Avia, hanaraka Ahy
1–7 jona. “Ny foko ravoravo amin’i Jehovah”: Rota; 1 Samoela 1–7


“1–7 jona. -Ny foko ravoravo amin’i Jehovah-: Rota; 1 Samoela 1–7,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Testamenta Taloha 2026 (2026)

“1–7 jona. -Ny foko ravoravo amin’i Jehovah,-” Avia, hanaraka Ahy: Testamenta Taloha 2026

Niara-nandeha i Rota sy i Naomy

Whither Thou Goest, [Izay alehanao] nataon’i Sandy Freckleton Gagon

1–7 jona: “Ny foko ravoravo amin’i Jehovah”

Rota; 1 Samoela 1–7

Indraindray isika dia mieritreritra fa tokony hanaraka lalana iray mazava tsara hatrany amin’ny voalohany ka hatrany amin’ny farany ny fiainantsika. Ny halavirana fohy indrindra manelanelana ny teboka roa rahateo dia tsipika iray mahitsy. Kanefa dia matetika ny fiainana no feno sakana sy fiolahana izay mitondra antsika mankany amin’ny lalana tsy ampoizina.

Azo antoka fa nahatakatra izany i Rota sy i Hana. Tsy Isiraelita i Rota, fa nanambady Isiraelita izy, ary rehefa maty ny vadiny dia tsy maintsy nanao safidy izy. Hiverina any amin’ny fianakaviany sy ilay fiainana nahazatra azy fahiny ve izy, sa hanaiky ny finoan’ny Isiraelita sy fonenana vaovao miaraka amin’ny rafozam-baviny? (Jereo ny Rota 1:4–18). Ny drafitr’i Hana teo amin’ny fiainany dia ny hanan-janaka, saingy tsy afaka nanan-janaka izy, ary izany dia nahatonga azy ho “nalahelo fanahy indrindra” (jereo ny 1 Samoela 1:1–10). Eo am-pamakianao momba an’i Rota sy i Hana dia eritrereto ny finoana tsy maintsy ho nananan’izy ireo mba handehanany eo amin’ilay lalana tsy nampoizin’izy ireo. Saintsaino ny dia manokana ataonao avy eo. Tsy mitovy amin’ny an’i Rota sy i Hana izany, ary tsy mitovy amin’ny an’ny olona hafa rehetra. Kanefa ao anatin’ireo fitsapana sy zavatra tsy nampoizina mitranga eo anelanelan’izao fiainana an-tany izao sy ny toerana hiafaranao mandrakizay, dia afaka mianatra miara-miteny amin’i Hana ianao hoe “Ny foko ravoravo amin’i Jehovah” (1 Samoela 2:1).

Jereo koa ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina mba hahitana topimaso mikasika ny bokin’i Rota sy ny bokin’i 1 Samoela.

sary famantarana ny fandalinana

Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana

Rota

Afaka mamadika ny toe-javatra mampalahelo ho fandresena i Jesoa Kristy.

Sarotra ny fiainana ho an’ny mpitondratena tao anatin’ny vanim-potoana rehetra nisy hatramin’izay ka hatramin’izao. Saingy rehefa maty ny vadin’i Rota dia sarotra tokoa ny toe-javatra niainany. Tao anatin’ny kolontsain’ny Isiraelita tamin’izany fotoana izany dia tsy nanana zo hanam-panana ny vehivavy iray tsy manambady na tsy manana zanaka lahy ary tena vitsy ny fomba ahafahana mivelona. Rehefa mamaky ny tantaran’i Rota ianao dia jereo ny fomba namadihan’ny Tompo ilay toe-javatra nampalahelo ho fitahiana lehibe. Inona no tsikaritrao momba an’i Rota ka mety ho nanampy azy? Ahoana no fomba nanavotan’i Boaza an’i Rota tao anatin’ny toe-javatra nahakivy niainany? (jereo ny Rota 4:4–10). Tamin’ny fomba ahoana no nitovian’i Rota sy i Boaza tamin’i Jesoa Kristy?

Jereo koa ny “Va ne crains pas,” Cantiques, no. 65.

Rota; 1 Samoela 1

Afaka matoky aho fa hitarika ahy Andriamanitra na toy ny ahoana na toy ny ahoana ny toe-javatra iainako.

Efa namoy zavatra lehibe angamba ianao, tahaka ny nahazo an’i Rota sy i Naomy (jereo ny Rota 1:1–5). Na angamba tahaka an’i Hana, dia maniry ny hahazo fitahiana tsy mbola azonao ianao (jereo ny 1 Samoela 1:1–10). Ahoana no fomba nanehoan’ireo vehivavy ireo ny finoan’izy ireo an’Andriamanitra? Inona no ianaranao avy amin’ny ohatra nasehon’izy ireo?

Mazava ho azy fa tsy izay rehetra mivavaka mba hahazo zaza dia mahazo, ary tsy izay olona maty vady rehetra dia miverina manambady. Saingy ny olona rehetra izay mitodika any amin’ny Mpamonjy dia mandray ny fanampiany sy ny fitarihany. Eritrereto ny fomba nankanesanao “hialoka” teo ambany elatry ny Tompo (Rota 2:12) nandritra ny fotoan-tsarotra nolalovanao.

Jereo koa ny Amy A. Wright, “Hahatanty ny andro ao amin’i Kristy,” Liahona, nôv. 2023, 9–11.

I Hana sy ny zanany

For This Child I Prayed, [Ny hahazoako ity zazalahy ity no nivavahako], nataon’i Elspeth Young

1 Samoela 2; 4–7

Mba hahazoana ny fanampian’ny Tompo dia mila matoky Azy sy mankatò ny didiny aho.

Rehefa nanafika ny Isiraelita ny fahavalon’izy ireo dia toa nieritreritra ny Isiraelita fa hiaro azy ireo tsotra izao ny fananana ilay fiaran’ny fanekena. Rehefa mamaky ny 1 Samoela 4–6 ianao dia eritrereto ny antony tsy nampandaitra izany. (Jereo koa ireo fihetsika tsy mendrika nataon’ireo zanakalahin’i Ely, izay mpisorona tao amin’ny tabernakely, ao amin’ny 1 Samoela 2:12–25.) Inona no zavatra tian’ny Tompo hampianarina ny vahoakany? Inona no ianaranao avy amin’ny zavatra nitranga tamin’ireo Filistina rehefa avy namabo ny fiara izy ireo? (jereo ny toko 5–6). Inona no ianaranao avy amin’ny ezaka nataon’ny Isiraely mba hahazoana indray ny fiarovan’ny Tompo ao amin’ny 1 Samoela 7?

Mety ho taomim-panahy hamaky ny tononkalo fiderana nataon’i Hana ao amin’ny 1 Samoela 2:1–10 ianao. Inona no hitanao ao amin’ireo teniny izay mety ho nanampy ireo zanakalahin’i Ely sy ireo Isiraelita ambiny?

1 Samoela 3

sary famantarana ny seminera
Afaka mihaino sy mankatò ny feon’ny Tompo aho.

Indraindray ianao dia mety hahatsapa ho tahaka an’i Samoela, izay nandre ny feon’ny Tompo saingy tsy nahafantatra izany. Sahala amintsika rehetra, i Samoela dia nianatra ny fomba hamantarana ny feon’ny Tompo. Rehefa mandalina ny 1 Samoela 3 ianao dia inona no ianaranao avy amin’io ankizilahy io mikasika ny fihainoana sy ny fankatoavana ny feon’ny Tompo? Azonao atao ihany koa ny mandalina ireto soratra masina fanampiny ireto ary manao lisitra an’ireo torolalana izay afaka manampy ny olona iray hamantatra ny feon’ny Tompo: 1 Mpanjaka 19:11–12; Lioka 24:15–32; 3 Nefia 11:3–7; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:22–23; 8:2–3; 9:7–9.

Misy fotoana mety hahatsapa ianao fa mikatona ny lanitra ary tsy te hifandray aminao Andriamanitra. Hoy ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Tena te hiresaka aminareo ve Andriamanitra? “Eny!” (“Fanambarana ho an’ny Fiangonana, fanambarana ho an’ny fiainantsika,” Liahona, mey 2018, 93–96). Rehefa mandalina ny hafatry ny Filoha Nelson ianao dia inona no hitanao fa mitaona anao hihaino sy hankatò ny feon’ny Tompo? Inona no asain’ny Filoha Nelson hataonao, ary inona avy ireo fitahiana ampanantenainy? Afaka mahita fanasana sy fitahiana nampanantenaina koa ianao mikasika ny fanambarana ao amin’ny Mandehana ao amin’ny fahazavan’ Andriamanitra (Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy, 16–20). Hevero ny hisafidy zavatra iray azonao atao mba “hampitomboana ny fahafahana ara-panahy anananao handray fanambarana.”

Mba hahitana fampahalalana misimisy kokoa, dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Liahona sy ny Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.

sary famantarana ny fizarana ho an’ny ankizy

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

Rota

Afaka maneho fitiavana sy hatsaram-panahy amin’ireo olona manodidina ahy aho.

  • Rehefa mizara amin’ny zanakao ny tantaran’i Rota ianao (azonao ampiasaina ny “Rota sy Naomy” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha, 100–103) dia asao izy ireo hanangana ny tanany isaky ny maheno fihetsika feno hatsaram-panahy ao amin’ilay tantara. Azon’izy ireo atao koa ny mizara ny zavatra tsapany rehefa maneho hatsaram-panahy aminy ny hafa, na rehefa maneho hatsaram-panahy amin’ny hafa izy ireo. Tamin’ny fomba ahoana no nanehoan’ny Mpamonjy hatsaram-panahy tamintsika? Ahoana no ahafahantsika manaraka ny ohatra nasehony? (jereo ny “Tsara fanahy,” Bokin-kiran’ny ankizy, 83).

    2:0

    Ruth and Naomi

Rota; 1 Samoela 1

Afaka manana finoana ny Tompo aho.

  • Ny tantaran’i Rota sy i Hana dia afaka mitaona ny zanakao hitoetra ho mahatoky mandritra ny fotoan-tsarotra. Hevero ny hanampy azy ireo hamorona tabilao tsotra misy ny lohateny hoe Fitsapana, Asa atao, Fitahiana. Avy eo dia afaka miara-mamaky ny Rota 1:3–5, 8, 16; 2:1–3, 8–12; 4:13–17; 1 Samoela 1:1–18 ianareo ary soraty eo ambanin’ireo lohateny ny zavatra hitany ao amin’ireo andininy ireo. Ahoana no nanehoan’i Rota sy i Hana ny finoany ny Tompo? Avy eo ianao na ny zanakao dia afaka mizara ohatra mikasika ny fomba nitahian’ny Tompo anao nandritra ny fotoan-tsarotra.

1 Samoela 1:1–18

Maheno sy mamaly ny vavaka ataoko ny Ray any An-danitra.

  • Mba hianarana momba an’i Hana dia afaka mamaky ny 1 Samoela 1:1–18 na “Hana” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha (104–5) na mijery ny “La Foi d’Anne” (horonan-tsary, Médiathèque de l’Évangile) ny zanakao. Mety hahafinaritra ny mandefa baolina iray eny amin’ny ankizy iray ary manasa azy ireo hitantara ny ampahany amin’ilay tantara alohan’ny handefasana ilay baolina eny amin’olon-kafa. Inona no ianarantsika mikasika ny vavaka avy amin’ny ohatra nasehon’i Hana?

    1:15

    Hannah

    3:9

    Hannah's Faith

I Samoela sy i Ely

Samuel Tells Eli the Truth [Nilaza ny marina tamin’i Ely i Samoela], nataon’i Robert T. Barrett

1 Samoela 3:1–10

Afaka mandre sy mankatò ny feon’ny Tompo aho.

  • Angamba mety hanampy ny zanakao hianatra avy amin’ny zavatra niainan’i Samoela mahakasika ny fanambarana ny filalaovana tantara an-tsehatra tsotra. Afaka mody manao hoe i Samoela ny ankizy iray, ary ny iray hafa dia afaka mody manao hoe i Ely rehefa mamaky ny 1 Samoela 3:1–10 ianao (jereo koa ny “Samoela mpaminany” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha, 106–9, na ny horonan-tsary “Samuel et Éli,” Médiathèque de l’Évangile). Inona no ianarantsika momba an’i Samoela mikasika ny fomba fihainoana ny feon’ny Tompo? Ahoana no anehoantsika fa vonona ny hihaino isika rehefa miresaka amintsika ny Tompo?

    2:10

    Samuel the Prophet

    1:58

    Samuel and Eli

  • Asao ireo zanakao hieritreritra ny fomba hanazavany amin’olona iray ny fomba firesahan’ny Tompo amin’izy ireo. Azonao ampiana izy ireo hitady valiny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:22–23; 8:2–3; 9:7–9.

Ampio ny zanakao hianatra hamantatra ny Fanahy. Tsy mora ny manavaka ny fahatsapantsika manokana sy ny Fanahy Masina. Misedra io olana io ny tsirairay indraindray. Araraoty ny fotoana rehetra azonao araraotina mba hanampiana ny zanakao hamantatra ilay fotoana izay ahatsapany ny fitarihan’ny Fanahy. Ohatra, rehefa mamaky ny 1 Samoela 3:1–10 sy ireo andininy naroso ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ianao dia afaka mizara zavatra niainana izay nampianaran’ny Tompo anao tao an-tsainao sy tao am-ponao.

Mba hahitana fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

I Samoela mifoha eo am-pandriana

Boy Samuel Called by the Lord [I Samoela ankizilahy kely nantsoin’ny Tompo], nataon’i Harry Anderson

Pejin’ny sahanasa ho an’ny Kilonga: Maheno sy mamaly ny vavaka ataoko ny Ray any An-danitra