Avia, hanaraka Ahy
6–12 jolay. “Misy mpaminany tokoa ao amin’ny Isiraely”: 2 Mpanjaka 2–7


“6–12 jolay. -Misy mpaminany tokoa ao amin’ny Isiraely-: 2 Mpanjaka 2–7,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Testamenta Taloha 2026 (2026)

“6–12 jolay. -Misy mpaminany tokoa ao amin’ny Isiraely,-” Avia, hanaraka Ahy: Testamenta Taloha 2026

I Namàna teo amin’ny Renirano Jordana

At River’s Edge (Eo amoron’ny Renirano), nataon’i Annie Henrie Nader

6–12 jolay: “Misy mpaminany tokoa ao amin’ny Isiraely”

2 Mpanjaka 2–7

Ny asa fototra hanirahana ny mpaminany dia ny hampianatra sy hijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy Mpamonjy . Ny rakitsoratra ananantsika momba ny mpaminany Elisa anefa dia tsy mirakitra ny maro amin’ireo fampianarany sy ny fijoroany ho vavolombelona. Ny zavatra hita ao amin’ilay rakitsoratra dia ireo fahagagana nataon’i Elisa, anisan’izany ny fananganana zaza iray tamin’ny maty (jereo ny 2 Mpanjaka 4:18–37), ny famahanana olona maro be tamin’ny alalan’ny sakafo kely (jereo ny 2 Mpanjaka 4:42–44), ary ny fanasitranana boka iray (jereo ny 2 Mpanjaka 5:1–14). Koa na dia tsy manana ireo tenin’i Elisa momba an’i Kristy aza isika dia manana ny asa fanompoana sy ny fahagagana nataon’i Elisa kosa, izay mijoro ho vavolombelona momba an’i Kristy. Fanehoana mahery vaika ilay hery mahavelona sy mikolokolo ary manasitrana ananan’ny Tompo izy ireny. Mitranga matetika kokoa noho izay hitantsika indraindray ireo fahagagana. Mba hahitana azy ireny dia mila mikatsaka ny finoana nananan’i Elisa isika rehefa nivavaka ho an’ilay mpanompony feno tahotra izy hoe: “Jehovah ô, mifona aminao aho, ampahirato ny masony mba hahitany” (2 Mpanjaka 6:17).

Mba hahitana fampahalalana misimisy kokoa momba ny 2 Mpanjaka, dia jereo ny “Mpanjaka ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina.

sary famantarana ny fandalinana

Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana

2 Mpanjaka 2–6

Afaka manao fahagagana eo amin’ny fiainako Andriamanitra.

Mampiseho antsika ny herin’ Andriamanitra ny fahagagana. Afaka manampy antsika izy ireo handresy ireo zava-tsarotra eo amin’ny fiainana an-tany, toy ny tany ngazana izay mila rano madio (jereo ny 2 Mpanjaka 2:19–22) na famaky very izay ilaina tadiavina (jereo ny 2 Mpanjaka 6:4–7). Fa ny zava-dehibe indrindra dia afaka mampitodika antsika any amin’ny Tompo ny fahagagana. Eo am-pamakianao ny 2 Mpanjaka 2–6, dia hevero ny hanao lisitra an’ireo fahagagana hitanao, ary saintsaino ireo lesona ara-panahy ianaranao avy amin’ny tsirairay amin’izany.

Azonao atao koa ny mampitaha ireo fahagagana nataon’i Elisa amin’ny fahagagana nataon’i Jesoa Kristy (jereo ny 2 Mpanjaka 4:8–37 sy ny Lioka 7:11–16; 2 Mpanjaka 4:42–44 sy ny Jaona 6:1–13; 2 Mpanjaka 5:1–15 sy ny Lioka 17:11–19). Inona no ampianarin’ireo fahagagana ireo anao momba ny Mpamonjy sy ireo mpaminaniny?

Jereo koa ny 2 Nefia 26:12–13; 27:23; Môrônia 7:35–37; ny fizarana “Mikatsaha ary manantenà fahagagana” ao amin’ny Russell M. Nelson, “Ny herin’ny fahavitrihana ara-panahy,” Liahona, mey 2022, 99–100.

I Elisa manangana zaza iray amin’ny maty

Elisha Raising the Son of the Shunamite [I Elisa nanangana ny zanak’ilay Sonemita tamin’ny maty], nataon’i Frederic Leighton

2 Mpanjaka 4:8–17; 7:1–16

Hanatanteraka ny teniny izay nomena tamin’ny alalan’ireo mpaminaniny ny Tompo.

Nanentana ny fanahin’i Elisa ny Tompo mba haminany ny amin’ny zavatra ho avy, ireo zavatra izay toa tsy azo inoana fa hitranga raha ny mahazatra. Eo am-pamakianao ny 2 Mpanjaka 4:8–17; 7:1–16, dia eritrereto ny fihetsika asehonao eo anatrehan’ny tenin’ny Tompo ampitaina amin’ny alalan’ireo mpaminaniny ankehitriny. Inona no fampianarana, na faminaniana, na fampanantenana renao avy amin’ireo mpaminany velona? Inona no ataonao mba hanarahana amim-pinoana ny tenin’izy ireo?

Jereo koa ny 3 Nefia 29:6; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:37–38; “Firaketana ny “Enseignements des Présidents”, Médiathèque de l’Évangile.”

2 Mpanjaka 5

Rehefa manetry tena sy mankatò aho dia afaka ny hanasitrana ahy i Jesoa Kristy.

Eo am-pamakianao ny 2 Mpanjaka 5, dia hevero ny hampitaha ny habokana nahazo an’i Namàna amin’ny olana ara-panahy atrehanao.

Misy olona mitovy amin’ilay “zazavavy kely” ve eo amin’ny fiainanao, izay mamporisika anao hikatsaka fitarihana momba ny olana atrehinao avy amin’ireo mpaminanin’ny Tompo? (jereo ny andininy 2–3, 13).

Inona no asain’ny Tompo hatanao izay mety ho toy ny tsotra loatra, toy ny hoe “mandroa, dia hadio ianao”? (andininy 13). Inona no mety hanakana anao tsy hanaiky ny fanasana tsotra atolony?

Ahoana no ahafahanao maneho fanetrentena toy ny nataon’i Namàna?

Jereo ny fiantraikan’ny zavatra niainan’i Namàna teo amin’ny finoany ny Andriamanitr’i Isiraely (jereo ny andininy 15). Inona no azonao ianarana avy amin’izany?

Jereo koa ny Lioka 4:27; 1 Petera 5:5–7; Almà 37:3–7; Etera 12:27; L. Whitney Clayton, “Ataovy izay asainy ataonareo,” Liahona, mey 2017, 97–99: “Naaman et Élisée” (horonan-tsary), Médiathèque de l’Évangile.

14:30

Naaman and Elisha

Ampitahao amin’ny fiainanao ny soratra masina. Indraindray dia mora kokoa ny mahita hevitra mahakasika ny tena manokana ao amin’ny soratra masina rehefa mampitaha ireo zavatra hita maso sy azo tsapain-tanana ao anatina tantara iray amin’ny zavatra ara-panahy eo amin’ny fiainanao ianao. Ohatra, rehefa mandalina ny 2 Mpanjaka 2–7 ianao dia afaka mampitaha toe-javatra eo amin’ny fiainanao amin’ny zavatra toy ny habokana, famaky nindramina, ny Renirano Jordana, na tafika lehibe iray manafika. Inona no lesona mety nomanin’ny Tompo ho anao ao amin’ireo tantara ireo?

2 Mpanjaka 6:8–23

sary famantarana ny seminera
“Aza matahotra; fa ny momba antsika dia be noho ny momba azy.”

Rehefa miezaka manaraka an’i Kristy ianao, moa ve ianao efa nanana fahatsapana tahaka an’ilay zatovo mpanompon’i Elisa hoe, vitsy an’isa ka natahotra? Alaovy sary an-tsaina hoe teo amin’ny toerany ianao rehefa mamaky ny 2 Mpanjaka 6:8–23. Ahoana no hanovan’io tantara io ny fomba fieritreretanao sy ny fahatsapanao ireo fitsapana manjo anao, na ny andraikitrao, na ny ezaka ataonao mba hiaina ny filazantsara?

Rehefa misaintsaina ianao dia eritrereto ny tenin’ny Filoha Henry B. Eyring hoe: “Tahaka io mpanompon’i Elisa io, dia be dia be ny momba anao raha oharina amin’ireo manohitra anao. Ireo izay momba anao dia tsy ho hitan’ireo masonao amin’ny maha-olombelona anao. Ny Tompo dia hanohana anao ary amin’ny fotoana sasany dia hiantso olona hafa hijoro eo anilanao” (“Ô ianareo izay mirotsaka,” Liahona, nôv. 2008, 58).

Hevero ny hanao lisitra an’“[ireo izay] momba [anao]” (andininy 16), ireo olona napetrak’ Andriamanitra teo amin’ny fiainanao mba hanohana anao. Azonao atao ny mangataka Azy hanampy anao hamantatra azy ireo amin’ny alalan’ny fanokafana ny masonao ara-panahy. Mety napetrany teo amin’ny fiainan’ny hafa koa ianao mba hanampy azy ireo. Ahoana no ahafahanareo mifankahery sy mifanohana?

Oviana ianao no nahatsapa ny fanohanana nofaritan’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:88?

Azonao atao koa ny mandalina ny hafatry ny Rahavavy Michelle D. Craig mitondra ny lohateny hoe “Maso hahita” (Liahona, nôv. 2020, 15–17). Manontania tena hoe: “Inona no tian’ Andriamanitra mba ho hitako?”

Raha niresaka momba ilay tantara ao amin’ny 2 Mpanjaka 6:8–23 ny Loholona Ronald A. Rasband dia nilaza hoe: “Mety hanana na tsy hanana kalesy afo nalefa mba handroahana ireo tahotsika sy handresena ireo demony eo amintsika isika, kanefa mazava ilay lesona. Miaraka amintsika ny Tompo ary mieritreritra momba antsika sy mitahy antsika amin’ireo fomba izay Izy irery ihany no afaka manao izany. Ny vavaka dia afaka mampidina ilay tanjaka sy ilay fanambarana izay ilaintsika mba hampifotorana ny saintsika amin’i Jesoa Kristy sy ny sorona fanavotany. Fantatry ny Tompo fa hisy fotoana isika hatahotra. Efa nianjady tamiko ny toy izany ary ianareo ihany koa. … Mety ho vitsy an’isa isika ato amin’ity Fiangonana ity raha amin’ny fomba hanisan’izao tontolo izao ny fananana hery fitaomana, kanefa rehefa manokatra ny masontsika ara-panahy isika, dia -ny momba antsika dia be noho ny momba azy- [2 Mpanjaka 6:16]” (“Aza matahotra,” Liahona, nôv. 2018, 18, 19). Ahoana no hampiasanao ireo teny ireo mba hanampiana olona iray izay mitebiteby na matahotra?

Jereo koa ny “Chers enfants, sur vous Dieu veille,” Cantiques, no. 190.

Mba hahitana fampahalalana misimisy kokoa, dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Liahona sy ny Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.

sary famantarana ny fizarana ho an’ny ankizy

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

2 Mpanjaka 4

Afaka manao fahagagana eo amin’ny fiainako Andriamanitra.

  • Rehefa avy nanampy ny zanakao hahatakatra ny atao hoe fahagagana ianao dia asao izy ireo hitanisa ohatra maro maneho fahagagana araka izay vitany. Afaka manampy ireo sary ao amin’ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara na ny Avia, hanaraka Ahy. Avy eo izy ireo dia afaka mitady fahagagana ao amin’ny 2 Mpanjaka 4:1–7, 14–17, 32–35, 38–44. Inona no ampianarin’ireo andininy ireo mikasika ny Ray any An-danitra?

  • Afaka miresaka momba ny fomba nanehoan’ Andriamanitra ny fitiavany tamin’ny alalan’ny fahagagana ianao sy ny zanakao.

Mijoro ho vavolombelona amin’ny vadin’i Namàna ny zatovolahy Isiraelita iray

Stand as a Witness [Mijoro ho vavolombelona], nataon’i Kwani Povi Winder

2 Mpanjaka 5:1–15

Afaka misafidy ny hanao izay andidian’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny mpaminaniny aho.

  • Ampio ny zanakao hianatra ilay tantara ao amin’ny 2 Mpanjaka 5:1–3, 9–14. Hevero ny hampiasa ny “Nanasitrana an’i Namàna i Elisa” (ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha, 134–37) na ny sarin’i Namàna ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity. Nahoana i Namàna no tsy te handro tao amin’ny Renirano Jordana, na dia efa nilazain’i Elisa aza izy fa izany no hahasitrana ny aretiny? Inona no fitahiana azon’i Namàna rehefa nanaraka ny torolalan’i Elisa izy? Azonareo atao ny mifampizara zavatra niainana rehefa nankatò ny Tompo ianareo, na dia tsy azonareo antoka aza fa te hanao izany ianareo.

    1:52

    Elisha Heals Naaman

  • Azonao atao koa ny manamafy ny 2 Mpanjaka 5:13, izay ahitana ny nanampian’ireo mpanompon’i Namàna azy hanapa-kevitra ny hankatò ny mpaminany Elisa. Avy eo ny ankizy dia afaka miresaka ny fomba ahafahan’izy ireo manampy ny namany na ny olona ao amin’ny fianakaviany hihaino sy hankatò ny mpaminany.

2 Mpanjaka 6:8–17

Tsy irery aho.

  • Afaka maka sary an-tsaina ianao sy ny zanakao hoe voahodidin’ny tafika iray amina sabatra sy soavaly ary kalesy ianareo. Inona no ho tsapanao? Inona no hataonao? Avy eo ny zanakao dia afaka manakimpy ny masony eo am-pamakianao amin’izy ireo ny 2 Mpanjaka 6:16–17. (Jereo koa ny “Elisa sy ny tafiky ny Tompo,” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha, 138–39, na ny sary any amin’ny faran’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity.) Rehefa tonga eo amin’ireo teny hoe “ampahirato ny masony” (andininy 17) ianao dia asaivo ahiratr’ireo ankizy ny mason’izy ireo. Resaho ny zavatra hitan’ilay mpanompo. Zarao amin’ireo zanakao ireo fomba nahatsapanao fa niaraka taminao ny Tompo nandritra ireo olana nolalovanao, na dia toy ireny hoe irery ireny aza ianao.

    1:9

    Elisha and the Lord’s Army

Mba hahitana fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

I Elisa sy ny zatovolahy iray mijery kalesy afo

“Aza matahotra; fa ny momba antsika dia be noho ny momba azy,” nataon’i Stacy Minch

Pejin’ny sahanasa ho an’ny Kilonga: Afaka misafidy ny hanao izay andidian’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny mpaminaniny aho