“7–13 desambra. -Hamasinina ho an’i Jehovah”: Hagay 1–2; Zakaria 1–4; 7–14,- Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana : Testamenta Taloha 2026 (2026)
“7–13 desambra. -Hamasinina ho an’i Jehovah,-” Avia, hanaraka Ahy: Testamenta Taloha 2026
Tempolin’i Laie Hawaii
7–13 desambra: “Hamasinina ho an’i Jehovah”
Hagay 1–2; Zakaria 1–4; 7–14
Taorian’ny fahababoana am-polo taona maro dia nisy vondrona Isiraelita iray izay mety ho nahitana ny mpaminany Hagay sy i Zakaria, izay nahazo lalana hiverina ho any Jerosalema. Ny olona sasany tao anatin’izany vondrona izany dia nahatsiaro ny endriky ny tempoly talohan’ny nandravana izany. I Hagay dia nilaza ireo teny fampaherezan’ny Tompo hoe: “Mahereza, ianareo vahoaka rehetra, hoy Jehovah, ka miasà: fa Izaho no momba anareo, … koa aza matahotra ianareo”, tamin’ireo izay nametra-panontaniana raha toa ny “trano[n’ny Tompo]” ka mbola hitovy “tamin’ny voninahiny taloha” (Hagay 2:3). “Ary hofenoiko voninahitra ity trano ity, … ary eto amin’ity fitoerana ity no hanomezako fiadanana.”(Hagay 2:4–5, 7, 9).
Saingy tsy ilay tempoly masina ihany no nila nahorina indray mandeha. Ny vahoakan’ Andriamanitra dia tao anatina faharavana ara-panahy tamin’ny endriny maro. Ary ny fanorenana indray vahoaka masina dia mitaky zavatra mihoatra ny famakiana vato sy fandaharana azy ireny mba hanorenana trano masina. Midika izany fa ny soratra hoe “Hamasinina ho an’i Jehovah” dia tsy eo amin’ny rindrin’ny tempoly fotsiny, na eo amin’ny “famohamandrin-tsoavaly” sy ny “vilany rehetra any Jerosalema” (Zakaria 14:20–21) mihitsy aza no tokony hosoratana. Tsy maintsy voasokitra eo amin’ny fo rehetra ihany koa izy ireo.
Mba hanaovana topimaso ny bokin’i Hagay sy Zakaria dia jereo ny “Hagay” sy “Zakaria” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina.
Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana
Hagay 1; 2:1–9
“Hevero ny lalanareo.”
Be dia be ireo zavatra manan-danja tokony ho natao mba hanorenana indray an’i Jerosalema. Saingy afaka 15 taona teo ho eo hatramin’ny niverenan’ireo Isiraelita dia tsy faly ny Tompo noho ny tsy nanaovana laharam-pahamehana ambony kokoa ny fanorenana indray ny tempoly (jereo Hagay 1:2–5; jereo koa ny Ezra 4:24). Eo am-pamakianao ny Hagay 1; 2:1–9, dia hevero ny hametraka fanontaniana toy ireto manaraka ireto:
-
Inona avy ireo voka-dratsy natrehan’ireo Isiraelita noho ny tsy nahavitan’izy ireo ny tempoly?
-
Inona ireo fitahiana nampanantenain’ny Tompo azy ireo raha toa ka vitan’izy ireo ny fanorenana ny tranony?
-
Inona no hafatry ny Tompo ho anao ao amin’ny Hagay 1:5–7? Ahoana no ahafahanao hampifanaraka ny laharam-pahamehanao amin’ny an’ny Tompo? Oviana ianao no notahiana noho ny fametrahana an’ Andriamanitra ho lohalaharana teo amin’ny fiainanao?
Niatrika toe-javatra nitovy tamin’izay niainan’ireo Isiraelita tamin’ny andron’i Hagay ny Olomasin’ny Andro Farany taloha (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 95). Inona no ianaranao avy amin’ireo ohatra roa ireo mikasika ny fahatsapan’ny Tompo momba ny tempoly?
Jereo koa ny Dale G. Renlund, “I Jesoa Kristy ilay harena,” Liahona, nôv. 2023, 96–99; Terence M. Vinson, “Tena mpianatry ny Mpamonjy,” Liahona, nôv. 2019, 9–11; “Nous aimons ta maison,” Cantiques, no. 152 ChurchofJesusChrist.org.
Provo City Center Temple Completed
Zakaria 1–3; 7–8; 14
Afaka manao ahy ho masina ny Tompo.
Araka ny hevitrao dia nahoana no zava-dehibe ny fananana ny hoe “hamasinina ho an’i Jehovah” misoratra eo amin’ireo zavatra fampiasa isan’andro tahaka ireo voalaza ao amin’ny Zakaria 14:20? (jereo koa ny Eksodosy 28:36–38). Inona no maha-zava-dehibe ny fananana izany misoratra eo amin’ireo tempoly amin’izao fotoana izao? Inona no hevitr’izany andian-teny izany aminao? Ahoana no ahafahanao manao ny fahamasinana ho isan’ny fiainanao isan’andro? Saintsaino ireo fanontaniana ireo eo am-pamakianao ny fanasana nomen’ny Tompo ho an’ny vahoakany mba ho lasa masina kokoa ao amin’ny Zakaria 1:1–6; 3:1–7; 7:8–10; 8:16–17.
Azonao vakina koa ny Zakaria 2:10–11; 8:1–8; 14:9–11, 20–21 mba hahafantarana hoe hanao ahoana ny fiainana any aoriana any rehefa hiara-hitoetra amin’ny Tompo ao amin’ny toetry ny fahamasinana isika. Inona no manan-danja aminao mikasika ny fahitan’i Zakaria ny hoavin’i Jerosalema? Inona no hitanao eto ka tianao ho hita ao amin’ny fiarahamonina misy anao? Ahoana no ahafahanao miomana hiaina ao anatin’ireo toe-javatra iainana nofariparitan’i Zakaria?
“Indro, ny Mpanjakanao avy ho anao; marina Izy sady manam-pamonjena, malemy fanahy sady mitaingina boriky.”(Zakaria 9:9). Triumphal Entry [Ilay fidirana tamim-boninahitra], nataon’i Harry Anderson
Zakaria 9:9–11; 11:12–13; 12:10; 13:6–7; 14:1–9
I Jesoa Kristy no ilay Mesia nampanantenaina.
Maro amin’ireo asa soratr’i Zakaria no sady miresaka momba ny asa fanompoan’i Jesoa Kristy no miresaka ny Fiaviany Fanindroany amin’ny farany. Ireto ambany ireto misy faminanian’i Zakaria vitsivitsy, miaraka amin’ny soratra masina momba ny fahatanterahan’izy ireo. Rehefa mandalina ireo andinin-tsoratra masina ireo ianao dia manontania tena hoe: “Inona no ampianarin’izany ahy momba ny Mpamonjy?
-
Zakaria 9:9–11 (jereo ny Matio 21:1–11; 1 Petera 3:18–19)
-
Zakaria 11:12–13 (jereo ny Matio 26:14–16; 27:1–7)
-
Zakaria 12:10 (jereo ny Jaona 19:37; Apokalypsy 1:7)
-
Zakaria 13:6–7; 14:1–9 (jereo ny Matio 26:31; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:47–53)
Mety ho toy ny ahoana araka ny eritreritrao izany hoe teo anivon’ny vahoaka nandray an’i Jesoa tao Jerosalema izany, izay araka ny voafaritra ao amin’ny Zakaria 9:9–11? Ahoana no ahafahanao mandray Azy ho eo amin’ny fiainanao sy ao amin’ny tokantranonao ary ny fiarahamonina misy anao?
Jereo ihany koa ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Mesia,” Médiathèque de l’Évangile; “L’entrée triomphale du Seigneur dans Jérusalem” (horonan-tsary), Médiathèque de l’Évangile; Ronald A. Rasband, “Hosana ho an’ Andriamanitra Avo Indrindra,” Liahona, mey 2023, 108–12.
The Lord's Triumphal Entry into Jerusalem
Mba hahitana fampahalalana misimisy kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy ny Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.
Hevitra enti-mampianatra ny ankizy
Hagay 1:2–8
“Hevero ny lalanareo”
-
Rehefa mamaky ny ampahany amin’ny Hagay 1:2–5 miaraka amin’ny zanakao ianao dia ampio izy ireo hahita ny antony tsy nahafaly ny Tompo tamin’ny vahoaka. Azon’ny zanakao atao angamba ny misafidy andian-teny avy amin’ny andininy 6 ary manao ny sarin’izany. Azon’izy ireo atao ny mifaneho izany ary mamantatra ny andian-teny asehon’ny sary tsirairay. Rehefa mandany fotoana amin’ny zavatra hafa ankoatra izay tian’ny Tompo isika dia inona no mampitovy izany amin’ny hoe mihinana nefa tsy voky? Azonareo atao ny mifampiresaka momba ny fomba ahafahanareo manokana fotoana ho an’ireo zavatra izay manan-danja amin’ny Tompo.
-
Azonao vakina amin’ny zanakao koa ny andininy 8 dia asao izy ireo mody hanao fihetsika toy ny hoe “[miakatra] any an-tendrombohitra,” “[maka] hazo,” ary “[manao] ny trano[n’ny Tompo].” Afaka manao ny lisitr’ireo zavatra ataon’izy ireo ao anatin’ny andro iray mahazatra ny zanakao, isan’izany ireo zavatra nasain’ny Tompo ataon’izy ireo. Asao ny zanakao “[hihevitra] ny lala[n’izy ireo]” amin’ny alalan’ny fanisiana faribolana ny zavatra mety holazain’ny Tompo fa zavatra manan-danja indrindra ao anatin’ny lisitra nataon’izy ireo.
Fampianarana mifototra amin’ny ao an-tokantrano. Ny Filoha Russell M. Nelson dia nampianatra fa ny tokantrano no tokony ho “ivon-toeran’ny fianarana ny filazantsara” (“Lasa Olomasin’ny Andro Farany maodely,” Liahona, nôv. 2018, 113). Rehefa mandalina ny torohevitr’i Hagay ny fianakavianao mba “[hihevitra] ny lalanareo,” dia azonareo atao ny miresaka momba ny fomba hametrahana an’ Andriamanitra ho lohalaharana eo amin’ny fiainam-pianakavianao.
Zakaria 3:1–7
Ny fanaovana sy ny fitandremana fanekempihavanana dia afaka manampy ahy ho lasa tahaka ny Ray Any an-danitra sy i Jesoa Kristy kokoa.
-
I Zakaria dia nahita tao anatin’ny fahitana iray mpisoronabe iray izay “nitafy fitafiana maloto” (Zakaria 3:3). Nanome azy akanjo madio ny anjely iray. Azonao atao ny manampy ny zanakao hahita fahamarinana manan-danja amin’ny alalan’ny fiarahana mamaky ny Zakaria 3:1–7 sy ny firesahana momba ny mety hasehon’ilay akanjo maloto sy ny akanjo madio. Ahoana no ahatongavantsika ho madio amin’ny fahotantsika na dia aorian’ny batisantsika aza? Ahoana no hanampian’ny fanekempihavanantsika tamin’ny batisa antsika “[h]izotra amin’ny lala[n’ny Tompo]”?
-
Afaka mijery sary iray maneho fanaovana batisa iray ianao sy ny zanakao, tahaka ilay iray ato amin’ity rindran-damina ity. Nahoana isika no manao akanjo fotsy mandritra ny batisantsika? Azonareo atao ihany koa ny mihira hira iray momba ny batisa, toy ny “Rehefa atao batisa aho” (Bokin-kiran’ny ankizy, 53). Inona no ampianarin’ilay hira momba ny antony itiavan’ny Tompo antsika hanao batisa?
Zakaria 9:9–11; 11:12; 13:6–7
I Jesoa Kristy no ilay Mesia nampanantenaina.
-
Mety ho tian’ny zanakao ny maka sary an-tsaina ilay zava-nitranga nambara mialoha tao amin’ny Zakaria 9:9, rehefa tonga tao Jerosalema i Jesoa nandritra ny herinandro farany teo amin’ny fiainany teto an-tany. Mba hanampiana amin’izany dia asehoy azy ireo ny sarin’ilay zava-nitranga, tahaka ilay iray ato amin’ity rindran-damina ity. Azonao zaraina amin’izy ireo ihany koa ny “Nandeha tany Jerosalema i Jesoa” (ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Vaovao, 110–112). Azon’ny zanakao atao ny manondro ireo olona ao amin’ireo sary izay “[mifaly] indrindra.” Iza ilay Mpanjaka ao amin’ny Zakaria 9:9? Nahoana isika no feno fankasitrahana Azy?
1:35Chapter 44: The Savior Goes to Jerusalem
-
Hevero ny hanampy ny zanakao hampitaha ireo faminaniana avy amin’i Zakaria amin’ireo andininy ao amin’ny Testamenta Vaovao izay mamaritra ny fahatanterahan’izy ireo. Ireto misy ohatra vitsivitsy: Zakaria 9:9 sy ny Matio 21:5–9; Zakaria 9:11 sy ny 1 Petera 3:18–19; Zakaria 11:12 sy ny Matio 26:14–16; Zakaria 13:7 sy ny Matio 26:31. Inona no zavatra ianarantsika momba ny Mpamonjy avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo?
Raha te hanao zavatra misimisy kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.