“4–10 mey. -Aza mihodina amin’i Jehovah hianareo, ary aza matahotra-: Nomery 11–14; 20–24; 27,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Testamenta Taloha 2026 (2026)
“4–10 mey. -Aza mihodina amin’i Jehovah hianareo, ary aza matahotra,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Testamenta Taloha 2026
Tany efitra akaikin’ny Saikinosin’i Sinay
4–10 Mey: “Aza mihodina amin’i Jehovah hianareo, ary aza matahotra”
Nomery 11–14; 20–24; 27
Na dia natao dia an-tongotra aza, dia tsy ho naharitra 40 taona izany ny nandeha avy any amin’ny tany foanan’i Sinay nankany amin’ny tany nampanantenaina tao Kanana. Fa izay no faharetan’ny fotoana nilain’ny zanak’i Isiraely, tsy hoe fotoana handiavana ilay halavirana ara-jeografika fa handiavana ilay halavirana ara-panahy: ilay halavirana manelanelana ny maha-izy azy ireo sy izay ho mety hahatongavan’izy ireo amin’ny maha-olon’ny fanekempihavanan’ Andriamanitra azy ireo.
Mitantara ny sasany tamin’ireo zavatra nitranga nandritra ireo 40 taona ireo ny bokin’ny Nomery, anisan’izany ireo lesona nilain’ny zanak’i Isiraely nianarana talohan’ny nidirany ny tany nampanantenaina. Nianatra mikasika ny fitoerana ho mahatoky amin’ireo mpanompon’ny Tompo izy ireo (jereo ny Nomery 12). Nianatra mikasika ny fahatokiana ny herin’ny Tompo izy ireo, na dia rehefa toa nahakivy aza ny hoavy (jereo ny Nomery 13–14). Ary nianatra izy ireo fa ny tsy fananana finoana dia miteraka fahasimbana ara-panahy, saingy afaka mibebaka sy mitodika any amin’ny Mpamonjy izy ireo mba hahazo fahasitranana (jereo ny Nomery 21:4–9).
Lafin-javatra maro no mampitovy antsika amin’ny Isiraelita. Fantatsika ny hoe manao ahoana izany any an-tany foana ara-panahy izany, ary ny lesona izay nianaran’izy ireo dia afaka manampy antsika hiomana hiditra ao amin’ny tany nampanantenaina antsika: dia ny fiainana mandrakizay miaraka amin’ny Ray any An-danitra.
Raha hanao topimaso ny bokin’ny Nomery, dia jereo ny “Nomery” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina.
Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana
Nomery 11:11–17, 24–29; 12
Afaka mahazo fanambarana daholo ny rehetra, fa ny Fiangonan’ Andriamanitra kosa dia tarihiny amin’ny alalan’ny mpaminaniny.
Jereo ao amin’ny Nomery 11:11–17, 24–29 ny olana natrehan’i Mosesy sy ny vahaolana naroson’ Andriamanitra. Inona araka ny hevitrao no tian’i Mosesy nolazaina rehefa nilaza izy hoe “enga anie ka ho mpaminany avokoa ny olon’i Jehovah rehetra”? (andininy 29). Rehefa misaintsaina io fanontaniana io ianao dia tadiavo izay mety ho valin’izany ao amin’ny hafatry ny Filoha Russell M. Nelson hoe “Fanambarana ho an’ny Fiangonana, fanambarana ho an’ny fiainantsika” (Liahona, mey 2018, 93–96).
Ny filazana fa afaka mandray fanambarana avokoa isika rehetra nefa dia tsy midika fa afaka mitarika ny vahoakan’ Andriamanitra araka ny fomba nanaovan’i Mosesy izany isika rehetra. Manazava tsara izany ilay zavatra nitranga ao amin’ny Nomery 12. Inona avy ireo fampitandremana hitanao ao amin’io toko io? Inona no tsapanao fa tian’ny Tompo ho takatrao momba ny fanambarana ho an’ny tena manokana sy ny fanarahana ny mpaminaniny?
Jereo koa ny 1 Nefia 10:17; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28:1–7; Dallin H. Oaks, “Lalam-pifandraisana roa,” Liahona, nôv. 2010, 83–86.
Mifantoha amin’ny zavatra manan-danja indrindra. Ny olona sasany dia sahiran-tsaina amin’ireo sosokevitra momba ny famakiana isan-kerinandro ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy. Araho ny Fanahy rehefa mandinika ireo rindran-damina ianao. Eritrereto ny zavatra ilainao manokana sy ny zavatra ilain’ireo olona ampianarinao. Ny fahatakarana sy ny fampiharana tanteraka fitsipika iray iray ao anatin’ny herinandro iray dia mety hanampy kokoa noho ny famakiana toko maromaro fotsiny ihany.
Nomery 12:3
“Ary Mosesy dia lehilahy nalemy fanahy.”
Ny olona sasany dia gaga raha nahafantatra fa i Mosesy, ilay mpitarika mahery izay nijoro teo anoloan’i Farao ary nanatanteraka fahagagana mahatalanjona tamin’ny herin’ny Tompo, dia “nalemy fanahy” koa (Nomery 12:3). Inona no dikan’ny hoe malemy fanahy? Hevero ny handalina ny fanazavana nentin’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny hafany hoe “Malemy fanahy sy mietry am-po” (Liahona, mey 2018, 30–33) na ao amin’ny “Halemem-panahy” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina (scriptures.ChurchofJesusChrist.org).
Inona no ianaranao avy amin’ny ohatra ahitana ny halemem-panahy nasehon’i Mosesy ao amin’ny Eksodosy 18:13–25; Nomery 11:26–29; Nomery 12; Hebreo 11:24–27; ary Mosesy 1:10–11? Azonao atao koa ny mandalina ny fomba nanehoan’ny Mpamonjy halemem-panahy (jereo ny Matio 11:29; 27:11–14; Lioka 22:41–42; Jaona 13:4–5). Inona no ampianarin’ireo ohatra ireo anao?
Nomery 13–14
Afaka ny hanana fanantenana ny amin’ny hoavy aho miaraka amin’ny finoana ny Tompo.
Eo am-pamakianao ny Nomery 13–14, dia andramo apetraka eo amin’ny toeran’ny Isiraelita ny tenanao. Nahoana izy ireo araka ny eritreritrao no naniry ny “[h]iverina ho any Egypta”? (Nomery 14:3). Ahoana no hamaritanao ilay “fanahy” hafa izay tao amin’i Kaleba? (Nomery 14:24). Inona no nanaitra anao mikasika ny finoan’i Kaleba sy i Josoa, ary ahoana no azonao ampiharana ny ohatra nasehon’izy ireo eo amin’ireo toe-javatra izay iainanao?
Natahotra ny folo tamin’ireo Isiraelita mpisafo tany; nanam-pinoana i Josoa sy i Kaleba. Joshua and Caleb: Obedient Spies [I Josoa sy i Kaleba: Mpitsikilo mpankatò], nataon’i Douglas Klauba. © Lifeway Collection/nahazoana fahazoan-dalana avy tao amin’ny goodsalt.com
Nomery 21:4–9
Raha mitodika any amin’i Jesoa Kristy amim-pinoana aho dia afaka manasitrana ahy ara-panahy Izy.
Nahafantatra ilay tantara hita ao amin’ny Nomery 21:4–9 ireo mpaminany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ary nahatakatra ny lanjan’izany ara-panahy. Vakio ny fampianaran’izy ireo momba io tantara io ao amin’ny 1 Nefia 17:40–41; Almà 33:18–22; ary Helamàna 8:13–15. Ireto misy fanontaniana vitsivitsy mba hosaintsainina eo am-pamakianao izany:
-
Mety maneho inona ilay menarana varahina?
-
Mety maneho inona ireo kaikitry ny menarana?
-
Tsy maintsy “nijery ilay menarana varahina” (Nomery 21:9) ny Isiraelita mba hahasitranany. Nahoana araka ny eritreritrao no nandà tsy hijery izany ny olona sasantsasany? Moa ve misy zavatra mitovitovy amin’izany mitranga aminao?
-
Inona no tsapanao fa tokony hataonao mba “hiandrandra [feno kokoa] ny Zanak’ Andriamanitra amin’ny finoana” ka ho sitrana? (Helamàna 8:15).
Ny famakiana ireo andinin-tsoratra masina ireo dia mety hampahatsiahy anao ireo fotoana hafa ao amin’ny soratra masina rehefa nila nifantoka tamin’i Kristy ny olona. Ohatra, ampitahao ny hafatra ao amin’ny Nomery 21:4–9 sy ny ao amin’ny Matio 14:25–31 ary ny 1 Nefia 8:24–28 (jereo koa ireo sary any amin’ny faran’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity). Inona no mampirona antsika hanalavitra an’i Kristy? Ahoana no hitahiany ireo olona izay mifantoka Aminy?
Jereo ihany koa ny “O Jésus quand je pense à toi” (Cantiques, no. 76).
Nomery 22–24
Afaka manaraka ny sitrapon’ Andriamanitra aho na dia miezaka mandresy lahatra ahy tsy hanao izany aza ny hafa.
Rehefa fantatr’i Balaka mpanjakan’i Moaba fa nihananatona ny Isiraelita dia nampiantso an’i Balama izay lehilahy malaza amin’ny fanomezana tsodrano sy ozona izy. Tian’i Balaka hanozona ny Isiraelita izy. Jereo ny fomba niezahan’i Balaka nandresy lahatra an’i Balama (jereo ny Nomery 22:5–7, 15–17), ary eritrereto ireo fakam-panahy izay mety atrehinao mba hanoherana ny sitrapon’ Andriamanitra. Inona no manaitra anao mikasika ny valintenin’i Balama ao amin’ny Nomery 22:18, 38; 23:8, 12, 26; 24:13? Indrisy fa nilefitra tamin’ny tsindry natao azy i Balama nony farany ka namadika an’i Isiraely (jereo ny Nomery 31:16; Joda 1:11). Saintsaino ny fomba ahafahanao mijanona ho mahatoky amin’ny Tompo na dia eo aza ny tsindry avy amin’ny hafa.
Hevitra enti-mampianatra ny ankizy
Nomery 11:4–10
Afaka ny ho feno fankasitrahana aho noho ny zavatra nomen’ Andriamanitra ahy.
-
Anontanio ny zanakao raha toa izy ireo ka mahatadidy ny sasany amin’ireo fahagagana nataon’ny Tompo mba hanampiana ny Isiraelita (jereo ny “Ireo loza tany Egypta” sy “Ny Paska” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha, 67–74). Avy eo dia azonao fintinina ho azy ireo ny Nomery 11:4–10, ka manamafy fa hadinon’ireo Isiraelita ireo fitahiana azony ary nimonomonona izy ireo. Inona avy ireo fitahiana izay hadinontsika indraindray?
-
Rehefa mihira na mihaino hira iray momba ny fankasitrahana ianareo, toy ny “Isao ireo fitahiana” (Fihirana sy Hiran’ny Ankizy, lah. 16) dia afaka manao ny sarin’ireo fitahiana nomen’ny Tompo azy ireo ny zanakao.
Nomery 12
Tian’ny Tompo hanaraka ny mpaminaniny aho.
-
Mba hampidirana ny Nomery 12, dia azonao lazaina amin’ny zanakao fa tsy faly tamin’i Arona sy i Miriama, izay rahalahin’i Mosesy sy anabavin’i Mosesy, ny Tompo. Asao izy ireo hamaky ny Nomery 12:1–8 mba hahafantarana ny antony. Azonao atao ny mampiasa ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara mba hanampiana ny zanakao hahita ohatra momba ireo olona ao amin’ny soratra masina izay nanaja ny mpaminanin’ny Tompo ka voatahy. Inona no fitahiana azontsika rehefa manaraka ny mpaminanin’ny Tompo isika?
Nomery 21:6–9
Afaka mitodika any amin’i Jesoa Kristy aho.
-
Azonao ampiasaina ny “Mosesy sy ny menarana varahina” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha, 83–84, mba hanampiana ny zanakao hahafantatra ny zava-nitranga tao amin’ny Nomery: 21:6–9. Amin’ny fomba ahoana no itovian’ilay menarana varahina amin’i Jesoa Kristy? (jereo ny Jaona 3:14–15). Mety ho tian’ny zanakao ny hanamboatra bibilava amin’ny taratasy ary hanoratra zavatra tsotra vitsivitsy azon’izy ireo atao eo amin’zany mba “hiandrandra[na] ny Zanak’ Andriamanitra amin’ny finoana” (Helamàna 8:15).
1:2Moses and the Brass Serpent
-
Afaka misafidy iray amin’ireto soratra masina manaraka ireto ny ankizy lehibe ary mizara ny zavatra hampitomboan’izany ny fahatakaran’izy ireo ilay tantara :1 Nefia 17:41; Almà 33:18–20; Helamàna 8:13–15; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:36.
Bronze Serpent [Menarana varahina], nataon’i Brent Evans
Nomery 22–24
Afaka manaraka ny sitrapon’ Andriamanitra aho, na dia mandresy lahatra ahy tsy hanao izany aza ny hafa.
-
Fintino amin’ny zanakao ny Nomery 22:1–18, ka hamafiso ny fomba nandavan’i Balama ny hanozona ny vahoakan’ Andriamanitra, na dia notoloran’i Balaka mpanjakan’i Moaba voninahitra sy harena aza izy. Avy eo dia azonao atao ny manampy an’ireo zanakao hikaroka ireo andian-teny izay tsapan’izy ireo fa mampiseho ny fanirian’i Balama hanaraka an’ Andriamanitra ao amin’ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto: Nomery 22:18; 23:26; 24:13. Angamba mety haka andian-teny iray tian’izy ireo ny zanakao ary hanoratra izany ao amina taratasy kely mba hanampy azy ireo hahatsiaro ny hankatò ny Tompo.
Mba hahitana fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.
Ambony ankavia: Ny Fanomboana an’i Kristy. Ambony ankavanana: Moses and the Brass Serpent [I Mosesy sy ilay Menarana Varahina], nataon’i Judith Mehr. Ambany ankavia: Finisher of Faith [Mpanefa ny finoana], nataon’i Kelsy sy i Jesse Lightweave. Ambany ankavanana: Lehi’s Dream [Ny Nofin’i Lehia], nataon’i Jerry Thompson