Avia, hanaraka Ahy
Zavatra tokony hotadidina: “Hiteny amin’ny Isiraely rehetra i Jesoa hoe: –Modia–”


“Zavatra tokony hotadidina: –Hiteny amin’ny Isiraely rehetra i Jesoa hoe: “Modia”–” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Testamenta Taloha 2026 (2026)

“Zavatra tokony hotadidina: –Hiteny amin’ny Isiraely rehetra i Jesoa hoe: “Modia”–” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2026

sary famantarana ny eritreritra

Zavatra tokony hotadidina

“Hiteny amin’ny Isiraely rehetra i Jesoa hoe: –Modia–”

Tao amin’ny tany efitr’i Sinay no nampivondronan’i Mosesy ny Zanak’i Isiraely teo am-pototry ny tendrombohitra iray. Teo ny Tompo no nanambara fa tiany haverina ho vahoaka mahery ity vondron’olona izay vao avy nafahana tamin’ny naha-andevo azy ity. “Dia ho fanjakam-pisorona sy ho firenena masina ho Ahy hianareo” (Eksodosy 19:6) hoy Izy. Nampanantena Izy fa handroso sy hiroborobo izy ireo, na dia amin’ny fotoana izay maha-voahodidin’ny fahavalo lehibe kokoa sy matanjaka kokoa azy ireo aza.

Tsy hitranga akory izany rehetra izany satria maro be na matanjaka na manana fahaiza-manao ny Isiraelita. Fa hitranga kosa izany, hoy ny Tompo nanazava, “raha hihaino ny feo[ny] tokoa izy ireo ka hitandrina ny faneke[ny]” (Eksodosy 19:5). Ny herin’ Andriamanitra, fa tsy ny azy ireo, no hahatonga azy ireo ho mahery.

Tsy nihaino foana ny feon’ Andriamanitra anefa ny Isiraelita, ary rehefa nandeha ny fotoana dia tsy nitandrina ny fanekempihavanan’ny Tompo intsony izy ireo. Maro no nivavaka tamin’ny andriamani-kafa sy nisafidy ny hampiasa ireo fomba fanaon’ireo kolontsaina manodidina azy ireo. Notsipahin’izy ireo ilay zavatra izay nahatonga azy ireo ho niavaka tamin’ny firenena hafa rehetra, dia ny fifandraisan’izy ireo nifono fanekempihavanana tamin’ny Tompo izany. Raha tsy teo ny herin’ Andriamanitra niaro azy ireo dia tsy nisy na inona na inona afaka nanakana ny fahavalony.

Ny fampielezana

Fotoana maro teo anelanelan’ny taona 735 sy 720 talohan’i J.K. tany ho any, dia nanafika ny Fanjakan’i Isiraely tany Avaratra ny Asyriana, izay fonenan’ny folo tamin’ireo foko roa ambin’ny folo, ary naka an’arivony tamin’ireo Isiraelita nobaboina nankany amin’ny faritra samihafa tao amin’ny fanjakana Asyriana izay notarihina Amperora. Lasa fantatra tamin’ny hoe “ny foko very” ireo Isiraelita ireo, tamin’ny ampahany satria nesorina niala tao amin’ny tany niaviany ary naely patrana teo anivon’ireo firenena hafa. Fa very amin’ny heviny lalina kokoa koa izy ireo. Rehefa nandeha ny fotoana dia very ny fahatsapan’izy ireo ny maha-izy azy ireo tamin’ny naha-vahoakan’ny fanekempihavanan’ Andriamanitra azy ireo.

Tamin’ny farany dia olona maro tao amin’ny Fanjakan’i Joda tany Atsimo koa no nanalavitra ny Tompo. Nanafika sy nandresy ny ankamaroan’izany fanjakana izany koa ny Asyriana. I Jerosalema ihany no voaro tamin’ny fomba mahagaga. Taty aoriana, teo anelanelan’ny taona 597 sy 580 talohan’i J.K., dia noravan’ny Babyloniana i Jerosalema, ka tafiditra tao anatin’izany ny tempoly, ary naka olona maro ho babo izy ireo. 70 taona teo ho eo taty aoriana dia navela niverina tany Jerosalema ny sisa tavela tamin’i Joda ary namerina nanangana ny tempoly. Maro anefa no nijanona tany Babylona.

Main’ny afo i Jerosalema

The Destruction of Jerusalem by Nebuzar-adan [Ny fandravan’i Nebokadnezara an’i Jerosalema], nataon’i William Brassey Hole, © Providence Collection/nahazoana fahazoan-dalana avy amin’ny goodsalt.com

Rehefa nandeha ny fotoana, ny Isiraelita avy amin’ny foko rehetra dia “[naely tamin’ny] tafio-drivotra ho any amin’ny firenena rehetra izay tsy fantany” (Zakaria 7:14). Ny sasany dia notarihin’ny Tompo ho any an-tany hafa. Ny sasany dia nandao an’i Isiraely mba hitsoaka fambaboana na noho ny antony ara-pôlitika na ara-toekarena.

Antsointsika hoe ny fampielezana an’i Isiraely ireo tranga rehetra ireo. Ary zava-dehibe ny mahafantatra momba ny fampielezana noho ny antony maro. Amin’ny lafiny iray dia lohahevitra lehibe ao amin’ny Testamenta Taloha izany. Maro tamin’ireo mpaminany ao amin’ny Testamenta Taloha no nahita ny fahalavoana ara-panahy izay nitarika ho amin’ilay fampielezana. Hitan’izy ireo izany ary nampitandrina momba izany izy ireo. Niaina tao anatin’izany mihitsy aza ny sasany tamin’izy ireo. Manampy ny mitadidy izany rehefa mamaky ny bokin’i Isaia, i Jeremia, i Amosa, ary ireo mpaminany hafa ao amin’ny ampahany faramparany amin’ny Testamenta Taloha ianao. Miaraka amin’io sahan-kevitra io ao an-tsainao, rehefa mamaky ny faminanian’izy ireo momba an’i Asyria sy i Babylona, ny fanompoan-tsampy sy ny fahababoana, ny faharavana sy ny famerenana amin’ny laoniny taty aoriana ianao, dia ho fantatrao ny zavatra izay resahin’izy ireo.

Ny fahatakarana momba ny fampielezana an’i Isiraely dia hanampy anao hahatakatra kokoa ny Bokin’i Môrmôna koa, satria rakitsoratra momba ny sampana iray amin’i Isiraely niely patrana ny Bokin’i Môrmôna. Io rakitsoratra io dia manomboka amin’ny fianakavian’i Lehia nandositra niala an’i Jerosalema teo ho eo amin’ny 600 taona talohan’i JK, taloha kelin’ny nanafihan’ny Babyloniana fotsiny. I Lehia dia iray tamin’ireo mpaminany ireo izay naminany momba ny fampielezana an’i Isiraely. Ary ny fianakaviany dia nanampy tamin’ny fanatanterahana io faminaniana io, ka nanala ny sampany tamin’i Isiraely ary namboly izany tany amin’ny faritra iray hafa teto amin’izao tontolo izao, dia tany Amerika izany.

Ny Fanangonana

Antsasak’ilay tantara fotsiny ihany anefa ny fampielezana an’i Isiraely. Tsy manadino ny olony ny Tompo, ary tsy mahafoy azy ireo koa Izy, na dia efa nandao Azy aza izy ireo. Ireo faminaniana maro izay nilaza fa hampiely patrana an’i Isiraely Andriamanitra dia narahin’ny fampanantenana maro fa hanangona azy ireo Izy indray andro any.

Amin’izao androntsika izao izany andro izany. Efa nanomboka ilay fanangonana. Tamin’ny taona 1836, an’arivo taona maro taorian’ny nampivondronan’i Mosesy ny zanak’i Isiraely teo am-pototry ny Tendrombohitra Sinay, dia niseho tao amin’ny Tempolin’i Kirtland Izy mba hanolotra an’i Joseph Smith “ny fanalahidin’ny fanangonana an’i Isiraely avy any amin’ny vazan-tany efatra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:11). Ankehitriny, eo ambany fitarihan’ny olona izay mihazona ireo fanalahidy ireo, dia angonina avy amin’ny firenena rehetra izay azon’ireo mpanompon’ny Tompo aleha ireo fokon’i Isiraely.

I Mosesy niseho tamin’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery tao amin’ny tempolin’i Kirtland

Moses, Elias, and Elijah Appear in the Kirtland Temple[Niseho tao amin’ny Tempolin’i Kirtland i Mosesy sy i Elià ary i Elia], nataon’i Gary E. Smith

Ny Filoha Russell M. Nelson dia niantso io fanangonana io hoe ny “zavatra manan-danja indrindra mitranga ety an-tany amin’izao fotoana izao. Tsy misy zavatra hafa azo ampitahaina amin’izany, na amin’ny halehibeny izany, na amin’ny lanjany, na amin’ny hatsarany. Ary raha misafidy ianao, raha tianao izany, dia afaka ny ho mpandray anjara lehibe amin’izany ianao.”

Ahoana no ahafahantsika manampy? Inona no dikan’ny hoe manangona an’i Isiraely? Mamerina ireo foko roa ambin’ny folo any amin’ny tany nipetrahany fahiny ve no dikan’izany? Raha ny marina dia zavatra lehibe kokoa sy manana heviny mandrakizay kokoa no dikan’izany. Nanazava ny Filoha Nelson hoe:

“Rehefa miresaka fanangonana isika, dia milaza ity fahamarinana fototra ity tsotra fotsiny isika: ny zanaky ny Raintsika any An-danitra tsirairay avy, eo amin’ny lafy roan’ny voaly, dia mendrika ny handre ny hafatry ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny. …

Isaky nymanao zavatra izay hanampy olona na lafy aiza na lafy eo amin’ny lafy roan’ny voaly ianao, mba hanao dingana mitondra any amin’ny fanaovana fanekempihavanana amin’ Andriamanitra sy ny fandraisana ireo ôrdônansin’ny batisa sy ny tempoly ilain’izy ireo, dia manampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely izay ianao. Tena tsotra toy izany ilay izy.”

Mitranga “tsirairay” (Isaia 27:12) tahaka ny voalazan’i Isaia izany, na “isan-tanàna … sy roa isam-pokony” (Jeremia 3:14) araka ny nambaran’i Jeremia mialoha izany.

Ny fanangonana an’i Isiraely dia midika hoe mitondra ireo zanak’ Andriamanitra miverina any Aminy. Famerenana azy ireo amin’ny fifandraisana amin’ny alalan’ny fanekempihavanana atao amin’ Andriamanitra no dikan’izany. Fametrahana indray ilay “firenena masina” (Eksodosy 19:6) izay narosony mba hapetraka efa ela tokoa izayno dikan’izany.

Modia

Amin’ny maha-olona iray izay nanao fanekempihavanana tamin’ Andriamanitra anao dia anisan’ny mpianakavin’i Isiraely ianao. Nangonina ianao, ary mpanangona ihany koa. Ilay tantara naharitra taonjato maro nampitolagaga momba ireo vahoakan’ny fanekempihavanana dia efa tonga eo amin’ny ambaratonga faratampony, ary mpandray anjara fototra ao anatin’izany ianao. Izao no fotoana “[Hitenenan’i Jesoa amin’i] Isiraely rehetra hoe: –Modia.–”

Izao no hafatra avy amin’ireo mpanangona hoe: Modia ao amin’ny fanekempihavanana. Modia ao Ziona. Modia any amin’i Jesoa Kristy, ny Iray Masin’i Isiraely, dia hitondra anao hody any amin’ Andriamanitra Rainao Izy.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Deoteronomia 28:1–14.

  2. Jereo ny 2 Mpanjaka 17:6–7; 2 Tantara 36:12–20.

  3. Jereo ny 2 Mpanjaka 17:1–7. Ireo foko folo izay nentin’i Asyria ho babo dia i Robena, i Simeona, i Isakara, i Zebolona, i Dana, i Naftalia, i Gada, i Asera, i Efraima, ary i Manase. Ny fokon’i Levy dia niparitaka nanerana ny faritra nisy ireo foko hafa mba hahafahany manatanteraka ny andraikitr’izy ireo tamin’ny naha-mpisorona azy ireo.

  4. Jereo ny 2 Mpanjaka 19; Isaia 10:12–13.

  5. Jereo ny 2 Mpanjaka 24–25; 2 Tantara 36; Jeremia 39; 52.

  6. Jereo ny Ezra 17; Nehemia 2.

  7. Jereo ny 2 Nefia 1:1–5; Ômnia 1:15–16.

  8. Jereo ny 2 Mpanjaka 25:22–26; Jeremia 42:13–19; 43:1–7.

  9. Tamin’ny taona 70 taorian’i J.K. dia rava indray i Jerosalema sy ny tempoliny, ary ny Romana no nandrava azy tamin’ity indray mitoraka ity, ary ireo Jiosy sisa tavela dia naely patrana manerana ny firenena maro.

  10. Jereo ny Jeremia 29:18; Ezekiela 22:15; Hosea 9:17; Amosa 9:9; 1 Nefia 1:13.

  11. Jereo ny 1 Nefia 15:12.

  12. Jereo ny 1 Nefia 1:13, 18–20; 10:12–14.

  13. Jereo ny Isaia 5:26; 27:12; 54; Jeremia 16:14–15; 29:14; 31:10; Ezekiela 11:17; 34:12; 37:21–28; Zakaria 10:8; 1 Nefia 10:14; 22:25; 3 Nefia 16:1–5; 17:4.

  14. Russell M. Nelson, “Fanantenana ho an’i Isiraelyfampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny zatovo, 3 jona 2018), Médiathèque de l’Évangile.

  15. Russell M. Nelson, “Fanantenana ho an’i Isiraely

  16. Jereo ny 2 Nefia 30:2.

  17. Mifalia,” Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 64.