandraisana anjara azy ireo amin’ny fifanakalozan-kevitra momba ny filazantsara. Ohatra, afaka mampitapita baolina iray ny zanakao ka rehefa mihazona ilay baolina izy ireo dia afaka mizara antony iray ahafantaran’izy ireo fa tia azy ireo i Jesoa.
Malakia 3:8–12
Hitahy ahy ny Tompo rehefa mandoa fahafolonkarena aho.
-
Ahoana ny fomba hanampianao ny zanakao hianatra momba ny fahafolonkarena? Afaka mangataka azy ireo hanisa zavatra kely miisa 10 ianao, toa ireo vola madinika ao amin’ny pejin’ny sahanasa ho an’ity herinandro ity. Avy eo dia afaka manasaraka ny iray amin’ireo zavatra ireo amin’ny ambiny izy ireo. Izany no habetsaky ny vola omentsika ny Tompo atao fahafolonkarena. Araka ny voalazan’ny Malakia 3:8–12, dia nahoana no tian’ny Tompo handoa fahafolonkarena isika? (jereo koa ny “Malakia Mpaminany” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha, 171–72).
0:58Malachi the Prophet
1:18First Things First!
-
Rehefa miara-mamaky ny Malakia 3:10 ianareo dia afaka manasa ny zanakao hijoro eo akaikin’ny varavarankely iray ianao, rehefa mamaky ny andian-teny hoe “varavaran’ny lanitra.” Na afaka mandraraka rano ao anaty kaopy iray ianao mandra-pahafeno sy mitobaka izany mba hanehoana ilay andian-teny hoe “manana amby ampy.” Lazao amin’ny ankizy ireo fitahiana nomen’ Andriamanitra anao rehefa mandoa fahafolonkarena ianao. Afaka manao sary maneho ireo fitahiana ireo ny zanakao ary manantona azy ireo eo amin’ny varavarankely na eo akaikin’ny varavarankely iray ao an-tranonareo.
Malakia 3:23–24
Tonga mba hampody ny fontsika amin’ireo fianakaviantsika i Elia.
-
Ny zanakao dia afaka mitady ao amin’ny Malakia 3:23–24 ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto mikasika ny faminanian’i Malakia: Iza no nampanantenain’ny Tompo halefa? Rahoviana no nolazainy fa hahatongavan’io olona io? Inona no nolazain’ny Tompo fa hataon’io olona io? Nahoana no ilaina ny fahatongavan’io olona io? Oviana io faminaniana io no tanteraka? (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:13–16).
-
Mba hahafantarana ny fomba nahatanterahan’ilay fampanantenana ao amin’ny Malakia 3:23, dia azonareo atao ihany koa ny mamerina mijery ny “Nomena ny Fisoronana i Joseph sy i Oliver” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, 26–30. Ny hira toy ny “The Hearts of the Children” (Children’s Songbook, 92) dia afaka manampy ny zanakao hahatakatra ny antony maha-tena manan-danja ny nahatongavan’i Elia. Azonareo atao koa ny mitsidika ny FamilySearch.org/discovery, ny application Arbre Familial de FamilySearch, na ny kiboky Ny fianakaviako mba hijerena sahanasa afaka manampy anao sy ny zanakao hampody ny fonareo amin’ny razambenareo.
Raha te hanao zavatra misimisy kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.