Avia, hanaraka Ahy
6–12 aprily. “Tsarovy izao andro izao, izay nivoahanareo avy tany Egypta”: Eksodosy 7–13


“6–12 aprily. -Tsarovy izao andro izao, izay nivoahanareo avy tany Egypta-: Eksodosy 7–13” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Taloha 2026 (2026)

“6–12 aprily. -Tsarovy izao andro izao, izay nivoahanareo avy tany Egypta,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Taloha 2026

I Mosesy sy i Arona tao an-dapan’i Farao

Sarin’i Mosesy sy i Arona tao an-dapan’i Farao, nataon’i Robert T. Barrett

6–12 aprily: “Tsarovy izao andro izao, izay nivoahanareo avy tany Egypta”

Eksodosy 7–13

Nisy loza nisesy nampahory an’i Egypta, saingy mbola nandà ny hamotsotra ny Isiraelita ihany i Farao. Na izany aza dia nampiseho ny heriny hatrany Andriamanitra ary nanome an’i Farao fahafahana hanaiky “fa Izaho no Jehovah” ary “tsy misy tahaka Ahy amin’ny tany rehetra” (Eksodosy 7:5; 9:14). Nandritra izany fotoana izany i Mosesy sy ny Isiraelita dia nijery tamim-pahatalanjonana ireo fanehoana ny herin’ Andriamanitra ireo ho azy ireo. Azo antoka fa ireo famantarana nitohy ireo dia nanamafy ny finoan’izy ireo an’ Andriamanitra sy nanamafy ny fahavononan’izy ireo hanaraka ny mpaminanin’ Andriamanitra. Avy eo, rehefa tsy nahavita nanafaka ny Isiraelita ireo loza mahatsiravina niisa sivy, dia ny loza fahafolo, izay ny fahafatesan’ny lahimatoa rehetra, ka tafiditra tao anatin’izany ny lahimatoan’i Farao, no namarana ny fahababoana tamin’ny farany. Toa mety tsara izany satria ao anatina trangana fahababoana ara-panahy rehetra dia tena iray ihany ny lalana hahatafavoahana amin’izany. Ny sorona nataon’i Jesoa Kristy, ilay Voalohan-teraka ihany, ny ran’ny Zanak’ondry tsy misy kilema, no hamonjy antsika.

sary famantarana ny fandalinana

Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana

Eksodosy 7–11

Afaka misafidy ny hanalefaka ny foko aho.

Enga anie ny sitraponao tsy hifanohitra velively amin’ny sitrapon’ Andriamanitra tahaka ny an’i Farao. Kanefa misy fotoana ny fontsika tsy malefaka araka ny tokony ho izy. Inona no nanaitra anao tamin’ny fihetsik’i Farao teo anatrehan’ireo loza ireo ao amin’ny Eksodosy 7:14–25; 8:5–32; 9:1–26; 10:12–29; 12:29–33? Jereo ny fanazavana ao amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ ny Eksodosy 7:3, 13; 9:12.

Nahoana ny hoe “mafy” no teny mamaritra tsara ny fon’i Farao? Eritrereto ny zavatra ianaranao avy amin’ireo andininy ireo momba ny fananana fo malefaka: 1 Nefia 2:16; Môzià 3:19; Almà 24:7–8; 62:41; Etera 12:27. Rehefa mamaky momba ny vokatry ny fahamafisan’ny fon’i Farao ianao dia saintsaino ny toetoetry ny fonao. Inona no fanovana tsapanao fa tokony hataonao?

Eksodosy 12:1–42

sary famantarana ny seminera
Afaka mamonjy ahy i Jesoa Kristy noho ny Sorompanavotany.

Ilay hany fomba tsy nahatonga ny Isiraelita ho tratran’ilay loza fahafolo izay voafaritra ao amin’ny Eksodosy 11:4–5 dia ny fanarahana antsakany sy andavany ireo toromarika nomen’ny Tompo an’i Mosesy ao amin’ny Eksodosy 12, fomba iray fantatra amin’ny hoe Paska. Mampianatra antsika amin’ny alalan’ny tandindona ny Paska fa tahaka ny nanafahan’ny Tompo ny Isiraelita tamin’ny fanandevozana tany Egypta, dia afaka manafaka antsika amin’ny fanandevozan’ny ota ihany koa Izy. Mba hamakafakana io tandindona ao amin’ny Eksodosy 12:1–42 io, dia azonao atao ny mampiasa tabilao tahaka ity iray ity:

Tandindona

Ny mety ho heviny

Ny hafatr’ Andriamanitra ho ahy

Tandindona

Ny fiantombohan’ny volana (andininy 2; nandidy ny Isiraelita ny Tompo mba hampiasa io zavatra nitranga io hanamarihana ny fiantombohan’ny tetiandrony).

Ny mety ho heviny

Izany dia natao ho fanombohana vaovao ho an’i Isiraely. Tokony “hateraka indray” izy ireo.

Tandindona

Ilay zanak’ondry (andininy 3–5).

Ny mety ho heviny

Jereo ny Jaona 1:29; 6:54; 1 Petera 1:19.

Tandindona

Ran’ny zanak’ondry eo amin’ny tolanam-baravarana (andininy 7, 13, 23).

Ny mety ho heviny

Jereo ny Môzià 4:2, Apokalypsy 12:11.

Tandindona

Mofo tsy misy masirasira (andininy 8, 15, 19–20).

Ny mety ho heviny

Ny masirasira, na ny lalovay, dia mety ho tandindon’ny fahalovana satria mora simba izany. Jereo ny Matio 16:6–12; Jaona 6:35.

Tandindona

Anana mangidy (andininy 8).

Ny mety ho heviny

Fampahatsiahivana ny ngidin’ny fahotana sy ny fahababoana. Jereo ny Eksodosy 1:14; Mosesy 6:55.

Tandindona

Nihinana faingana, vonona ny handeha (andininy 11).

Ny mety ho heviny

Tandindon’ny fahamaikana hiala amin’ny fanandevozan’ny ota. Jereo ny Genesisy 39:12; 2 Timoty 2:22.

Tandindona

Ilay mpandringana (andininy 13, 23).

Ny mety ho heviny

Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89:18–21.

Tandindona

Nafahana ny Isiraelita (andininy 29–32).

Ny mety ho heviny

Jereo ny 2 Nefia 2:26; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:15–19, 31.

Inona koa no hitanao ao amin’ireo toromarika sy tandindon’ny Paska izay mampahatsiahy anao an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotana nataony? Inona no ambaran’ireo tandindona ireo anao momba ny fomba fandraisana fitahiana avy amin’ny Sorompanavotana nataony?

Manatòna an’i Kristy amin’ny alalan’ny famantarana ireo tandindona izay mijoro ho vavolombelona momba Azy. “Ny zava-drehetra,” hoy ny nambaran’ny Tompo, “dia [noharina] sy natao mba ho vavolombelona manambara ahy” (Mosesy 6:63; jereo koa ny 2 Nefia 11:4). Ao amin’ny Eksodosy 12, ny tandindona toy ny zanak’ondry, ra, mofo tsy misy masirasira, fahagagana, ary fanafahana dia mampitodika any amin’i Kristy avokoa. “Rehefa takatsika ny fifandraisan’ireo zavatra ireo amin’ny Mpamonjy dia afaka mampianatra antsika mikasika ny heriny sy ireo toetrany izy ireo” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy7).

I Jesoa manome ny fanasan’ny Tompo an’ireo mpianany.

In Remembrance of Me [Ho fahatsiarovana Ahy], nataon’i Walter Rane

Eksodosy 12:14–17, 24–27; 13:1–16

Manampy ahy hahatsiaro ny fanafahana ahy tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy ny fanasan’ny Tompo.

Nandidy ny Isiraelita ny Mpamonjy mba hanaja ny Paska isan-taona hanampiana azy ireo hahatsiaro fa nanafaka azy ireo Izy, na dia efa lasa fahatsiarovana efa ela aza ny fahababoan’izy ireo. Rehefa mamaky ny torolalana omeny ao amin’ny Eksodosy 12:14–17, 24–27; 13:1–16 ianao, dia eritrereto ny zavatra ataonao mba hahatsiarovanao ireo fitahiana avy amin’ Andriamanitra ho anao. Ahoana no ahafahanao mitahiry izany fahatsiarovana izany “[hatrany amin’ny taranaka] fara mandimby”? (jereo ny Eksodosy 12:14, 26–27).

Inona no zavatra mitovy hitanao eo amin’ny fankalazana ny Paska sy ny fanasan’ny Tompo? Inona no azonao atao mba “hahatsiarovana mandrakariva” ny Mpamonjy? (Môrônia 4:3; 5:2).

Afaka misaintsaina zavatra hafa tian’ny Tompo hotadidinao koa ianao; jereo ohatra ny Helamàna 5:6–12; Môrônia 10:3; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3:3–5, 10; 18:10;52:40.

Jereo koa ny Kevin W. Pearson, “Mbola vonona ve ianareo?,” Liahona, nôv. 2022, 67–69; “En souvenir de Jésus-Christ,” Cantiques, no. 114.

5:27

Always Remember Him

Mba hahitana fampahalalana misimisy kokoa, dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Liahona sy ny Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.

sary famantarana ny fizarana ho an’ny ankizy

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

Eksodosy 7–11

Manana fahefana amin’ny zavatra rehetra ny Tompo.

  • Ireo loza voafaritra ao amin’ny Eksodosy 7–11 dia nampiseho tamin’ny Egyptiana sy ny Isiraelita fa manana hery lehibe ny Tompo. Hanampy ny zanakao mandritra ny fiainany ny Tompo rehefa manam-pinoana ny heriny izy ireo. Mba hanampiana azy ireo hianatra avy amin’io tantara io dia azonao omena taratasy iray nozaraina ho fizarana miisa 10 ny ankizy tsirairay, ary asao izy ireo hanao ny sarin’ireo loza voafaritra ao amin’ireo andininy ireo: Eksodosy 7:17–18; 8:1–4; 8:16–17; 8:20–22; 9:1–6; 9:8–9; 9:22–23; 10:4–5; 10:21–22; 11:4–7 (jereo koa ny “Ireo loza tany Egypta” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha, 67–69). Miaraha mamaky ny Eksodosy 7:5 sy 9:14 mba hanazavana ny antony nandefasan’ny Tompo ireo loza.

    2:3

    The Plagues of Egypt

  • Zarao amin’ny ankizy ny fomba nanehoan’ny Tompo taminao “fa tsy misy tahaka [Azy] amin’ny tany rehetra” (Eksodosy 9:14). Avelao izy ireo hizara ny fomba ahafantarany fa mahery ny Tompo.

Eksodosy 8:28–32; 9:7

Afaka manampy ahy ny Tompo mba hanana fo malefaka.

  • Mba hanampiana ny zanakao haka sary an-tsaina ny dikan’ny hoe manana fo malefaka dia mety hahafinaritra ny hampiseho azy ireo zavatra iray izay mafy, toy ny vato, ary zavatra iray hafa izay malefaka sy mitroka zavatra, toy ny éponge. Azonao atao koa ny mandraraka rano eo amin’ireo zavatra ireo mba hanehoana fa mora mandray ny tenin’ny Tompo ny fo malefaka. Avy eo dia azonareo atao ny miara-mamaky andininy vitsivitsy izay mamaritra ny fihetsika nasehon’i Farao teo anatrehan’ireo loza nalefan’ny Tompo (jereo ny Eksodosy 8:28–32; 9:7). Iza amin’ireo zavatra ireo no tena maneho tsara ny fon’i Farao na ny fihetsik’i Farao? Inona no dikan’ny hoe manana fo malefaka? (jereo ny Môzià 3:19).

  • Ianao sy ny zanakao dia afaka manao lisitra an’ireo fihetsika sasantsasany izay mety miseho rehefa manamafy fo isika (ohatra, mampiasa teny ratsy na tsy vonona ny hizara). Ahoana no ahafahantsika mampiseho amin’ny Tompo fa te hanana fo malefaka isika?

fianakaviana iray mandray ny fanasan’ny Tompo

Eksodosy 12:1–13

Ny fanasan’ny Tompo dia afaka manampy ahy hahatsiaro an’i Jesoa.

  • Ny Paska dia nampianatra ny Isiraelita mba hiandrandra ny Mpamonjy sy ny sorona nataony ho antsika. Rehefa miara-mamakafaka ny Eksodosy 12:1–13 ianareo dia ampio ny zanakao hahita ireo fifandraisana misy eo amin’ny antsipiriany momba ny Paska sy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy (jereo koa ny “Ny Paska” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha, 70–74). Ohatra, inona no mampitovy an’i Jesoa amin’ilay zanak’ondry voalaza ao amin’ny andininy 5?

    2:54

    The Passover

  • Amin’izao fotoana izao isika dia mandray ny fanasan’ny Tompo mba hahatsiarovana ny sorona nataon’i Jesoa. Afaka mampiseho ny sarin’ny fanasan’ny Tompo an’ny zanakao ianao sy miresaka momba ny fomba hanampian’io ôrdônansy io antsika hahatsiaro an’i Jesoa Kristy. Azonao atao ny manampy ny zanakao hitady ny teny hoe “mahatsiaro” ao amin’ny vavaky ny fanasan’ny Tompo (jereo ny Môrônia 4–5). Na miaraha mihira hira iray tena tiana momba ny fanasan’ny Tompo, ary ampio ny zanakao hahatsikaritra ilay fahatsapana fiadanana ananan’izy ireo rehefa mieritreritra momba ny Mpamonjy izy ireo. Ahoana no ahafahantsika mikatsaka izany fahatsapana izany rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isika?

Mba hahitana fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

fanehoana an-tsary ny Fiaraha-misakafo nandritra ny Paska

The Passover Supper [Ilay Fiaraha-misakafo nandritra ny Paska], nataon’i Brian Call

Pejin’ny sahanasa ho an’ny Kilonga: Afaka manampy ahy hahatsiaro an’i Jesoa ny fanasan’ny Tompo