Avia, hanaraka Ahy
27 aprily–3 mey. “Hamasinina ho an’i Jehovah”: Eksodosy 35–40; Levitikosy 1; 4; 16; 19


“27 aprily–3 mey. -Hamasinina ho an’i Jehovah-: Eksodosy 35–40; Levitikosy 1; 4; 16; 19,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Testamenta Taloha 2026 (2026)

“27 aprily–3 mey. -Hamasinina ho an’i Jehovah,-” Avia, hanaraka Ahy: Testamenta Taloha 2026

Tempolin’i Rio de Janeiro, Brésil

Tempolin’i Rio de Janeiro, Brésil

27 aprily–3 mey: “Hamasinina ho an’i Jehovah”

Eksodosy 35–40; Levitikosy 1; 4; 1619

Ny fialana tany Egypta, na dia tena nanan-danja aza, dia tsy nahatontosa tanteraka ny tanjon’ Andriamanitra ho an’ny zanak’i Isiraely. Ary na ny fananana fiainana milamina tsara tany amin’ny tany nampanantenaina aza dia tsy tanjon’ Andriamanitra faratampony ho azy ireo. Ireny dia dingana narahina fotsiny ihany nankany amin’izay tena tian’ Andriamanitra ho an’ny vahoakany: “Aoka ho masina hianareo, satria masina Aho, Jehovah Andriamanitrareo” (Levitikosy 19:2). Inona no drafitra nataon’ Andriamanitra mba hahatonga ny vahoakany ho masina taorian’ny naha-babo azy ireo tao anatin’ny fifandimbiasan-taranaka maro? Nandidy azy ireo Izy mba hamorona toeran’ny fahamasinana iray any an-tany foana, dia ny tabernakely izany. Nomeny fanekempihavanana sy lalàna izy ireo mba hitarika azy ireo amin’izay ataony sy mba hampiova ny fon’izy ireo. Ary nodidiny izy ireo hanao sorona biby mba hampianarana azy ireo momba ny sorompanavotana noho ny fahotan’izy ireo. Izany rehetra izany dia natao mba hampitodihana ny sainy sy ny fony ary ny fiainan’izy ireo mankany amin’ny Mpamonjy. Izy no lalana marina mankany amin’ny fahamasinana ho an’ny Isiraelita sy ho antsika. Samy efa tao anatin’ny fambaboan’ny fahotana avokoa isika, ary asaina daholo isika mba handao ny fahotana ary hanaraka an’i Jesoa Kristy, izay nampanantena hoe “haiko ny hahatonga anareo ho masina” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60:7).

Raha hanao topimaso ny bokin’ny Levitikosy, dia jereo ny “Levitikosy” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina.

sary famantarana ny fandalinana

Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana

Eksodosy 35–40; Levitikosy 19

sary famantarana ny seminera
Tian’ny Tompo ho lasa masina aho.

Ny Eksodosy 35–40 dia manoritsoritra ny ezaky ny Isiraelita hanangana tabernakely iray, ka ny ôrdônansy masina atao ao dia hanampy azy ireo ho lasa vahoaka masina. Eo am-pamakianao ireo toko ireo dia tadiavo ireo zavatra nasain’ny Tompo napetraky ny vahoakany ao amin’ny tabernakely. Mety maneho inona ireo zavatra ireo? Inona no atolotr’izy ireo anao momba ny fitomboana fahamasinana? Diniho indrindra indrindra ny fomba hampitodihan’ireo zavatra ireo ny eritreritrao any amin’ny Mpamonjy. Mety hanampy anao ny tabilao tahaka ity:

Inona no zavatra hitanao?

Mety maneho inona izany?

Inona no zavatra hitanao?

Fiaran’ny fanekena (Eksodosy 37: 1–9; 40:20–21)

Mety maneho inona izany?

(Jereo ny Eksodosy 25:20–22; Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fiaran’ny fanekena”)

Inona no zavatra hitanao?

Alitara fandorana ditin-kazo manitra (Eksodosy 40: 26–27; jereo koa ny Eksodosy 30:1, 6–8)

Mety maneho inona izany?

(Jereo ny Apokalypsy 8:3–4)

Inona no zavatra hitanao?

Fanaovan-jiro (Eksodosy 37:17–24)

Mety maneho inona izany?

(Jereo ny Matio 5:14–16; Jaona 8:12)

Inona no zavatra hitanao?

Alitara fanaovana sorona (Eksodosy 38: 1–7; jereo koa ny Eksodosy 27:1; 29:10–14)

Mety maneho inona izany?

(Jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Sorona”)

Inona no zavatra hitanao?

Tavy (koveta) fanasiana rano (Eksodosy 30:17–21

Mety maneho inona izany?

(Jereo ny 2 Tantara 4:6; Isaia 1:16; Jeremia 33:8).

Mazava ho azy fa tsy mahatonga antsika ho masina ny fitoerana fotsiny ao amin’ny toerana masina. Ny Levitikosy 19 dia mamariparitra ireo lalàna sy didy nomen’ny Tompo mba hanampiana ireo Isiraelita hitombo fahamasinana. Inona no hitanao ao amin’ireo didy ireo izay afaka manampy anao hikatsaka fahamasinana avy amin’ny Tompo? Inona no tsapanao fa tokony hataonao mba hiainanao feno kokoa ireo fitsipika ireo?

Jereo koa ny Henry B. Eyring, “Fahamasinana sy ny drafitry ny fahasambarana,” Liahona, nôv. 2019, 100–103.

7:19

The Tabernacle

Mampiasà hira masina. Manana hery lehibe hanasana ny fitaoman’ny Fanahy sy hanorina finoana an’i Jesoa Kristy ny hira. Matetika no afaka manamafy ireo fotopampianarana ao amin’ny soratra masina ireo hafatra ao amin’ny hira anaty fihirana. Ohatra, ny fihirana hira toy ny “Ah, donne-moi, Père” (Cantiques, lah. 70) dia afaka manamafy ny sasany amin’ireo hafatra nampianarina tao amin’ny Levitikosy 19. Afaka manampy anao hieritreritra ny dikan’ny hoe lasa masina kokoa toy ny Mpamonjy ihany koa izany ary hisaintsaina ny fomba hanampiany anao hitombo fahamasinana.

Eksodosy 35:4–35; 36:1–7

Mangataka ahy ny Tompo hanao ny fanatitro amin’ny foko manontolo.

Tao anatin’ilay taona taorian’ny nandaozana an’i Egypta dia azo faritana hoe niovaova ny fifandraisan’ny zanak’i Isiraely tamin’i Jehovah. Kanefa rehefa mamaky ao amin’ny Eksodosy 35:4–35 sy 36:1–7 ianao dia jereo ny fihetsika nasetrin’ny Isiraelita an’ilay didy mba hanangana tabernakely. Inona no zavatra ianaranao avy amin’ny Isiraelita izay afaka manampy anao hanompo ny Tompo amin’ny fomba tsara kokoa?

Mety tsy hangataka anao hanome metaly sarobidy na rongony fotsy madinika na hazo ho an’ny tabernakely Izy. Inona no efa nomen’ny Tompo anao, ary inona no asainy atolotrao? Oviana no “nampahazotoin’ny fon[ao anao] … [hanao asa]”?

Jereo koa ny Sujets et questions, “Sacrifice,” Médiathèque de l’Évangile.

Isiraelita manangona fanatitra ho an’ny tabernakely

Nanome fanatitra ho an’ny tabernakely avy amin’ny fo (Eksodosy 35:5) ny zanak’i Isiraely. Sary fanehoana nataon’i Corbert Gauthier, © Lifeway Collection/nahazoana fahazoan-dalana avy amin’ny goodsalt.com

Eksodosy 40:12–14

Efa nomena tamin’ny andro fahiny ireo ôrdônansin’ny tempoly.

Ny Eksodosy 40:12–14 dia milazalaza momba ireo ôrdônansy fahiny izay tanterahina koa amin’izao androntsika izao ao amin’ny tranon’ny Tompo. Ireto misy andininy vitsivitsy fanampiny izay afaka manampy anao hianatra momba ny fomba ijoroan’ireo ôrdônansy ireo ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy:

  • Fanasana: Salamo 51:2; Ezekiela 36:25–27

  • Fitafiana ny garmenta masina: Isaia 61:10; Matio 22:11–14; Apokalypsy 19:7–8

  • Fanosorana: Lioka 4:18–19; Asan’ny Apostoly 10:38

Levitikosy 1:1–9; 416

Noho ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia afaka ny ho voavela heloka aho.

Zavatra maro ao amin’ny bokin’i Levitikosy no mety ho toy ny hafahafa amintsika toy ny hoe fanaovana sorona biby, fombafomba hampiasana ra sy rano, ary lalàna mifehy ireo antsipirian-javatra madinika eo amin’ny fiainana. Ireo fombafomba sy lalàna ireo anefa dia natao mba hampianarana fitsipika tsy zovina: ny fibebahana, ny fahamasinana, ary ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy. Mba hahitana ireo fitsipika ireo rehefa mamaky ny Levitikosy 1:1–9; 416 ianao dia hevero ny hametraka fanontaniana toy ireto:

  • Inona ireo teny na andian-teny hitako izay mampahatsiahy ahy an’i Jesoa Kristy sy ny sorompanavotany?

  • Inona no ianarako momba ny sorompanavotan’ny Mpamonjy avy amin’ireo sorona ireo?

  • Inona no mampitovy ahy amin’ireo olona nanao ireo sorona ireo?

Tsy mitaky fanaovana sorona biby intsony ny Tompo. Saingy ny sorona dia mbola fitsipika manan-danja ao amin’ny filazantsara. Mba hahafantarana ireo karazana sorona takin’ny Tompo dia halalino ny 3 Nefia 9:19–20; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:34. Amin’ny fomba ahoana no hanateranao ireo karazana sorona ireo? Inona no ampianarin’ny Mosesy 5:7 anao momba ny tokony ho fomba fijerinao ny sorona ataonao?

Jereo koa ny “Zavatra tokony hotadidina: Ny tabernakely sy ny sorona.”

sary famantarana ny fizarana ho an’ny ankizy

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

Eksodosy 35:20–29; 36:1

Nanome fanomezam-pahasoavana ahy Andriamanitra mba hoentina manampy amin’ny asany.

  • Any amin’ny faran’ity rindran-damina ity dia misy sarin’ny tabernakelin’ny Isiraelita tany an-tany foana. Mety hahaliana anao ny hijery izany miaraka amin’ny zanakao dia anontanio azy ireo hoe inona avy ireo fitaovana mety nilaina mba hanorenana ny tabernakely. Avy eo dia azonareo atao ny miara-mamaky ny Eksodosy 35:20–29 mba hahitana ny fomba nanomezana ireo fitaovana ireo. Tamin’ny fomba ahoana no nanasan’ny Tompo antsika mba handray anjara amin’ny fanorenana ny fanjakany?

  • Hevero ny hamaky miaraka amin’izy ireo ny Eksodosy 36:1 mba hahitana ny zavatra nomen’ny Tompo an’i Bezalila sy i Oholiaba mba hanampiana amin’ny fanorenana ny tabernakely. Azonao atao avy eo ny miresaka amin’ny zanakao momba ny zavatra tsapanao fa nomen’ny Tompo azy ireo mba hanampiana amin’ny fananganana ny fanjakany. Ahoana no ahafahantsika mampiasa ireo zavatra ireo hitahiana ny hafa?

Tempolin’i Rome Italie

Tempolin’i Rome Italie

Eksodosy 40:17–34

Afaka mahatsapa ny fanatrehan’ Andriamanitra aho any amin’ny toerana masina.

  • Ny Eksodosy 40:17–34 dia mitanisa ireo zavatra izay nandrafitra ny tabernakelin’ny Isiraelita. Angamba afaka mitady izany ao amin’ireo andininy ireo ianao sy ny zanakao ary eo amin’ny sarin’ny tabernakely any amin’ny faran’ity rindran-damina ity. Resaho ny fomba ahafahan’ny zavatra tsirairay mandrafitra ny tabernakely mampianatra momba ny Mpamonjy sy ny Ray any An-danitra. Ohatra, ny fiaran’ny Vavolombelona dia mety hampahatsiahy antsika ireo didin’ Andriamanitra, ny alitara dia mety hampahatsiahy antsika ny sorona nataon’i Jesoa Kristy sy ny sisa.

  • Inona avy ireo toerana masina ananantsika ankehitriny izay manampy antsika hahatsapa ho akaiky kokoa an’i Jesoa Kristy? Ifampizarao ny zavatra tsapanareo momba ny toerana masina toy ny tempoly.

5:41

What Is a Temple?

Levitikosy 1:1–4

Noho ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia afaka ny ho voavela heloka aho.

  • Ny sorona biby voafaritra ao amin’ny Testamenta Taloha dia natao mba hampianatra ny zanak’i Isiraely momba ny famelan-keloka amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Eritrereto ny fomba ahafahan’ny famakiana momba ireo sorona ireo mitondra fampianarana toy izany ho an’ny zanakao. Azonao atao ny mampiseho ny sarin’i Jesoa Kristy tao Getsemane sy teo amin’ny hazofijaliana (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 5657) eo am-pamakianao miaraka amin’ny ankizy ny Levitikosy 1:1–4. Ampio izy ireo hitady teny na andian-teny izay mampahatsiahy azy ireo ny sorona nataon’i Jesoa Kristy.

  • Azonareo atao ihany koa ny miara-mamaky ny 3 Nefia 9:19–20 mba hahitana ny zavatra nandidiana antsika mba hatao sorona ho solon’ny biby. Inona no dikan’ny hoe manolotra fo torotoro sy fanahy manenina ho an’ny Tompo? Jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fo torotoro” (Médiathèque de l’Évangile) mba hanampiana amin’ny famaliana io fanontaniana io.

Mba hahitana fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

tabernakely fahiny

The Ancient Tabernacle [Ilay Tabernakely fahiny], nataon’i Bradley Clark

Pejin’ny sahanasa ho an’ny Kilonga: Afaka mahatsapa ny fanatrehan’ Andriamanitra aho any amin’ny toerana masina