Avia, hanaraka Ahy
Zavatra tokony hotadidina: Ireo boky mirakitra tantara ao amin’ny Testamenta Taloha


“Zavatra tokony hotadidina: Ireo boky mirakitra tantara ao amin’ny Testamenta Taloha,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Testamenta Taloha 2026 (2026)

“ Ireo boky mirakitra tantara ao amin’ny Testamenta Taloha,” Avia, hanaraka Ahy: Testamenta Taloha 2026

sary famantarana ny eritreritra

Zavatra tokony hotadidina

Ireo boky mirakitra tantara ao amin’ny Testamenta Taloha

Ny bokin’i Josoa hatrany amin’ny bokin’i Estera dia fantatra hatrizay amin’ny hoe ireo “boky mirakitra tantara” ao amin’ny Testamenta Taloha. Izany dia tsy midika hoe tsy manana lanja ara-tantara ireo boky hafa ao amin’ny Testamenta Taloha. Fa nantsoina toy izany ireo boky mirakitra tantara satria ny tena tanjon’ireo mpanoratra azy ireo dia ny hampiseho ny fiasan’ny tanan’ Andriamanitra teo amin’ny tantaran’ny vahoakan’i Isiraely. Ny tanjona dia tsy ny hampisongadina ny lalàn’i Mosesy toy ny nataon’ny Levitikosy sy Deoteronomia. Tsy ny hidera na hitaraina amin’ny fomba miendrika tononkalo toy ny nataon’ny Salamo sy ny Fitomaniana. Ary tsy hirakitra ny tenin’ireo mpaminany toy ny nataon’ny bokin’i Isaia sy ny bokin’i Ezekiela. Fa mitantara tantara kosa ireo boky mirakitra tantara.

Fomba fijery iray

Mazava ho azy fa ireo tantara ireo dia tantaraina avy amina karazana fomba fijery. Toy ny tsy ahafahana mahita iray manontolo avy eo amin’ny zoro iray ny voninkazo iray na vatolampy iray na hazo iray, dia tsy azo ihodivirana koa fa ny tantara iray dia tantaraina avy amin’ny fomba fijerin’ilay olona na vondron’olona nanoratra azy. Io fomba fijery io dia misy ifandraisany amin’ny firenena na ny foko niavian’ireo mpanoratra sy ireo fombafombany ara-kolontsaina ary ireo zavatra inoan’izy ireo. Ny fahafantarana izany dia afaka manampy antsika hahatakatra fa ireo mpanoratra sy mpanangona ireo boky mirakitra tantara dia nifantoka tamina antsipirian-javatra vitsivitsy ary nanajanona ny ambiny. Naneho petra-kevitra izay mety tsy ho nataon’ny hafa izy ireo. Ary nisintona fehin-kevitra nifototra tamin’ireo antsipirian-javatra sy petra-kevitra ireo izy ireo. Afaka mahita fomba fijery samihafa aza isika manerana ireo boky ao amin’ny Baiboly (ary indraindray ao anatin’ny boky iray ihany izany). Arakaraka ny ahalalantsika bebe kokoa ny momba ireo fomba fijery ireo no ahafahantsika mahatakatra tsara kokoa ireo boky mirakitra tantara.

Ny fomba fijery iraisan’ireo boky mirakitra tantara rehetra ao amin’ny Testamenta Taloha dia ilay fomba fijery ny zanak’i Isiraely, ny vahoakan’ny fanekempihavanan’ Andriamanitra. Ny finoan’izy ireo ny Tompo dia nanampy azy ireo hahita ny fiasan’ny tanany teo amin’ny fiainan’izy ireo sy ny raharaham-pirenen’izy ireo. Ny boky mirakitra tantara tsy ara-pivavahana dia tsy mirona amin’ny fananana fomba fijery toy izany, fa io fomba fijery ara-panahy io kosa no anisan’ny maha-tena sarobidy ireo boky mirakitra tantara ao amin’ny Testamenta Taloha ho an’ny olona izay mikatsaka ny hanorina ny finoan’izy ireo manokana ao amin’ Andriamanitra.

Sahan-kevitry ny ambin’ny Testamenta Taloha

Ireo boky mirakitra tantara dia manomboka ao amin’ny fiafaran’ny bokin’ny Deoteronomia izay ahitana ny fanakaikezan’ny fiafaran’ireo taona nampirenireny an’ireo Isiraelita tany an-tany efitra. Ny bokin’i Josoa dia mampiseho ny fahavononan’ny zanak’i Isiraely hiditra an’i Kanana, ilay tany nampanantenaina ho azy ireo, ary manazava ny fomba niandraiketan’izy ireo izany. Ireo boky manaraka, ny Mpitsara hatramin’ny 2 Tantara dia mitantara ny zavatra niainan’i Isiraely tany amin’ny tany nampanantenaina, nanomboka tamin’ny fotoana nipetrahan’izy ireo tao hatramin’ny fotoana namaboan’i Asyria sy i Babylona azy ireo. Ny bokin’i Ezra sy Nehemia dia miresaka mikasika ny fiverenan’ireo vondron’olona Isiraelita maro tany Jerosalema renivohitr’izy ireo am-polo taona maro taty aoriana. Farany, ny bokin’i Estera dia mitantara ny tantaran’ireo Isiraelita natao sesitany teo ambanin’ny fitondrana Persiana.

Ary eo no mifarana ny fifanesen-java-miseho ao amin’ny Testamenta Taloha. Ny sasany amin’ireo namaky ny Baiboly vao voalohany dia gaga noho ny fahitana fa efa nahavita ny famakiana ny tantara ao amin’ny Testamenta Taloha sahady izy ireo mialoha ny namakian’izy ireo ny antsasaky ny boky mahery. Aorian’i Estera dia tsy dia mahita fampahalalana be loatra mikasika ny tantaran’ireo Isiraelita isika. Saingy ireo boky aorian’izany, indrindra fa ireo bokin’ireo mpaminany, dia mifanaraka amin’ny fifanesen-java-miseho izay nasehon’ireo boky mirakitra tantara. Ny asa fanompoana nataon’ny mpaminany Jeremia ohatra dia nitranga nandritra ireo zava-niseho voarakitra ao amin’ny 2 Mpanjaka 22–25 (ary ny tantara mifanindran-dalana amin’izany ao amin’ny 2 Tantara 34–36). Ny fahafantarana izany dia afaka ny hisy fiantraikany eo amin’ny famakianao ireo fitantarana tantara sy ireo bokin’ny mpaminany.

Rehefa misy zavatra tsy mifanaraka

Rehefa mamaky ny Testamenta Taloha, toy ireny mamaky tantara ireny ihany, dia mety tena hamaky mikasika ny zavatra nataon’ny olona na zavatra nolazain’ny olona ianao, izay raha amin’izao fotoana izao, dia toy ny hafahafa na mampikorontan-tsaina mihitsy aza. Tokony hiomana amin’izao isika: ireo mpanoratra tao amin’ny Testamenta Taloha dia nijery an’izao tontolo izao tamin’ny fomba fijery izay azo lazaina hoe tsy mitovy amin’ny fomba fijerintsika ihany. Ny herisetra, ny fifandraisan’ny foko ary ny anjara asan’ny vehivavy dia sasantsasany fotsiny ihany tamin’ireo olana izay mety tsy mitovy amin’ny fahitantsika izany amin’izao fotoana izao ny fahitan’ireo mpanoratra fahiny azy.

Noho izany, inona no tokony hataontsika rehefa sendra andinin-tsoratra masina toa mampikorontan-tsaina isika? Voalohany, mety manampy ny mandinika ny andinin-tsoratra masina tsirairay ao anatin’ny sahan-kevitra mivelatra kokoa. Aiza ho aiza ny toerana tokony hisy izany ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ny famonjena? Aiza ho aiza no tokony hisy izany ao anatin’ny zavatra izay fantatrao mikasika ny toetoetran’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy? Aiza ho aiza no tokony hisy izany ao anatin’ireo fahamarinana nambara ao anatin’ireo soratra masina hafa na ao anatin’ireo fampianaran’ireo mpaminany velona? Ary aiza ho aiza no tokony hisy izany manoloana ireo bitsika avy amin’ny Fanahy izay voarainao ao am-ponao sy ao an-tsainao?

Indraindray dia mety toa tsy mifanaraka mihitsy amin’ireo rehetra ireo ilay andinin-tsoratra masina. Indraindray ilay andinin-tsoratra masina dia mety ho toy ny singa iray amin’ny piozila izay toy ny tsy hita ny toerana tokony hisy azy eo anivon’ireo singa efa natambatambatrao. Tsy ny fanandramana manery ilay singa iray mba ho tafiditra no fomba fiasa tena tsara. Ary tsy mety koa ny fanajanonana ny fampitambarana ilay piozila iray manontolo. Fa mety ilainao kosa ny tsy mikitika ilay singa iray mandritra ny fotoana fohy. Rehefa mianatra bebe kokoa ianao ary manambatra piozila misimisy kokoa dia afaka ny hahita tsara kokoa ny fomba fitambaran’ireo singa.

Izany koa dia afaka manampy mba hahatsiarovana fa ankoatra ny tsy fananana afa-tsy fomba fijery manokana izay voafetra ihany, dia mety misy fahadisoana amin’ny maha-olombelona koa ao anatin’ireo tantara ao amin’ny soratra masina. Ohatra, nandritra ny taonjato maro dia “maro ireo zavatra tsotra sy sarobidy nesorina avy tao anatin’ny [Baiboly],” tafiditra ao anatin’izany ireo fahamarinana manan-danja mikasika ny fotopampianarana sy ireo ôrdônansy ary ireo fanekempihavanana (1 Nefia 13:28; jereo koa ny andininy 26, 29, 40). Isika koa dia tokony ho vonona ny hiaiky fa voafetra ny fomba fijerintsika manokana. Hisy foana zavatra izay tsy takatsika tanteraka ary fanontaniana izay mbola tsy voavalintsika.

olona iray manambatra piozila

Ireo andinin-tsoratra masina sasany dia mety ho toy ireo singa mandrafitra ny piozila iray izay tsy haintsika ny mampifandray azy ireo amin’ny ambin’ilay piozila.

Mitady ireo vatosoa

Ao anatin’izany fotoana izany anefa, ireo fanontaniana tsy voavaly dia tsy tokony hanakana antsika tsy hahita ireo vatosoan’ny fahamarinana mandrakizay izay hita ao amin’ny Testamenta Taloha, na dia matetika aza ireo vatosoa ireo no miafina any anatin’ny tany vatovatoin’ireo zava-tsarotra iainana sy ireo safidy tsy mahasoa nataon’ireo olona tsy lavorary. Ny tena sarobidy amin’ireo vatosoa ireo dia ireo tantara sy ireo andininy izay mijoro ho vavolombelona momba ny fitiavan’ Andriamanitra, indrindra fa ireo izay mampitodika ny saintsika any amin’ny sorona nataon’i Jesoa Kristy. Na avy aiza na avy aiza hijerena ireo vatosoa ireo dia mitovy ny famirapiratan’izy ireo na androany na tamin’izany fotoana izany. Ary noho ireo tantara ireo miresaka mikasika ny vahoakan’ny fanekempihavanan’ Andriamanitra, izay lehilahy sy vehivavy nanana fahalemena amin’ny maha-olombelona nefa nitia sy nanompo ny Tompo, dia feno fahamarinana sarobidy ao anatin’ireo boky mirakitra tantara ao amin’ny Testamenta Taloha ireo.

vatosoa

Fanamarihana

  1. Ireo fitantarana tantara ao amin’ny Baiboly izay eo am-pelatanantsika amin’izao fotoana izao amin’ny ankapobeny dia asan’ny mpanoratra sy mpanangona asa soratra tsy fantatra anarana, izay indraindray niasa nandritra ny taona maro, na taonjato maro mihitsy aza, taorian’ireo vanim-potoana nofaritan’izy ireo. Niantehitra tamina loharano ara-tantara isan-karazany izy ireo, ary nanapa-kevitra ny amin’izay tokony hampidirina sy tokony hoesorina ao amin’ny tantaran’izy ireo.

  2. Ohatra, na dia mahafaoka ny vanim-potoana mitovitovy amin’ny 1 Samoela 31 hatramin’ny faran’ny 2 Mpanjaka aza ny 1–2 Tantara, ny tantara ao amin’ny 1–2 Tantara dia manantitrantitra antsipirian-javatra samihafa ary maneho fomba fijery hafa, saika mifantoka fotsiny ihany amin’ny Fanjakann’i Joda tany Atsimo ary matetika izy no mandingana ny tantara ratsy momba an’i Davida sy i Solomona (ampitahao, ohatra ny 2 Samoela 10–12 sy ny 1 Tantara 19–20, ary ny 1 Mpanjaka 10–11 sy ny 2 Tantara 9). Ny Avia, hanaraka Ahy dia manamafy ny fandalinana ny tantara ao amin’ny 1 Mpanjaka sy ny 2 Mpanjaka na dia misy lanjany aza ny fampitahana izany tantara izany amin’ny 1 Tantara sy ny 2 Tantara. Mety hanampy ny fahafantarana fa ny asa firaketana ny 1 Samoela hatramin’ny 2 Mpanjaka dia angamba nanomboka talohan’ny famaboan’ny fanjakana Babyloniana an’i Joda ary vita nandritra ny sesitany tany Babylona. Ilay rakitsoratra izay lasa 1Tantara sy 2 Tantara tetsy ankilany, dia voatambatra taorian’ny fiverenan’ny Jiosy tany Jerosalema rehefa avy natao sesitany. Rehefa mamaky ianao dia afaka mandinika ny fiantraikan’ireo toe-javatra samihafa ireo teo amin’ny fomba fijerin’ireo mpanangona an’ireo tantara samihafa.

  3. Any am-piandohan’ity boky ity ianao dia hahita ny “Topimaso momba ny Testamenta Taloha izay fifanesen-java-miseho mampiseho ny toerana nisy ny asa fanompoan’ireo mpaminany tsirairay ao amin’ny tantaran’i Isiraely (sy ny fahafahana mamaritra izany koa). Ho tsikaritrao fa ny ankamaroan’ny bokin’ireo mpaminany ao amin’ny Testamenta Taloha dia mitranga any amin’ny faramparan’izany fifanesen-java-miseho izany, tena mialoha kely ary aoriana kelin’ny namaboana sy nanaovana sesitany ny zanak’i Isiraely ary nampielezan’ny fahavalony azy ireo.

  4. Jereo ny Fanekem-pinoana 1:8.