“12–18 ôktôbra. -Hisy Mpanavotra ho tonga any Ziona-: Isaia 58–66,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Testamenta Taloha 2026 (2026)
“12–18 ôktôbra. -Hisy Mpanavotra ho tonga any Ziona,-” Avia, hanaraka Ahy: Testamenta Taloha 2026
Jesus in the Synagogue at Nazareth [I Jesoa tao amin’ny Synagôga tao Nazareta], nataon’i Greg Olsen
12–18 ôktôbra: “Hisy Mpanavotra ho tonga any Ziona”
Isaia 58–66
Tany am-piandohan’ny asa fanompoany dia nitsidika synagoga tao Nazareta, ilay tanàna nitaizana Azy, i Jesoa Kristy. Nijoro tao Izy namaky soratra masina, nanokatra ny bokin’i Isaia ary namaky izay fantatsika ankehitriny amin’ny hoe Isaia 61:1–2. Ary avy eo dia nanambara Izy hoe: “Androany no efa tanteraka eto anatrehanareo izany soratra izany.” Ity dia iray amin’ireo fanambarana mivantana nataon’ny Mpamonjy fa Izy no Ilay Voahosotra, izay “hanasitrana ny malahelo” ary “hitory fandefasana amin’ny mpifatotra” (jereo ny Lioka 4:16–21). Tena tanteraka tokoa izany soratra masina izany tamin’izany andro izany. Ary, toy ny faminaniana maro hafa nataon’i Isaia, dia tanteraka hatrany amin’izao androntsika izao koa izany. Mbola manohy manasitrana ireo maratra am-po izay manatona Azy ny Mpamonjy. Mbola maro ireo babo izay mila fanafahana. Ary misy hoavy be voninahitra izay tokony hiomanana, fotoana iray izay hamoronan’ny Tompo “lanitra vaovao sy tany vaovao” (Isaia 65:17) ary “fahamarinana sy fiderana eo anatrehan’ny firenena rehetra” (Isaia 61:11). Ny famakiana an’i Isaia dia mampisokatra ny masontsika amin’izay efa nataon’ny Tompo, izay ataony ary izay mbola hataony ho an’ny olony.
Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana
Isaia 58:3–12
Manorina hery ara-panahy ny fifadian-kanina ary mitahy ireo olona sahirana.
Nahoana ny olona iray no hinia tsy hihinan-kanina kanefa misy sakafo azo hanina? Eo am-pandalinanao ny Isaia 58:3–12, dia azonao atao ny mieritreritra ny antony mahatonga anao hifady hanina, ary koa ny antony nanomezan’ny Tompo io lalàna io. Ireto misy fanontaniana vitsivitsy hafa hosaintsainina:
-
Nahoana ny fifadian-kanina indraindray no raisina kokoa ho toy ny enta-mavesatra fa tsy fitahiana? (jereo ny Isaia 58:3–5). Ahoana no hanovan’ny fampianaran’ny Tompo ao amin’io toko io izany fomba fijery izany ho anao?
-
Inona no mety ho dikan’ny hoe “hamaha ny famatoran’ny faharatsiana” sy ny hoe “hanaboraka ny fehin’ny zioga”? (Isaia 58:6). Ahoana no ahafahan’ny fifadian-kanina mitahy ny hafa? (jereo ny andininy 7).
-
Tamin’ny fomba ahoana no nitondran’ny fifadian-kanina ny fitahiana voafariparitra ao amin’ny Isaia 58:8–12 taminao?
Ao amin’ny hafany hoe “Tsy izao va no fifadian-kanina izay ankasitrahako?” (Liahona, mey 2015, 22–25), ny Filoha Henry B. Eyring dia nizara ohatra maromaro mikasika ny fomba nitahiana ny olona tamin’ny alalan’ny fifadian-kanina sy ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina. Ahoana no fomba nahitanao fitahiana toy izany teo amin’ny fiainanao?
Jereo koa ny “Bless Our Fast, We Pray,” Hymns, no. 138; Sujets et questions, “Jeûne et offrandes de jeûne,” Médiathèque de l’Évangile.
Fantaro kokoa ireo olona ampianarinao. “Tafiditra ao anatin’ny maha-mpianatra tahaka an’i Kristy ny famantarana ny olona ampianarinao sy ny fiezahana manakatra ny zavatra ao am-pon’izy ireo. … Afaka mikaroka ny fomba ahafahany tena mianatra tsara ianao. Afaka mametraka fanontaniana sy mihaino tsara ary mandinika ianao. Fa ny manan-danja indrindra, dia afaka mivavaka ianao mba hahazo ilay fahatakarana izay ny Fanahy ihany no afaka manome azy. Arakaraka ny hahafantaranao tsara ny olona iray no ahafahanao manampy kokoa azy hahita ny lanjan’ny tena manokana sy hahazo hery ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Raha vao takatrao ny hetahetan’ny olona iray dia afaka mampianatra anao ny fomba hanampiana amin’ny fanalana izany hetaheta izany amin’ny alalan’ny rano velon’ny Mpamonjy ny Fanahy.” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 13).
Isaia 58:13–14
Mitondra fifaliana ny fanomezana voninahitra ny Tompo rehefa Sabata.
“Fahafinaretana” ho anao ve ny andro Sabata? Rehefa mandalina ny Isaia 58:13–14 ianao dia eritrereto ny fomba ahafahanao mahita fifaliana kokoa amin’ny andron’ny Tompo. Ohatra, inona no mety ho dikan’ny hoe “tsy manao izay tianao amin’ny andro[ny] masina”? Inona no maha-samy hafa ny hoe “[miravoravo] amin’i Jehovah” sy ny hoe “manao izay tianao”?
Jereo koa ny Russell M. Nelson, “Fahafinaretana ny Sabata,” Liahona, mey 2015, 129–32.
Isaia 59:9–21; 61:1–3; 63:7–9
I Jesoa Kristy no Mpamonjy sy Mpanavotra ahy.
Ahitana andininy maro miresaka momba ny asa fanavotana nataon’i Jesoa Kristy ny Isaia 58–66. Tadiavo izany rehefa mandalina ianao. Mariho manokana ireo anarana fiantsoana sy teny nampiasaina mba hamariparitana ny Mpamonjy. Ohatra:
-
Inona no manan-danja aminao mikasika ny famaritana ny “mpanalalana” ao amin’ny Isaia 59:16–21? Ahoana no andresen’ny Mpamonjy ireo toe-javatra iainana voafaritra ao amin’ny andininy 9–15?
-
Rehefa nanambara tamin’ny mponin’i Nazareta i Jesoa Kristy fa Izy no Mesia, dia nindrana teny avy tao amin’ny Isaia 61:1–3 Izy (jereo ny Lioka 4:16–21; jereo koa ilay horonan-tsary hoe “Jésus déclare qu’il est le Messie,” Médiathèque de l’Évangile). Ahoana no efa nitahian’i Jesoa Kristy anao sy ny hafa tamin’ny alalan’ireo fomba voalazalaza ao amin’ireo andininy ireo? Ahoana no nanomezany anao hatsarana ho solon’ny lavenona?
3:24Jesus Declares He Is the Messiah
-
Inona avy ireo “famindrampon’i Jehovah” azonao “[ambara]”? (jereo ny Isaia 63:7–9).
-
Inona ireo zavatra hafa resahina momba ny Mpamonjy hitanao ao amin’ny Isaia 58–66?
Jereo koa ny Môzià 3:7; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:46–53.
A Gift of Light (fanomezana fahazavana)nataon’i Eva Timothy
Isaia 60; 62
“Jehovah no ho fanazavana anao mandrakizay.”
Ny Isaia 60 sy ny 62 dia miresaka momba ana fahazavana sy haizina, maso sy fahitana, mba hampianarana momba ny fomba hitahian’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy an’izao tontolo izao amin’ny andro farany. Tadiavo ao amin’ny Isaia 60:1–5, 19–20; 62:1–2 ireo hevitra ireo. Rehefa mamaky ireo toko ireo ianao dia saintsaino ny fomba anangonan’ Andriamanitra ireo zanany avy ao amin’ny haizina ho amin’ny fahazavana. Inona no anjara asanao ao amin’io asa io?
Jereo koa ny 1 Nefia 22:3–12; 3 Nefia 18:24; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14:9; Bonnie H. Cordon, “Mba hahazoany mahita,” Liahona, mey 2020, 78–80.
Isaia 64:1–5; 65:17–25; 66
Hanjaka eto an-tany mandritra ny Arivotaona i Kristy.
Niresaka momba ny andro iray izay “[hanadinoana] ny fahoriana taloha” i Isaia (Isaia 65:16). Na dia tanteraka amin’ny fomba maro aza io faminaniana io, amin’ny lafiny feno, dia mbola ho avy izany andro izany—rehefa hiverina i Jesoa Kristy. Nilazalaza momba io andro ho avy io i Isaia ao amin’ny Isaia 64:1–5; 65:17–25; 66. Jereo hoe impiry Izy no nampiasa ny teny toy ny hoe “mifaly” sy “ho faly.” Nahoana no ho andro feno fifaliana ho anao ny fiverenan’ny Mpamonjy? Inona no azonao atao mba hiomanana ho amin’ny fiverenany?
Jereo koa ny Fanekem-pinoana 1:10; Russell M. Nelson, “Ny hoavin’ny Fiangonana: Manomana izao tontolo izao amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy fanindroany,” Liahona, apr. 2020, 13–17.
Mba hahitana fampahalalana misimisy kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.
Hevitra enti-mampianatra ny ankizy
Isaia 58:6–11
Mitahy ahy sy ireo hafa izay sahirana ny fifadian-kanina.
-
Fomba tsara indrindra hamporisihana ny zanakao hifady hanina angamba—rehefa vonona izy ireo—ny manampy azy ireo hahatakatra ny tanjon’ny Tompo amin’io lalàna io. Hevero ny hiara-hamaky ny Isaia 58:6–11 mba hahitana ny valin’ireto fanontaniana ireto: Nahoana isika no mifady hanina? Ahoana no fomba hifadiantsika hanina? Azonao atao koa ny mijery ao amin’ny “Fifadian-kanina” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina.
-
Raha niaina zavatra manan-danja tamin’ny fifadian-kanina ianao dia zarao amin’ny zanakao izany. Azonao atao ihany koa ny manontany azy ireo ny fomba hanazavany amin’ny namana iray ny antony nanomezan’ny Tompo antsika io lalàna io.
Isaia 58:13–14
Afaka ny ho fahafinaretana ho ahy ny Sabata.
-
Rehefa avy mamaky ny Isaia 58:13–14 ianareo dia afaka manondro ireo andro ao anatin’ny herinandro eo amin’ny tetiandro ianao ary manasa ny zanakao hilaza ireo andro miaraka aminao. Rehefa tonga eo amin’ny Sabata ianareo dia angataho izy ireo mba hiantso izany andro izany hoe “fahafinaretana.” Lazao amin’izy ireo ny antony maha-fahafinaretana ny Sabata aminao.
-
Mifampizarà fomba ahafahanareo “[m]iravoravo amin’i Jehovah” rehefa Sabata. Azon’ny zanakao atao tsara ny manao sary ny heviny ary mametraka izany ao anatina “boaty fitoeran’ireo fahafinaretana amin’ny Sabata.” Avy eo, rehefa mila hevitra momba ireo zavatra tokony hatao ny Sabata izy ireo dia afaka maka hevitra avy ao amin’ilay boaty.
Our Light [Ilay Fahazavantsika], nataon’i Dan Wilson
Isaia 60:1–3
Toy ny fahazavana ho ahy ny Mpamonjy.
-
Azonao asaina ny zanakao hanakimpy ny masony eo am-pamakianao ny Isaia 60:1–3. Angataho izy ireo hampihiratra ny masony rehefa mandre ny teny hoe “fahazavana” ary hanakimpy izany rehefa mandre ny teny hoe “haizina.” Hazavao fa i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany dia toy ny fahazavana izay manampy antsika hahita ny lalantsika miverina mankany amin’ny Ray any An-danitra.
Isaia 65:17–25
Hitondra fiadanana sy fifaliana i Jesoa rehefa hiverina indray.
-
Ny Isaia 65:17–25 dia mamariparitra izay ho toetoetra sy endriky ny tany rehefa miverina indray ny Mpamonjy. Rehefa mamaky ireo andininy ireo miaraka amin’ny zanakao ianao dia ampio izy ireo hitady ny hoe ho hafa manao ahoana ny fiainana ao amin’ilay “tany vaovao” nofariparitan’i Isaia. Nahoana izany no ho fotoana tokony “[hifaliana sy hiravoravoana] mandrakizay”? (andininy 18).
-
Azonareo atao koa ny miara-mihira hira iray momba ny Fiaviana Fanindroany, toy ny “Raha ho avy indray Kristy” (Médiathèque de l’Évangile). Ifampizarao ny zavatra antenainareo fatratra momba ny fiverenan’ny Mpamonjy. Inona no azontsika atao mba hiomanana amin’izany andro izany?
Raha te hanao zavatra misimisy kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.