Avia, hanaraka Ahy
25–31 mey. “Ary Jehovah nanangana mpamonjy”: Mpitsara 2–4; 6–8; 13–16


“25–31 mey. -Ary Jehovah nanangana mpamonjy-: Mpitsara 2–4; 6–8; 13–16,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Testamenta Taloha 2026 (2026)

“25–31 mey. -Ary Jehovah nanangana mpamonjy,-” Avia, hanaraka Ahy: Testamenta Taloha 2026

I Debora ilay mpaminanivavy

“I Will Surely Go with Thee”—Deborah the Prophetess [“Handeha hiaraka aminao ihany aho”—I Debora ilay mpaminanivavy], nataon’i Des Leavitt

25–31 mey: “Ary Jehovah nanangana mpamonjy”

Mpitsara 2–4; 6–8; 13–16

Isika rehetra dia mahafantatra hoe manao ahoana izany manota izany, sy malahelo noho izany, ary avy eo dia mibebaka sy manapa-kevitra ny hanova ny fombantsika. Saingy matetika loatra isika no manadino ny fanapahan-kevitra noraisintsika teo aloha, ka rehefa tonga ny fakam-panahy dia mamerina manao izany fahotana izany indray isika. Io toe-javatra io dia miseho matetika ao amin’ny bokin’ny Mpitsara. Ny Isiraelita, rehefa voataonan’ireo zavatra inoan’ny Kananita sy ireo fombafombam-pivavahan’ny Kananita, izay tokony ho noteren’izy ireo hivoaka ilay tany raha ny tokony ho izy, dia nandika ny fanekempihavanana nataony tamin’ny Tompo ary tsy nitsaoka Azy intsony. Vokatr’izany dia tsy nahazo ny fiarovany intsony izy ireo ka dia lasa babo. Kanefa isaky ny nitranga izany, dia nomen’ny Tompo fahafahana hibebaka sy hanangana mpamonjy indray ireo vahoakan’ny fanekempihavanany, izay mpitari-tafika nantsoina hoe “mpitsara.” Tsy olo-marina daholo akory ny mpitsara rehetra ao amin’ny bokin’ny Mpitsara, fa ny sasany tamin’izy ireo kosa dia nampihatra finoana lehibe tamin’ny fanafahana ny zanak’i Isiraely sy ny famerenana azy ireo tao anatin’ny fifandraisana mifono fanekempihavanana tamin’ny Tompo. Ireo tantara ireo dia mampahatsiahy antsika fa na inona na inona nampivily lalana antsika hiala amin’i Kristy, dia Izy no Mpanavotra an’i Isiraely ary vonona hatrany hanafaka antsika sy handray antsika rehefa hiverina Aminy isika.

Mba hahitana topimaso momba ny bokin’ny Mpitsara dia jereo ny “Mpitsara, Bokin’ny” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina.

sary famantarana ny fandalinana

Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana

Mpitsara 2:1–19; 3:5–12

Mamela ahy ny Tompo isaky ny mibebaka aho.

Ny bokin’ny Mpitsara dia sady afaka ny ho mpitondra fampitandremana no ho mpitondra fampaherezana. Tadiavo io fampitandremana sy fampaherezana io eo am-pamakianao ny Mpitsara 2:1–19; 3:5–12. Ahoana no ahatsapanao fa miantefa aminao ilay fampitandremana sy fampaherezana?

Ohatra, raha toa ka momba anao sy ny fakam-panahy mahazo anao ny ao amin’ny Mpitsara 2:19 fa tsy momba ireo Isiraelita fahiny dia inona no mety holazain’izany? Raha toa ka mikasika ny zavatra nataon’ny Tompo mba hanafahana anao ny Mpitsara 3:9, dia inona no mety holazain’izany?

Hevero ny hamaky ilay fanontaniana sy valiny ao amin’ny pejy 9 ao amin’ny Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy. Ahoana no ahatsapanao fa miantefa amin’ny zavatra niainan’ny Isiraelita ao amin’ny bokin’ny Mpitsara izany? Inona no ampianarin’izany anao momba an’i Jesoa Kristy?

Mpitsara 4:1–15

sary famantarana ny seminera
Afaka mitaona ny hafa hanana finoana ny Tompo aho.

Indraindray ny finoan’ny olona iray dia afaka ny hisy fiantraikany eo amin’ny finoan’ny olona maro hafa. Ao amin’ny Mpitsara 4, izany olona iray izany dia i Debora. Vakio ny momba azy ao amin’ny Mpitsara 4:1–15, ary diniho ny hery mitarika izay nananany teo amin’ny olona nanodidina azy. Ireto misy fanontaniana vitsivitsy hanampiana anao handinika ny fomba azo ampiharana ny zavatra niainany eo amin’ny fiainanao:

  • Ahoana no hamaritanao ireo toe-javatra niainan’ny Isiraelita tamin’izany fotoana izany? (jereo ny andininy 1–3). Inona avy ireo zavatra mitovy amin’ireo toe-javatra iainan’ny isam-batan’olona sy ny fiarahamonina ankehitriny hitanao ao anatin’izany?

  • Inona avy ireo teny nolazain’i Debora na zavatra nataony izay maneho aminao fa nino ny Tompo izy? Inona no fiantraikan’ny finoany teo amin’ny hafa? Inona koa ny zavatra manaitra anao mikasika azy?

  • Inona araka ny hevitrao no tian’i Debora holazaina tamin’ny alalan’ilay fanontaniany ao amin’ny andininy 14 hoe: “Tsy mivoaka eo anoloanao va Jehovah?” Ahoana no fomba “[handehanan’ny] Tompo” eo alohanao? (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:87–88).

zatovovavy miara-mandeha an-tongotra

Saintsaino ny fomba ahafahan’ny finoanao an’i Jesoa Kristy mitahy ny hafa amin’ny fomba nitahian’ny finoan’i Debora an’i Baraka sy ireo Isiraelita hafa. Mba hanampiana anao hieritreritra momba izany dia azonao atao ny mandalina ny hafatry ny Loholona Neil L. Andersen hoe “Miresaka an’i Kristy isika” (Liahona, nôv. 2020, 88–91). Karohy ny hafatra momba (1) ny antony hiresahana misimisy kokoa momba ny Mpamonjy sy (2) ny fomba hanaovana izany.

Avy eo dia azonao atao ny manao lisitra an’ireo zavatra fantatrao momba an’i Jesoa Kristy, avy ao amin’ny soratra masina, avy amin’ny tenin’ireo mpaminany velona, ary avy amin’ny zavatra niainanao manokana. Iza no mila mahafantatra izany? Ahoana no hizaranao izany?

Jereo koa ny Matio 5:14–16; 1 Petera 3:15; “Chaque être qui nous ennoblit,” Cantiques, no. 187.

Asao mba hizara. Raha toa ianao ka mpampianatra ao an-trano na any am-piangonana dia omeo fahafahana ireo mpianatra “hifampizara izay zavatra ianarany momba ny Mpamonjy sy ny filazantsarany. Ny fanaovana izany dia hanampy azy ireo hampihatra amin’ny tenany ny fahamarinana izay ampianarina azy ireo ary haneho izany” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy26). Ohatra, rehefa miara-mandalina ny Mpitsara 4 ianareo dia azonao omena zavatra manokana hotadiavina ao amin’ilay toko ny mpianatra tsirairay ary asao izy ireo avy eo hifampizara ny zavatra hitany.

Mpitsara 6–8

Afaka manao fahagagana ny Tompo rehefa matoky ny fombany aho.

Eo am-pamakianao ny Mpitsara 6–8, dia mariho ireo fotoana nangatahan’ny Tompo an’i Gideona mba hino zavatra izay mety ho toa tsy azo antenaina hiseho. Efa nangataka zavatra mitovy amin’izany taminao ve Izy?

Inona no tsapanao fa ezahin’ny Tompo ampianarina anao ao amin’io tantara io? Ahoana no nahitanao ny Tompo nanao ny asany tamin’ny fomba izay toa tsy azo antenaina ny hahatanteraka azy?

Mpitsara 13–16

Mampatanjaka ahy Andriamanitra rehefa mahatoky amin’ireo fanekempihavanako aho.

Very ny tanjak’i Samsona ara-batana sy ny tanjany ara-panahy satria nandika ny fanekempihavanana nataony tamin’ Andriamanitra izy, tafiditra tao anatin’izany ireo fanekempihavanana niantefa manokana tamin’ny Nazirita (mba hahalalana momba ny Nazirita, dia jereo ny Nomery 6:1–6; Mpitsara 13:7). Rehefa mamaky momba an’i Samsona ao amin’ny Mpitsara 13–16 ianao dia diniho ireo andininy izay mampiseho fa niaraka tamin’i Samsona ny Tompo, ary koa ireo andininy izay mampiseho fa tsy nanolo-tena tanteraka tamin’ny Tompo i Samsona.

Azonao atao ihany koa ny misaintsaina ireo fanekempihavanana nataonao tamin’ny Tompo. Ahoana no nitondran’ireo fanekempihavanana ireo ny heriny teo amin’ny fiainanao? Inona no ianaranao avy amin’ny zavatra niainan’i Samsona ka mitaona anao hitoetra ho mahatoky amin’ireo fanekempihavanana nataonao tamin’ Andriamanitra?

Nampianatra Rahavavy Ann M. Dibb hoe: “Teraka niaraka tamin’ny fananana hery anaty lehibe i Samsona. Nampanantenaina ny reniny fa -izy no hanomboka hamonjy ny Isiraely amin’ny tànan’ny Filistina- [Mpitsara 13:5]. Kanefa rehefa nihalehibe i Samsona dia nanaraka kokoa ny fakam-panahin’izao tontolo izao fa tsy ny fitarihan’ Andriamanitra. Nanao safidy izy noho ny hoe -izy ireny ihany no mahafinaritra azy- [Mpitsara 14:3] fa tsy noho ny hoe safidy tsara ireny safidy ireny. Nampiasain’ny soratra masina matetika ny teny hoe -dia nidina izy- [Mpitsara 14:7] rehefa nilaza mikasika ny fiainan’i Samsona sy ny zavatra nataony ary ny safidy nataony. Raha tokony hitsangana sy hamirapiratra i Samsona mba hampiasa ilay hery anaty lehibe nananany dia resin’ny fisarihan’izao tontolo izao izy, ka very ny hery nomen’ Andriamanitra azy ary maty tao anatin’ny fahatanorany tamin’ny fomba mampalahelo izy (“Mitsangàna ary mamirapirata,” Liahona, mey 2012, 118).

Jereo koa ny Dallin H. Oaks, “Fanekempihavanana sy andraikitra,” Liahona, mey 2024, 93–96; Ulisses Soares, “Fitokiana amin’ny fanekempihavanana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy,” Liahona, mey 2024, 17–21.

sary famantarana ny fizarana ho an’ny ankizy

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

Satria alahady voalohan’ny volana ny alahady ho avy izao dia amporisihana ireo mpampianatra ao amin’ny Kilonga mba hampiasa ireo sahanasa amin’ny fianarana ao amin’ny “Tovana B: Manomana ny ankizy hijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanan’ Andriamanitra mandritra ny androm-piainany.”

Mpitsara 3:7–9, 12–15

I Jesoa Kristy no Mpanafaka ahy.

  • Ny Mpitsara 3 dia mamaritra lamina iray izay mampianatra momba ny hery ananan’ny Mpamonjy hanafahana antsika amin’ny fahotana. Mba hanampiana ny zanakao hamantatra io lamina io dia azonao atao ny manoratra ireto andian-teny ireto: “nanao ratsy,” “nitaraina tamin’i Jehovah,” ary “nanangana mpamonjy.” Avy eo dia azon’ny zanakao atao ny mitady ireo andian-teny ireo ao amin’ny Mpitsara 3:7–9 sy ny Mpitsara 3:12–15. Inona no ianarantsika momba ny Tompo avy amin’io fomba fisehoan-javatra io?

  • Mba hanamafisana fa i Jesoa Kristy no Mpanafaka antsika, dia azonao atao ny manangona sarin’olona maromaro, anisan’izany ny sarin’i Jesoa, ary ahohokao izy ireo. Avelao ny zanakao hifandimby hamadika ireo sary. Rehefa mahita ny sarin’i Jesoa izy ireo dia mihirà hira iray momba Azy, toy ny “Nalefany ny Zanany” (Bokin-kiran’ny ankizy, 20–21), ary lazao amin’ny zanakao ny fomba nanafahany anao.

Mpitsara 4:1–15

Afaka mitaona ny hafa hanana finoana ny Tompo aho.

  • Azonao ampiasaina ny “Debora mpaminany vavy” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha, 92–95, mba hitantarana ny tantara ao amin’ny Mpitsara 4. Ifampizarao ny zavatra ankafizinareo momba an’i Debora. Ahoana no nitahian’ny finoany ny Tompo ny olona manodidina azy? Inona no azontsika atao mba hanampiana ny hafa hanam-pinoana bebe koa an’i Jesoa Kristy?

    2:9

    Deborah the Prophetess

Mpitsara 7:1–21

Afaka mampiasa zavatra madinika ny Tompo mba hanaovana asa lehibe.

  • Ampiasao ny Mpitsara 7:4–7, na ny pejin’ny sahanasa ho an’ity herinandro ity, na ny “Ny miaramilan’i Gideona” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha, 96–99, mba hampianarana ny zanakao momba ny fomba nampihenan’ny Tompo ny tafik’i Isiraely. Nahoana no tian’ny Tompo ho kely toy izany ny tafik’i Gideona? (jereo ny Mpitsara 7:2).

    2:37

    The Army of Gideon

  • Azon’ny zanakao atao ny manao sarina sabatra, ampinga, anjomara, fanilo, ary siny ary resaho hoe inona amin’ireo zavatra ireo no tian’izy ireo hananana mandritra ny ady. Avy eo izy ireo dia afaka mamaky ny Mpitsara 7:16 mba hahafantarana ny zavatra nasain’ny Tompo nampiasain’ny tafik’i Gideona. Rehefa mamaky momba ny ady ao amin’ny Mpitsara 7:19–21 ianareo dia ifampizarao ny zavatra nianaranareo momba ny Tompo avy amin’io tantara io.

I Samsona mandrodana ny andrin’ny tempoly

Samson Puts Down the Pillars (Mandrodana ireo andry i Samsona), nataon’i James Tissot sy olona hafa

Mpitsara 13:5

Manome hery ahy ny fitandremana ireo fanekempihavanana.

  • Nanome tanjaka ara-batana an’i Samsona ny fanekempihavanana nataony tamin’ny Tompo, tahaka ny hanomezan’ny fanekempihavanantsika antsika hery ara-panahy. Mety ho ankafizin’ny zanakao ny hanao fampihetseham-batana kely sy hiresadresaka ny fomba ahafahan’ireo fampihetseham-batana ireo manampy ny vatantsika hatanjaka. Nahoana no mampatanjaka ny fanahintsika ny fitandremana ny fanekempihavanana nataontsika? (jereo ny Môzià 18:8–10; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:77, 79).

Mba hahitana fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

ireo mpikambana ao amin’ny tafik’i Gideona mitsoka an’ireo anjomarany

Gideon’s Army [Ny tafik’i Gideona], nataon’i Daniel A. Lewis

Pejin’ny sahanasa ho an’ny Kilonga: Afaka mampiasa zavatra madinika ny Tompo mba hanaovana asa lehibe