Avia, hanaraka Ahy
16–22 martsa. “Nisaina izany ho soa [Andriamanitra]” Genesisy 42–50


“16–22 martsa. -Nisaina izany ho soa [Andriamanitra]-: Genesisy 42–50,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana : Testamenta Taloha 2026 (2026)

“16–22 martsa. -Nisaina izany ho soa [Andriamanitra]-,” Avia, hanaraka Ahy: 2026

I Josefa mamela heloka ireo rahalahiny

Forgiveness [Famelan-keloka], nataon’i Megan Rieker

16–22 martsa: “Nisaina izany ho soa [Andriamanitra]”

Genesisy 42–50

Efa teo amin’ny 22 taona teo tamin’izay no lasa hatramin’ny nivarotan’ireo rahalahin’i Josefa azy ho amin’ny fanandevozana. Nizaka fitsapana maro i Joseph, anisan’izany ny fiampangana diso sy ny fanagadrana. Rehefa nahita ireo rahalahiny indray izy tamin’ny farany dia mpanapaka an’i Egypta iray manontolo i Josefa, ary i Farao irery ihany no ambony noho izy. Azon’i Josefa natao mora foana ny nanao valifaty tamin’ireo rahalahiny, ary rehefa dinihina ny zavatra nataon’izy ireo tamin’i Josefa dia toa rariny izany. Na izany aza dia namela azy ireo i Josefa. Tsy izany ihany fa nanampy azy ireo hahita tanjona araka an’ Andriamanitra tamin’ny fijaliana nolalovany izy ireo. “Nisaina izany ho soa [Andriamanitra]” (Genesisy 50:20) hoy izy tamin’izy ireo satria nametraka azy tamina toerana hamonjeny “ny ankohonan’ny rainy rehetra” (Genesisy 47:12) tamin’ny mosary izany.

Amin’ny lafiny maro dia tahaka an’i Jesoa Kristy i Josefa. Na dia nahatonga fijaliana lehibe ho an’i Jesoa aza ny otantsika dia manome famelan-keloka izay manafaka antsika rehetra amina anjara ratsy kokoa noho ny mosary Izy. Na mila famelan-keloka na mila mamela heloka isika, izay samy ilaintsika rehetra ny manao azy raha ny marina, ny ohatra nasehon’i Josefa dia mampitodika antsika any amin’ny Mpamonjy, ilay tena loharanon’ny fanasitranana sy ny fampihavanana.

sary famantarana ny fandalinana

Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana

Genesisy 45:5–7; 47:12

“Andriamanitra efa nampandeha ahy hialoha anareo, mba tsy hahalany taranaka anareo.”

Efa nahatsikaritra fitoviana teo amin’ny fiainan’i Josefa sy ny asa fanavotana izay nanirahana an’i Jesoa Kristy ve ianao? Mba hahitana ohatra vitsivitsy amin’ireo fitoviana ireo dia andramo ampitahaina ny:

  • Genesisy 37:3 sy ny Matio 3:17.

  • Genesisy 37:26–28 sy ny Matio 26:14–16.

  • Genesisy 45:5–7 sy ny Lioka 4:18.

  • Genesisy 47:12 sy ny Jaona 6:35.

Inona no zavatra tsapanao momba ny Mpamonjy sy ny asa nanirahana Azy eo am-pamakianao ireo andininy ireo?

Genesisy 45; 50:15–21

sary famantarana ny seminera
Mitondra fanasitranana ny famelan-keloka.

Ny famakiana momba an’i Josefa izay namela ny rahalahiny tamin’ny zavatra mahatsiravina nataon’izy ireo dia mety hanentana anao hieritreritra olona izay tena sarotra aminao ny hamela azy. Mety hanampy ireto fanontaniana manaraka ireto rehefa miezaka mampihatra ity fitsipika ity ianao:

  • Nahoana no mety ho sarotra tamin’i Josefa ny namela heloka ireo rahalahiny? (mba hijerena indray ny zavatra nataon’izy ireo taminy dia jereo ny Genesisy 37). Inona ireo zavatra niainana na toe-tsaina mety nanome an’i Josefa tanjaka hamelana heloka? (jereo, ohatra, ny Genesisy 45:1–15 na ny 50:15–21).

  • Inona avy ireo fitahiana tonga avy tamin’ny famelan’i Josefa ny heloky ny rahalahiny? Ohatra, ampitahao ny fifandraisana nisy teo anivon’ny fianakavian’i Jakoba tany amin’ny fiandohan’ny tantara (jereo, ohatra, ny Genesisy 37:3–11 sy ny fifandraisan’izy ireo tamin’ny farany (jereo ny Genesisy 45:9–15; 50:15–21). Inona no mety ho nitranga raha tsy vonona ny hamela heloka i Josefa?

  • Hevero ny hanoratra ny anaran’ny olona iray izay mety mila ny famelan-kelokao, na nangataka famelan-keloka izy ireo na tsia. Inona no azonao atao mba hanasana ny hery manasitran’ny Mpamonjy ao anatin’izany toe-javatra izany? Raha toa ka toa sarotra loatra ny mamela heloka dia hevero ny hamerina hijery ny torohevitry ny Loholona Gerrit W. Gong ao amin’ireo andiam-pehezan-teny enina farany ao amin’ny hafany mitondra ny lohateny hoe “Sambatra sy mandrakizay” (Liahona, nôv. 2022, 85). Inona no zavatra hitanao izay manome fanantenana anao fa afaka mamela heloka ianao?

Jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:9–11; “Le pardon : Mon fardeau a été rendu léger” (horonan-tsary), Médiathèque de l’Évangile.

8:24

Forgiveness: My Burden Was Made Light

Genesisy 49

Nanome tsodrano ara-paminaniana ho an’ny fianakaviany i Jakoba.

Ireo tsodranon’i Jakoba ho an’ny taranany dia ahitana sariohatra mafonja, saingy tsy mora takarina izy ireo. Soa ihany fa manome antsika fanampiana ny filazantsara naverina amin’ny laoniny. Rehefa mamaky ny tsodranon’i Josefa ao amin’ny Genesisy 49:22–26 ianao, dia vakio koa ireto andininy manaraka ireto ary jereo izay hevi-baovao atolony: 1 Nefia 15:12; 2 Nefia 3:4–5; Jakôba 2:25; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:44.

Rehefa mamaky momba ny tsodranon’i Joda ao amin’ny Genesisy 49:8–12 ianao dia tsarovy fa taranak’i Joda i Jesoa Kristy. Inona no hitanao ao amin’ireo andininy ireo izay mampahatsiahy anao ny Mpamonjy? (jereo koa ny Apokalypsy 5:5–6, 9; 1 Nefia 15:14–15; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:59; 133:46–50).

Mety hitaona anao hamerina hijery ny tsodranon’ny patriarika nomena anao ny famakiana ireo tsodrano ireo, na raha tsy manana iray ianao dia mety hamporisika anao handray tsodrano iray izany. Inona avy ireo teny sy andian-teny ao amin’ny tsodranonao izay mampitodika ny eritreritrao any amin’i Jesoa Kristy?

Jereo koa ny Randall K. Benntt, “Ny tsodranonao avy amin’ny patriarika, fitarihana avy amin’ny fitaomam-panahy avy amin’ny Ray any An-danitra,” Liahona, mey 2023, 42–44.

Genesisy 50:19–21

Afaka manampy ahy hahalala Andriamanitra fa misy dikany ireo fitsapana lalovako.

Na dia mety ho tsy nazava aza izany tao anatin’ny fotoana niainany izany, dia afaka nanao jery todika ny fahoriana niainany tany Egypta i Josefa ary nahita fa “Nisaina izany ho soa [Andriamanitra]” (Genesisy 50:20). Raha afaka namangy an’i Josefa ianao fony izy tao an-davaka na tao am-ponja, dia ahoana no mety ho fomba nankaherezanao azy? Ahoana no ahafahan’ny Genesisy 50:19–21 manampy anao ao anatin’ny fotoana andalovanao fitsapana?

Jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 122; “Fototra mafy orina,” Fihirana sy Hiran’ny Ankizy, lah. 12.

I Josefa tany Egypta nahita fahitana momba an’i Joseph Smith nandray ireo takela-bolamena avy tamin’ny anjely Môrônia

Joseph Smith among the Prophets [i Joseph Smith teo anivon’ireo Mpaminany], nataon’i Paul Mann (ampahan-tsary)

Genesisy 50:24–25

“Mpahita iray no hatsangan’ny Tompo Andriamanitro.”

Eo am-pamakianao ny Genesisy 50:24–25 sy ny Dikanten’i Joseph Smith, Genesisy 50:24–38 (ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina), dia saintsaino ny antony naha-zava-dehibe ny nahafantaran’i Josefa momba an’i Mosesy sy i Joseph Smith taonjato maro talohan’izany. Ahoana no nanatanterahan’i Joseph Smith ireo faminanian’i Josefa momba azy? (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:17–23; 20:7–12; 39:11; 135:3).

Mba hahitana fampahalalana misimisy kokoa, dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Liahona sy ny Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.

sary famantarana ny fizarana ho an’ny ankizy 01

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

Genesisy 42–44; 45:4–15

Afaka maneho fitiavana sy famindram-po amin’ny fianakaviako aho.

  • Mety hahafinaritra ny zanakao ny milalao an-tsehatra ny tantaran’i Josefa tafaray indray tamin’ny fianakaviany (jereo ny Genesisy 42–44). Na azon’izy ireo atao ny mampiasa ny “Josefa sy ilay mosary” (ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha, 57–60) na ny sary ato amin’ity rindran-damina ity mba hifampianarana ilay tantara. Ireto misy fanontaniana vitsivitsy izay afaka manampy ny zanakao hianatra zavatra avy amin’ilay tantara:

    • Inona no nataon’i Josefa mba hanehoana fitiavana ho an’ny fianakaviany? (jereo ny Genesisy 45:4–15).

    • Nahoana ianao no mahatsapa fa namela ny helok’ireo rahalahiny i Josefa?

    • Inona araka ny eritreritrao no tsapan’ireo rahalahin’i Josefa rehefa hitan’izy ireo fa namela heloka azy ireo i Josefa? Iza eo amin’ny fiainanao no ilaina avela heloka? Ahoana no ahafahanao maneho fitiavana sy famelana?

    2:26

    Joseph and the Famine

Rehefa miomana hampianatra ianao dia anontanio hoe, “Inona no hataon’ny zanako mba hianarana?” Ohatra, ato amin’ity sahanasa ity ny zanakao dia manao filalaovana an-tsehatra na mamerina mitantara tantara iray. Ny fanaovana izany dia hanampy azy ireo hahatsiaro ny zava-nitranga sy ireo fitsipiky ny filazantsara voarakitra ao amin’ilay tantara.

  • Azonao na ny zanakao atao ny mizara zavatra niainana iray izay namelany heloka olona iray na namelan’ny olona iray heloka azy. Avy eo dia azonareo atao ny mihira hira iray toy ny “Mifankatiava” (Bokin-kiran’ny ankizy, 74) na ny “Ray O, Ampio aho” (Bokin-kiran’ny ankizy, 52).

Genesisy 48:8–9

Manampy ahy amin’ny alalan’ireo tsodranon’ny fisoronana ny Tompo.

  • Afaka mijery ny sarin’i Jakoba mitsodrano ireo zanany lahy any amin’ny faran’ity rindran-damina ity ianao sy ireo zanakao ary mifanakalo hevitra momba ny zava-mitranga (jereo ny Genesisy 48:8–9). Raha ilaina dia hazavao fa naniry ny hanome tsodranon’ny fisoronana ho an’ny fianakaviany i Jakoba rain’i Josefa. Azonareo atao angamba ny mifampizara zavatra niainana izay efa nandraisanareo fanampiana avy tamin’ Andriamanitra tamin’ny alalan’ny tsodranon’ny fisoronana. Inona avy ireo antony sasantsasany mety hangatahantsika tsodranon’ny fisoronana?

zatovovavy mandray tsodrano

Genesisy 45:5–11

Nandefa an’i Jesoa Kristy ny Ray any An-danitra mba hamonjy ahy.

  • Ahoana no ahafahanao manampy ny zanakao hahita ny Mpamonjy ao amin’ny tantaran’i Josefa nanavotra ny fianakaviany tamin’ny mosary? Hevero ny hanamboatra tabilao misy tsanganana roa misy anarana hoe Josefa sy Jesoa Kristy. Ampio ny zanakao hamaky ireto andinin-tsoratra masina mandeha tsiroaroa ireto ka hampiditra ao amin’ilay tabilao ireo zavatra mampitovy an’i Josefa sy i Jesoa: Genesisy 37:3 sy Matio 3:17; Genesisy 37:26–28 sy Matio 26:14–16; Genesisy 45:5–7 sy Lioka 4:18; ary Genesisy 47:12 sy Jaona 6:35.

  • Anontanio ny zanakao ny dikan’ny hoe mamonjy na manavotra olona. Raha nisy tamin’izy ireo niaina izany hoe voavonjy na voavotra tamin’ny loza izany, dia asao izy ireo hizara. Ahoana no namonjen’i Josefa an’ireo rahalahiny? (jereo ny Genesisy 42:1–3; 45:5–7). Avy eo dia azonareo atao ny miara-mijery sarin’ny Mpamonjy ary mangataka ny zanakao hiresaka momba ny fomba hamonjen’i Jesoa antsika.

Mba hahitana fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

I Isiraely manome tsodranon’ny fisoronana ho an’ny zanany lahy

Jacob Blessing Joseph (Jacob Blessing His Sons) [I Jakoba mitsodrano an’i Josefa (i Jakoba mitsodrano ireo zanany lahy)], nataon’i Harry Anderson

Pejin’ny sahanasa ho an’ny Kilonga: Afaka mamela heloka aho