“3–19 jolay. -Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no nitokiany-: 2 Mpanjaka 16–25,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Testamenta Taloha 2026 (2026)
“3–19 jolay. -Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no nitokiany,-” Avia, hanaraka Ahy: Testamenta Taloha 2026
The Flight of the Prisoners [Ny fandosiran’ireo voafonja], nataon’i James Jacques Joseph Tissot sy olona hafa
3–19 jolay: “Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no nitokiany”
2 Mpanjaka 16–25
Na dia teo aza ny asa fanompoana mahery vaika nataon’ny mpaminany Elisa dia tsy nibebaka ny vahoakan’ny Fanjakan’i Isiraely tany Avaratra. Nony farany dia naharesy sy nampiely ny foko folon’i Isiraely ny Fanjakana Asyriana. Nandritra izany fotoana izany dia tsy nilamina koa ny tao amin’ny Fanjakan’i Joda tany Atsimo: nahazo vahana tao koa ny fanompoan-tsampy.
Tao anatin’io fahasimbana ara-panahy io dia niresaka momba ny mpanjakan’i Joda anankiroa ny soratra masina, izay nisy fotoana nampiverina indray ny vahoakany tamin’ny Tompo. I Hezekia ny iray. Nandritra ny fanjakany dia nambabo ny ankamaroan’ny faritr’i Joda ny Asyriana. Saingy i Hezekia sy ny vahoakany dia naneho finoana ny Tompo izay nanavotra an’i Jerosalema tamin’ny fomba mahagaga. Taty aoriana, taorian’ny fotoana iray hafa nisian’ny apôstazia, dia lasa mpanjaka i Josia. Rehefa nentanim-panahy tamin’ny ampahany tamin’ny alalan’ny fahitany indray ny bokin’ny lalan’i Mosesy i Josia, dia nitondra fanovana izay nampifoha indray ny fiainana ara-pivavahan’ny vahoakany.
Tahaka an’i Isiraely sy i Joda dia samy manao safidy tsara sy ratsy daholo isika. Rehefa tsapantsika fa mila fanovana ny fiainantsika dia afaka mahazo fankaherezana avy amin’ireo zava-nitranga anankiroa ireo izay nitondra fanantenana tao anatin’ireo taona feno fikorontanana tao anatin’ny tantaran’i Joda isika. Angamba mety hitondra fanentanam-panahy ho antsika ny ohatra nasehon’i Hezekia sy i Josia mba “[hatoky an’i] Jehovah Andriama[nitsika]” (2 Mpanjaka 18:22).
Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana
2 Mpanjaka 18–19
Afaka mitoetra ho mahatoky amin’ny Tompo aho rehefa voasedra ny finoako.
Ny ankamaroantsika dia niaina zavatra izay nisedra ny finoantsika. Ho an’i Hezekia sy ny vahoakany dia tonga ny iray tamin’ireo olana ireo rehefa nanatona an’i Jerosalema ny tafika Asyriana. Eo am-pamakianao ny 2 Mpanjaka 18–19 dia alaovy sary an-tsaina hoe nipetraka tao Jerosalema ianao nandritra io fotoana io. Inona no mety ho tsapanao, ohatra, rehefa maheno ny faniratsiran’ny Asyriana ao amin’ny 2 Mpanjaka 18:28–37; 19:10–13? Inona no mety ho nataonao? Ampitahao ireo antony lazain’ny Asyriana mahakasika ny tsy tokony hatokian’ny Isiraelita ny Tompo sy ireo antony omen’i Satana antsika mba hisalasalantsika amin’ny finoantsika ankehitriny. Azonao atao ihany koa ny mampitaha ny fihevitry ny Asyriana sy ny antony atokisanao ny Tompo.
Inona no ianaranao avy amin’ny fihetsik’i Hezekia tao anatin’io toe-javatra io? (Jereo ny 2 Mpanjaka 19:1–7, 14–19). Ahoana no navalin’ny Tompo? (Jereo ny 2 Mpanjaka 19:35–37). Nahoana araka ny eritreritrao no nitoetra ho mahatoky i Hezekia? (jereo ny 2 Mpanjaka 18:5–7). Saintsaino ny fomba nanohanan’ny Tompo anao tao anatin’ny fotoan-tsarotra. Inona no zavatra tsapanao fa tokony hataonao mba hampitomboana ny finoanao Azy?
Ny hafatry ny Filoha Jeffrey R. Holland mitondra ny lohateny hoe “Aza matahotra: Minoa fotsiny ihany!” (Liahona, mey 2022, 34–36) dia ahitana torohevitra tena manampy ao anatin’ny fotoana iainana tahotra na ahiahy. Ny hira ao amin’ny fihirana toy ny “Ndao handroso hatrany” (Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 20) dia ahitana hafatra mankahery koa. Inona no hitanao ao amin’ireo loharanom-pitaovana ireo izay manampy anao?
Jereo koa ny 2 Tantara 31–32; 3 Nefia 3–4; Jörg Klebingat, “Mpianatra maherifo amin’ny andro farany,” Liahona, mey 2022, 107–10.
Mampiasà fitaovana fandalinana soratra masina. Manome loharanom-pitaovana maro ny Fiangonana mba hanampiana anao hahatakatra ny soratra masina. Ohatra, ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile ianao dia afaka mahita Torolalana ho an’ny Soratra masina, Lohahevitra sy fanontaniana, ary Gazetibokin’ny Fiangonana. Ankoatra izany, rehefa mamaky ny Testamenta Taloha ianao dia afaka mahita sahan-kevitra sy hevi-baovao manampy ao amin’ny lahatsoratra momba ny “Zavatra tokony hotadidina” ao amin’ny Avia, Hanaraka Ahy. Ilay lahatsoratra nampitondraina ny lohateny hoe “Hiteny amin’i Isiraely rehetra i Jesoa hoe: -Modia-” dia mety hanampy amin’ny fandalinanao ny 2 Mpanjaka 16–25.
2 Mpanjaka 19:20–37
Eo an-tanan’ny Tompo ny zavatra rehetra.
Nanana antony tsara hinoana i Sankeriba, mpanjakan’i Asyria fa handresy an’i Jerosalema ny miaramilany (jereo ny 2 Mpanjaka 17; 18:33–34; 19:11–13). Saingy nanana hafatra mikasika an’i Sankeriba ny Tompo, izay nomena tamin’ny alalan’ny mpaminany Isaia. Voarakitra ao amin’ny 2 Mpanjaka 19:20–34 izany. Inona avy no fahamarinana hitanao ao amin’ny hafatry ny Tompo izay manampy anao hino Azy sy ny drafiny?
2 Mpanjaka 21–23
Afaka mampitodika ny foko amin’ny Tompo ny soratra masina.
Efa nisy fotoana ve nahatsapanao fa nisy zavatra ara-panahy tsy ampy tao aminao? Mety nahatsapa ianao fa afaka ny ho mafy kokoa ny fifandraisanao amin’ Andriamanitra. Inona no nanampy anao hiverina Aminy? Saintsaino ireo fanontaniana ireo rehefa mamaky ny 2 Mpanjaka 21–23 ianao, izay manoritsoritra ny fomba nanalaviran’ny Fanjakan’i Joda ny Tompo teo ambany fitondran’ny Mpanjaka Manase (jereo ny 2 Mpanjaka 21) ary ny fomba nanampian’ny Mpanjaka Josia ny vahoaka hiverina Aminy (jereo ny 2 Mpanjaka 22–23). Ahoana no fomba niovan’i Josia sy ny vahoakany ary inona no antony? (jereo ny 2 Mpanjaka 22:8–11; 23:1–6, 21, 24).
Ny Filoha Spencer W. Kimball dia niantso ny tantaran’ny Mpanjaka Josia ho “anisan’ny tantara tsara indrindra ao amin’ny soratra masina” (Teachings of Presidents of the Church: Spencer W. Kimball [2006], 62). Vakio ny tenin’ny Filoha Kimball momba ny Mpanjaka Josia (pejy 62–64). Azonao atao angamba ny mieritreritra zavatra niainana iray izay “[nampiasa] mahery” tao aminao ny andinin-tsoratra masina iray tamin’io fotoana io. Inona no mety hataonao mba hiainana zavatra bebe kokoa tahaka izany?
Jereo koa ny Almà 31:5; “Josias et le livre de la loi” (horonan-tsary), Médiathèque de l’Évangile.
Josiah and the Book of the Law
2 Mpanjaka 23:1–25
Ny fanekempihavanana dia fampanantenana atao amin’ny fo sy fanahy manontolo eo amintsika sy ny Tompo.
Inona no manaitra anao momba ny fanekempihavanana nataon’i Josia ao amin’ny 2 Mpanjaka 23:3? Rehefa manohy mamaky ny toko 23 ianao dia jereo ny zavatra nataon’i Josia mba hanehoana ny fanolorantenany tamin’ny Tompo (jereo koa ny sary any amin’ny faran’ity rindran-damina ity). Ahoana no ahafahanao maneho ny fanolorantenanao Aminy?
Mba hahitana fampahalalana misimisy kokoa, dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Liahona sy ny Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.
Hevitra enti-mampianatra ny ankizy
2 Mpanjaka 18:3–6; 19:14–19
Afaka matoky ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy aho.
-
Ampio ny zanakao hahita ny zavatra nahatonga an’i Hezekia ho mpanjaka tsara ao amin’ny 2 Mpanjaka 18:3, 5–6. Rehefa miara-mamaky ny 2 Mpanjaka 19:14–19 ianareo avy eo, dia afaka ny ho hitan’izy ireo ny fomba nanehoan’i Hezekia fa natoky ny Tompo izy. Afaka mijery sarin’i Jesoa ianareo ary miresaka momba ny antony ahafahantsika matoky Azy. Ahoana no ahafahantsika mampiseho fa matoky ny Tompo isika?
2 Mpanjaka 22:1–7
Afaka matoky ahy ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.
-
Ampio ny zanakao hamantatra ao amin’ny 2 Mpanjaka 22:1 hoe firy taona i Josia rehefa lasa Mpanjaka izy. Inona no ianarantsika momba an’i Josia ao amin’ny andininy 2? Mieritrereta sahanasa iray izay afaka maneho ny fanarahana ny Tompo ka tsy “mba [h]ivily, na ho amin’ny ankavanana, na ho amin’ny ankavia.”
-
Ireo mpiasa nofariparitana ao amin’ny 2 Mpanjaka 22:3–7 dia nametrahana ireo vola hampiasaina mba hananganana indray ny tempoly “[satria] nahatoky izy [ireo]” (andininy 7). Rehefa avy mamaky ireo andininy ireo ianao sy ny zanakao dia afaka miresaka momba ireo zavatra nankinina taminao. Ahoana no ahafahantsika ho azo itokisana tahaka ireo mpiasa ao amin’ireo andininy ireo?
Mpanora-dalàna iray mitondra horonan-taratasy misy soratra masina eo amin’ny Mpanjaka Josia; sary nataon’i Robert T. Barrett
2 Mpanjaka 22:8–10, 23:2–3
Mampianatra ahy hanaraka an’i Jesoa Kristy ny soratra masina.
-
Mba hampahafantarana ny tantaran’ny Mpanjaka Josia ao amin’ny 2 Mpanjaka 22–23, dia azonao afenina ao amin’ny efitrano ny tahadikan’ny soratra masina iray. Asao hitady izany ny zanakao. Avy eo dia azonao atao ny mizara ny zava-nitranga rehefa nahita ny soratra masina tao amin’ny tempoly ny iray tamin’ireo mpisoron’i Josia (jereo ny 2 Mpanjaka 22:8–11; jereo koa ny “Josia mpanjaka” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha, 148–49). Inona no mety hitranga amintsika raha tsy nanana ny soratra masina isika? Ifampizarao ny antony mahafaly anareo fa manana ny soratra masina isika ankehitriny.
1:36King Josiah
-
Rehefa avy namaky ny 2 Mpanjaka 23:2–3 ianao sy ny zanakao dia afaka miresaka momba ny soratra masina izay nanentana ny fanahinareo “hanaraka [ny Tompo]” (andininy 3) ianareo. Afaka mihira hira iray momba ny soratra masina ianareo toy ny hoe “Mandalina, misaintsaina ary mivavaka (Bokin-kiran’ny ankizy, 66).
2 Mpanjaka 23:1–3
Hitandrina ny fanekempihavana nataoko tamin’ Andriamanitra aho.
-
Rehefa nahafantatra ireo didin’ Andriamanitra i Josia sy ny vahoakany dia nanao fanekena ny hanaja izany izy ireo. Vakio miaraka amin’ny zanakao ny momba izany ao amin’ny 2 Mpanjaka 23:1–3, ary ampio izy ireo hitady teny na andian-teny izay maneho ny zavatra tsapan’ny vahoaka momba ny didin’ny Tompo. Afaka mitsangana angamba ny zanakao ary miresaka momba ny mety ho dikan’ny hoe “[manaiky] ny fanekena.” Avy eo izy ireo dia afaka mihetsika eo am-pitoerana ary miresaka momba ny mety ho dikan’ny hoe “hanaraka [ny Tompo].” Manaraka izany, dia afaka mametraka ny tanany eo amin’ny fony ary manolotra fomba ahafahantsika mitandrina ireo fanekempihavanana nataontsika “amin’ny fo[ntsika] rehetra” izy ireo.
Mba hahitana fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.