“7–13 septambra. -Izy handamina ny lalanao-: Ohabolana 1–4; 15–16; 22; 31; Mpitoriteny 1–3; 11–12,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Testamenta Taloha 2026 (2026)
“7–13 septambra. -Izy handamina ny lalanao,-” Avia, hanaraka Ahy: Testamenta Taloha 2026
Jesus with Children [I Jesoa miaraka amin’ny ankizy], nataon’i Dilleen Marsh
7–13 septambra: “Izy handamina ny lalanao”
Ohabolana 1–4; 15–16; 22; 31; Mpitoriteny 1–3; 11–12
Azonao atao ny mandray ny bokin’ny Ohabolana ho toy ny fitambarana torohevitra hendry avy amina ray aman-dreny be fitiavana (jereo ny Ohabolana 1:8). Ny hafatra fototra ao amin’izany dia hoe raha mikatsaka fahendrena ianao, indrindra fa ny fahendren’ Andriamanitra—dia handeha tsara ny fiainana. Saingy ny Ohabolana dia arahin’ny bokin’ny Mpitoriteny izay toa milaza hoe, “tsy moramora anefa izany.” Ilay Mpitoriteny voalaza ao amin’ny bokin’ny Mpitoriteny dia nanao fanamarihana fa izy dia “[nanome] ny fo[ny] hahalala fahendrena ” saingy mbola nahita “fa misambo-drivotra foana koa izany” sady “be alahelo” (Mpitoriteny 1:17–18). Ilay boky dia manontany amin’ny fomba maro samihafa hoe: “Misy dikany ihany ve ity izao tontolo izao ity izay toa zava-poana ny zava-drehetra, mandalo fotsiny ihany, ary tsy azo antoka?”
Nefa na dia mijery ny fiainana amin’ny fomba fijery roa samy hafa ireo boky anankiroa, izy roa dia mampianatra fahamarinana mitovy. Manambara ny Mpitoriteny hoe: “Izao no faran’ny teny: Andriamanitra no atahory, ary ny didiny no tandremo, fa izany no tokony hataon’ny olona rehetra” (Mpitoriteny 12:13). Inty no fitsipika hita manerana ny Ohabolana: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra” (Ohabolana3:5; jereo koa ny andininy 7). Tsara kokoa foana ny fiainana—na dia tsy tonga lafatra foana aza—rehefa matoky sy manaraka an’i Jesoa Kristy Tompo isika.
Raha hanao topimaso ankapobeny ireo boky ireo, dia jereo “Ny Bokin’ny Ohabolana” sy ny “Mpitoriteny” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina.
Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana
Ohabolana 1–4; 15–16; Mpitoriteny 1–3; 11–12
“Ka atongilanao amin’ny fahendrena ny sofinao.”
Ny bokin’ny Ohabolana sy Mpitoriteny dia feno famakafakana momba ny fahendrena. Hevero ny hanisy marika ny teny hoe “fahendrena” sy ny teny mifandray amin’izany toy ny “fahalalana” sy ny “fahatakarana,” rehefa hitanao ao amin’ny Ohabolana 1–4; 15–16; Mpitoriteny 1–3; 11–12 izy ireo. Inona no fiantraikan’ireo toko ireo amin’ny fomba fieritreretanao ny hoe fahendrena? Raha miainga avy amin’ny zavatra izay hitanao, dia ahoana no hanoritsoritanao ny fahendrena izay “omen’i Jehovah”? (Ohabolana 2:6). Inona no fitahiana tonga avy amin’ny fahendren’ Andriamanitra?
Jereo koa ny Matio 7:24–27; 25:1–13.
Ampio ny mpianatra hizara ny zavatra nianarany. “[Omeo] … fahafahana hifampizara izay zavatra ianarany momba ny Mpamonjy sy ny filazantsarany [ny mpianatra]. Ny fanaovana izany dia hanampy azy ireo hampihatra amin’ny tenany ny fahamarinana izay ampianarina azy ireo ary haneho izany. Izany koa dia hanampy azy ireo hanana fahatokian-tena eo amin’ny fahaizany mizara fahamarinana any amin’ny sehatra hafa” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 26). Ohatra, azonao atao ny manasa ny mpianatra hanoratra toko sy andinin-tsoratra masina vitsivitsy avy ao amin’ny Ohabolana na Mpitoriteny izay nahitan’izy hevi-baovao momba ny fahendren’ Andriamanitra. Dia asao ny mpianatra avy eo hiresaka ny zavatra nianarany.
Ohabolana 1:7; 2:5; 3:7; 15:33; 16:6; 31:30; Mpitoriteny 12:13
“Aza manao anao ho hendry: matahora an’i Jehovah.”
Lohahevitra iray hafa hita manerana ny Ohabolana sy ny Mpitoriteny ny hoe “ny fahatahorana an’i Jehovah.” Tadiavo io andian-teny io rehefa mamaky ianao. Inona no dikan’ny hoe matahotra an’i Jehovah araka ny fahatsapanao azy? Mitadiava hevi-baovao ao amin’ny hafatry ny Loholona David A. Bednar hoe “Noho izany izy ireo dia nampangina ny tahony” (Liahona, mey 2015, 46–49). Inona no tsy mampitovy ny fahatahorana ny Tompo amin’ny karazana tahotra hafa?
Jereo koa ny Ohabolana 8:13.
Ohabolana 3:5–7; 4
“Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra.”
Ahoana no hiezahanao handresy lahatra olona iray fa tsara kokoa ny “matoky an’i Jehovah” toy izay “miankina amin’ny fahalala[nsika]”? (Ohabolana 3:5). Inona no fampitahana na lesona ampiasana zavatra azo tsapain-tanana hampiasainao? Rehefa misaintsaina ny Ohabolana 3:5–7 ianao dia eritrereto ireo fomba azonao hamenoana ny fehezan-teny tahaka ireto: Ny fahatokiana ny Tompo dia toy ny … Ny fiankinana amin’ny fahalalantsika dia toy ny …
Nahoana no tsy fahendrena ny miankina amin’ny fahalalantsika manokana? Tamin’ny fomba ahoana no nahitanao fa azo itokiana ny Tompo?
Na dia izany aza dia mety ho hitantsika hoe sarotra ny matoky ny Tompo indraindray. Fa nahoana? Ny Loholona Gerrit W. Gong dia manolotra antony vitsivitsy, miaraka amin’ny torohevitra manampy, ao amin’ny “Matokia indray” (Liahona, nôv. 2021, 97–99). Inona avy ireo tantara na fampianarana hitanao ao amin’io hafatra io izay mety hanampy olona iray hamerina amin’ny laoniny ny fitokiany amin’ny Tompo?
Ny Ohabolana 3:6 sy ny Ohabolana 4 dia samy mampitaha ny fiainana amin’ny “lalana.” Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe mamela ny Tompo “handamina ny lalanao”? (Ohabolana 3:6). Inona no hitanao ao amin’ny toko 4 izay manampy anao “[hisaina tsara izay] alehan’ny tongotrao? (andininy 26). Ohatra, inona no ampianarin’ny andininy 11–12 sy 18–19 momba ny fitahiana azo avy amin’ny fanarahana ny lalana marina? Inona no dikan’ny andininy 26–27 aminao?
Jereo koa ny 2 Nefia 31:18–21; “Seigneur, je te suivrai,” Cantiques, no. 141.
Ohabolana 15; 16:24–32
“Ny famaliana mora dia mampianina ny fahatezerana mafy.”
Ny hevitra sasany ao amin’ny Ohabolana 15–16 dia mety hitaona anao hanatsara ny fomba fifaneraseranao amin’ny hafa, indrindra fa amin’ireo olona akaikin’ny fonao. Ohatra, eritrereto ireo fotoana manokana izay nanampian’ny “famaliana mora” mba “[hampitsahatra] ny fahatezerana mafy” (Ohabolana 15:1).
Azonao atao ihany koa ny mieritreritra ireo fotoana izay nanehoan’ny Mpamonjy tamin’ny alalan’ny ohatra ireo fampianarana ao amin’ny Ohabolana 15:1–4, 18 (jereo ny Marka 12:13–17; Jaona 8:1–11). Ahoana no ahafahanao manaraka ny ohatra nasehony rehefa mifandray amin’ny hafa ianao?
Ahoana no mety hiharan’ny torohevitra ao amin’ny Ohabolana 15; 16:24–32 amin’ny fifaneraserana amin’ny endrika nomerika amin’izao fotoana izao? Jereo raha afaka mahita andininy iray ianao ao amin’ireo toko ireo izay azonao averina lazaina amin’ny fomba hafa mba ho lasa torohevitra momba ny fifaneraserana ao amin’ny tambajotran-tserasera na amin’ny alalan’ny hafatra an-tsoratra.
Jereo koa ny Neil L. Andersen, “Manaraka an’i Jesoa: Mpampihavana,” Liahona, mey 2022, 17–20; Ronald A. Rasband; “Manan-danja ny teny,” Liahona, mey 2024, 70–77; Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy (2022), 11–12.
Who Can Find a Virtuous Woman? [Iza no afaka mahita vehivavy madio fitondrantena?] II, nataon’i Louise Parker
Ohabolana 31:10–31
“Fa ny vehivavy matahotra an’i Jehovah ihany no hoderaina.”
Ny Ohabolana 31:10–31 dia manoritsoritra ny “vehivavy madio fitondrantena iray,” na vehivavy manana hery ara-panahy lehibe, na mahay manao zavatra na manana hery mitarika. Mety hiezaka hamintina amin’ny teninao manokana ny zavatra lazain’ny tsirairay amin’ireo andininy ireo momba ny vehivavy madio fitondrantena ianao. Inona amin’ireo toetoetra ireo no azonao alaina tahaka?
Mpitoriteny 1–3; 12
Fandalovana ny fiainana eto an-tany.
Nahoana no zava-dehibe aminao ny mahatsiaro fa maro amin’ireo zavatra eto amin’izao tontolo izao no “zava-poana” araka ny Mpitoriteny 1–2 (na mandalo na matetika tsy manan-danja)? Inona no hitanao tao amin’ny Mpitoriteny 12 izay manome lanja mandrakizay ny fiainana?
Mba hahitana fampahalalana misimisy kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.
Hevitra enti-mampianatra ny ankizy
Ohabolana 1:7; 2:5; 15:33; 16:6; Mpitoriteny 12:13
Ny “fahatahorana an’i Jehovah” dia midika hoe mitia sy mankatò Azy.
-
Mba hanampiana ny zanakao hahatakatra ireo andinin-tsoratra masina momba ny fahatahorana an’ Andriamanitra dia azonao soloina amin’ny teny toy ny hoe fanajana fatratra, fitiavana, na fankatoavana ny teny hoe “tahotra” (jereo koa ny Hebreo 12:28). Ahoana ny fiantraikan’izany amin’ny fomba fiheverantsika an’ireo andininy ireo? Ahoana no ampisehoantsika fa matahotra ny Tompo isika?
Ohabolana 3:5–7
Afaka matoky ny Tompo amin’ny foko rehetra aho.
-
Afaka mamorona fihetsika izay mety amin’ny Ohabolana 3:5–7 ianao sy ny zanakao, toy ny manamboatra sary fo amin’ny tananareo, mitongilana miankavia na miankavanana, mamindra eo am-pitoerana, ary manondro ny masonareo. Ahoana no ahafahantsika mampiseho fa matoky an’i Jesoa Kristy amin’ny fontsika manontolo isika?
-
Mba hanehoana ny dikan’ny hoe “aza miankina amin’ny fahalalanao” (Ohabolana 3:5), dia hevero ny hanasa ny zanakao hiankina amina zavatra matanjaka sy tsy mihetsiketsika, toy ny rindrina. Avy eo dia afaka manandrana miankina amina zavatra tsy matanjaka toy ny kifafa izy ireo. Na azon’izy ireo atao ny manandrana manankina hazo kely na pensilihazo amina zavatra izay samy hafa ny tanjany, toy ny boky na taratasy. Nahoana no zava-dehibe ny “[Matoky] an’i Jehovah” (andininy 5) fa tsy mitoky amin’ny “fahalala[ntsika]”?
Learning to Trust the Lord [Mianatra matoky ny Tompo], nataon’i Kathleen Peterson
Ohabolana 15:1, 18
Afaka milaza teny feno hatsaram-panahy aho.
-
Azonao sy ny zanakao atao angamba ny mieritreritra toe-javatra izay mety hahatsapanao na izy ireo ho tezitra. Iaraho mamaky ny Ohabolana 15:1 ary ampio ny zanakao hampihatra io andininy io amin’ireo toe-javatra noeritreretin’izy ireo. Azon’izy ireo atao angamba ny mizatra manao “famaliana mora.” Afaka manamafy io fitsipika io ny hira iray momba ny hatsaram-panahy, toy ny “Fitia no ao” (Bokin-kiran’ny ankizy, 102–103).
-
Mba hianarana ny dikan’ny hoe “mahatsindry fo” (Ohabolana 15:18), dia azonao sy ny zanakao atao ny mitantara ireo fotoana izay nahatsapanao (na ny olona iray fantatrao) hatezerana saingy nisafidy ny ho tsara fanahy ianareo. Ampio ny zanakao hieritreritra ireo zavatra izay mampalaky antsika raha toa isika ka “mahatsindry fo.” Ohatra hoe, afaka ny ho mailaka isika mba hieritreritra an’i Jesoa, hangataka fanampiana amin’ny Ray any An-danitra, hieritreritra hiran’ny Kilonga, na raha azo atao, ho mailaka ny hiala.
Raha te hanao zavatra misimisy kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.