Avia, hanaraka Ahy
20–26 aprily. “Izay teny rehetra nolazain’i Jehovah dia hataonay”: Eksodosy 19–20; 24; 31–34


“20–26 aprily. -Izay teny rehetra nolazain’ i Jehovah dia hataonay-: Eksodosy 19–20; 24; 31–34,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Testamenta Taloha 2026 (2026)

“20–26 aprily. -Izay teny rehetra nolazain’ i Jehovah dia hataonay,-” Avia, hanaraka Ahy: Testamenta Taloha 2026

I Mosesy mitondra ireo vato fisaka misy ny Didy Folo

Moses and the Tablets |I Mosesy sy ireo vato fisaka], nataon’i Jerry Harston (ampahan-tsary)

20–26 aprily: “Izay teny rehetra nolazain’i Jehovah dia hataonay”

Eksodosy 19–2024; 31–34

Na dia nimonomonona sy niahiahy aza ny zanak’i Isiraely teo aloha, rehefa namaky ny lalàna teo am-pototry ny tendrombohitra Sinay i Mosesy, dia nanao ity fanekempihavanana ity izy ireo: “Izay rehetra nolazain’i Jehovah dia hataonay [sy hekenay]” (Eksodosy 24:7). Niantso an’i Mosesy ho eny an-tendrombohitra Andriamanitra avy eo, ka niteny azy mba hanangana tabernakely “dia honina eo aminy Aho” (Eksodosy 25:8).

Kanefa raha mbola teny an-tampon’ilay tendrombohitra i Mosesy nianatra ny fomba ahafahan’ny Isiraelita manana ny fanatrehan’ Andriamanitra eo anivon’izy ireo, ny Isiraelita kosa dia teny am-pototry ny tendrombohitra nanao sampy volamena mba hivavahana. Tsy ela akory taorian’ny nampanantenany fa “[tsy hanana] andriamani-kafa,” dia “nalaky nivily niala” tamin’ny fampanantenana nomeny izy ireo (Eksodosy 20:3; 32:8; jereo koa ny Eksodosy 24:3). Fiovana tsy nampoizina izany, saingy fantatsika avy amin’ny zavatra niainana fa indraindray ny finoana sy ny fanolorantena dia mety ho resin’ny tsy fananana faharetana, na ny tahotra, na ny ahiahy. Rehefa mikatsaka ny fanatrehan’ny Tompo isika eo amin’ny fiainantsika dia manome hery ny mahafantatra fa tsy nilavo lefona tamin’ny fanampiana an’i Isiraely fahiny ny Tompo ary tsy hilavo lefona amin’ny fanampiana antsika sy ireo olona izay tiantsika Izy, satria Izy dia “mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindram-po sy fahamarinana” (Eksodosy 34:6).

sary famantarana ny fandalinana

Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana

Eksodosy 19:3–6

Harena sarobidy ho an’ny Tompo ny vahoakan’ny fanekempihavanany.

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nampianatra hoe: “Ao amin’ny Testamenta Taloha, ny voambolana hebreo nandikana ny hoe rakitra soa dia ny segullah, izay midika hoe -fananana sarobidy,- na -harena sarobidy.- … Fandokafana tena lehibe ho antsika izany antsoin’ny mpanompon’ny Tompo hoe vahoaka izay rakitra soa ho azy izany” (“Children of the Covenant,” Ensign, May 1995, 34). Inona ny fiantraikan’ny tenin’ny Filoha Nelson eo amin’ny fomba fahatakaranao ny Eksodosy 19:3–6? Ahoana no nanehoan’ny Tompo taminao fa sarobidy aminy ianao?

Eksodosy 19:10–11, 17

Mitaky fiomanana ny fiainana zavatra masina.

Nilaza tamin’i Mosesy ny Tompo fa mila miomana ny zanak’i Isiraely mialoha ny hahafahan’izy ireo “[m]ihaona amin’ Andriamanitra” (Eksodosy 19:10–11, 17) ary sy hitandrina fanekempihavanana atao Aminy (jereo ny Eksodosy 19:5). Ahoana no fomba hiomananao hiaina zavatra ara-panahy, tafiditra ao anatin’izany ny fanasan’ny Tompo sy ireo ôrdônansin’ny tempoly? Ahoana no ahafahanao manampy ny hafa hiomana? Inona no ianaranao momba ny fiomanana ao amin’ny Lioka 6:12–13; Enôsa 1:2–6; Almà 17:2–3?

Tendrombohitra Sinay, Egypta

Io tendrombohitra iray any Egypta io dia ninoana efa hatry ny ela ho ny Tendrombohitra Sinay.

Eksodosy 20:1–17

sary famantarana ny seminera
Mitondra fitahiana ny fankatoavana ireo didin’ Andriamanitra.

Raha tafavory teny am-pototry ny Tendrombohitra Sinay ny Isiraelita dia nandre ny feon’ Andriamanitra nanome ny Didy Folo izy ireo (jereo ny Deoteronomia 4:12–13). Mazava ho azy fa tsy ireo ihany no hany didin’ Andriamanitra, misy maro hafa ao amin’ny soratra masina. Noho izany rehefa mamaky ny Eksodosy 20:1–17 ianao dia manontania tena hoe nahoana Andriamanitra no nanamafy manokana ireo folo ireo. Ity misy tabilao iray izay azonao ampiasaina rehefa misaintsaina ny lanjan’ny Didy Folo eo amin’ny fiainanao ianao:

Didy

Raha lazaina amin’ny teny hafa dia mangataka ahy ny Tompo mba …

Ireo fitahiana azo avy amin’ny fiainana io didy io

  • Ahoana no anampian’ny fitandremana ireo didy folo ireo anao hitandrina ireo didy roa lehibe izay nomen’i Jesoa ao amin’ny Matio 22:34–40?

  • Mety ho alaim-panahy hametraka inona sy inona alohan’ Andriamanitra ianao? Inona ireo fitahiana hitanao avy amin’ny fametrahana an’ Andriamanitra ho lohalaharana?

  • Ahoana no hamalianao ny olona iray izay milaza fa ny Didy Folo dia nomena taloha ela be ka tsy manan-kery amin’izao fotoana izao? Ohatra inona teo amin’ny fiainanao no hozarainao ao anatin’ny valinteninao? Inona no mety ho fiantraikan’ilay hira hoe “Oui, tes commandements” (Cantiques, no. 66) eo amin’ny fomba hanazavanao ny didin’ Andriamanitra amin’ny hafa?

  • Tamin’ny fomba ahoana no nanatanterahan’ny Tompo ny faminaniana ao amin’ny Eksodosy 20:6 teo amin’ny fiainanao?

Jereo koa ny “Le grand commandement : aimer le Seigneur,” ao amin’ny Enseignements des présidents de l’Église, Ezra Taft Benson (2014), 37–45; Dallin H. Oaks, “Tsy Manana Andriamani-kafa,” Liahona, nôv. 2013, 72–75; Lohahevitra sy fanontaniana, “Ireo didy,” Médiathèque de l’Évangile.

Eksodosy 24:1–11

Maneho ny fahavononako hankatò ny lalàn’ Andriamanitra ny fanaovako fanekempihavana.

Rehefa mamaky ny Eksodosy 24:3–8 ianao dia eritrereto ireo fanekempihavanana nataonao tamin’ Andriamanitra. Na dia ahitana fombafomba izay tsy mitovy amin’ny zavatra takin’ Andriamanitra amin’izao fotoana izao aza ny fanekempihavanana nataon’i Isiraely, dia mety hahatsikaritra fitoviana vitsivitsy ianao. Ohatra, ny andininy 4, 5, ary 8 dia miresaka alitara, fanaovana sorona biby, ary ra. Mety maneho inona ireo zavatra ireo, ary inona no ifandraisan’izy ireo amin’ny fanekempihavanana nataonao?

Eksodosy 32–34

Ny fahotana dia ny fialana amin’ Andriamanitra. Ny fibebahana dia ny fitodihana any Aminy sy ny fanalavirana ny ratsy.

Andramo apetraka eo amin’ny toeran’ny Isiraelita ny tenanao: Any an-tany foana ianao ary efa lasa nandritra ny 40 andro i Mosesy, ary ny fifanandrinana amin’ny Kananita momba ny tany nampanantenaina dia miandry anao (jereo ny Eksodosy 32:1–8). Nahoana araka ny eritreritrao no naniry hanana sampy volamena ireo Isiraelita? Inona no nanentana ny fanahinao tao anatin’ny fangatahana nataon’i Mosesy tamin’ny Tompo ao amin’ny Eksodosy 33:11–17?

Na dia goavana aza ny fahotan’ny Isiraelita, ity tantara ity dia ahitana koa hafatra momba ny famindram-pon’ Andriamanitra sy ny famelany heloka. Inona no ampianarin’ny Eksodosy 34:1–10 anao momba ny Mpamonjy? (jereo ny Eksodosy 32:30–32; Môzià 14:4–8; 15:9; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:3–5).

Eksodosy 31:13–16

Famantarana iray ny Sabata.

Nanazava ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Nandalina ireo lisitra nataon’ny olona hafa mikasika ireo zavatra atao na ireo zavatra tsy atao amin’ny andro Sabata aho tamin’ny fahatanorako. Taty aoriana aho vao nianatra avy tamin’ny soratra masina fa ny fitondrantenako sy ny fihetsiko amin’ny Sabata dia nandrafitra famantarana teo amiko sy ny Raiko any An-danitra [jereo ny Eksodosy 31:13; Ezekiela 20:12, 20]. Noho ny fahatakarana izany dia tsy nila ny lisitr’ireo zavatra atao sy tsy atao intsony aho. Rehefa nila nandray fanapahan-kevitra aho momba ny hoe mety sa tsy mety amin’ny Sabata ny zavatra atao iray dia nanontany fotsiny aho hoe, -Inona no famantarana tiako homena an’ Andriamanitra?- Izany fanontaniana izany dia nahatonga ireo safidy nataoko mikasika ny andro Sabata ho mazava tsara” (“Fahafinaretana ny Sabata,” Liahona, mey 2015, 130). Saintsaino izay famantarana tianao homena an’ Andriamanitra amin’ny fanajanao ny Sabata.

Eksodosy 34:1–4

Inona no tsy nampitovy ireo vato fisaka roa izay nataon’i Mosesy?

Rehefa nidina avy teny an-tendrombohitra i Mosesy dia nentiny ny lalàna izay voasoratra teo amin’ireo vato fisaka. Rehefa hitany fa nandika ny fanekempihavanana nataon’izy ireo ny Isiraelita dia novakiny ireo vato fisaka (jereo ny Eksodosy 31:18; 32:19). Taty aoriana dia nandidy an’i Mosesy Andriamanitra hanamboatra vato fisaka hafa ka hiverina hitondra izany any amin’ilay tendrombohitra (jereo ny Eksodosy 34:1–4). Ny Dikantenin’i Joseph Smith, Eksodosy 34:1–2 (ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina) dia manazava fa ireo vato fisaka voalohany dia nahitana ireo ôrdônansin’ny “lamina masin’” Andriamanitra, na ny Fisoronana Melkizedeka. Ireo vato fisaka faharoa dia nahitana “ny lalàn’ny didy ara-nofo.” Lalàna ambany kokoa notantanan’ny “fisoronana ambany” izany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:17–27), izay natao mba hanomanana ny Isiraelita amin’ny lalàna ambony kokoa sy ny fisoronana ambony mba hahafahan’izy ireo miditra eo anatrehan’ Andriamanitra.

Mba hahitana fampahalalana bebe kokoa, dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Liahona sy ny Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.

sary famantarana ny fizarana ho an’ny ankizy

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

Eksodosy 20:3–17

Manome didy ahy Andriamanitra satria tiany ho sambatra aho.

  • Ahoana no ahafahanao manao ny fianarana momba ny Didy Folo ho zavatra mahafinaritra ho an’ny zanakao? Rehefa miara-mamaky ny Eksodosy 20:3–17 ianareo dia avelao ny zanakao hanampy anao hitady na hanao sary mba hanehoana ny tsirairay amin’ireo Didy Folo. Avy eo dia afaka mifandimby misafidy sary iray ny zanakao ary miresaka momba ny fomba ahafahan’izy ireo miaina izany didy izany. Ifampizarao ny fomba hitondran’ny fiainana izany didy izany fahasambarana ho anareo.

  • Ianareo koa dia afaka mihira hira iray toy ny “Hajao ireo didy” (Bokin-kiran’ny ankizy, 68). Ampio ny zanakao hitady teny ao amin’ilay hira izay mampianatra azy ireo ny antony hitiavan’ Andriamanitra ny hitandremantsika ny didiny.

Rehefa mizara zavatra niainana ara-panahy ny ankizy dia mitombo ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo. Mety hamporisika ny zanakao hizara ny zavatra tsapany momba ny Mpamonjy sy ny fomba nitahian’ny fiainana ny filazantsara azy ireo ny fanontaniana apetrakao (jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy32). Rehefa manao izany izy ireo dia mizara fijoroana ho vavolombelona. Diniho ny fomba ahafahanao manao izany rehefa mifanakalo hevitra momba ireo fitahiana izay azo avy amin’ny fiainana ny Didy Folo ianareo.

Eksodosy 20:12

Tian’ny Tompo hanaja ireo ray aman-dreniko aho.

  • Ampio ny zanakao hianatra ilay andian-teny hoe “Manajà ny rainao sy ny reninao” (Eksodosy 20:12). Mety ho tianao ny hanazava fa ny hoe “manaja” olona iray dia mety midika hoe maneho fanajana azy na mitondra fifaliana ho azy. Inona no nataon’i Jesoa mba hanajany ny reniny tety an-tany sy ny Rainy any An-danitra? (jereo ny Lioka 2:48–51; Jaona 19:26–27). Azon’ny zanakao atao angamba ny mifandimby milalao an-tsehatra ireo zavatra azony atao mba hanajana ny ray aman-dreniny, ary ny ankizy hafa kosa mamantatra ilay zavatra ataony.

Eksodosy 31:13, 16–17

Ny fanajana ny Sabata dia marika famantarana ny fitiavako ny Tompo.

  • Mety ho tian’ny zanakao ny hijery karazana famantarana, toy ny marika famantarana eny amin’ny arabe na marika famantarana eo amin’ny trano iray. Inona no tanjon’ireo marika famantarana? Avy eo ny zanakao dia afaka mitady ny teny hoe “famantarana” ao amin’ny Eksodosy 31:13, 16–17. Inona no nolazain’ny Tompo fa famantarana eo amintsika sy eo Aminy? Ifampizarao ny fomba sasany hanaovanao sy ny fianakavianao ezaka mba hanehoana ny fitiavanareo ny Tompo amin’ny andro Sabata.

I Mosesy mihazona ny Didy Folo

Sary fanehoana an’i Mosesy mihazona ny Didy Folo, nataon’i Sam Lawlor (ampahan-tsary)

Eksodosy 32:1–8, 19–24; 34:6–7

Tsy “[h]ivily [h]iala” amin’ny lalan’ Andriamanitra aho.

  • Hevero ny hampiasa ny “Mosesy eo amin’ny tendrombohitra Sinay” (ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha, 77–82) mba hanampiana ny zanakao hianatra ny tantara ao amin’ny Eksodosy 32:1–8, 19–24. Nahoana no fahadisoana ho an’ny Isiraelita ny nanompo sampy fa tsy nitsaoka an’ Andriamanitra?

    2:55

    Moses on Mount Sinai

  • Mety hahafinaritra ny mamorona lalana eo amin’ny tany (na mitadiava iray eo akaikin’ny tranonao) mba hanehoana ireto teny avy ao amin’ny Eksodosy 32:8 ireto: “Nalaky nivily niala tamin’ny làlana … izy.” Eo am-pandehanana eo amin’ilay lalana dia azon’ny zanakao atao ny miresaka momba ireo fakam-panahy atrehintsika izay mitarika antsika hivily hiala amin’ Andriamanitra. Inona no manampy antsika hitoetra eo amin’ny lalan’ Andriamanitra, ary hiverina eo amin’izany raha toa ka efa nivily lalana isika? (jereo ny Eksodosy 34:6–7).

Mba hahitana fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

I Mosesy nanipy teo amin’ny tany ireo Didy Folo

Worship of the Calf [Fivavahana tamin’ilay ombilahy kely], nataon’i W. C. Simmonds

Pejin’ny sahanasa ho an’ny Kilonga: Manome didy ahy Andriamanitra satria tiany ho sambatra aho