“15–21 jona. -An’i Jehovah ny ady-: 1 Samoela 17–18; 24–26; 2 Samoela 5–7,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Testamenta Taloha 2026 (2026)
“15–21 jona. -An’i Jehovah ny ady,-” Avia, hanaraka Ahy: Testamenta Taloha 2026
David and Goliath [I Davida sy i Goliata], nataon’i Steve Nethercott
15–21 jona: “An’i Jehovah ny ady”
1 Samoela 17–18; 24–26; 2 Samoela 5–7
Hatramin’ny nipetrahan’ireo fokon’i Isiraely tao amin’ny tany nampanantenaina dia efa loza nananontanona azy ireo tsy tapaka ny Filistina. Efa nanavotra azy ireo imbetsaka ny Tompo tany aloha, fa tamin’io fotoana io ny loholon’i Isiraely dia nangataka hoe: “Aoka ihany hisy mpanjaka hanjaka aminay … hivoaka eo alohanay ary hitarika ny adinay” (1 Samoela 8:19–20). Noho izany dia voahosotra ho mpanjaka i Saoly. Kanefa rehefa niantso ny miaramilan’i Isiraely hanao fanamby taminy i Goliata izay goavana sy nampatahotra, dia “raiki-tahotra loatra” (1 Samoela 17:11), tahaka ny sisa rehetra tamin’ireo miaramilany i Saoly. Tamin’io andro io, dia tsy i Saoly Mpanjaka no nanavotra an’i Isiraely, fa zazalahy mpiandry ondry nanetry tena iray nantsoina hoe Davida, izay tsy nanao akanjo fiarovana fa nitafy kosa ny finoana ny Tompo izay tsy nisy na inona na inona afaka nanatrobaka azy. Io ady io dia nanaporofo tamin’i Isiraely, sy izay rehetra manana ady ara-panahy, fa “tsy sabatra sy lefona no amonjen’i Jehovah”, ary “an’i Jehovah ny ady” (1 Samoela 17:47).
Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana
1 Samoela 17
Afaka mandresy ny olana rehetra aho miaraka amin’ny fanampian’ny Tompo.
Ny tantaran’i Davida sy i Goliata dia iray amin’ireo tantara tena be mpahafantatra ao amin’ny soratra masina. Mazava ho azy fa mifantoka amin’i Davida isika matetika. Saingy amin’ity indray mitoraka ity, rehefa mandalina ny 1 Samoela 17 ianao dia saintsaino ny tenin’ireo olon-kafa ao amin’io toko io (jereo ilay lisitra eo ambany). Inona no ianaranao momba azy ireo sy ny zavatra manosika azy ireo? Inona no ianaranao momba an’i Davida? Inona no mampiavaka azy?
-
Goliata: andininy 8–10, 43–44
-
Eliaba: andininy 28
-
Saoly: andininy 33
-
Davida: andininy 26, 32, 34–37, 39, 45–47
Ny tantaranao, na dia tsy be mpahafantatra toy ny an’i Davida aza, dia azo antoka fa ahitana olana goavana horesena mitovy amin’ny haben’i Goliata ary fahafahana azo araraotina mba hampiasana finoana ny Tompo. Mampianatra inona anao momba ny fiatrehana ny fahoriana ao anatin’ny tantaranao ny ohatra nasehon’i Davida? Azonao vakina ihany koa ny hafatry ny Filoha Camille N. Johnson mitondra ny lohateny hoe “Asao i Kristy mba ho mpanoratra ny tantaram-piainanao” (Liahona, nôv. 2021, 80–82) sady mieritreritra ny iray amin’ireo olana atrehanao. Tadiavo ny valin’ireo fanontaniana tahaka ireto: Toy ny ahoana no fomba tian’ny Tompo hijereko ireo olako? Ahoana no fomba nanampiany ahy taloha? Ahoana no ahafahako mampiseho fa matoky Azy aho amin’ny fanoratana ny tantarako?
Mety efa fantatrao fa misy toko mampalahelo vitsivitsy ao aoriana ao anatin’ny tantaran’i Davida (jereo ohatra ny 2 Samoela 11). Raha nanana fahafahana hanome torohevitra an’i Davida ianao taorian’ny ady nataony tamin’i Goliata dia inona no holazainao? Ahoana no mety hampiharana izany torohevitra izany eo amin’ny fiainanao?
Jereo koa ny “L’Éternel Me Délivrera” (horonan-tsary), Médiathèque de l’Évangile.
The Lord Will Deliver Me
1 Samoela 17:26–50
Afaka mitondra fiovana ny olona iray manana finoana an’i Kristy.
Ankoatra ireo olana atrehan’ny tena manokana dia miatrika olana goavana sy sarotra izay misy fiantraikany manerana an’izao tontolo izao isika. Rehefa “tafavory … hiady” amin’ny herin’ny tsara ny herin’ny ratsy (1 Samoela 17:1), dia mety hanontany tena isika hoe ahoana no ahafahan’ny ezaka ataontsika manokana hitondra fiovana. Inona no hitanao ao amin’ny tantaran’i Davida izay manome fanantenana anao?
Jereo koa ny “Ndao handroso hatrany,” Fihirana sy hiran’ny ankizy p. 20.
True Friendship and Self-Respect [Tena finamanana sy fanajana ny tena], nataon’i Wilson Ong (ampahan-tsary)
1 Samoela 18
“Tia an’i [Davida] ohatra ny tenany mihitsy i [Jonatana].”
Eo am-pamakianao ny 1 Samoela 18, dia hevero ny hampitaha an’i Saoly sy i Jonatana zanany lahy (izay, raha tsy noho i Davida, dia mety ho nihevitra fa izy no ho mpanjaka manaraka). Inona no fihetsika nasehon’i Saoly sy i Jonatana nanoloana ny fahombiazan’i Davida? Inona no zavatra azonao ianarana avy amin’io toe-javatra nitranga io?
Inona no hitanao teo amin’ny toetran’i Jonatana sy ny zavatra nataony izay mampahatsiahy anao an’i Jesoa Kristy?
“[Ampiharo] ny tenin’ny soratra masina” (1 Nefia 19:23). Ny soratra masina dia manome fahafahana lehibe hianarana avy amin’ny faharisihana sy ny fihetsika nasehon’ny olona toa an’i Davida sy i Jonatana ary i Saoly. Ho hitanao fa tsy misy olona tonga lafatra ao amin’ny soratra masina. Koa rehefa mamaky ianao ohatra, mikasika ireo safidy feno fahatokiana nataon’i Davida dia mivonòna ihany koa hianatra avy amin’ireo fahadisoana nataony. Ny fanaovana izany dia afaka manampy antsika hamantatra izay mety ho fahalemena ao amintsika sy “[h]ianatra ny ho hendry kokoa noho [ny hafa]” (Môrmôna 9:31).
1 Samoela 24–26
Ny famelan-keloka no lalana azo antoka mitondra ny amin’ny fiadanana sy fahasitranana.
Mitadiava lesona momba ny avonavona sy ny famelan-keloka ary ny fifehezan-tena ao amin’ny 1 Samoela 24–26. Azonao atao koa ny mamaky ny hafatry ny Loholona Mark A. Bragg mitondra ny lohateny hoe “Fahatoniana tahaka ny an’i Kristy” ao anatin’ny fandalinanao (Liahona, mey 2023, 60–63). Ahoana no nanehoan’i Davida sy i Abigaila ary ny hafa fahatoniana tahaka ny an’i Kristy ao amin’ireo toko ireo, na nahoana no tsy nahavita naneho izany izy ireo? Inona avy ireo fahafahana azo araraotina anananao mba hanehoana fahatoniana tahaka ny an’i Kristy?
Ny Hafatry ny Rahavavy Kristen Yee mitondra ny lohateny hoe “Hatsarana ho solon’ny lavenona: Ny lalana manasitran’ny famelan-keloka” (Liahona, nôv. 2022, 36–39) dia afaka hanampy anao handalina ny 1 Samoela 25. Inona no mampitovy an’i Abigaila amin’i Jesoa Kristy?
2 Samoela 5:17–25
Afaka manome torolalana ahy ny Tompo
Na dia taorian’ny nandresen’i Davida an’i Goliata aza dia tsy tapitra ireo olany tamin’ireo Filistina. Eo am-pamakianao ny 2 Samoela 5:17–25, dia diniho ny fomba ahafahan’ny ohatra nasehon’i Davida manampy anao amin’ireo olana izay atrehanao (jereo koa ny 1 Samoela 23:2, 10–11; 30:8; 2 Samoela 2:1). Rehefa manaraka ny torolalana avy amin’ny fanambarana voarainao ianao dia inona no fitahiana azonao?
2 Samoela 7
Inona ilay “trano” nampanantenain’ny Tompo an’i Davida?
Rehefa nandroso hevitra ny hanangana trano, izany hoe tempoly ho an’ny Tompo i Davida (jereo ny 2 Samoela 7:1–3), dia namaly ny Tompo fa ny zanak’ i Davida no hanangana izany (jereo ny andininy 12–15; jereo koa ny 1 Tantara 17:1–15). Nilaza koa ny Tompo fa Izy koa dia hanangana “trano” na hoe taranaka ho an’i Davida ary haharitra mandrakizay ny seza fiandrianany (jereo ny 2 Samoela 7:11, 16, 25–29; Salamo 89:3–4, 35–37). Tanteraka tao amin’i Jesoa Kristy, ilay Mpanjakantsika Mandrakizay, izay taranak’i Davida io fampanantenana io (jereo ny Matio 1:1; Lioka 1:32–33; Jaona 18:33–37).
Mba hahitana fampahalalana misimisy kokoa, dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Liahona sy ny Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.
Hevitra enti-mampianatra ny ankizy
1 Samoela 17:20–54
Afaka manampy ahy hanana herimpo ny finoana an’i Jesoa Kristy.
-
Mety ho tianao ny hampiasa ny “Davida sy Goliata” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha, 112–16, mba hanampiana ny zanakao hahafantatra ny zava-nitranga ao amin’ny 1 Samoela 17:20–54. Avy eo dia azonao avela izy ireo hamerina hitantara ilay tantara amin’ny alalan’ny fampiasana ireo sary na tsipitsipika ato amin’ity rindran-damina ity. Anontanio azy ireo izay heveriny fa tian’ny Tompo hianaran’izy ireo avy amin’io tantara io.
2:36David and Goliath
-
Afaka manao ny lisitry ny sasantsasany amin’ireo olana sarotra izay mety hatrehin’izy ireo mandritra ny fiainany koa ianao sy ny zanakao. Avy eo dia ampio izy ireo hitady ny zavatra nolazain’i Davida izay afaka manampy hiatrehana ireo olana ireo (jereo ny 1 Samoela 17:26, 32, 34–37, 45–47). Zarao ny fomba nanampian’i Jesoa Kristy anao nandritra ny fotoan-tsarotra.
-
Ireo zanakao dia afaka manao famindra tahaka ireny hoe Davida handeha hiady amin’i Goliata ireny sady mihira hira iray momba ny fananana fahasahiana toy ny “Ho mpanompo mazoto aho” (Bokin-kiran’ny ankizy, 85).
1 Samoela 18:1–4
Mety ho fitahiana avy amin’ Andriamanitra ny namana tsara.
-
Ahoana no ahafahanao manampy ny zanakao hianatra avy amin’ny finamanan’i Jonatana sy i Davida? Mety ho fomba iray ny hanomezana taratasy roa miendrika fo ho an’ny ankizy tsirairay, ny iray mba hanehoana an’i Davida ary ilay iray hafa mba hanehoana an’i Jonatana. Miaraha mamaky andian-teny vitsivitsy ao amin’ny 1 Samoela 18:1–4 avy eo izay manamafy ny fifankatiavana tsapan’ireo mpinamana ireo. Avy eo dia azon’ireo zanakao atao ny manoratra na manao sary eo amin’ny taratasin’izy ireo izay miendrika fo ny fomba ahafahan’izy ireo maneho fitiavana amin’ny namana iray.
2 Samoela 5:19, 23
Raha mila fitarihana aho dia afaka mangataka amin’ny Ray any An-danitra.
-
Lasa mpanjakan’i Isiraely i Davida ao amin’ireo toko ireo. Mety hahafaly ny zanakao ny mody manao hoe mpanjaka lahy na mpanjaka vavy. Inona no lalàna mety hataon’izy ireo? Aiza no halehan’izy ireo mba hahazoana fanampiana? Ampio ireo zanakao hamantatra fa rehefa nila fanampiana i Davida dia “nanontany” na nivavaka mba hahazo valiny izy. Ohatra, rehefa mamaky ny 2 Samoela 5:19, 23 ianao dia asao ireo ankizy hihaino ny teny hoe “nanontany” ary hampifanindry ny tanan’izy ireo rehefa maheno izany izy ireo. Nahoana i Davida no mila ny fanampian’ny Tompo ao anatin’ilay anjara asany vaovao?
-
Ifampizarao ny momba ny fotoana iray izay nivavahanareo mba hangatahana ny fanampian’ny Ray any An-danitra. Inona no niova rehefa nanampy anao Izy?
2 Samoela 7:16–17
I Jesoa Kristy no Mpanjakako mandrakizay.
-
Ireo mpanjaka rehetra izay vakintsika ao amin’ny Testamenta Taloha ny momba azy dia samy nanana fahalemena avokoa ary dia nifarana daholo ny fanjakan’izy ireo. Saingy i Jesoa Kristy dia Mpanjaka tonga lafatra ary hanjaka mandrakizay. Afaka manampy ny zanakao hahita izany ianao amin’ny alalan’ny famakiana miaraka ny zavatra nolazain’ny mpaminany Natana an’i Davida Mpanjaka ao amin’ny 2 Samoela 7:16–17. Ahoana no mety hahatonga ny fanjakan’i Davida ho tsy hanam-pahataperana? Ampio ny zanakao hahita sy hamaky andinin-tsoratra masina izay mampianatra fa i Jesoa Kristy, izay taranak’i Davida, dia Mpanjakantsika, toy ny Lioka 1:32–33; Jaona 18:33–37; ary Apokalipsy 19:16. Inona no mampiavaka an’i Jesoa amin’ireo mpanjaka eto an-tany? Ahoana no hanomezantsika voninahitra an’i Jesoa Kristy amin’ny maha-Mpanjakantsika Mandrakizay Azy?
Mba hahitana fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.