“23 febroary–1 martsa. -Fa moa misy zavatra mahagaga izay tsy hain’ i Jehovah va?-: Genesisy 18–23,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana : Testamenta Taloha 2026 (2026)
“23 febroary–1 martsa. -Fa moa misy zavatra mahagaga izay tsy hain’ i Jehovah va?-,” Avia, hanaraka Ahy: 2026
Sarah and Isaac [I Saraha sy i Isaka], nataon’i Scott Snow
23 febroary–1 martsa: “Fa moa misy zavatra mahagaga izay tsy hain’ i Jehovah va?”
Genesisy 18–23
Ny fiainan’i Abrahama sy i Saraha izay feno trangan-javatra sady nahavaky fo no mampahery dia porofon’ny fahamarinana iray nianaran’i Abrahama tao anatina fahitana iray, dia ny hoe eto an-tany isika mba hozahan-toetra, mba “hahitana raha toa [isika] hanao ireo zava-drehetra handidian’ny Tompo Andriamani[tsika] antsika” (Abrahama 3:25). Moa ve i Abrahama sy i Saraha haneho fa mahatoky? Moa ve izy ireo hanohy hanana finoana an’ilay fampanantenan’ Andriamanitra fa hanana taranaka maro be na dia tsy mbola nanan-janaka aza izy ireo tao anatin’ny fahanterany? Ary raha vao teraka i Isaka, moa ve hahazaka ilay zavatra tsy azo eritreretina akory ny finoan’izy ireo, dia ilay didy mba hanao sorona ilay zanaka nampanantenan’ Andriamanitra fa hanatanterahany izany fanekempihavanana izany?
Natoky an’ Andriamanitra i Abrahama sy i Saraha, ary natoky azy ireo Izy (jereo ny Genesisy 15:6; Romana 4:3). Ao amin’ny Genesisy 18–23 isika dia mahita tantara avy amin’ny fiainan’i Abrahama sy i Saraha, ary ny hafa izay afaka manosika antsika hieritreritra momba ny fahavononantsika hino ny fampanantenan’ Andriamanitra, handositra ny faharatsiana sy tsy hiherika intsony ary hatoky an’ Andriamanitra na inona na inona fahafoizan-tena takina. Rehefa mitsapa antsika Andriamanitra dia mampivoatra antsika koa.
Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana
Genesisy 18:9–14; 21:1–7
Ny Tompo dia manatanteraka ny fampanantenana nataony amin’ny fotoanany.
Nanao fampanantenana lehibe tamin’ireo mahatoky ny Tompo, saingy ny toe-javatra misy eo amin’ny fiainantsika indraindray dia mety hahatonga antsika hanontany tena mikasika ny fomba ahafahan’ireo fampanantenana ireo ho tanteraka. Mety ho nahatsapa izany i Abrahama sy i Saraha. Inona no nianaranao avy amin’ny zavatra niainan’izy ireo? Mety hanampy ny manomboka ny fandalinana ataonao amin’ny alalan’ny famerenana mijery ny zavatra nampanantenain’ny Tompo ao amin’ny Genesisy 17:4, 15–22. Inona no fihetsika nasehon’i Abrahama sy i Saraha? (jereo koa ny Dikantenin’i Joseph Smith, Genesisy 17:23; Genesisy 18:9–12). Inona no navalin’ny Tompo mba hanampiana azy ireo mba hanana finoana lehibe kokoa an’ireo fampanantenany? (jereo ny Genesisy 18:14).
Inona no hitanao ao amin’ireo andininy ireo izay manorina ny finoanao? Inona ireo zavatra niainana hafa, teo amin’ny fiainanao na teo amin’ny fiainan’olon-kafa, izay nanamafy orina ny finoanao fa hanatanteraka ireo fampanantenany amin’ny fotoanany sy amin’ny fombany ny Tompo? Azonao atao koa ny misaintsaina ny fomba ahafahanao manohana ny finoanao rehefa tsy voaray eto amin’ity fiainana ity ireo fitahiana nampanantenaina. Inona no torohevitra hitanao ao amin’ny Hebreo 11:8–13 sy ny hafatry ny Filoha Russell M. Nelson mitondra ny lohateny hoe “Nitsangana i Kristy; hamindra tendrombohitra ny finoana Azy”? (Liahona, mey 2021, 101–4).
Jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:68.
Genesisy 19:12–29
Mandidy ahy ny Tompo mba handositra ny faharatsiana ka tsy hiherika.
Inona no lesona ianaranao momba ny fandosirana ny faharatsiana rehefa mamaky momba an’i Lota sy ny fianakaviany ianao? Ohatra, inona no nanaitra anao tamin’ny zavatra nolazain’ireo anjely sy nataon’izy ireo mba hanampiana an’i Lota sy ny ankohonany handositra ny fandringanana? (jereo ny Genesisy 19:12–17). Ahoana no hanampian’ny Tompo anao sy ny fianakavianao handositra na hahita fiarovana eo anatrehan’ireo fitaoman-dratsy eo amin’izao tontolo izao? Eritrereto ireo toe-javatra izay mety hakana fanahy anao mba “hiherika” (andininy 26) amin’ny fotoana tokony hiandrandranao amim-pinoana ny Mpamonjy ianao. Inona no zavatra ampian’ny Lioka 9:62ao anatin’ny fahatakarantsika io foto-kevitra io?
Jereo koa ny Dikantenin’i Joseph Smith, Genesisy 19:9–15 (ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina).
Genesisy 19:26
Inona no hadisoana nataon’ny vadin’i Lota?
Nampianatra ny Loholona Jeffrey R. Holland hoe:
“Raha ny fahitana azy, ny fahadisoan’ny vadin’i Lota dia tsy ny fiherehany fotsiny ihany; fa ny tao am-pony dia te-hiverina izy. Izany dia mety haneho fa na dia talohan’ny nihoarany ny faritr’ilay tanàna aza dia efa manina sahady ireo zavatra noraisiny tao Sodoma sy Gomora izy. …
“Mety ho azo heverina fa nitodika nijery ny Tompo tao anatin’ny lolom-po ny vadin’i Lota noho ny zavatra nangatahin’ny Tompo taminy mba havelany. … Ka tsy hoe nitodika fotsiny izy; fa nitodika tamim-panembonana. Raha fintinina izany, ny fifikirany tamin’ny lasa dia lehibe kokoa noho ny fahatokiany ny hoavy. Toa ampahany tamin’ny fahotany izany farafahakeliny mazava ho azy.
“… Miangavy anareo aho tsy hifikitra amin’ny efa lasa, na haniriniry foana ny omaly, na dia tsara tahaka ny ahoana aza ireny lasa ireny. “Natao hianarana ny lasa fa tsy hiainana. Mijery any aoriana isika mba hianatra zavatra avy amin’ireo ampahany tsara indrindra tao anatin’ny zavatra niainana fa tsy hamerina hiaina ny lasa akory. Ary rehefa nianatra izay nilaintsika nianarana isika sy nitondra niaraka tamintsika ny tsara indrindra izay niainantsika dia mijery any aloha isika ary mahatsiaro fa manondro mankany amin’ny hoavy foana ny finoana. …
“… Ny fifantohana amin’ny fiainana taloha, tafiditra ao anatin’izany ny fahadisoana natao taloha, dia tsy mety! Tsy izany ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. …
“Ho an’ny [olona] rehetra avy amin’ny taranaka rehetra no anaovako antso hoe: -Tsarovy ny vadin’i Lota- [Lioka 17:32]. Ho an’ny hoavy ny finoana. Miorina eo amin’ny lasa ny finoana fa tsy maniry ny hijanona eo mihitsy. Ny finoana dia matoky fa manana zavatra tena tsara nomaniny ho an’ny tsirairay amintsika Andriamanitra ary i Kristy no tena -Mpisoronabe ny amin’ny zavatra tsara ho avy- (Hebreo 9:11)” (“The Best Is Yet to Be,” Ensign, jan. 2010, 24, 26–27).
Abraham and Isaac (i Abrahama sy Isaka), nataon’i Harold Copping
Genesisy 22:1–19
Ny fahavononan’i Abrahama hanao sorona an’i Isaka dia tandindon’ Andriamanitra sy ilay Zanany.
Na dia tsy fantatsika aza ny antony rehetra nandidian’ Andriamanitra an’i Abrahama hanao sorona an’i Isaka, dia tena fantatsika kosa fa fitsapana ny finoany an’ Andriamanitra izany. Fantatsika koa fa izany dia “tandindon’ Andriamanitra sy ny Zanany Lahitokana” (Jakôba 4:5). Rehefa mamaky ny Genesisy 22:1–19 ianao dia afaka mitady ireo tandindona na zavatra mitovy eo amin’ny fanoloran’i Abrahama an’i Isaka sy ny fanoloran’ny Ray an’i Jesoa Kristy Zanany. Hevero ny hanoratra ny zavatra hitanao ao anatin’ny tabilao toy izao:
|
I Abrahama sy i Isaka |
Ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy |
|---|---|
I Abrahama sy i Isaka I Isaka no zanaka lahitokan’i Abrahama sy i Saraha (Genesisy 22:2; jereo koa ny Hebreo 11:17) | Ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy I Jesoa Kristy no Ilay Zanaka Lahitokan’ny Ray (Jaona 3:16) |
I Abrahama sy i Isaka I Isaka dia natolotra ho solon’ny zanak’ondry (Genesisy 22:7–9) | Ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy I Jesoa Kristy no Zanak’ondrin’ Andriamanitra (Jaona 1:29) |
Inona avy ireo tandindon’ny sorona fanavotana nataon’ny Mpamonjy na ireo zavatra mitovy amin’izany izay hitanao fa manan-danja indrindra? Hevero ny hihira na hamaky ny tonon’ny hira iray ao amin’ny fihirana izay maneho ny fitiavan’ny Ray any An-danitra antsika, toy ny “Notre Dieu nous a tant aimés,” Cantiques, no. 111. Azonao atao koa ny mirakitra an-tsoratra ny zavatra tsapanao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary ny sorona nataon’Izy ireo ho anao.
Raha te handalina kokoa momba ny sorona nataon’ny Mpamonjy antsika ianao dia vakio ny hafatry ny Filoha Jeffrey R. Holland mitondra ny lohateny hoe “Indro ny Zanak’ ondrin’ Andriamanitra” (Liahona, mey 2019, 44–46). Nahoana ny zanak’ondry no tandindona mahery vaikan’ny Zanak’ Andriamanitra toy izany? Inona no nampianarin’ny Filoha Holland izay mampitombo ny fanajanao ny fanomezam-pahasoavan’ny Ray any An-danitra?
Jereo koa ny “Le sacrifice: les liens de l’alliance” (horonan-tsary), Médiathèque de l’Évangile.
Akedah (The Binding)
Mampiasà fitaovana jeren’ny maso mba hampianarana. Mba hisian’ny karazan-javatra samihafa eo amin’ny fampianarana sy fianarana dia azonao ampiasaina ny iray na ny maromaro amin’ireo sary ato amin’ity rindran-damina ity rehefa mandalina ireo tantara ao amin’ny Genesisy 18–23 ianao. Ohatra, ianao sy ny fianakavianao na ny kilasinao dia afaka mandinika ireo antsipirian-javatra eo amin’ny sarin’i Abrahama sy i Isaka. Resaho ny antony maha-zava-dehibe ireo antsipirian-javatra ireo amin’ilay tantara, ary tadiavo ireo antsipirian-javatra ireo ao amin’ny soratra masina. Ahoana no hanasongadin’izy ireo ny tandindon’ny sorona nataon’ny Zanak’ Andriamanitra ao amin’ilay tantara?
Mba hahitana fampahalalana misimisy kokoa, dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Liahona sy ny Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.
Hevitra enti-mampianatra ny ankizy
Genesisy 17:15–21; 18:14; 21:1–7
Afaka matoky an’ Andriamanitra aho fa hanatanteraka ireo fampanantenany Izy.
-
Mba hianarana momba ny fatokian’i Abrahama sy i Saraha ny fampanantenan’ Andriamanitra dia afaka miresaka momba ny fotoana iray izay tsy maintsy niandrasan’izy ireo zavatra tena tian’izy ireo ho azo ianao sy ny zanakao. Avy eo dia azonareo atao ny mijery ny sarin’i Saraha sy i Isaka any am-piandohan’ity rindran-damina ity ary miresaka momba ny fampanantenana nataon’ Andriamanitra taminy sy i Abrahama (jereo koa ny “Abrahama sy Saraha,” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha, 28–31). Ampio ny zanakao hieritreritra ireo zavatra nampanantenain’ Andriamanitra antsika raha toa ka mahatoky isika. Amporisiho izy ireo mba hanana faharetana sy hatoky fa hitandrina ny fampanantenany Andriamanitra.
2:20Abraham and Sarah
-
Mba hanampiana ny zanakao hianatra ilay fahamarinana manan-danja ao amin’ny Genesisy 18:14, dia azonao soratana amin’ny taratasy misaratsaraka ny teny tsirairay avy amin’ny fehezan-teny voalohany ao amin’io andininy io. Afangaroy ireo taratasy avy eo ary asao ny zanakao mba handamina ireo teny ireo araka ny tena filaharany. Avy eo dia afaka mamaky ny Genesisy 17:15–21; 21:1–7 ianao sy ny zanakao mba hahitana ohatra iray momba ny zavatra toa tsy ho azo tanterahina nefa notanterahin’ny Tompo. Zarao amin’ny zanakao ny finoanao fa ny Tompo dia hanatanteraka ny fampanantenany, na dia toa tsy ho azo tanterahina na mety ho ela be aza izany.
Genesisy 19:15–26
Afaka mandositra ny faharatsiana aho.
-
Anontanio ny zanakao hoe rehefa ao anatin’ny toe-javatra inona no mety hanasan’ny olona azy ireo hanao zavatra izay fantany fa tsy mety. Ahoana no fomba “handosira[ntsika]” an’ireo toe-javatra ireo? Fintino ny Genesisy 19:15–26 amin’ny alalan’ny fanazavana fa niaina tao amin’ny tanàna iray feno faharatsiana ny fianakavian’i Lota ka nilaza tamin’izy ireo ireo anjely fa tokony hiala tao izy ireo. Rehefa miara-mamaky ny andininy 15–17, 26 ianao sy ny zanakao dia anontanio azy ireo ny mety ho dikan’ny hoe “[mandositra]” ny ratsy amin’izao fotoana izao sy ny hoe “aza miherika” (andininy 17).
Sodom [Sodoma], nataon’i Julius Schnorr von Carolsfeld
Genesisy 22:1–14
Nankatò ny Tompo i Abrahama.
-
Ny fampiasana ny sarin’i Abrahama sy Isaka ary ny Fanomboana (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny Filazantsara, lah. 9,, 57) dia afaka manampy ny zanakao hampitaha ilay tantara ao amin’ny Genesisy 22 amin’ny sorona nataon’ny Mpamonjy (jereo ny Matio 27:26–37). Inona no azontsika ianarana momba ny Ray any An-danitra i Jesoa Kristy avy amin’ny tantaran’i Abrahama sy Isaka ary ny Fanomboana? (Jereo koa ny “Abrahama sy Isaka,” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha, 34–37.)
2:0Abraham and Isaac
-
Afaka mieritreritra kilalao tsotra holalaovina miaraka amin’ny zanakao izay mitaky azy ireo hanaraka torolalana ve ianao? Angamba mety hitarika any amin’ny sarin’ny Mpamonjy izay nafenina ireo torolalana. Mety hiteraka firesahana momba ireo zavatra izay nandidian’ny Ray any An-danitra antsika mba hataontsika ilay kilalao mba hahafahantsika miara-miaina Aminy sy amin’i Jesoa Kristy indray. Hevero ny hihira hira iray toy ny “Hajao ireo didy” (Bokin-kiran’ny ankizy, 68–69). Afaka manampy ihany koa ny pejin’ny sahanasa ho an’ity herinandro ity.
Mba hahitana fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.