“Zavatra tokony hotadidina: Ny mpianakavin’i Isiraely,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Taloha 2026 (2026)
“Ny mpianakavin’i Isiraely,” Avia, hanaraka Ahy: 2026
Zavatra tokony hotadidina
Ny mpianakavin’i Isiraely
Tany an-tany efitra atsinanan’i Kanana dia niandry tao anatin’ny tahotra ny fihaonana tamin’i Esao rahalahiny kambana taminy i Jakoba. Tamin’ny fotoana nahitan’i Jakoba an’i Esao farany, tokony ho 20 taona tany aloha, dia naniry ny hamono azy i Esao. Nandany ny alina iray manontolo tao anaty tolona mba hitady fitahiana avy amin’ Andriamanitra i Jakoba. Vokatry ny finoan’i Jakoba sy ny fikirizany ary ny fahavononany tanteraka, dia novalian’ Andriamanitra ny vavaka nataony. Novaina ho Isiraely ny anaran’i Jakoba tamin’io alina io, anarana izay midika hoe “maharitra amin’ Andriamanitra izy”.
Teo akaikin’ny Renirano Jaboka no nandraisan’i Jakoba ny anarana hoe Isiraely.
Io no fotoana voalohany nisehoan’ny anarana hoe Isiraely ao anatin’ny Baiboly, ary anarana izay naharitra manerana ny boky sy manerana ny tantara io anarana io. Vetivety dia lasa nanondroana olona mihoatra ny iray io anarana io. Nanana zanaka 12 i Isiraely, ary ny taranak’izy ireo mitambatra dia fantatra tamin’ny hoe “mpianakavin’i Isiraely,” na ireo “fokon’i Isiraely,” na ny “zanak’i Isiraely,” na ny “Isiraelita.”
Manerana ny tantara, dia nisy dikany lehibe teo amin’ny zanak’i Isiraely ny maha-taranaka avy amin’ny iray amin’ireo foko roa ambin’ny folon’i Isiraely azy ireo. Ampahany nanan-danja tamin’ny famantarana ny fanekempihavanan’izy ireo ny rohim-pirazanan’izy ireo. Ny Apôstôly Paoly dia nanambara fa “ao anatin’ny fokon’i Benjamina” izy (Romana 11:1). Ny antony iray nanirahan’i Lehia ireo zanany lahy haka ireo takela-bolamena tany Jerosalema, dia satria nisy “tetiaran’ny razambeny” ireo takela-bolamena (1 Nefia 5:14). Hitan’i Lehia fa taranak’i Josefa izy, ary ny fahatakaran’ny taranany ny fifandraisan’izy ireo amin’ny mpianakavin’i Isiraely dia voaporofo fa nanan-danja tamin’izy ireo tamin’ireo taona nanaraka taty aoriana.
Ao amin’ny Fiangonana ankehitriny, dia mety haheno momba an’i Isiraely amina fomba fitenenana toy ny hoe “fanangonana an’i Isiraely” ianao. Isika dia mihira momba ilay hoe “Ry Mpanavotra [an’i Isiraely],” sy ny “Ô vaillants guerriers d’Israël,” ary ny “Anciens d’Israël.” Ao anatin’ireny toe-javatra ireny isika dia tsy miresaka na mihira momba ny fanjakan’i Isiraely fahiny na ilay firenena maoderina antsoina hoe Isiraely. Isika kosa dia miresaka momba ireo olona nangonina avy amina firenena maro manerana izao tontolo izao ho ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy. Ireo olona naharitra tamin’ Andriamanitra no resahintsika eto, olona izay nikatsaka fatratra ireo fitahiana avy Aminy, ary ireo izay lasa vahoakan’ny fanekempihavanany tamin’ny alalan’ny batisa. Araka ny tenin’ny Filoha Russell M. Nelson, ny hoe avy amin’i Isiraely dia midika hoe “[m]amela an’ Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainantsika, … [m]amela an’ Andriamanitra ho ny hery lehibe indrindra eo amin’ny fiainantsika.”
Ny tsodranon’ny patriarka nomena anao dia manambara ny fifandraisanao amin’ny anankiray amin’ireo fokon’ny mpianakavin’i Isiraely. Mihoatra noho ny ampahana tantaram-pianakaviana iray mahaliana izany. Misy ifandraisany amin’izao ankehitriny atrehanao izao sy ny hoavinao koa izany. Ny hoe ao amin’ny mpianakavin’i Isiraely dia midika fa manana fifandraisana mifono fanekempihavanana amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ianao. Midika izany fa tahaka an’i Abrahama, dia natao “ho fitahiana” ho an’ny zanak’ Andriamanitra ianao (Genesisy 12:2; Abrahama 2:9–11). Midika izany, amin’ny tenin’i Petera, fa “ianareo kosa dia taranaka voafidy, fanjakam-pisorona, firenena masina, olona nalain’ Andriamanitra ho an’ny tenany; mba hilazanareo ny hatsaran’ilay niantso anareo hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga” (1 Petera 2:9). Midika izany fa ianao dia mamela an’ Andriamanitra hanjaka”, fa ianao dia ilay olona izay “maharitra amin’ Andriamanitra” rehefa manaja ny fanekempihavanana nataonao Taminy.
Family Tree of Jacob (Isirael) [Hazon’ny tetiaram-pianakavian’i Jakoba (Isiraely)], nataon’i Brent Evans