Avia, hanaraka Ahy
14–20 septambra. “Andriamanitra no famonjena ahy”: Isaia 1–12


“14–20 septambra. -Andriamanitra no famonjena ahy-: Isaia 1–12,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana : Testamenta Taloha 2026 (2026)

“14–20 septambra. -Andriamanitra no famonjena ahy,-” Avia , hanaraka Ahy: Testamenta Taloha 2026

Isaia manoratra amin’ny horonan-taratasy

The Prophet Isaiah Foretells Christ’s Birth [Nilaza mialoha ny fahaterahan’i Kristy ny mpaminany Isaia], nataon’i Harry Anderson

14–20 septambra: “Andriamanitra no famonjena ahy”

Isaia 1–12

Na dia vao sambany aza ianao no mamaky ny bokin’i Isaia dia mety ho tojo andalan-tsoratra masina izay toy ny hoe efa faheno ianao. Izany dia satria, amin’ireo mpaminanin’ny Testamenta Taloha rehetra, i Isaia no voatanisa matetika indrindra any amin’ireo boky soratra masina hafa, tafiditra ao anatin’izany ny fitanisan’ny Mpamonjy mihitsy azy. Ny tenin’i Isaia dia miseho matetika koa ao amin’ny fihirana sy ny hira masina hafa.

Nahoana i Isaia no voatonona matetika? Azo antoka fa isan’ny anton’izany ny fananan’i Isaia fanomezam-pahasoavana amin’ny filazana ny tenin’ Andriamanitra amin’ny fiteny miraikitra ao an-tsaina sy mora tadidy. Kanefa mbola mihoatra noho izany ilay izy. I Isaia dia nanome aingam-panahy an’ireo mpaminany tao anatin’ny taranaka maro nifandimby satria ny fahamarinana nampianariny dia nipaka tany amin’ny taranaka nihoatra ny azy manokana (teo anelanelan’ny 740 sy 701 taona talohan’i Jesoa Kristy). Nanoratra mikasika ny asa fanavotana lehibe nataon’ Andriamanitra izy, izay lehibe lavitra noho ny firenena iray na ny vanim-potoana iray. Avy tamin’i Isaia dia fantatr’i Nefia fa izy sy ny olony, na dia tafasaraka tamin’ny sisa amin’ny Isiraely aza dia mbola isan’ny olon’ny fanekempihavanan’ Andriamanitra ihany. Ao amin’ny Isaia, ireo mpanoratra ao amin’ny Testamenta Vaovao dia nahita faminaniana momba ny Mesia izay tanteraka teo imason’izy ireo. Ary tao amin’ny Isaia, i Joseph Smith dia nahita fitaomam-panahy ho an’ny asa amin’ny andro farany amin’ny fanangonana an’i Isiraely sy ny fananganana an’i Ziona. Hahita inona ianao rehefa hamaky ny Isaia?

Raha te hahalala misimisy kokoa momba an’i Isaia sy ny asa sorany, dia jereo ny “Isaia” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina. Ho fampahalalana mikasika ny fotoana izay niainan’i Isaia dia jereo ny 2 Mpanjaka 15–20 sy ny 2 Tantara 26–32.

sary famantarana ny fandalinana

Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana

Isaia 1–12

Ho tanteraka ny tenin’i Isaia rehetra.

Nampianatra ny Mpamonjy fa “ny zavatra rehetra izay [notenenin’i Isaia] dia efa nisy sy mbola hisy, araka ny teny izay noteneniny” (3 Nefia 23:3). Rehefa mandalina ny bokin’i Isaia ianao, dia manaova tabilao ahitana faminaniana misy lohateny tahaka ireto: Ny andron’i Isaia, Ny asa fanompoan’ny Mpamonjy teto an-tany, ary Ny andro farany. Mariho fa faminanian’i Isaia maro no tanteraka amin’ny fomba mihoatra ny iray (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra masina, “Isaia”).

Nampianatra ny Filoha Dallin H. Oaks hoe: “Ny bokin’i Isaia dia ahitana faminaniana maro izay toa tanteraka amin’ny endriny maro. Ny anankiray amin’izany dia toa mahakasika ny olona tamin’ny andron’i Isaia na ny toe-javatra niainan’ny taranaka manaraka. Ny anankiray hafa, izay matetika ara-tsarinteny, dia toa milaza tranga amin’ny mitataovovonan’ny fotoana, raha noravana i Jerosalema ary naparitaka ny olony taorian’ny fanomboana ny Zanakalahin’ Andriamanitra tamin’ny hazofijaliana. Ny heviny na fahatanterahany iray hafa ny amin’ny faminaniana iray ihany dia toa mifandray amin’ireo zavatra hitranga amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany. Ny fananan’ireo faminaniana ireo heviny maro dia manamafy ny maha-zava-dehibe ny fikatsahantsika fanambarana avy amin’ny Fanahy Masina mba hanampy antsika hahafantatra ny hevitr’izy ireny” (“Scripture Reading and Revelation,” Ensign, Jan. 1995, 8).

Miezaka mahatakatra ny Isaia. Hoy ny Mpamonjy: “[hadihadio] ireo zavatra ireo amin’ny fahazotoana tokoa; fa lehibe ny tenin’i Isaia” (3 Nefia 23:1; jereo koa ny andininy 2–3). Nefa ho an’ny maro, ny Isaia dia mety ho sarotra takarina. Mety hanampy ireto hevitra manaraka ireto:

  • Saintsaino ireo tandindona sy sarin-teny nampiasain’i Isaia.

  • Manontania tena hoe: “Inona no ianarako momba an’i Jesoa Kristy?” (jereo ny 1 Nefia 19:23).

  • Mitadiava lohahevitra izay tsapa fa manan-danja amin’izao androntsika izao.

  • Mampiasà fanampiana amin’ny fandalinana, toy ny rakibolana, ny fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy, ny sasin-tenin’ireo toko, ary ny Torolalana ho an’ny Soratra masina.

Isaia 1; 3–5

sary famantarana ny seminera
Mampitandrina mikasika ny fahotana sy mampanantena fanantenana amin’ny alalan’ny fibebahana ireo mpaminany.

Tahaka ireo mpaminany tamin’ny fotoana rehetra, i Isaia dia nampitandrina hatrany ny vahoaka momba ny toe-panahin’izy ireo. Eo am-pamakianao ny Isaia 1; 35, dia tadiavo ireo andian-teny izay mamariparitra hoe nanao ahoana ny toetry ny fiainam-panahin’ny vahoaka (jereo ohatra ny Isaia 1:2–4, 21–23; 3:9, 16–17; 5:11–12, 20–23). Inona no olana mitovitovy amin’izany hitanao amin’izao androntsika izao? Azonao atao ihany koa ny mitady andininy izay mampitandrina mikasika ny vokatry ny toe-panahin’ny Isiraelita (toy ny Isaia 1:7; 3:17–26; 5:5–7, 13–15).

Ankoatra ireo fampitandremana dia nanome hafatra mifono fanantenana hahazoana fanavotana amin’ny alalan’ny Mpamonjy i Isaia (jereo ohatra ny Isaia 1:16–19, 25–27; 3:104). Inona no zavatra ianaranao momba ny Tompo avy amin’ireo hafatra ireo? Inona no tsy mampitovy ny hafatra ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo amin’ny zavatra izay tian’i Satana hinoantsika?

Tahaka an’i Isaia, ireo mpaminany ankehitriny dia mampitandrina antsika momba ny fahotana sy ny vokatr’izany, ary manome hafatra mifono fanantenana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy izy ireo. Inona avy ireo ohatra azonao eritreretina? Mety ho tianao ny hamerina hijery hafatra iray avy tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany teo aloha mba hitadiavana fampitandremana sy fampanantenana toy izany.

Isaia 2; 4; 11–12

Andriamanitra dia hanao asa lehibe amin’ny andro farany.

Maro amin’ireo faminanian’i Isaia no manana heviny manokana ho an’izao androntsika izao. Mba hahitana azy ireo dia tadiavo ireo matoanteny amin’ny filazam-potoana ho avy (toy ny hoe “ho” na “handeha”). Ohatra hoe tadiavo ireo matoanteny ireo eo am-pamakianao ny Isaia 2; 4; 11–12. Mety hanandrana hanolo izany amin’ny alalan’ny matoanteny amin’ny filazam-potoana ankehitriny mihitsy aza ianao. Inona amin’ireo faminaniana ireo no tena manentana ny fanahinao indrindra? Inona no ianaranao avy amin’ireo faminaniana momba an’i Ziona sy ny fanorenana tempoly ary ny fanangonana an’i Isiraely?

Ny Isaia 2:2–3 dia tena manan-danja manokana ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Ahoana no ahatanterahan’ireo faminaniana ireo amin’izao? Inona no ianaranao momba ny “làlan’ny Tompo” ao amin’ny Tranony? (andininy 3).

Jereo koa ny Isaia 5:26; “An-tendrombohitra,” Fihirana sy Hiran’ny Ankizy, lah. 59.

Isaia 6

Voantson’ Andriamanitra ny mpaminany.

Mitantara ny niantsoana azy ho mpaminany i Isaia ao amin’ny Isaia 6. Rehefa mamaky io toko io ianao, dia inona no manaitra anao momba ny zavatra niainan’i Isaia? Inona no fiantraikan’io toko io amin’ny fomba fiheveranao ny Tompo sy ny mpaminaniny ary ny asa izay nanirahana azy ireo?

I Maria mitrotro an’i Jesoa zazakely

“Fa zaza no teraka ho antsika, zazalahy no omena antsika” (Isaia 9:5).

Isaia 7–9

Nampanantena ny handefa an’i Jesoa Kristy ho Mpamonjy ahy Andriamanitra.

Nandritra ny asa fanompoan’i Isaia dia nikambana tamin’i Syria i Isiraely mba hiarovany tamin’i Asyria. Tian’i Isiraely sy i Syria hoterena i Ahaza, mpanjakan’i Joda mba hanatevin-daharana azy ireo. Saingy naminany i Isaia fa tsy hahomby izany fanakambanana ny hery izany, ka dia nanoro hevitra an’i Ahaza izy mba hatoky ny Tompo (Isaia 7: 7–9: 8:12–13).

Rehefa nanoro hevitra an’i Ahaza i Isaia dia nanao faminaniana maro izay fanta-daza izy, toy ireo hita ao amin’ny Isaia 7:14; 8:13–14; 9:2, 6–7. Na toy ny ahoana na toy ny ahoana ny lanjan’ireo faminaniana ireo ho an’i Ahaza, dia mazava tsara fa izy ireo dia momba an’i Jesoa Kristy (jereo ihany koa ny Matio 1:21–23; 4:16; 21:44; Lioka 1:31–33). Nahoana no anarana fiantsoana tsara ho an’ny Mpamonjy ny hoe “Imanoela”? (jereo ny Matio 1:23). Ahoana no maha-“Mpanolo-tsaina” na “Andrian’ny fiadanana” Azy ho anao? (Isaia 9:5). Inona koa no ianaranao momba ny Mpamonjy avy amin’ireo andininy ireo?

Mba hahitana fampahalalana misimisy kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.

sary famantarana ny fizarana ho an’ny ankizy

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

Isaia 1:2–4, 16–19

Noho i Jesoa Kristy dia afaka mibebaka sy ho voadio aho.

  • Afaka mahita ireo antony tsy nahafaly ny Tompo tamin’ireo vahoaka ianao sy ny zanakao ao amin’ny Isaia 1:2–4. Mariho ilay fampitahana amin’ny biby ao amin’ny andininy 3—iza no “tompontsika”? Ahoana no fomba hanehoantsika fa tia Azy isika?

  • Mba hakana sary an-tsaina ny Isaia 1:16–18, dia afaka mijery zavatra menamena be sy zavatra fotsy mangatsakatsaka ianao sy ny zanakao. Na mety ho azonareo atao ny miara-manasa zavatra iray. Ahoana no fomba ahatongavantsika ho maloto ara-panahy? Ahoana no anampian’i Jesoa antsika ho lasa madio? Inona no zavatra ianarantsika momba ny Mpamonjy avy amin’ireo andininy ireo? Zarao amin’ny zanakao ny zavatra tsapanao momba Azy sy ny zavatra efa nataony ho anao.

Isaia 2:2–4

Mianatra momba an’i Jesoa Kristy aho any amin’ny tempoly.

  • Nahita mialoha ny fotoana iray izay hahatonga “ny tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah” hahasarika ny olona avy amin’ny “[firenena] rehetra” (Isaia 2:2) i Isaia. Ahoana no ahafahanao manampy ny ankizy sahaninao hahatsapa fientanentanana amin’ny fandehanana any amin’ny tranon’ny Tompo? Azonao atao ny manasa azy ireo hanao ny sarin’ny tranon’izy ireo. Avy eo dia iaraho vakina ny Isaia 2:2, ary asao izy ireo hanao sary ny “tranon’i Jehovah,” dia tempoly izany. Iaraho mamaky ny Isaia 2:3. Asao izy ireo hanampy sarin’olona maromaro manatona ilay tempoly eo amin’ny sary nataon’izy ireo, isan’izany ny fianakavian’izy ireo.

  • Azonareo atao ihany koa ny miara-mamaky ny Isaia 2:2–3 ary mamantatra zavatra izay mitaona anao sy ny ankizy sahaninao handeha ho any amin’ny tempoly. Avy eo, rehefa avy miara-mamaky ny Isaia 2:4 ianareo dia afaka mifanakalo hevitra momba ny fomba hitondran’ny tempoly fiadanana ho azy ireo. Azonareo iarahana mihira ny hira iray momba ny tempoly, toy ilay hoe “Mahita ny tempoly no mahafinaritra ahy” (Bokin-kiran’ny ankizy, 99). Ampio ny ankizy sahaninao hitady teny ao amin’ilay hira izay mampianatra ny atao hoe tempoly sy ny zavatra ataontsika any.

Ny tempolin’i Salt Lake rehefa mihamaizina ny andro

Tempolin’i Salt Lake

Isaia 7:14; 9:6–7

Tonga teto an-tany i Jesoa Kristy mba ho Mpamonjy ahy.

  • Mba hampahafantarana ny faminanian’i Isaia momba an’i Kristy dia afaka miresaka momba ireo anarana fiantsoana olona ianao sy ny zanakao, toy ny filoha, eveka, na mpampianatra. Inona no ambaran’ireo anarana fiantsoana ireo amintsika mikasika ireo olona ireo? Ampio ny zanakao hitady anarana fiantsoana an’i Jesoa Kristy ao amin’ny Isaia 7:14 sy ny 9:6–7 (jereo koa ny pejin’ny sahanasa ho an’ny Kilonga ho an’ity herinandro ity). Inona no ampianarin’ny tsirairay avy amin’ireo anarana fiantsoana ireo momba Azy? Inona koa no ianarantsika momba an’i Jesoa Kristy avy amin’ireo andininy ireo?

  • Azonao zaraina amin’ny zanakao ihany koa ny “Isaia mpaminany” (ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha, 150–51). Miatoa imbetsaka mba hanontaniana ny zavatra fantatr’i Isaia momba an’i Jesoa Kristy taona maro talohan’ny nahaterahany. Azonao ampiasaina avy eo ny Matio 1:21–23; Lioka 1:31–33 mba hiresahana momba ny fomba nahatanterahan’ireo faminanian’i Isaia ao amin’ny Isaia 7:14; 9:6–7.

    1:18

    Isaiah the Prophet

Raha te hanao zavatra misimisy kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

tselatra eny amin’ny lanitra eo ambonin’ny tempoly iray

Nampianatra i Isaia fa ho “fialofana” sy ho “fierena amin’ny tafio-drivotra sy ny ranonorana” ny tabernakely (Isaia 4:6). Tempolin’i Idaho Falls Idaho

pejin’ny sahanasa ho an’ny Kilonga: Naminany ny amin’i Jesoa Kristy i Isaia