Avia, hanaraka Ahy
Zavatra tokony hotadidina: Ny tabernakely sy ny sorona


“Zavatra tokony hotadidina: Ny tabernakely sy ny sorona,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Testamenta Taloha 2026 (2026)

“Ny tabernakely sy ny sorona,” Avia, hanaraka Ahy: Testamenta Taloha 2026

sary famantarana ny eritreritra

Zavatra tokony hotadidina

Ny tabernakely sy ny sorona

Rehefa mamaky ny Testamenta Taloha isika dia indraindray mahita andinin-tsoratra masina lava mikasika ireo zavatra izay nanan-danja mazava tsara tamin’ny Tompo, saingy mety toa tsy manan-danja avy hatrany amintsika ankehitriny. Ohatra amin’izany ny Eksodosy 25–30; 35–40 ary ny Levitikosy 1–9; 16–17. Ireo toko ireo dia mamariparitra amin’ny antsipiriany ny tabernakelin’i Isiraely tany an-tany foana sy ireo fanaovana sorona biby notanterahina tao. Ilay tabernakely dia tempoly azo nentina nifindrafindra, izay toerana nitoeran’ny Tompo teo anivon’ny olony.

Ireo tempolintsika ankehitriny dia manana zavatra itoviana amin’ny tabernakelin’i Isiraely, saingy azo antoka fa tsy mitovy amin’ny famaritana izany ao amin’ny Eksodosy izy ireo. Ary tsy mamono biby ao amin’ny tempolintsika isika. Ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy no namarana ny fanaovana sorona biby saika efa ho 2000 taona lasa izay. Na dia eo aza anefa ireo fahasamihafana ireo dia misy lanjany lehibe ankehitriny ny famakiana mikasika ireo fomba fitsaohana nataon’i Isiraely fahiny, indrindra fa raha raisintsika ho toy ny fomba nandraisan’ireo olon’ Andriamanitra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna azy izany, toy ny fomba mba “[hanamafisana] ny finoany an’i Kristy” (Almà 25:16). Rehefa takatsika ny tandindon’ny tabernakely sy ny fanaovana sorona biby, dia afaka mahazo hevi-baovao ara-panahy izay hanamafy orina ny finoantsika an’i Kristy koa isika.

Isiraelita mitondra zanak’ondry ho ao amin’ny tabernakely

Sacrifice of a Lamb [Fanaovana sorona zanak’ondry], nataon’i Robert T. Barrett

Manamafy orina ny finoana an’i Jesoa Kristy ny tabernakely

Rehefa nandidy an’i Mosesy Andriamanitra mba hanangana tabernakely tao amin’ny tobin’ny Isiraelita dia nolazainy ny tanjona hanaovana izany: “dia honina eo aminy Aho” (Eksodosy 25:8). Tao anatin’ilay tabernakely, ny fanatrehan’ Andriamanitra dia naseho ara-panoharana tamin’ny alalan’ny fiaran’ny fanekena, izay vata hazo mifono volamena, ary tao anatin’izany ny firaketana an-tsoratra ny fanekempihavanan’ Andriamanitra tamin’ny olony. Napetraka tao amin’ny efitra masina indrindra sy anatiny indrindra ilay fiara, nosarahina tamin’ny ambiny sisa tamin’ny tabernakely tamin’ny alalan’ny efitra lamba. Io voaly io dia afaka maneho ny fisarahantsika tsy ho eo anatrehan’ Andriamanitra noho ny Fahalavoana, ary koa ny lalantsika miverina any Aminy amin’ny alalan’ny Mpamonjy.

Ankoatra an’i Mosesy, dia olona iray ihany no fantatsika fa afaka niditra tao amin’izany “fitoerana masina indrindra” (Eksodosy 26:34) izany, dia ny mpisoronabe izany. Tahaka ireo mpisorona hafa, dia tsy maintsy nampandroina sy nohosorana aloha izy ary nampanaovina fitafiana masina izay tandindon’ny anjara fanompoany. Indray mandeha isan-taona, amin’ny andro iray antsoina hoe Andron’ny Fanavotana, dia manatitra sorona ho an’ny olona ilay mpisoronabe alohan’ny hidirany irery ao amin’ny tabernakely. Mandoro ditin-kazo manitra izy rehefa eo amin’ny voaly. Ilay setroka mani-pofona miakatra any an-danitra dia maneho ireo vavaky ny olona miakatra any amin’ Andriamanitra. Avy eo ilay mpisoronabe izay mitondra ra avy amin’ny biby iray natao sorona dia miditra ao anatin’ilay efitra lamba ary manatona ny seza fiandrianan’ Andriamanitra, izay asehon’ilay fiaran’ny fanekena ara-panoharana.

Noho ny fahalalanao ny zavatra fantatrao momba an’i Jesoa Kristy sy ny anjara asany ao anatin’ny drafitry ny Ray any An-danitra, dia moa ve takatrao ny fomba hampitodihan’ny tabernakely antsika amin’ny Mpamonjy? Tahaka ny nanehoan’ny tabernakely sy ilay fiara tao anatiny ara-panoharana ny fanatrehan’ Andriamanitra teo anivon’ny olony mihitsy no naha-toy ny fanatrehan’ Andriamanitra teo anivon’ny olony an’i Jesoa Kristy. Tahaka ilay mpisoronabe, i Jesoa Kristy no Mpanalalana antsika amin’ Andriamanitra Ray. Niditra ny voaly Izy mba hanao ny fanalalanana ho antsika tamin’ny alalan’ny ra avy amin’ny sorona izay nataony manokana.

Mety ho toy ny tsy zovina aminao ny lafin-javatra sasany mikasika ny tabernakelin’i Isiraely, indrindra fa raha efa tany amin’ny tempoly ianao nandray ireo ôrdônansy ho anao manokana. Tranon’ny Tompo ny tempoly, ilay fitoerany eo anivon’ny vahoakany. Tahaka ilay fitoerana masina indrindra tao amin’ny tabernakely, ny efitra selestialin’ny tempoly dia maneho ny fanatrehan’ Andriamanitra. Mba hidirana ao dia tsy maintsy sasana sy mandray fanosorana aloha isika. Manao akanjo masina isika. Manao fanekempihavanana isika. Mivavaka eo amin’ny alitara iray isika, ary avy eo amin’izany no hiakaran’ireo vavaka mankany an-danitra. Ary amin’ny farany dia miditra eo amin’ny voaly iray mankeo anatrehan’ Andriamanitra isika.

Ny fitoviana manan-danja indrindra eo amin’ny tempoly maoderina sy ilay tabernakely fahiny angamba dia ny hoe samy manamafy ny finoantsika an’i Jesoa Kristy izy ireo, raha takatra tsara araka ny tokony ho izy, ary mameno antsika fankasitrahana noho ny sorona fanavotana nataony. Tian’ Andriamanitra hiditra eo anatrehany ny zanany rehetra. “Fanjakam-pisorona” lahy sy vavy no tiany (Eksodosy 19:6) Saingy manakana antsika tsy hahazo izany fitahiana izany ny fahotantsika, satria “ny zavatra tsy madio dia tsy afaka hiara-mitoetra amin’ Andriamanitra” (1 Nefia 10:21). Noho izany Andriamanitra Ray dia nandefa an’i Jesoa Kristy, “Mpisoronabe [antsika] ny amin’ny zavatra tsara ho avy” (Hebreo 9:11). Manokatra ny voaly sy manome hery ny olon’ Andriamanitra rehetra Izy mba “hanatona ny seza fiandrianan’ny fahasoavana amin’ny fahasahiana, mba hahazoantsika famindrampo” (Hebreo 4:16).

Ankehitriny ny tanjon’ireo tempoly dia mihoatra lavitra ny fahazoana fisandratana ho an’ny tenantsika. Rehefa avy mandray ny ôrdônansintsika manokana isika ary manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra dia afaka misolo toerana ireo razambentsika, mandray ôrdônansy amin’ny alalan’ny fisoloan-tena ho azy ireo. Amin’ny lafiny iray dia afaka ny ho tonga tahaka ilay mpisoronabe fahiny isika, sy ilay Mpisoronabe Lehibe, izay manokatra ny lalana mankeo anatrehan’ Andriamanitra ho an’ny hafa.

Manamafy orina ny finoana an’i Jesoa Kristy ny fahafoizan-tena

Ny fitsipiky ny sorompanavotana sy ny fampihavanana dia ampianarina amin’ny fomba mahery vaika ao amin’ilay fomba fanao fahiny amin’ny fanaovana sorona biby, izay nisy efa hatry ny ela talohan’ny lalàn’i Mosesy. Nanolotra sorona i Adama sy i Eva. Takatr’izy ireo ny tandindon’izany amin’ny sorona nataon’ny Mpamonjy. Ary nampianariny ny zanany izany.

Ny fampiasana ny fanaovana sorona biby ho tandindona dia mety ho niteraka alahelo fatratra tamin’ny Andron’ny Fanavotana an’i Isiraely fahiny (“Yom Kippur” amin’ny teny Hebreo). Voalaza ao amin’ny Levitikosy 16:30 ny filana ny fanaovana io fombafomba fanao isan-taona io: “Amin’izany andro izany no [hanaovan’ny mpisorona] fanavotana ho anareo hanadiovana anareo, ka dia hadio ho afaka amin’ny fahotanareo rehetra eo anatrehan’i Jehovah hianareo.” Izany dia namela ny fanatrehan’ Andriamanitra hitoetra teo anivon’ny olona. Io fanavotana io dia notanterahina tamin’ny karazana fombafomba maro. Tamin’ny iray tamin’ireo dia nisy osilahy iray novonoina hatao fanatitra noho ny fahotan’ny olona, ary nentin’ilay mpisoronabe nankany amin’ny fitoerana masina indrindra ny ran’ilay osilahy. Aorian’izay ilay mpisoronabe dia mametraka ny tanany eo ambonin’ny osy velona iray ary mamboraka ny fahotan’ny zanak’i Isiraely, mamindra ara-tandindona ireo fahotana ireo ho amin’ilay osilahy. Terena hivoaka ny faritry ny tobin’i Isiraely ilay osilahy avy eo.

Ao amin’ireo fombafomba ireo dia tandindon’i Jesoa Kristy naka ny toeran’ireo olona mpanota ilay osilahy. Tsy azo avela mihitsy hitoetra eo anatrehan’ Andriamanitra ny fahotana. Kanefa raha tokony horinganina na horoahina an-tery ny mpanota, dia nanolotra fomba hafa Andriamanitra: osilahy iray no hovonoina na hoterena hiala ny faritra ho solon’izany. “Ary ho entin’ny osilahy ho any an-efitra ny helok’izy rehetra” (Levitikosy 16:22).

Ireo fombafomba ireo dia manoro ny lalana natolotr’ Andriamanitra mba hitondra antsika hiverina ho eo anatrehany, dia i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany. “Nitondra ny aretintsika [ny Mpamonjy] sady nivesatra ny fahoriantsika,” eny fa hatramin’ny “helotsika rehetra” aza (Isaia 53:4, 6). Nijoro teo amin’ny toerantsika Izy, nanolotra ny ainy hanonitra ny famaizana noho ny fahotana, ary avy eo dia nandresy ny fahafatesana tamin’ny alalan’ny Fitsanganany tamin’ny maty. Ny sorona nataon’i Jesoa Kristy no ilay “sorona lehibe sady farany; eny, tsy fanaovana sorona olona, na biby” fa “sorona tsisy fetra sady mandrakizay” (Almà 34:10). Izy no fahatanterahan’ny zavatra rehetra izay nifantohan’ireo sorona fahiny.

I Jesoa mitondra ny hazofijaliana

Noho io antony io, rehefa vita ny sorona nataony, dia hoy Izy hoe: “Tsy hanatitra fandatsahan-dra ho Ahy intsony ianareo; … ary ny fanatitrareo odorana dia hitsahatra. … Ary haterinareo ho sorona ho Ahy ny fo torotoro sy ny fanahy manenina.” (3 Nefia 9:19–20).

Noho izany rehefa mahita andinin-tsoratra masina ao amin’ny Testamenta Taloha momba ny sorona sy ny tabernakely ianao (na ny tempoly aty aoriana), ary hahita be dia be amin’izany ianao, dia tadidio fa ny tanjon’izy rehetra ireny voalohany indrindra dia ny hanamafy orina ny finoanao ny Mesia, i Jesoa Kristy. Ampifandraiso amin’ny fitsaohanao ao amin’ny tranony ny zavatra novakinao sy nianaranao. Avelao ny fonao sy ny sainao hifantoka Aminy. Saintsaino ny zavatra nataony mba hitondrana anao hiverina ho eo anatrehan’ Andriamanitra, sy ny zavatra hataonao mba hanarahana Azy.

Fanamarihana

  1. Ny Eksodosy 33:7–11 dia miresaka “trano-lay fihaonana” iray izay niresahan’i Mosesy tamin’ny Tompo, kanefa tsy io ilay toerana nanaovana ireo sorona izay tantaraina ao amin’ny Eksodosy sy Levitikosy. Ireo sorona ireo dia notanterahina tao amin’ilay tabernakely nofariparitana ao amin’ny Eksodosy 25–30, izay nodidin’ Andriamanitra mba haorin’i Mosesy sy ny zanak’i Isiraely (jereo ny Eksodosy 35–40). Io tabernakely io, izay toerana nanatanterahan’i Arona sy ireo zanany lahy ny fanaovana sorona biby, dia nantsoina matetika koa hoe “trano-lay fihaonana” (jereo ohatra ny Eksodosy 28:43; 38:30; Levitikosy 1:3).

  2. Jereo koa ny Jakôba 4:5; Jarôma 1:11.

  3. Jereo ny Eksodosy 25:10–22.

  4. Jereo ny Hebreo 9:19–20.

  5. Jereo ny Eksodosy 40:12–13.

  6. Jereo ny Eksodosy 28.

  7. Jereo ny Levitikosy 16:12.

  8. Jereo ny Salamo 141:2.

  9. Jereo ny Levitikosy 16:14–15.

  10. Jereo ny Jaona 1:14.

  11. Jereo ny Hebreo 8–10.

  12. Jereo ny Mosesy 5:4–12; jereo koa ny Genesisy 4:4.

  13. Jereo ny Môsià 15:8–9.