“5–11 ôktôbra. -Nitondra ny aretintsika tokoa Izy sady nivesatra ny fahoriantsika-: Isaia 50–57,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Testamenta Taloha 2026 (2026)
“5–11 ôktôbra. -Nitondra ny aretintsika tokoa Izy sady nivesatra ny fahoriantsika,-” Avia, hanaraka Ahy : Testamenta Taloha 2026
The Mocking of Christ [Ny fandrabirabiana an’i Kristy], nataon’i Carl Heinrich Bloch
5–11 ôktôbra: “Nitondra ny aretintsika tokoa Izy sady nivesatra ny fahoriantsika”
Isaia 50–57
Niresaka momba ny mpanafaka mahery iray i Isaia nandritra ny asa fanompoany. Ireo faminaniana ireo dia mety ho sarobidy tokoa ho an’ireo Isiraelita taonjato maro taty aoriana rehefa babo tany Babylona izy ireo. Tena mpanafaka lehibe tokoa izay olona afaka handrodana ny mandan’i Babylona. Saingy tsy izay ilay karazana Mesia nofariparitan’i Isaia ao amin’ny toko 52–53: “Natao tsinontsinona sy nolavin’ny olona Izy; lehilahy ory sady zatra fahoriana, ary tahaka izay tsy tian’ny olon-kojerena akory Izy. … Isika kosa nanao Azy ho nokapohina sy nasian’ Andriamanitra ary nampahoriana” (Isaia 53:3–4).
Nampianatra antsika mikasika ilay tena fanafahana Andriamanitra tamin’ny alalan’ny fandefasana mpanafaka tsy nampoizina toy izany. Mba hamonjena antsika amin’ny tsindry hazo lena sy ny fampahoriana dia nalefan’ Andriamanitra ilay Iray izay “nampahoriana.” Raha nanantena liona ny olona sasany dia zanak’ondry no nalefany (jereo ny Isaia 53:7). Ny fihevitr’ Andriamanitra tokoa tsy fihevitsika (jereo ny Isaia 55:8–9). I Jesoa Kristy dia tsy vitan’ny hoe nanafaka antsika tamin’ny alalan’ny fanokafana ny fonja fotsiny fa tamin’ny alalan’ny fakana ny toerantsika tao koa. Nohamaivaniny ny gejan’ny rojon’ny fahoriantsika sy ny alahelontsika tamin’ny alalan’ny fitondrany mihitsy izany (jereo ny Isaia 53:4–5, 12). Tsy mamonjy antsika avy any lavitra Izy. Miara-mijaly amintsika Izy, amin’ny alalan’ireo zavatra ataony feno “famindrampo mandrakizay” izay “tsy mba hiala aminao” (Isaia 54:8, 10).
Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana
Isaia 50–52
Mamiratra ny hoavin’ny vahoakan’ny Tompo.
Na dia niaina tao anatin’ny fahababoana nandritra ny taona maro aza ireo Isiraelita, ary na dia vokatr’ireo safidy tsy mahasoa nataon’izy ireo aza izany fahababoana izany, dia tian’ny Tompo izy ireo hibanjina ny hoavy amim-panantenana. Inona ao amin’ny hafatr’i Isaia no hitanao fa manome fanantenana anao? Mety hanampy anao handalina ny tabilao tahaka ity iray ity:
|
Ny zavatra ianarako momba an’ Andriamanitra (jereo ohatra ny Isaia 50:2, 5–9; 51:3–8, 15–16; 52:3, 9–10) | |
|
Hafatra mifono fanantenana (jereo ohatra ny Isaia 50:9; 51:3–5, 11–12, 22–23; 52:9–10) | |
|
Ny zavatra azoko atao mba hahatonga ny fanantenana ho zavatra tena misy (jereo ohatra ny Isaia 50:10; 51:1–2, 6–9; 52:1–3, 9–11) |
Jereo koa ny Môzià 12:20–24; 15:13–18; 3 Nefia 20:29–46; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 113:7–10; Russell M. Nelson, “Raiso amim-pinoana ny hoavy,” Liahona, nôv. 2020, 73–76.
Because of Love [Noho ny fitiavana], nataon’i Angela Johnson
Ampio ny mpianatra hanatona an’i Jesoa Kristy. “Tsy misy zavatra hafa ataonao amin’ny maha-mpampianatra anao izay hitahy bebe kokoa ireo mpianatra mihoatra noho ny fanampiana azy ireo hahafantatra ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary hahatsapa ny fitiavan’ Izy Ireo” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 8). Eo am-piomananao hampianatra ny Isaia 50–57 amin’ny hafa dia eritrereto ny fomba ahafahanao manampy azy ireo hahita ny fifandraisana misy eo amin’ireo olan’i Isiraely, ireo faminanian’i Isaia momba an’i Kristy, ary ny fandraisana fanampiana avy any an-danitra amin’ny olan’izy ireo manokana.
Isaia 53
Nitondra teo Aminy ny fahotako sy ny alaheloko i Jesoa Kristy.
Toko vitsivitsy ao amin’ny soratra masina ihany no mamaritra amin’ny fomba kanto kokoa noho ny Isaia 53 ny asa fanavotana nanirahana an’i Jesoa Kristy. Hevero ny hanao sahanasa toy ireto mba hahatakarana sy hampiharana kokoa ireto fampianarana tena mahery vaika ireto:
-
Saintsaino na ifanakalozy hevitra ny fomba anehoan’ireo tantara sy sarimihetsika matetika ireo olona be herim-po izay manavotra ny olona. Ampitahao amin’ny famariparitana ny Mpamonjy ao amin’ny Isaia 53 ireo fanehoana ireo.
-
Miatoa kely isaky ny avy mamaky andininy iray mba handinihina ny zavatra niaretan’ny Mpamonjy, ny “aretina,” “ny fahoriana,” ary ny “fahadisoana” izay nozakainy, ho an’ny olona rehetra ary indrindra ho anao. Ireo teny toy ny hoe “isika” sy “-ntsika” dia azonao soloina amin’ny “izaho” sy ny “-ko” rehefa mamaky ianao. Inona avy ireo fahatsapana sy eritreritra entin’ireo andininy ireo ao aminao?
-
Inona avy ireo karazana aretina sy fahoriana lanjain’ny Mpamonjy ho anao?
5:25My Kingdom Is Not of This World
-
Mitadiava sarin’ireo zava-nitranga mahakasika ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 56–60). Azonao atao avy eo ny mitady andian-teny ao amin’ny Isaia 53 izay mamariparitra ireo zava-nitranga eo amin’ireo sary. Mamporisika anao hanao inona ireo fampianarana ireo?
Jereo koa ny“Indro fa maty ny Tompo,” Fihirana sy hiran’ny ankizy, 32.
Isaia 54; 57:15–19
Tian’i Jesoa Kristy hiverina Aminy aho.
Isika rehetra dia miaina fotoana izay hahatsapantsika ho lavitra ny Tompo noho ireo fahotantsika na fahalementsika. Ny sasany dia tsy nanam-panantenana intsony hoe hahazo famelana avy Aminy izy ireo. Ny Isaia 54 sy 57 dia toko tena tsara vakina mba hahazoana toky indray sy fampaherezana mandritra ny fotoana toy izany. Indrindra indrindra ao amin’ny Isaia 54:4–10; 57:15–19, inona avy ireo teny izay mampianatra anao ny zavatra tsapan’ny Mpamonjy momba anao? Inona no fiovana nentin’ny fahafantarana ireny zavatra momba Azy ireny teo amin’ny fiainanao?
Nampianatra toy izao ny Filoha Dieter F. Uchtdorf:
“Tsy maninona na mety ho hita ho simba tanteraka toy ny ahoana aza ny fiainantsika. Tsy maninona na toy ny ahoana aza ny fahamelohantsika noho ny fahotana, na feno lolom-po toy ny ahoana isika, na irery sy very ary maratra manao ahoana ny fontsika. Na ireo tsy manana fanantenana aza, na miaina ao anatin’ny fahadisoam-panantenana, na ireo nitsipa-pitokisana, na ireo tsy niaina tamim-pahamarinana intsony, na niala tamin’ Andriamanitra dia azo aorina indray. …
“Ny vaovao mahafalin’ny filazantsara dia izao: noho ny drafitry ny fahasambarana mandrakizay nomen’ny Raintsika any An-danitra be fitiavana sy amin’ny alalan’ny sorona tsisy fetran’i Jesoa Kristy dia tsy hoe afaka ny ho voavonjy amin’ny toetran’ny fahalavoana sy haverina ho amin’ny fahadiovana fotsiny isika, fa afaka ny hivoatra mihoatra izay azon’ny sain’olombelona takarina ihany koa ka ho lasa mpandova ny fiainana mandrakizay sy mpandray anjara amin’ny voninahitr’ Andriamanitra izay tsy hay lazaina ny halehibeny” (“Ataony eo an-tsorony ianao dia entiny mody,” Liahona, mey 2016, 102).
Jereo koa ny Patrick Kearon, “Ny hitondra anao hiverina any Aminy no fikasan’ Andriamanitra,” Liahona, mey 2024, 87–89.
Isaia 55–56
Asain’ny Tompo ny olona rehetra mba “hitana ny faneke[ny].”
Tao anatin’ny taranaka maro nifandimby dia fantatra tamin’ny hoe vahoakan’ny fanekempihavanan’ Andriamanitra i Isiraely. Na izany aza ny drafitr’ Andriamanitra dia tsy natokana ho an’ny firenena iray fotsiny, fa izay “rehetra … mangetaheta” dia asaina “[hankany] amin’ny rano” (Isaia 55:1). Tadidio tsara izany rehefa mamaky ny Isaia 55 sy 56 ianao ary saintsaino ny dikan’ny hoe isan’ny vahoakan’ Andriamanitra. Inona no hafatr’ Andriamanitra ho an’ireo izay mahatsapa ho “tsy ho isan’ny olony tokoa”? (Isaia 56:3). Hevero ny hanisy marika ireo toetra sy fihetsika mamaritra an’ireo izay “mitana ny fanekeko” (jereo ny Isaia 56:4–7).
Mba hahitana fampahalalana misimisy kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.
Hevitra enti-mampianatra ny ankizy
Isaia 51–52
Manasa ahy ny Tompo mba hitafy ny heriko.
-
Mety hahafaly ny zanakao ny hahita andian-teny toy ny hoe “mifohaza,” “mitsangàna,” ary “mitafia hery” ao amin’ny Isaia 51:9, 17; 52:1–2, 9 ary avy eo maneho ireo teny ireo amin’ny alalan’ny fihetsika. Rehefa avy nanao izany ianareo dia afaka miresaka momba ny dikan’ny hoe mifoha sy mitsangana ary mitafy tanjaka ara-panahy. Inona no asain’ny Tompo hataontsika ao amin’ireo andininy ireo?
-
Afaka mamaky ny Isaia 51:1, 4, 7 koa ny zanakao ary mamantatra ny olona hiresahan’ny Tompo sy ny zavatra tiany hataon’izy ireo. Inona no dikan’ny hoe “mihaino” ny Tompo? Ahoana no anehoantsika amin’ny Tompo fa “mihaino” Azy isika?
Isaia 53:3–9
Nitondra teo Aminy ny fahotako sy ny fahoriako i Jesoa Kristy.
-
Afaka mijery sary maromaro maneho ny fijaliana sy ny fahafatesan’i Jesoa Kristy ianao sy ny zanakao (jereo ohatra ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 56, 57, 58). Avy eo dia azonareo atao ny miara-mamaky ny Isaia 53:3–6, 9 ary mitady ireo teny izay mamariparitra ny zava-mitranga eo amin’ireo sary. Ampio ireo zanakao hahatakatra fa nizara ireo fahamarinana ireo an-jato taonany maro talohan’ny nitrangan’izy ireo i Isaia. Nahoana no manan-danja ho an’ny olona ny mahafantatra taona maro mialoha ireo zavatra ireo? (jereo ny Almà 39:15–19).
-
Rehefa nahavita namaky ny Isaia 53:4 manao hoe “Nitondra ny aretintsika tokoa Izy sady nivesatra ny fahoriantsika,” dia afaka miezaka mibata zavatra mavesatra iray ny zanakao (na mody mibata iray). Resaho ny hoe mety havesatra sy ho sarotra zakaina toy ny ahoana ny “aretina” sy ny “fahoriana” na ny alahelo. Nahoana i Jesoa no nitondra ny “aretintsika,” sy ny “fahoriantsika,” ary ny “helotsika”? (jereo koa ny Almà 7:11–12).
Isaia 55:6
Afaka mitady ny Tompo sy miantso Azy aho.
-
Mba hampianarana ny zanakao momba ny Isaia 55:6, dia azonao atao ny manafina ny sarin’i Jesoa amin’ny toerana iray ao amin’ny efitrano. Azonao atao ny manasa ny zanakao hitady ilay sary sy hilaza fomba iray ahafahan’izy ireo “[mitady] an’i Jehovah, dieny mbola hita Izy.” Afaka manome hevitra azy ireo ny hira toy ny “Hitady ny Tompo aho dieny izao” (Bokin-kiran’ny ankizy, 67). Avy eo dia azonao avela hanafina ilay sary ny iray amin’ireo ankizy ary hamerina ilay sahanasa.
Isaia 55:8–9
Avo kokoa noho ny lalako ny lalan’ny Tompo.
-
Rehefa avy mamaky ny Isaia 55:9, dia mety hahafinaritra ny zanakao ny mitsangana eo ambonin’ny seza bory iray ary miresaka hoe hafa manao ahoana ny zavatra jerena rehefa eo amin’ny toerana avo kokoa ianao. Na azon’izy ireo atao sary ny hevitry ny Isaia 55:9 ho azy ireo. Avy eo dia afaka miresaka ny sasany amin’ireo lalan’ny Tompo izay avo kokoa noho ny lalantsika ianareo. Ohatra hoe, manao ahoana ny fomba fandraisany ireo mpanota? (jereo ny Marka 2:15–17). Manao ahoana ny fomba fitarihany ny hafa? (jereo ny Matio 20:25–28). Zarao amin’ny zanakao ny fomba nianaranao natoky ny lalana sy ny fihevitra avon’ny Tompo.
Raha te hanao zavatra misimisy kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.