Avia, hanaraka Ahy
8–14 jona. “Jehovah kosa mijery ny fo”: 1 Samoela 8–10; 13; 15–16


“8–14 jona. -Jehovah kosa mijery ny fo-: 1 Samoela 8–10; 13; 15–16,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Testamenta Taloha 2026 (2026)

“8–14 jona. -Jehovah kosa mijery ny fo,-” Avia, hanaraka Ahy: Testamenta Taloha 2026

I Jesoa mihazona tehina

Beside Still Waters [Eo amoron’ny rano tony], nataon’i Simon Dewey

8–14 jona: “Jehovah kosa mijery ny fo”

1 Samoela 8–10; 13; 15–18

Mpiandry boriky i Saoly. Na dia lava sy bikàna aza izy dia “kely ny [fahitany] ny tenany” ary fantany ny momba ny lovam-pianakaviany (jereo ny 1 Samoela 9:2–3, 21; 15:17). Tamin’ny andro izay hanolorana azy teo anoloan’i Isiraely ho mpanjakan’izy ireo dia tsy nipoitra izy; nitebiteby mafy izy ka “[n]iery” (1 Samoela 10:21–22). Raha nijery an’i Saoly ianao dia mety tsy ho nahafantatra fa hitarika ny Isiraelita handresy ny fahavalony izy, na ho lasa feno avonavona sy hikomy amin’ny Tompo izy aty aoriana.

Mpiandry ondry i Davida. Tsy nanana vatana nisongadina toy ny an’ireo zokiny lahy fito izy. Tamin’ny andro nahatongavan’i Samoela hisafidy mpanjaka vaovao ho an’i Isiraely dia toa tsy nilaina ny hampidirana an’i Davida ho anisan’ireo ho afaka hitana izany toerana izany, ka dia navela tany an-tsaha niaraka tamin’ny ondry izy. Raha nijery an’i Davida ianao dia mety tsy ho nahafantatra fa hanana finoana sy herimpo handresesena olona goavam-be iray izy ary ho lasa mpanjaka mahomby indrindra an’i Isiraely.

Kanefa ny Tompo dia mahita zavatra mihoatra noho ny anarana apetapetaka amintsika, ny bika aman’endritsika ary ny tsy fahatokian-tenantsika. “Mijery ny fo” kosa Izy (1 Samoela 16:7). Ary na dia tsy dia araka ny tokony ho izy aza ny fontsika, raha vonona isika dia hanome antsika “fo vaovao” Izy (1 Samoela 10:9).

sary famantarana ny fandalinana

Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana

1 Samoela 8

I Jesoa Kristy no Mpanjakako.

Ny 1 Samoela 8 dia mitantara zava-nitranga iray izay hanova mandrakizay ny hoavin’ny Isiraelita. Ho fiarovana azy ireo tamin’ny fahavalony dia nirin’ny Isiraelita ny hanana ny zavatra nananan’ny olonanonina teny amin’ny manodidina azy, dia mpanjaka iray hanapaka azy ireo. Rehefa mamaky momba ny fangatahan’izy ireo sy ny valintenin’ny Tompo ianao dia eritrereto hoe iza no tadiavinao mba hahazoana fiarovana sy fitarihana. Eritrereto ny dikan’ny hoe mamela ny Tompo “hanjaka [aminao]” (1 Samoela 8:7).

Mandritra ireo herinandro ho avy dia hamaky momba ny mpanjaka maromaro nantsoina hitarika an’i Isiraely ianao. Rehefa mianatra momba azy ireo ianao dia diniho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Ahoana no nahatanteraka ny fampitandreman’ny Tompo ao amin’ny 1 Samoela 8:10–18?

  • Inona no fiantraikan’ny safidin’ny zanak’i Isiraely mba hanana mpanjaka eto an-tany?

  • Inona no mampiavaka an’i Jesoa Kristy amin’ireo mpanjaka eto an-tany? Eritrereto ireo fitaoman’izao tontolo izao izay mety ilainao esorina eo amin’ny fiainanao mba hamelana an’i Kristy ho Mpanjakanao.

Jereo koa ny: “Hosanna au grand Roi!,” Cantiques, no. 34.

1 Samoela 9–10; 16:1–13

Miantso ny olona amin’ny alalan’ny faminaniana Andriamanitra mba hanompo ao amin’ny fanjakany.

Vakio ny fomba nisafidianan’ Andriamanitra ny mpanjakan’i Isiraely ao amin’ny 1 Samoela 9–10 sy 16 (jereo indrindra indrindra ny 9:15–17; 10:1–12; 16:1–13). Tadiavo ireo andinin-tsoratra masina izay manampy anao hahatakatra ny dikan’ny hoe “voantson’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny faminaniana” ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo ankehitriny (Fanekem-pinoana 1:5). Azonao atao ny mametraka ny tenanao eo amin’ny toeran’ilay mpitarika manolotra ilay antso (Samoela), ilay olona nantsoina hoe (Saoly sy Davida), ary ireo olona izay nantsoina hanompo (ny Isiraelita). Inona no ianaranao avy amin’ny zavatra nolazain’izy ireo sy nataon’izy ireo ao amin’ireo toko ireo?

I Samoela manosotra an’i Saoly

Sary maneho an’i Samoela manosotra an’i Saoly, nataon’i P. Mann, © Lifeway Collection/nahazoana fahazoan-dalana avy amin’ny goodsalt.com

1 Samoela 13:5–1415

“Ny [mankatò] no tsara noho ny fanatitra.”

Rehefa dinihina dia toa saro-kenatra i Saoly ao amin’ny 1 Samoela 10, saingy mahagaga ny mamaky momba ny “[fihodinany]” sy ny “ditra[ny]” taorian’ny nahalasa mpanjaka azy (1 Samoela 15:23). Nahoana no nitranga izany araka ny eritreritrao? Inona avy ireo toetra sy fitondrantena hitanao ao amin’ny 1 Samoela 13:5–14 ka nitarika ny fahalavoany?

Hamaky momba ny didy iray avy amin’ny Tompo izay tsy nankatoavin’i Saoly ianao ao amin’ny 1 Samoela 15, satria nihevitra izy fa nanana antony tsara tsy hankatoavana izany. Mba hianarana zavatra avy amin’ny safidy tsy mahasoa nataon’i Saoly dia jereo ny andininy 22 ary ireo teny hoe “fanatitra” sy “saboran’ondrilahy” dia soloy amin’ireo zavatra izay toa tsara nefa tsy manan-danja noho ny fihainoana sy fankatoavana ny Tompo. Inona no fitahiana voarainao rehefa nametraka ny sitrapon’ny Tompo ho lohalaharana teo amin’ny fiainanao ianao?

1 Samoela 16:6–12

sary famantarana ny seminera
“Jehovah kosa mijery ny fo.”

Efa nandray fanapahan-kevitra nifototra tamin’ny “endrika ivelan’” ny zavatra iray na olona iray ve ianao ka tonga saina avy eo fa diso ianao? Mety nihinana zavatra izay tsy tsara tahaka ny endriny ianao. Na mety nitsara olona iray tsy araka ny tokony ho izy ianao.

Rehefa nitady mpanjaka vaovao ho an’i Isiraely i Samoela dia nampianatra azy fomba tsaratsara kokoa ny Tompo. Vakio izany ao amin’ny 1 Samoela 16:6–7, ary hevero ny hanao lisitra ireo fomba hitsaran’ny olona ny hafa “amin’ny miseho ivelany.” Afaka mahita ohatra vitsivitsy ianao ao amin’ny hafatry ny Loholona Christophe G. Giraud-Carrier mitondra ny lohateny hoe “Zanany isika” (Liahona, nôv. 2023, 114–16). Inona no dikan’ny hoe mijery “ny fo” tahaka ny ataon’ny Tompo? (1 Samoela 16:7). Afaka mahita ohatra momba izany koa ianao ao amin’ny hafatry ny Loholona Giraud-Carrier. Azonao atao angamba ny mieritreritra fotoana hafa izay tsy nijeren’ny Mpamonjy ny endriky ny olona iray tety ivelany. (Jereo ohatra ny Marka 12:41–44; Lioka 5:1–11; 19:1–9; Jaona 4:5–30; Mosesy 6:31–36.) Inona no zavatra ianaranao avy amin’ireo ohatra ireo?

Ahoana no ahafahanao manaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy mahakasika ny fomba hijerenao ny hafa sy ny tenanao? Inona no mety ho fiantraikan’ny fanaovana izany eo amin’ny fifaneraseranao amin’ny hafa? Hevero ny hilaza amin’ny olona iray ny momba ny hatsaran-toetra hitanao ao am-pon’izy ireo.

Jereo koa ny Ulisses Soares, “Mpirahalahy sy mpirahavavy ao amin’i Kristy,” Liahona, nôv. 2023, 70–73.

Mba hahitana fampahalalana misimisy kokoa, dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Liahona sy ny Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.

sary famantarana ny fizarana ho an’ny ankizy

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

1 Samoela 8

I Jesoa Kristy no Mpanjakako.

  • Eo am-pamakianao miaraka amin’ny zanakao ny 1 Samoela 8 dia ampio izy ireo hitady ireo antony nilazan’i Samoela tamin’ny Isiraelita fa tsy hevitra tsara ny fananana mpanjaka. Nahoana no tsara kokoa ny manana an’i Jesoa Kristy ho Mpanjakantsika? Azonareo atao angamba ny miara-manamboatra satro-boninahitra taratasy ka mifandimby manao izany sady mizara zavatra azontsika atao mba hampisehoana fa tiantsika ho Mpanjakantsika i Jesoa. (Jereo koa ny Jeremia 23:5; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:59.)

1 Samoela 8:6; 9:15–17; 10:1–24; 16:1–13

Ny olona izay manompo ao amin’ny Fiangonana dia nantsoin’ Andriamanitra.

  • Ny tantaran’ny fisafidianan’ Andriamanitra an’i Saoly sy i Davida ho mpanjaka dia afaka manampy ny zanakao hahatakatra ny fomba fiantsoana olona hanompo ao amin’ny Fiangonana ankehitriny amin’ny alalan’ny fanambarana. Mba hampianarana azy ireo ireo tantara ireo dia azonao soratana amin’ny taratasy ireo zava-nitranga avy ao amin’ireo tantara ireo, ary afaka mametraka izany araka ny filaharany marina ireo zanakao rehefa miara-mamaky ireo andinin-tsoratra masina ianareo (jereo koa ny “Davida zazalahy” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha, 110–11). Avy eo dia azonao atao ny miresaka momba ireo fotoana izay nanomezan’ Andriamanitra anao hery ara-panahy hanatanterahana asa na antso iray (jereo ny 1 Samoela 10:9–10).

    1:16

    Young David

  • Mety ho fotoana tsara hampianarana ny zanakao ny fanekem-pinoana fahadimy koa izany. Lazao azy ireo ny fomba nandraisanao ny antsonao tao amin’ny Fiangonana. Ahoana no ahafantaranao fa nantsoin’ Andriamanitra ianao?

I Samoela manosotra an’i Davida ho mpanjaka

The Prophet Samuel Anoints David to Be King of Israel in Bethlehem [Nanosotra an’i Davida ho Mpanjakan’i Isiraely tao Betlehema ny Mpaminany Samoela], nataon’i Balage Balogh

1 Samoela 16:1–13

Mijery ny fo ny Tompo.

  • Ny lesona ampiasana zavatra azo tsapain-tanana dia afaka manampy ny zanakao hahatakatra ilay fitsipika ao amin’ny 1 Samoela 16:7. Ohatra, azonao ampisehoana sakafo vitsivitsy na boky voafono amin’ny fonony izay tsy mifanaraka amin’ny tena ao anatiny izy ireo. Inona no ambaran’ny 1 Samoela 16:7 na io lesona nampiasana zavatra azo tsapain-tanana io momba ny fomba tokony hijerentsika ny tenantsika sy ny olona hafa? Mihirà hira iray izay manantitrantitra an’io fitsipika io, toy ny “MifankatiavaBokin-kiran’ny ankizy,, 74).

    Mampiasà lesona ampiasana zavatra azo tsapain-tanana. Rehefa manana zavatra hojerena sy hokasihina mifandray amin’ny fitsipiky ny filazantsara iray ny zanakao dia ho mora kokoa amin’izy ireo ny mitadidy izany. Ohatra, eo am-pamakianao miaraka amin’izy ireo ny 1 Samoela 16:7, dia azonao atao ny mamela azy ireo hanampy anao hahita ohatra ana zavatra mamitaka ny maso mba hanehoana ny hevitry ny hoe tokony hiezaka ny hijery toy ny fomba fijerin’ny Tompo isika, amin’ny alalan’ny fijerena “ny fo”, fa tsy amin’ny alalan’ny fitsarana mifototra amin’ny “endrika ivelany.”

  • Afaka mizara zavatra niainana izay nianaranareo ny antony tokony “[hijerenareo] ny fo” fa tsy ny “endrika ivelany” fotsiny ianao sy ny zanakao (andininy 7). Azonareo atao koa ny mifandimby mifampiresaka momba ireo toetra tsara hitanareo ao am-pon’ny tsirairay avy aminareo.

Mba hahitana fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

Miresaka amin’i Saoly i Samoela

Samuel Instructing Saul [I Samoela manome torolalana an’i Saoly), nataon’i Ted Henninger

Pejin’ny sahanasa ho an’ny Kilonga: Mijery ny fo ny Tompo