“Zavatra tokony hotadidiana: Mpaminany sy faminaniana,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Testamenta Taloha 2026 (2026)
“Mpaminany sy faminaniana,” Avia, hanaraka Ahy: Testamenta Taloha 2026
Zavatra tokony hotadidiana
Mpaminany sy faminaniana
Arak’ilay fomba fizaran’ny Kristianina ny Testamenta Taloha izay nampiasaina hatrizay, ny fizarana farany (Isaia hatrany amin’ny Malakia) dia antsoina hoe ireo Mpaminany. Io fizarana io, izay eo amin’ny iray ampahefatry ny Testamenta Taloha, dia ahitana ny tenin’ireo mpanompon’ Andriamanitra nahazo lalana, izay niresaka tamin’ny Tompo ary avy eo niresaka ho Azy tamin’ny alalan’ny fizarana ny hafatra avy Aminy teo anelanelan’ny 900 sy 500 taona talohan’ny nahaterahan’i Kristy teo ho eo.
Manambara ny sitrapon’ Andriamanitra ny mpaminany
Mitana anjara asa lehibe manerana ny Testamenta Taloha ny mpaminany sy ny faminaniana. Nahita fahitana i Abrahama, i Isaka ary i Jakoba ary niresaka tamin’ireo iraka avy any an-danitra. Niresaka mivantana tamin’ Andriamanitra i Mosesy ary nampitainy ny sitrapon’ Andriamanitra ho an’ny zanak’i Isiraely. Ny boky voalohany sy faharoan’ny Mpanjaka dia mitantara ireo asa tsy hay hadinoina nataon’ny mpaminany Elia sy Elisa ary ny hafatra nozarain’izy ireo. Ny Testamenta Taloha ihany koa dia miresaka momba ireo mpaminany vavy tahaka an’i Miriama sy i Debora, miaraka amin’ireo vehivavy hafa izay nomena ny fanahin’ny faminaniana, tahaka an’i Rebeka sy i Hana. Ary na dia tsy nosoratana mpaminany voatendry araka ny fitsipika aza ny Salamo, dia feno ny fanahin’ny faminaniana koa izy ireo, indrindra rehefa niresaka mikasika ny fahatongavan’ny Mesia izy ireo.
Tsy tokony hahagaga an’ireo mpikambana ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izany rehetra izany. Raha ny marina, ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny dia mampianatra antsika fa ireo mpaminany dia tsy hoe olona mahaliana teo amin’ny tantara fotsiny ihany fa nitana anjara asa tena ilaina eo amin’ny drafitr’ Andriamanitra izy ireo. Na dia mety mandray ireo mpaminany ho tsy nisy afa-tsy nandritra ny vanim-potoanan’ny Testamenta Taloha ihany aza ny olona sasany, dia mandray ireo mpaminany ho toy ny zavatra iraisantsika amin’ny vanim-potoanan’ny Testamenta Taloha isika.
Kanefa dia mety tsy mitovy ny mamaky toko iray ao amin’ny Isaia na Ezekiela sy ny mamaky hafatra iray avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany avy amin’ny Filohan’ny Fiangonana amin’izao fotoana izao. Indraindray dia sarotra ny mahatakatra fa nanana zavatra holazaina amintsika ireo mpaminany fahiny. Sady ny tontolo iainantsika amin’izao fotoana izao rahateo dia tena samy hafa be amin’ilay tontolo nitorian’izy ireo sy naminanian’izy ireo. Ary ny zava-misy hoe, tena manana mpaminany velona isika dia mety hampametra-panontaniana hoe: Nahoana no hoe mendrika hanaovana ezaka, ary tena mitaky ezaka, ny mamaky ny tenin’ireo mpaminany fahiny?
Fulness of Times (Fotoam-pahafenoana), nataon’i Greg Olsen
Manana zavatra holazaina amintsika ireo mpaminany fahiny
Amin’ny ankapobeny dia tsy ny olona amin’izao fotoana izao no olona voalohany iresahan’ireo mpaminany ao amin’ny Testamenta Taloha. Ireo mpaminany ireo dia nanana olana mivantana nosahanin’izy ireo tamin’ny fotoanan’izy ireo sy tany amin’ny toerana nisy azy ireo, toy ny fisahanan’ireo mpaminanintsika amin’izao andro farany izao ireo olana mivantana atrehantsika amin’izao fotoana izao.
Ny mpaminany koa anefa ao anatin’izany dia afaka mahita mihoatra ireo olana mivantana. Mampianatra fahamarinana mandrakizay izy ireo, izay mifanentana tsara amin’ny fotoana sy ny toerana rehetra. Noho izy ireo mahazo fanambarana dia mahita amin’ny fomba fijery mivelatra kokoa ny asan’ Andriamanitra izy ireo. Ohatra, i Isaia dia nampitandrina ny olona tamin’ny fotoanany momba ny fahotan’izy ireo. Nanoratra momba ny fanafahana ny Isiraelita izay hiaina 200 taona any aoriana ihany koa izy. Izy ihany koa ao anatin’izany dia nampianatra momba ny fanafahana izay katsahan’ny vahoakan’ Andriamanitra rehetra. Ary izy dia nanoratra faminaniana izay, na hatramin’izao aza dia mbola miandry ny fotoana hahatanterahany, tahaka ireo fampanantenana “tany vaovao” (Isaia 65:17) izay ho “henika ny fahalalana ny Tompo” (Isaia 11:9), izay hanangonana ny foko verin’i Isiraely ary ao amin’izany “ny firenena” dia tsy “hianatra ady intsony” (Isaia 2:4). Isan’ny fifaliana sy fanentanam-panahy azo avy amin’ny famakiana ny tenin’ireo mpaminany ao amin’ny Testamenta Taloha toa an’i Isaia ny fahatsapana fa manana anjara asa isika ao anatin’ilay andro feno voninahitra hitan’izy ireo.
Ka noho izany, rehefa mamaky faminaniana fahiny ianao dia afaka manampy ny mianatra momba ny sahan-kevitra izay nanoratana azy ireny—kanefa tokony hahita ny tenanao ao anatin’izany koa ianao, na “[hampitra izany] amin’ny tenanareo” (1 Nefia 19:24; jereo koa ny andininy 23). Indraindray izany dia midika hoe mahafantatra fa i Babylona dia tandindon’ny fahotana sy ny avonavon’izao tontolo izao, fa tsy tanàna iray fahiny fotsiny. Mety hidika izany hoe fahatakarana ny maha-vahoakan’ Andriamanitra an’i Isiraely amin’ny fotoana sy toerana rehetra. Na mety hidika izany hoe mahita an’i Ziona ho ilay tanjon’ny andro farany izay eken’ny vahoakan’ Andriamanitra, fa tsy hoe mahita izany ho toy ny teny iray hafa hilazana an’i Jerosalema fotsiny.
Afaka mampitaha ny soratra masina amin’ny fiainantsika isika satria takatsika fa afaka ny ho tanteraka amin’ny fomba maro ny faminaniana iray. Ohatra tsara anankiray ny faminaniana ao amin’ny Isaia 40:3 manao hoe: “Misy feon’ny miantso hoe: Manamboara làlana any an’efitra ho an’i Jehovah.” Io fanambarana io, ho an’ireo Jiosy babo tany Babylona, dia mety nentina nilazana ny Tompo izay nanolotra fomba iray hivoahana amin’ny fahababoana sy hiverenana any Jerosalema. Io faminaniana io ho an’i Matio sy i Marka ary i Lioka dia niresaka an’i Jaona Mpanao Batisa, izay nanomana ny lalana ho an’ny asa fanompoan’ny Mpamonjy teto an-tany. Ary i Joseph Smith dia nandray fanambarana fa mbola eo am-pahatanterahana io faminaniana io amin’izao fotoana izao mba hanomanana ny asa fanompoana hataon’i Kristy mandritra ny arivotaona. Ireo mpaminany fahiny dia tena niresaka tamintsika tamin’ny fomba izay mbola ezahintsika takarina. Ary nampianatra fahamarinana sarobidy sy mandrakizay maro izy ireo izay manan-danja amintsika tokoa toy ny naha-nanan-danja izany ho an’i Isiraely fahiny.
Nijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ireo mpaminany fahiny
Angamba ny tena manan-danja kokoa, noho ny mahita ny tenanao ao anatin’ireo faminanian’ny Testamenta Taloha aza, dia ny mahita an’i Jesoa Kristy ao anatin’izy ireo. Raha mitady Azy ianao, dia hahita Azy, na dia tsy tononina amin’ny anarany aza Izy. Mety manampy ny mitadidy fa ilay Andriamanitry ny Testamenta Taloha, ilay Jehovah Tompo, dia i Jesoa Kristy. Isaky ny mamariparitra ny zavatra ataon’ny Tompo na hataony ireo mpaminany, dia miresaka momba ny Mpamonjy izy ireo.
The Lord Appearing unto Abraham [Ny Tompo miseho amin’i Abrahama], nataon’i Keith Larson
Ho hitanao ihany koa ny firesahana momba ilay Voahosotra, ny Mpanavotra iray, ary ny Mpanjaka iray ho avy izay hivoaka avy ao amin’ny taranak’i Davida. Faminaniana mikasika an’i Jesoa Kristy daholo ireo. Hamaky amin’ny ankapobeny kokoa momba ny fanafahana, ny famelan-keloka sy ny fanavotana ary ny famerenana amin’ny laoniny ianao. Hampitodika ho azy anao any amin’ilay Zanak’ Andriamanitra ireo faminaniana ireo rehefa ataonao ao am-ponao sy ao an-tsainao ny Mpamonjy. Ankoatra izany, ny fomba tsara indrindra hahatakarana faminaniana dia ny fananana “fanahin’ny fanambarana,” izay lazain’i Jaona amintsika fa “[fijoroana ho vavolombelona momba] an’i Jesoa” (Apokalypsy 19:10).