Avia, hanaraka Ahy
9–15 martsa. “Jehovah nomba an’i Josefa”: Genesisy 37–41


“9–15 martsa. -Jehovah nomba an’i Josefa-: Genesisy 37–41,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana : Testamenta Taloha 2026 (2026)

“9–15 martsa. -Jehovah nomba an’i Josefa-,” Avia, hanaraka Ahy: 2026

Ireo rahalahin’i Josefa manendaka ny akanjony

Joseph and His Brothers [I Joseph sy ireo rahalahiny], nataon’i Sam Lawlor

9–15 martsa: “Jehovah nomba an’i Josefa”

Genesisy 37–41

Fantatsika fa mitahy ny olona izay matoky Azy sy mitandrina ny didiny Andriamanitra. Kanefa indraindray dia toa tsy toy izany. Indraindray ilay olona matoky an’ Andriamanitra dia iharan’ny herisetra sy arian’ny olona ao amin’ny fianakaviana. Indraindray ilay olona izay mandà amim-pahasahiana tsy handika ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena dia voampanga tsy ara-drariny ihany. Rehefa mitranga amintsika ny zavatra toy izany dia mety ho alaim-panahy ho tezitra amin’ Andriamanitra isika. Mety hanontany tena isika hoe: “Inona no ilàna ny fiezahana hanao ny zavatra tsara raha ohatra ka toa mahatonga ny fiainana ho sarotra kokoa izany?”

I Josefa, zanakalahin’i Jakoba dia mety nanontany tena toy izany. Nisy fotoana niroboroboan’ity lehilahy mahatoky ity, ary nisy fotoana hafa toa arakaraka ny nampahatoky kokoa azy no naha-sarotra kokoa ny zavatra natrehany. Saingy tsy nandao ny Tompo na oviana na oviana i Josefa, ary tsy nandao an’i Josefa na oviana na oviana ny Tompo. Tsy midika akory izany fa nanakana ny zavatra ratsy tsy hitranga tamin’i Josefa ny Tompo, fa “nomban’i Jehovah izy” tao anatin’izany rehetra izany (Genesisy 39:3).

sary famantarana ny fandalinana

Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana

Genesisy 37:1–28; 39; 41:9–45

Homba ahy ao anatin’ireo fahoriako ny Tompo.

Toa nandao an’i Josefa imbetsaka ny fanambinana, saingy ny Tompo dia tsy nandao azy velively. Rehefa mamaky ny tantaran’i Josefa ianao dia eritrereto ny fanontaniana tahaka ireto: Inona no nataon’i Josefa mba hijanonana ho akaikin’ny Tompo? Ahoana no “nomban’i Jehovah [azy]”? (jereo ny Genesisy 39; 40:1–19; 41:9–45). Inona no ianaranao avy amin’ny tantaran’i Josefa izay afaka manampy anao hamantatra ny fanatrehan’ny Tompo eo amin’ny fiainanao?

Afaka mametraka fanontaniana mitovitovy amin’izany mikasika ny fiainanao koa ianao. Inona no porofo hitanao fa tsy nahafoy anao ny Tompo tao anatin’ireo fotoana nisian’ny fitsapana? Eritrereto ny fomba ahafahanao mizara ny zavatra niainanao amin’ny fianakaviana sy ny taranaka ho avy (jereo ny 1 Nefia 5:14).

Mazava ho azy fa hiatrika fitsapana hafa ianao any aoriana any. Inona no azonao atao ankehitriny mba hahazoana antoka fa tsy hampanalavitra anao amin’ny Tompo ireo fitsapana ireo? Hevero ny hanoratra taratasy mba hamporisihana ilay ianao amin’ny ho avy mba hijanona eo akaikiny na inona na inona mitranga. Azonao atao ny mampiditra hevi-baovao avy amin’ny fiainan’i Joseph na avy amin’ny hafatry ny Loholona D. Todd Christofferson “Ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra” (Liahona, mey 2022, 78–81).

Jereo koa ny Jaona 14:18; Romana 8:28; Almà 36:3; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:7–8; “Restes avec nous! ,” Cantiques, no. 92.

Genesisy 37:5–11; 40; 41:1–38

Raha mahatoky aho dia hitarika sy hanome fanentanam-panahy ahy ny Tompo.

Nanana fanomezam-pahasoavana mba hamantarana ireo hafatra avy amin’ny Tompo tamin’ny alalan’ny nofy i Joseph. Inona no azonao ianarana avy amin’ny Genesisy 37:5–11; 40:5–8; 41:14–25, 37–38 mikasika ny fandraisana sy ny fahatakarana ny fanambarana avy amin’ny Tompo? Ohatra, inona no azonao ianarana avy amin’ny ohatra nasehon’i Josefa rehefa toa saro-takarina ny fanambarana? (jereo ny Genesisy 40:8; 41:16).

Saintsaino ny fomba anambaran’ny Tompo ny sitrapony aminao. Inona no ataonao mba hanaovana asa mifanaraka amin’ny fanambarana nomeny anao? Ahoana no fomba itadiavanao fitarihana fanampiny avy Aminy?-

I Josefa manambara ny hevitr’ireo nofy

Joseph Interpreting the Butler and Baker’s Dreams [I Josefa manambara ny hevitry ny nofin’ilay mpitondra kapoaka sy mpanao mofo], nataon’i François Gérard

Genesisy 39:1–20

sary famantarana ny seminera
Afaka mandositra ny fakam-panahy aho rehefa miaraka amin’ny fanampian’ny Tompo.

Raha toa ka hanome torohevitra mikasika ny fomba hanoherana ny fakam-panahy hanao fahotana amin’ny fanaovana firaisana ara-nofo i Josefa dia inona araka ny eritreritrao no holazainy? Diniho izany eo am-pamakianao momba ny zavatra niainany ao amin’ny Genesisy 39. Ohatra, eritrereto ny fomba mety hamalian’i Josefa ny ahiahy tahaka ireto:

  • Raha tsy misy na iza na iza mahafantatra ny zavatra ataoko, dia inona no olana? (jereo ny andininy 8–9).

  • Miezaka manohitra aho, saingy toa tsy mijanona tsotra izao ilay fakam-panahy (jereo ny andininy 10).

  • Inona no tokony hataoko rehefa ao anatin’ny toe-javatra iray misy fakam-panahy mahery vaika aho? (jereo ny andininy 12).

Ahoana no hanazavanao ny antony maha-zava-dehibe ny fankatoavana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena? (jereo ny Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy, 23–28).

Mazava ho azy fa azo ampiharina amin’ny karazana fakam-panahy hafa ny ohatra nasehon’i Josefa. Hevero ny hanao drafitra, sady mieritreritra ihany ilay zavatra niainan’i Josefa, mba hisorohana sy hanoherana ny fakam-panahy. Ohatra, afaka mieritreritra fakam-panahy iray ianao ary manoratra toe-javatra tokony hialana sy ny fomba “handosiranao” rehefa miseho ilay fakam-panahy.

Fakam-panahy

Toe-javatra tokony hialana

Drafitra hiatrehana izany

Ireto misy soratra masina vitsivitsy hafa izay afaka manome fampahalalana hanaovana ny drafitrao. Inona no ianaranao avy amin’ny tsirairay avy amin’ireo fomba ahafahan’ny Mpamonjy manampy anao hanohitra ny fakam-panahy? Matio 4:1–11; 1 Korintiana 10:13; 1 Nefia15:23–24; 3 Nefia 18:17–18.

Rehefa manao ny drafitrao ianao dia mety hanampy koa ny mieritreritra ireo fotoana taloha izay nahavitanao nisoroka na nanohitra fakam-panahy tamim-pahombiazana. Ahoana no nanampian’ny Mpamonjy anao? (jereo ny 2 Nefia 4:18–33).

Genesisy 41:15-57

Hanampy ahy hiomana amin’ireo zava-tsarotra mety hitranga ny Tompo.

Ny fanambaran’i Josefa ny hevitry ny nofin’i Farao dia nitondra tany amina torohevitra tena hendry sy azo ampiharina mba hahatafavoahana velona tamin’ny mosary (jereo ny Genesisy 41:15–57). Eritrereto ireo hafatra ara-panahy mety homen’ny Tompo anao ao amin’io tantara io. Ahoana araka ny fahatsapanao no fomba tiany hiomananao amin’ireo zava-tsarotra amin’ny fiainanao any aoriana any?

Jereo koa ny David A. Bednar, “Dia hosedraintsika amin’izany izy ireo,” Liahona, nôv. 2020, 8–11.

Mba hahitana fampahalalana misimisy kokoa, dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Liahona sy ny Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.

sary famantarana ny fizarana ho an’ny ankizy 01

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

Genesisy 37

Afaka ny ho tsara fanahy amin’ny fianakaviako aho.

  • Ny famakiana momba ireo tsy fifankahazoana teo amin’ny fianakavian’i Joseph dia afaka mitarika fifanakalozan-kevitra momba ny fomba tokony hitondrantsika ireo olona ao amin’ny fianakaviantsika. Mba hitantarana ny tantaran’i Josefa sy ireo rahalahiny ao amin’ny Genesisy 37, dia azonao ampiasaina ireo sary ato amin’ity rindran-damina ity na ao amin’ny “Ireo nofin’i Josefa avy tamin’ny tsindrimandrin’ Andriamanitra” (ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha, 47–51). Avelao ny zanakao hizara izay antsipiriany fantatr’izy ireo mikasika ilay tantara. Azonao atao ny mangataka ny zanakao haka sary an-tsaina hoe ao anatin’ny fianakavian’i Joseph izy ireo. Inona no mety ho nolazain’izy ireo na nataon’izy ireo mba ho mpampihavana ao amin’ny fianakaviana? Ohatra, inona no dikan’ny hoe “[m]anao teny tsara” ao amin’ny fianakaviantsika? (andininy 4). Ahoana no maha-mpampihavana an’i Jesoa Kristy ao amin’ny fianakavian’ Andriamanitra?

    2:17

    Joseph’s Inspired Dreams

Genesisy 37:18–28; 39:20–23; 41:38

Afaka manampy ahy Andriamanitra rehefa misy zava-dratsy mitranga.

  • Rehefa miatrika fotoan-tsarotra ny zanakao dia mila mahafantatra izy ireo fa hiaraka amin’izy ireo ny Tompo, tahaka ny niarahany tamin’i Josefa. Azonao atao angamba ny manampy ny zanakao hanao lisitra ireo zavatra sarotra izay nitranga tamin’i Josefa (jereo ny Genesisy 37:23–28; 39:20; na ny “Ireo nofin’i Josefa avy tamin’ny tsindrimandrin’ Andriamanitra” sy ny “Josefa tany Egypta,” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha, 47–51, 52–56). Aorian’ny zava-tsarotra tsirairay hitan’izy ireo dia asao ny zanakao hamerina hoe: “Jehovah nomba an’i Josefa”(Genesisy 39:2).

    2:17

    Joseph’s Inspired Dreams

    2:50

    Joseph in Egypt

  • Azon’ny zanakao atao angamba ny mikaroka ao amin’ny Genesisy 39:1–3, 20–23 ny toerana rehetra ahitana ilay andian-teny hoe “[Jehovah nomba an’i Josefa]” sy ireo andian-teny mitovy amin’izany. Avelao izy ireo hizara ny dikan’io andian-teny io araka ny eritreriny. Ahoana no ahafantarantsika fa miaraka amintsika ny Tompo? Ifampizarao hoe ahoana no nahatsapanareo fa niaraka taminareo Andriamanitra nandritra ny fotoan-tsarotra.

Josefa tao am-ponja

Joseph of Egypt in Prison [I Josefa tany Egypta tao am-ponja], nataon’i Jeff Ward (ampahan-tsary)

Genesisy 39:7–12

Afaka mitsoaka fakam-panahy aho rehefa ampian’ny Tompo.

  • Ity misy lesona ampiasana zavatra azo tsapain-tanana izay afaka manampy ny zanakao hanaraka ny ohatra nasehon’i Josefa tamin’ny fandosirana ny vadin’i Potifara: Mampiasà andriamby roa hisolo tena an’i Jesoa Kristy sy i Satana. Mampiasà zavatra kely vita amin’ny vy, toy ny fanapaingorana taratasy (trombone) mba hanehoana antsika. Avy eo dia avelao ny zanakao hahita fa matanjaka kokoa ny fisintonan’ny andriamby iray ilay zavatra vita amin’ny vy rehefa afindran’izy ireo akaiky kokoa an’ilay andriamby izany. Amin’ny fomba ahoana no anehoan’ny zavatra niainan’i Josefa ao amin’ny Genesisy 39:7–12 io fahamarinana io? Inona no azontsika atao mba hialana amin’ny fahotana sy hanakaikezana kokoa an’i Jesoa? Ny hira toy ny “Mila Anao aho” (Fihirana sy Hiran’ny Ankizy, lah. 23) dia afaka manampy amin’ity fifanakalozan-kevitra ity.

    2:58

    Temptation Fades as We Seek Christ in Every Thought

    Mampiasà hira. “Ny hira ao amin’ny fihirana sy ireo hira masina hafa dia afaka manampy ny ankizy hahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra sy hahatsapa ny Fanahy ary hianatra fahamarinana ao amin’ny filazantsara. Ny feon-kira sy ny paikam-peonkira ary ny rima tsotra dia afaka manampy ny ankizy hahatsiaro ireo fahamarinan’ny filazantsara mandritra ireo taona maro manaraka. Rehefa miaraka mihira amin’ny ankizy ianao dia ampio izy ireo hahita sy hahatakatra ireo fitsipika ampianarina ao anatin’ireo hira.” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy32).

  • Ampio ny zanakao hieritreritra fakam-panahy izay mety hatrehan’izy ireo. Avelao izy ireo hilalao an-tsehatra ny fomba ahafahan’izy ireo “mandositra” ireo fakam-panahy ireo.

Mba hahitana fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

Ireo rahalahin’i Josefa manendaka ny akanjony

Joseph, the Dream Interpreter [I Joseph, ilay mpanambara ny hevitry ny nofy], nataon’i Kristi Kirisberg Harmon

Pejin’ny sahanasa ho an’ny Kilonga: Afaka ny ho tsara fanahy amin’ny fianakaviako aho