“23–29 martsa. -Tsaroako ny fanekeko-: Eksodosy 1–6,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana : Testamenta Taloha 2026 (2026)
“23–29 martsa. -Tsaroako ny fanekeko-,” Avia, hanaraka Ahy: 2026
Moses and the Burning Bush [I Mosesy sy ny roimemy mirehitra afo], nataon’i Jerry Thompson
23–29 martsa: “Tsaroako ny fanekeko”
Eksodosy 1–6
Namonjy ny fianakavian’i Jakoba ny fanasana hipetraka tany Egypta. Saingy an-jato taona maro taty aoriana dia nandevozina sy nampihorohoroan’ny Farao vaovao “izay tsy nahalala an’i Josefa” ny taranak’izy ireo (Eksodosy 1:8). Mety ho nandeha ho azy teo amin’ny Isiraelita ny nanontany tena hoe fa nahoana no navelan’ Andriamanitra nitranga tamin’izy ireo izay olon’ny fanekempihavanany izany. Tadidiny ve ny fanekempihavanana nataony tamin’izy ireo? Mbola vahoakany ihany ve izy ireo? Hitany ve ny halehiben’ny fijalian’izy ireo?
Mety misy fotoana nahatsapanao hoe te-hametraka fanontaniana mitovitovy amin’izany ianao. Mety manontany tena ianao hoe “fantatr’ Andriamanitra ve ny zavatra lalovako? Henony ve ny fitalahoako fanampiana?” Mamaly mazava ny fanontaniana toy izany ny tantara momba ny fanafahana an’i Isiraely tany Egypta: tsy manadino ny vahoakany Andriamanitra. Tsaroany ny fanekempihavanana nataony tamintsika ary hotanterahiny amin’ny fotoanany sy ny fombany manokana izany. “Sandry ahinjitra … no hamonjeko anareo,” hoy Izy. “Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, izay mitondra anareo ho afaka amin’ny fanompoana mafy” (Eksodosy 6:6–7).
Mba hanaovana topimaso ny bokin’ny Eksodosy dia jereo ny “Eksodosy” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina.
Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana
Eksodosy 1–2
Afaka miasa amin’ny alalako Andriamanitra hanatanterahana ny tanjony.
Inona no manaitra anao momba ilay vehivavy voafariparitra ao amin’ny Eksodosy 1–2? Ahoana no fomba nentin’izy ireo nanampy tamin’ny fanatanterahana ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ny olony? Inona no ampianarin’ny ezaka ataon’izy ireo anao momba ny fanompoana amin’ny asan’ Andriamanitra?
Eksodosy 1–3
I Jesoa Kristy no Mpanafaka ahy.
Alohan’ny hanombohanao ny famakiana ny Eksodosy dia azonao atao ny mieritreritra zava-tsarotra iray izay atrehanao, zavatra izay antenainao fa hanafahan’ny Tompo anao. Inona avy ireo teny sy andian-teny ao amin’ny Eksodosy 1–3 izay mitovitovy amin’ny fahababoana ara-panahy na zavatra hafa izay atrehantsika ankehitriny? Jereo koa ny fomba nikatsahan’ny zanak’i Isiraely fanafahana sy ny fomba namalian’ny Tompo izany (jereo ohatra ny Eksodosy 2:23–25; 3:7–8). Tamin’ny fomba ahoana no “[nidinan’ny Tompo] … hamonjy” anao?
Manerana ny bokin’ny Eksodosy dia azonao atao koa ny mijery ireo zavatra sasantsasany mitovy eo amin’i Mosesy sy i Jesoa Kristy (jereo ny Deoteronomia 18:18–19; 1 Nefia 22:20–21). Ohatra, inona no zavatra mitovy hitanao eo amin’ny Eksodosy 1:22; 2:1–10 sy ny Matio 2:13–16? Na eo amin’ny Eksodosy 24:18 sy ny Matio 4:1–2? Inona no tsapanao fa tian’ny Tompo ho takatrao momba ny Tenany sy ny heriny?
Tadiavo ireo fanehoana an’ohatra izay mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy. “Afaka mahita zavatra mifandrindra amin’ny fiainan’ny Mpamonjy … isika eo amin’ny fiainan’ireo mpaminany ary eo amin’ny fiainan’ireo lehilahy sy vehivavy mahatoky ao amin’ny soratra masina. [Ny fanaovana izany] dia manambara fahamarinana momba ny Mpamonjy any amin’ireo toerana izay mety tsy tsikaritrao raha amin’ny fomba hafa” (jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 7; jereo koa ny Hosea 12:10).
Faith at Water’s Edge [Finoana eo amoron-drano], nataon’i Anne Marie Oborn
Eksodosy 3:1–6
Afaka maneho fanajana lalina ho an’ny zavatra masina sy ny toerana masina aho.
Afaka mieritreritra fotoana iray izay naha-feno fahatalanjonana sy fahagagana anao ve ianao? Nanao ahoana ny fihetsikao nanoloana izany? Ahoana no hamariparitanao ny fihetseham-ponao?
Vakio miaraka amin’izany ao an-tsaina ny Eksodosy 3:1–6. Inona no manaitra anao momba ny zavatra manentana fanahy niainan’i Mosesy? Inona no nataon’i Mosesy mba hanehoana fanajana fatratra an’ Andriamanitra? Inona no fifandraisana hitanao eo amin’ny zavatra nataony sy ny fanehoany fanajana ny zavatra masina?
Ny famakiana ireo andininy ireo dia mety hanosika anao hieritreritra zavatra masina sy toerana masina eo amin’ny fiainanao. Nahoana izy ireo no masina aminao? Inona no fahasamihafana misy eo amin’ny fomba fitondranao azy ireo sy ny fomba fitondranao ireo zavatra izay mahazatra? Mba hitarihana ny fisaintsainanao dia azonao atao ny miresaka ilay fizarana izay mitondra ny lohateny hoe “Mahatsiaro ireo fampanantenana” ao amin’ny hafatry ny Loholona David A. Bednar hoe “Fampanantenana sady soa no lehibe indrindra” (Liahona, nôv. 2017, 91–93). Azonao atao koa ny mihira na mihaino hira iray ao amin’ny fihirana izay miteraka fitalanjonana, toy ny “Mahagaga ahy” (Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 72) ary saintsaino ny zavatra momba ny filazantsara izay mahagaga anao.
Mazava ho azy fa na dia efa nanana traikefa ara-panahy mahafinaritra aza isika, dia mampidi-doza ny tsy firaharahana loatra ny mikasika ireo zavatra masina. Ahoana no fomba hisorohanao izany? Ireto misy hafatra roa izay miresaka momba io olana io. Mifidiana iray ary tadiavo ireo fehezan-teny izay manampy anao: Ulisses Soares,”Talanjona amin’i Kristy sy ny filazantsarany” (Liahona, mey 2022, 115–17); Gérald Caussé, “Mbola mahagaga anao ve izany?” (Liahona, mey 2015, 98–100).
Jereo ihany koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:10–12; 63:64.
Eksodosy 3–4
Manome hery ireo olona izay antsoiny hanao ny asany Andriamanitra.
Fantatsika amin’ny maha-mpaminany lehibe sy mpitarika azy i Mosesy ankehitriny. I Mosesy anefa tsy nahita ny tenany ho toy izany tamin’ny fotoana voalohany niantson’ ny Tompo azy. Rehefa mamaky ny Eksodosy 3–4 ianao dia tanisao ireo ahiahy nananan’i Mosesy sy ny fomba namalian’ny Tompo ny tsirairay tamin’izany. Inona no hitanao ao amin’ireo toko ireo izay manentana ny fanahinao rehefa mahatsiaro ho tsy ampy fahaizana hanaovana zavatra iray ianao? Oviana ianao no nahita an’ Andriamanitra nanome hery anao na ny hafa mba hanao ny asany?
Eksodosy 5–6
Ho tanteraka amin’ny fotoanany manokana ny tanjon’ny Tompo.
Mety hahakivy rehefa toa tsy mandaitra ny ezaka ataontsika amin-kitsimpo mba hanao ny tsara sy rehefa miezaka manao ny sitrapon’ny Tompo isika saingy tsy mahita ny vokatra andrasantsika. Mba hianarana momba ny zavatra niainan’i Mosesy iray mitovy amin’izany, dia vakio ny Eksodosy 5:4–9, 20–23. Ahoana no nanampian’ny Tompo an’i Mosesy handresy ny fahatsapana fahakiviana nananany? (jereo ny Eksodosy 6:1–13). Ahoana no nanampian’ny Tompo anao hikiry hanao ny sitrapony?
Jereo koa ny Jeffrey R. Holland, “Eo am-piandrasana ny Tompo,” Liahona, nôv. 2020, 115–17.
Mba hahitana fampahalalana misimisy kokoa, dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Liahona sy ny Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.
Hevitra enti-mampianatra ny ankizy
Satria alahady fahadimin’ny volana ny alahady ho avy izao dia amporisihina ireo mpampianatra ao amin’ny Kilonga mba hampiasa ireo sahanasa fianarana ao amin’ny “Tovana B: Manomana ny ankizy hijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanan’ Andriamanitra mandritra ny androm-piainany.”
Eksodosy 1–2
Afaka miasa amin’ny alalako Andriamanitra hanatanterahana ny tanjony.
-
Nanana andraikitra lehibe i Mosesy tamin’ny fanafahana an’i Isiraely tamin’ny fanandevozana. Saingy tsy ho nahavita izany izy raha tsy niaro sy nikarakara azy ny reniny, ny anabaviny, ny zanakavavin’i Farao ary ny vehivavy mahatoky hafa. Ampio ny zanakao hianatra momba ireo vehivavy ireo ao amin’ny Eksodosy 1:15–20; Eksodosy 2:2–10 (jereo koa ny Nomery 26:59); ary ny Eksodosy 2:16–21. Azonao ampiasaina ihany koa ny pejin’ny sahanasa aminn’ity herinandro ity sy ny “Mosesy zazakely” (ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha, 61–63) mba hitantarana ny tantaran’izy ireo. Ahoana no fomba nitondran’ireo vehivavy ireo fanampiana tamin’ny fanatanterahana ny drafitr’ Andriamanitra? Mifampiresaha momba ny olona hafa ankamamianao izay manampy amin’ny asan’ Andriamanitra, ka tafiditra ao anatin’izany ireo izay manampy amin’ny fomba madinika sy tsotra. Ahoana no ahafahantsika manaraka ny ohatra asehon’izy ireo?
1:36Baby Moses
Eksodosy 3:1–5
Afaka manaja fatratra ireo toerana masina aho.
-
Rehefa avy niara-namaky ny Eksodosy 3:1–5 ianareo dia angataho ny zanakao mba hamintina ireo andininy ireo amin’ny teniny manokana (jereo koa ny “Mosesy mpaminany” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha, 64–66). Ahoana no fomba nanehoan’i Mosesy fanajana teo anatrehan’ny Tompo? Ahoana no fomba tian’ny Tompo hanehoantsika fanajana? Azonao atao koa ny mangataka ny zanakao hanampy anao hitady (na hanao sary) ireo toerana na hetsika masina izay tokony hanehoantsika fanajana. Inona no azontsika atao mba hanaovana ny tokantranontsika ho toerana masina?
1:26Moses the Prophet
-
Miaraha mihira hira iray mikasika ny fanajana fatratra, toy ny “Ny fanehoam-panajana dia fitiavana” (Bokin-kiran’ny ankizy, 12). Rehefa manao izany ianareo dia afaka mitady teny na andian-teny izay manazava ny dikan’ny hoe maneho fanajana ny zanakao. Raha sambany nitondra namana iray any am-piangonana isika dia ahoana no hanazavantsika ny dikan’ny hoe maneho fanajana fatratra?
Moses and Aaron Speak to the People [I Mosesy sy i Arona miresaka amin’ny vahoaka], nataon’i James J. Tissot
Eksodosy 3–4
Rehefa mangataka ahy hanao zavatra ny Tompo dia hanampy ahy hanao izany Izy.
-
Amin’ny alalan’ny fampiasana ny tantara ao amin’ny Eksodosy 3; 4:1–17, dia avelao ny ankizy hifandimby mody hanao hoe Mosesy. Mety hahafinaritra ny hampiasa zavatra azo tsapain-tanana na fitaovana tsotra, toy ny jiro fanao am-paosy sy zavamaniry iray mba hanehoana ilay roimemy mirehitra afo. Ampio ny zanakao hahita ny zavatra tsapan’i Mosesy momba ny asa nampanaovin’ny Tompo azy (jereo ny Eksodosy 3:11; 4:1, 10). Azonareo atao angamba ny mifampizara fotoana izay nanananareo fahatsapana mitovy amin’izany. Inona ny torohevitra hozaraintsika amin’i Mosesy mba hanampiana azy? Vakio ny fomba nankaherezan’ny Tompo an’i Mosesy ao amin’ny Eksodosy 3:12; 4:2–9, 11–12. Lazao amin’ny ankizy ny fomba nanampian’ny Mpamonjy anao hanatanteraka antso iray, na hanaraka bitsika iray, na hanao zavatra hafa izay sarotra ho anao.
Mba hahitana fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.