“30 martsa–5 aprily. -Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Taloha 2026 (2026)
“30 martsa–5 aprily. -Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Taloha 2026
Fanehoana an-tsary ny fasana foana
30 martsa–5 aprily: “Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana”
Paska
Ny fiainan’i Jesoa Kristy dia “ivon’ny tantaran’ny olombelona rehetra” (“Ilay Kristy velona: Tenivavolombelon’ny Apôstôly,” Médiathèque de l’Évangile). Midika inona izany? Amin’ny ampahany dia midika izany fa ny fiainan’ny Mpamonjy dia misy fiantraikany amin’ny anjara mandrakizain’ny olombelona rehetra izay efa niaina na mbola hiaina. Afaka milaza koa ianao fa ny Fitsanganana amin’ny maty tamin’izany alahadin’ny Paska voalohany izany, dia mampifandray ny vahoakan’ Andriamanitra rehetra hatrizay: ireo izay teraka talohan’ny Fitsanganany tamin’ny maty dia niandrandra izany tamim-pinoana (jereo ny Jakôba 4:4), ary ireo izay teraka taty aoriany dia manao jery todika izany amim-pinoana. Rehefa mamaky ireo tantara sy faminaniana ao amin’ny Testamenta Taloha isika, dia tsy mahita mihitsy ny anarana hoe Jesoa Kristy, saingy tena mahita ny porofon’ny finoan’ireo mpino fahiny sy ny fiandrandrany ny Mesia sy ny Mpanavotra azy ireo isika. Noho izany, isika izay asaina mba hahatsiaro Azy dia afaka mahatsapa fifandraisana amin’ireo izay niandrandra Azy. Fa nitondra “ny helotsika rehetra” (Isaia 53:6; nampiana fanamafisana) tokoa i Jesoa Kristy, ary “ao amin’ny Kristy no ahaveloman’ny olona rehetra” (1 Korintiana 15:22; nampiana fanamafisana).
Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana
Ireo mpaminany fahiny sy maoderina dia mijoro ho vavolombelona momba ny sorompanavotan’ny Mpamonjy.
Andininy maro ao amin’ny Testamenta Taloha no miresaka ny asa fanompoana nataon’ny Mpamonjy sy ny sorompanavotana nataony. Ny tabilao etsy ambany dia manome ny lisitry ny sasany amin’ireny andininy ireny. Rehefa mamaky ireto andininy ireto ianao dia inona no zavatra tsapanao momba ny Mpamonjy?
|
Testamenta Taloha |
Testamenta Vaovao |
|---|---|
Testamenta Taloha Zakaria 9:9 | Testamenta Vaovao Matio 21:1–11 |
Testamenta Taloha Zakaria 11:12–13 | Testamenta Vaovao Matio 26:14–16; 27:3–8 |
Testamenta Taloha Isaia 53:4 | Testamenta Vaovao Matio 8:16–17; 26:36–39 |
Testamenta Taloha Isaia 53:7 | Testamenta Vaovao Marka 14:60–61 |
Testamenta Taloha Salamo 22:16 | Testamenta Vaovao Jaona 19:17–18; 20:25–27 |
Testamenta Taloha Salamo 22:18 | Testamenta Vaovao Matio 27:35 |
Testamenta Taloha Salamo 69:21 | Testamenta Vaovao Matio 27:34, 48 |
Testamenta Taloha Salamo 118:22 | Testamenta Vaovao Matio 21:42 |
Testamenta Taloha Isaia 53:9, 12 | Testamenta Vaovao Matio 27:57–60; Marka 15:27–28 |
Testamenta Taloha Isaia 25:8 | Testamenta Vaovao Marka 16:1–6; Lioka 24:6 |
Testamenta Taloha Daniela 12:2 | Testamenta Vaovao Matio 27:52–53 |
Ireo faminaniana izay mampianatra momba ny Mpamonjy dia vao mainka mihabetsaka sy mazava kokoa ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Eritrereto ny fomba hampatanjahan’ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto ny finoanao: 1 Nefia 11:31–33; 2 Nefia 25:13; Môzià 3:2–11, Almà 7:10–13.
Manohy mijoro ho vavolombelona manokana momba an’i Jesoa Kristy sy ny asa fanavotana nataony ireo mpaminanin’ny andro farany. Rehefa mihaino ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany amin’ity faran’ny herinandron’ny Paska ity ianao dia raiso an-tsoratra ny fijoroana ho vavolombelona momba an’i Kristy izay renao. Inona no ampianarin’izany anao momba Azy?
Manome fiadanana sy fifaliana ho ahy i Jesoa Kristy.
Fotoana mahafaly ny Paska, satria fotoana hankalazana ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy sy ny Fitsanganany tamin’ny maty izany. Kanefa na dia mandritra ny Paska aza dia maro ireo olona izay tsy mahatsapa fifaliana noho ny antony samihafa. Inona no azonao atao mba hanapariahana ny fiadanana sy ny fifaliana entin’ny Mpamonjy amin’ity Paska ity?
Hevitra iray ny mitady hafatra ao amin’ny soratra masina momba ny fiadanana sy ny fifaliana atolotr’i Jesoa Kristy, toy ireto: Salamo 16:8–11; 30:2–5; Isaia 12; 25:8–9; 40:28–31; Jaona 14:27; 16:33; Almà 26:11–22. Eritrereto ny fomba ahafahanao mizara ireo hafatra ireo amin’ny hafa. Ohatra, azonao atao ny mamorona karatra momba ny Paska mba hozaraina, miainga avy amin’ireo hafatra ireo. Mivavaha momba izay olona mila mandray ny firarian-tsoanao amin’ny Paska. Azonao atao ihany koa ny manapa-kevitra ny hizara ny hafatrao ao amin’ny tambajotran-tserasera, izay ahitan’ny olona maro izany.
Ny hira ao amin’ny fihirana momba an’i Kristy sy ny Fitsanganana amin’ny maty, toy ny “Tafatsangana i Kristy” (Fihirana sy Hiran’ny ankizy, lah. 107), dia afaka manampy antsika koa hahatsapa fiadanana sy fifaliana amin’ny Paska. Tadiavo ireo andian-teny ao amin’ilay hira izay maneho ny hafaliana avy amin’ny Paska araka ny hevitrao.
Jereo koa ny Jeffrey R. Holland, “Tsy tahaka ny fanomen’izao tontolo izao,” Liahona, mey 2021, 35–38; Mark S. Palmer, “Hody fifaliana ny alahelontsika,” Liahona, mey 2021, 88–90.
Why Weepest Thou [Nahoana ianao no mitomany], nataon’i Simon Dewey (ampahan-tsary)
Noho ny Sorompanavotana nataony dia manana hery hanampiana ahy handresy ny fahotana, ny fahafatesana, sy ny fitsapana ary ny fahalemena i Jesoa Kristy.
Ity misy asa atao iray izay afaka manampy anao hahita ireo fitahiana maro izay tonga amin’ny alalan’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany. Vakio ny soratra masina etsy ambany momba ny zavatra izay anampian’i Jesoa Kristy antsika mba handresentsika izany. Ezaho apetraka ao anatin’ireto sokajy ireto ireo andinin-tsoratra masina: fahotana, fahafatesana, fitsapana, ary fahalemena (mety ho tafiditra ao anatin’ny sokajy mihoatra ny iray ny andinin-tsoratra masina sasany). Rehefa mamaky ianao dia inona no zavatra tsapanao momba ny herin’ny Mpamonjy?
-
Isaia 61:1–3
-
Ezekiela 36:26–28
-
Matio 11:28–30
-
Lioka 1:46–55
-
Romana 8:35–39
Ahoana no hanazavanao amin’ny namana iray izay tsy Kristianina ny antony maha-manan-danja an’i Jesoa Kristy aminao? Afaka manampy ny hafatry ny Loholona Ahmad S. Corbitt hoe “Fantatrao ve ny antony hinoako an’i Kristy amin’ny maha-Kristianina ahy?” (Liahona, mey 2023, 119–21).
Jereo koa ny Reyna I. Aburto, “Tsy manam-pandresena ny fasana,” Liahona, mey 2021, 85–87; Lohahevitra sy fanontaniana, “Sorompanavotan’i Jesoa Kristy,” “Fitsanganana amin’ny maty,” Médiathèque de l’Évangile.
Nanonitra ny sarany faratampon’ny famonjena ahy i Jesoa Kristy.
Inona no ianaranao avy amin’ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto momba ny sarany nefain’i Jesoa Kristy ho famonjena anao: Isaia 53:3–5; Môzià 3:7; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:16–19? Inona no sarany nefain’ny Ray any An-danitra? (jereo ny Jaona 3:16).
Mba hahitana fampahalalana misimisy kokoa, dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Liahona sy ny Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.
Hevitra enti-mampianatra ny ankizy
Nijaly sy maty ho ahy i Jesoa Kristy.
-
Ny herinandron’ny Paska dia fotoana tsara hampianarana ny zanakao momba ny zavatra nataon’ny Mpamonjy ho antsika tao Getsemane sy teo amin’ny hazofijaliana. Azonao atomboka amin’ny alalan’ny fampisehoana azy ireo ireo sary etsy ambany izany ary amin’ny alalan’ny famelana azy ireo hiresaka momba ny zavatra mitranga eo amin’ireo sary. Eo am-pijeren’ny zanakao ireo sary dia azonao vakina ireo andininy izay mamaritra ireo zava-nitranga ireo (jereo ny Matio 26:36–46; 27:35–50; Lioka 22:39–46; Jaona 19:16–30). Afaka manazava ireo antsipirian-javatra hita ao amin’ireo sary izay henony ao amin’ireo andininy ireo ny zanakao.
Ankavia: Christ in Gethsemane [I Kristy tao Getsemane], nataon’i Harry Anderson Ankavanana: The Crucifixion [Ny Fanomboana], nataon’i Harry Anderson
-
Inona no fitahiana azontsika noho ny sorona nataon’i Jesoa ho antsika? Ampio ny zanakao hitady teny na andian-teny ao amin’ny Isaia 53:4–12; Almà 7:11–13; ary ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:16–19 izay mamaly io fanontaniana io. Ifampizarao ny zavatra tsapanareo momba ny Mpamonjy rehefa avy namaky ireo soratra masina ireo.
Nitsangana tamin’ny maty ho ahy i Jesoa Kristy.
-
Azonao ampiasaina ny pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro ity na sary hafa ato amin’ity rindran-damina ity mba hitantarana amin’ny zanakao ny tantaran’ny Fitsanganana amin’ny maty (jereo koa ny “Nitsangana tamin’ny maty i Jesoa,” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Vaovao, 139–44). Avy eo dia avelao ny zanakao hamerina hitantara ilay tantara aminao.
-
Diniho ny fomba hanampianao ny zanakao hahita fifaliana ao amin’i Kristy amin’ity Paska ity. Ohatra, azonareo atao ny miara-mihira hira iray momba ny Paska izay tena ankafizina, toy ny “Tafatsangana i Kristy,” ( Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 107) na ny “Gethsémané” (Médiathèque de l’Évangile). Mba hahitana hira hafa ao amin’ny fihirana na hiran’ny ankizy momba ny Fitsanganana amin’ny maty, dia afaka mijery any amin’ny fanoroam-pejy manaraka ny lohahevitra ao amin’ny Cantiques na Fihirana sy hiran’ny ankizy sy ny Bokin-kiran’ny ankizy ianao. Afaka mifampizara ny antony itiavanareo ireo hira ireo sy ny zavatra tsapanareo rehefa mihira izany ianao sy ny zanakao. Inona no ampianarin’ireo hira ireo antsika momba ny Ray any An-danitra sy momba an’i Jesoa Kristy?
Afaka mahatsapa ny Fanahy ny ankizy saingy mety mila fanampiana amin’ny famantarana ny fitarihany azy ireo. “Ampianaro ny ankizy ireo fomba samihafa ifandraisan’ny Fanahy amintsika. Ampio izy ireo hamantatra ny feony rehefa miresaka amin’izy ireo Izy. Izany dia hanampy azy ireo hizatra hikatsaka sy handray andraikitra eo anatrehan’ny fanambarana ho an’ny tena manokana mandritra ny fiainany manontolo” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 32). Ohatra, rehefa mihira hira momba ny Mpamonjy miaraka amin’ny zanakao ianao, dia jereo ny sariny, na mamakia tantara momba Azy, ary ifampizarao ireo fahatsapana ara-panahy anananareo.
-
Ny Médiathèque de l’Évangile dia manana amboarana horonan-tsary momba ny Paska Vidéos sur Pâques izay mety ho tian’ny zanakao. Azonao atao angamba ny mamela azy ireo hisafidy anankiray mba hojerena. Anontanio azy ireo ny zavatra nianarany momba an’i Jesoa Kristy avy amin’ilay horonan-tsary. Azonao atao ihany koa ny mangataka azy ireo hamintina ilay hafatra ao amin’ilay horonan-tsary amin’ny fehezan-teny iray.
Mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany ireo mpaminany.
-
Rehefa miara-mijery ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ianao sy ny zanakao amin’ity faran’ny herinandron’ny ity dia ampio izy ireo hijery tsara ny fotoana izay hizaran’ireo vavolombelona manokan’ny Mpamonjy fijoroana ho vavolombelona momba ny Fitsanganana amin’ny maty. Mety azonao atao ny manao kilalao mahakasika izany. Asao izy ireo hitsangana isaky ny maheno teny toy ny hoe Paska na Sorompanavotana na Fitsanganana amin’ny maty. Ifampizarao ny antony maha-velom-pankasitrahana anareo noho ny fijoroana ho vavolombelona ananan’ireo mpaminany velona momba ny Mpamonjy.
Mba hahitana fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.