Avia, hanaraka Ahy
22–28 jona. “Henoy any an-danitra ny fivavany”: 2 Samoela 11–12; 1 Mpanjaka 3; 6–9; 11


“22–28 jona. -Henoy any an-danitra ny fivavany-: 2 Samoela 11–12; 1 Mpanjaka 3; 6–9; 11,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Testamenta Taloha 2026 (2026)

“22–28 jona. -Henoy any an-danitra ny fivavany,-” Avia, hanaraka Ahy: Testamenta Taloha 2026

I Solomona manokana ny tempoly

Solomon Dedicates the Temple at Jerusalem [I Solomona nanokana ny Tempoly tao Jerosalema], nataon’i James Tissot sy ny hafa

22–28 jona: “Henoy any an-danitra ny fivavany”

2 Samoela 11–12; 1 Mpanjaka 3; 6–911

I Saoly sy i Davida ary i Solomona, izay mpanjaka telo voalohan’i Isiraely, dia samy nitondra fanantenana lehibe avokoa tamin’ny voalohany. Be fanetrentena sy be herimpo ary hendry izy ireo, ka samy nahita sitraka tamin’ny Tompo, farafaharatsiny tamin’ny voalohany. Indrisy anefa fa ireo mpanjaka ireo dia samy nilefitra tamin’ny fahalemen’ny olombelona sy ny fakam-panahy avokoa. Nametraka ny fanirian’izy ireo manokana alohan’ny an’ny Tompo izy ireo. Ary araka ny efa hitantsika imbetsaka ao amin’ny soratra masina, sy teo amin’ny fiainantsika manokana, dia nitera-doza izany.

Saingy nisy zavatra manan-danja nitranga nandritra ny fitondran’i Solomona izay nanome fanantenana mba hisian’ny fitoniana eo amin’ny fiainan’ny vahoakan’ny fanekempihavanana. Nanangana tempoly i Solomona. Natao ho tranon’ny Tompo maharitra kokoa noho ilay tabernakely izany. Ary izany dia haneho ny fanatrehan’ny Tompo maharitra kokoa eo anivon’ny vahoakany. Fantatr’i Solomona fa hanohy hiatrika fahalemena sy fitsapana isan-karazany ny olona. Rehefa nanokana ilay trano masina vaovao i Solomona dia nitalaho tamin’ny Tompo hoe: “[Raha toa izy ireo ka] miverina aminao amin’ny fony rehetra, … dia henoy … ny fivavany” (1 Mpanjaka 8:47–49). Izany dia anisan’ny zavatra ataon’ny fanekempihavanan’ny tempoly ho antsika. Mamorona fifandraisana amin’ Andriamanitra izy ireny. Izy ireny dia manome antsika ilay fampanantenana fa amin’ny alalan’ny fibebahantsika sy ny famindram-pony dia afaka ny “hitoetra ao amin[tsika]” Izy ary tsy handao antsika na oviana na oviana (1 Mpanjaka 6:13).

Raha hanao topimaso ny bokin’ny 1 Mpanjaka dia jereo ny “Mpanjaka” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina.

sary famantarana ny fandalinana

Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana

2 Samoela 11; 12:1–14

sary famantarana ny seminera
Afaka manampy ahy hanao safidy tsara ny Tompo rehefa alaim-panahy hanota aho.

Indraindray isika mahita olona izay toa matanjaka ao amin’ny finoan’izy ireo, ka mihevitra fa tsy mandaitra amin’izy ireo ny fakam-panahy. Ireo safidy ratsy nataon’i Davida izay voafariparitra ao amin’ny 2 Samoela 11 dia maneho mazava tsara fa tsy izany no izy. Eritrereto ny lesona azonao ianarana avy amin’ny zavatra niainany. Ny fanontaniana tahaka ireto dia mety hanampy anao handalina ny 2 Samoela 11–12:

  • Inona avy ireo safidy nataon’i Davida ka nitarika azy ho tafalatsaka teo amin’ny lalana iray izay feno fahotana tsy nitsaha-nitombo? Inona avy ireo safidy tsara tokony ho nataony teo amin’ny toeran’izany? (Jereo koa ilay horonan-tsary “Regarder,” Médiathèque de l’Évangile.)

    4:15

    To Look Upon

    Fampiasana horonan-tsary. Ny horonan-tsary dia afaka manampy anao haka sary an-tsaina ireo tantara ao amin’ny soratra masina sy hieritreritra ny fiantefan’izany aminao. Eritrereto ny fomba ahafahanao mampiasa azy ireny mba hanatsarana ny fampianarana sy ny fianarana. Ohatra, eo am-pijerena ny “Regarder,” (Médiathèque de l’Évangile), dia hevero ny hampiato ilay horonan-tsary amin’ny fe-potoana samihafa mba hisaintsainana na hifanakalozana hevitra momba ny sasany amin’ireo fanontaniana aroso ato amin’ity sahanasa ity.

  • Amin’ny fomba ahoana no hitarihan’ilay fahavalo anao eo amin’ny lalana feno fahotana? Inona avy ireo safidy azonao atao amin’izao fotoana izao mba ho voaro ara-panahy lalandava?

  • Mariho ny fihetsik’i Davida teo anatrehan’ny tantaran’i Natana ao amin’ny 2 Samoela 12:1–6. Inona no ambaran’ny fihetsik’i Davida mikasika ny fomba fijeriny ny tenany? Inona no nataon’ny Tompo mba hanampiana anao hijery ny tenanao amin’ny fomba araka ny tokony ho izy kokoa?

  • Ahoana no hamintinanao ireo zava-nitranga ao amin’ny 2 Samoela 11–12 ao anatina fehezan-teny iray mifono fampitandremana?

Ny famakiana mikasika ireo safidy ratsy nataon’i Davida dia afaka ny hitarika anao hianatra momba ireo loza ateraky ny pôrnôgrafia sy ny fahotana ara-nofo. Loharano tsara ho an’izany ny Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy, indrindra fa ilay fizarana mitondra ny lohateny hoe “Masina ny vatanao” (pejy 21–28). Azonao atao angamba ny mitady torohevitra izay mety ho nanampy an’i Davida hanao safidy tsara kokoa ao amin’io loharanom-pitaovana io. Na azonao atao ny mamaky ny “Hanampy anao Jesoa Kristy” (pejy 6–9), mba hitadiavana zavatra izay mety ho nanampy an’i Davida hiverina amin’ny Tompo.

Hevero ny hihira hira iray toy ny “Mila Anao aho” (Fihirana sy Hiran’ny Ankizy, lah. 23) ary saintsaino ny fomba nampatanjahan’ny Mpamonjy anao rehefa niatrika fakam-panahy ianao.

Jereo koa ny 2 Nefia 28:20–24; Ulisses Soares, “Mikatsaka an’i Kristy amin’ny eritreritra rehetra,” Liahona, nôv. 2020, 82–85; “Utiliser la technologie à bon escient,” Médiathèque de l’Évangile; “Attention où vous mettez les pieds” (horonan-tsary), Médiathèque de l’Évangile.

2:36

Watch Your Step

1 Mpanjaka 3:1–15

Manampy ahy hanavaka ny tsara sy ny ratsy ny fanomezam-pahasoavan’ny fahaizana manavaka.

Raha niteny taminao ny Tompo hoe: “Angataho izay tianao homeko anao” (1 Mpanjaka 3:5), dia inona no hangatahinao? Inona no manaitra anao momba ny fangatahana nataon’i Solomona? Saintsaino hoe nahoana ny “saina malady” mba “hahaiza[na] manavaka ny soa sy ny ratsy” (andininy 9) no fanomezam-pahasoavana sarobidy? Inona no azonao atao mba hikatsahana io fanomezam-pahasoavana io?

jereo koa ny Môrônia 7:12–19.

1 Mpanjaka 6–8; 9:1–9

Mitoetra eo amiko ny Tompo amin’ny alalan’ireo fanekempihavanana natao tao amin’ny tranon’ny Tompo.

Ao amin’ny 1 Mpanjaka 6–7 ianao dia hahita famaritana amin’ny antsipiriany momba ilay trano masina izay naorin’i Solomona ho an’ny Tompo. Mety toa tsy manan-danja aminao toy ny lanjan’izy ireny tamin’ny Isiraelita fahiny ireo antsipiriany. Saingy ny famakiana ireo toko ireo dia mety hanome anao fahatakarana ny lanjan’ny fananana tranon’ny Tompo ho azy ireo. Nahoana no manan-danja aminao izany?

Azonao atao ny misaintsaina ny mety ho tandindona fonosin’ireo singa samihafa nandrafitra ny tempolin’i Solomona. Ohatra, eritrereto hoe mety naneho inona ny kerobima sy ny hazo rofia ary ny voninkazo ao amin’ny 1 Mpanjaka 6:35. (Jereo koa ny Genesisy 3:24.)

Ny toko 8 dia mirakitra ny vavaka nataon’i Solomona rehefa nahavita ny tempoly (jereo ny andininy 22–61). Hevero ny hanao lisitra ireo fitahiana nangatahan’i Solomona. Inona no mahavariana anao momba ireo fitahiana ireo? (Mariho koa ireo fampanantenan’ny Tompo ao amin’ny 1 Mpanjaka 6:11–13; 9:1–9.) Raha efa tao amin’ny tranon’ny Tompo ianao dia eritrereto ny zavatra niainanao fony nitsaoka tao. Ahoana no nanampian’ny fitandremana ireo fanekempihavanan’ny tempoly anao mba hahazo ireo fitahian’ny Tompo?

Jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109; Henry B. Eyring, “Mahita ny tempoly no mahafinaritra ahyLiahona, mey 2021, 28–31.

Tempolin’i Barranquilla Colombie

Tempolin’i Barranquilla Colombie

1 Mpanjaka 8:61; 11:1–11

“Ny fony tsy mba nahitsy tamin’i Jehovah.”

Inona no dikan’ny hoe “aoka ho marina amin’ny Jehovah Andriamanitsika anie ny fonareo”? (1 Mpanjaka 8:61). Moa ve izany samy hafa amin’ny hoe tonga lafatra ny zavatra ataontsika? Amin’ny fomba ahoana? Vakio ny 1 Mpanjaka 11:1–11, ary jereo ny zavatra nolazain’ny Tompo momba ny fon’i Solomona. Azonao atao ny misaintsaina raha toa ka misy fitaomana eo amin’ny fiainanao izay mety hampanalavitra ny fonao amin’ny Tompo ka hankany amin’ireo “andriamani-kafa.”

Mba hahitana fampahalalana misimisy kokoa, dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Liahona sy ny Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.

sary famantarana ny fizarana ho an’ny ankizy

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

2 Samoela 11

Afaka manampy ahy ny Tompo rehefa misedra fakam-panahy aho.

  • Ny “Davida Mpanjaka” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha, 117–20, dia afaka manampy anao hitantara ny tantara ao amin’ny 2 Samoela 11. Azonao atao ny mangataka ny zanakao hamantatra ireo safidy ratsy nataon’i Davida ary hanolotra safidy tsara izay azony natao teo amin’ny toeran’izany. Inona ireo zavatra sasany izay azontsika atao rehefa alaim-panahy isika ka afaka ny hanampy antsika hanao safidy tsara?

    2:11

    King David

  • Mety ho fotoana tsara hanararaotana ny firesahana momba ny maha-zava-doza ny pôrnôgrafia ny famakiana momba ireo fahotana mahatsiravina nataon’i Davida. Ilay horonan-tsary “Que dois-je faire quand je vois de la pornographie? (Inona no tokony hataoko rehefa mahita pôrnôgrafia aho?) (Médiathèque de l’Évangile) dia ahitana torolalana tena manampy. Ampio ny zanakao hanao drafitra mikasika ny zavatra hataon’izy ireo rehefa mahita pôrnôgrafia izy ireo.

    5:46

    What should I do when I see pornography?

1 Mpanjaka 8:22–61

Manampy ahy handeha amin’ny lalany ny fanaovana fanekempihavanana ao amin’ny tranon’ny Tompo sy ny fitandremana azy ireny.

  • Rehefa mianatra momba ny fanokanana ny tempoly ao amin’ny 1 Mpanjaka 8 ianao sy ny zanakao dia afaka mijery ireo sarin’ny tempoly ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity. Avelao ny zanakao hiresaka momba ireo antsipirian-javatra hitany eo amin’ireo sary. Azonao atao ny manamafy ny andininy 57–58. Inona no dikan’ny hoe “[mandeha] amin’ny lalan’[ny Tompo] rehetra”? (1 Mpanjaka 8:58). Azon’ny zanakao atao angamba ny mamindra indray mandeha isaky ny valinteny tsirairay izay omen’izy ireo.

  • Lazao amin’ny zanakao ny fomba hanampian’ny fitandremana ireo fanekempihavanana ataonao any amin’ny tempoly anao mba handeha eo amin’ny lalan’ny Tompo. Azonao tanisaina amin’izy ireo ireo fanekempihavanana ireo (jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 27.2, Bibliothèque de l’Évangile). Azonareo atao koa ny miara-mihira hira iray toy ny “Mahita ny tempoly no mahafinaritra ahy” (Bokin-kiran’ny ankizy, 99).

Ny tempolin’i Solomona

Sary maneho ny tempolin’i Solomona, nataon’i Sam Lawlor

1 Mpanjaka 11:1–11

Azoko atao lohalaharana eo amin’ny fiainako ny Tompo.

  • Ny famakiana mikasika ny fomba nitaoman ’ireo vadin’i Solomona azy dia afaka hitarika any amina resaka momba ireo ohatra momba ny “andriamani-kafa” na ireo zavatra izay ivavahan’ny olona na tiany toy izay ny Tompo. Ahoana no hanehoantsika fa tia Azy mihoatra noho ny zavatra hafa eo amin’ny fiainantsika isika?

Mba hahitana fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

Ny tempolin’i Solomona

Dedication of the Temple of Solomon in Jerusalem (Fanokanana ny Tempolin’i Solomona tao Jerosalema), nataon’i William Hole

Pejin’ny sahanasa ho an’ny Kilonga: Manampy ahy handeha amin’ny lalany ny fanaovana fanekempihavanana ao an-tranon’ny Tompo