Avia, hanaraka Ahy
2–8 martsa. “Aoka Andriamanitra no hanjaka”: Genesisy 24–33


“2–8 martsa. -Aoka Andriamanitra no hanjaka-,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana : Testamenta Taloha 2026 (2026)

“2–8 martsa. -Aoka Andriamanitra no hanjaka-,” Avia, hanaraka Ahy: 2026

Nivarotra ny fizokiany tamin’i Jakoba i Esao mba hihinanana lasopy iray lovia

Esau Sells His Birthright [Nivarotra ny fizokiany i Esao], nataon’i Glen S. Hopkinson (ampahan-tsary)

2–8 martsa: “Aoka Andiamanitra no hanjaka”

Genesisy 24–33

Ahoana no ahafahanao mahazo fitahiana ho an’ny tenanao manokana avy amin’ Andriamanitra? Azonao atao ny milaza fa ny tantaran’i Jakoba, zafikelin’i Abrahama sy Saraha, dia tantaran’ny lehilahy iray izay nianatra ny valin’izany fanontaniana izany. Tao anatin’ny kolontsaina iray izay nahitana ny fandraisan’ny zanaka lahimatoa tsodranon’ny fizokiana dia teraka faharoa i Jakoba, ka nihazona ny ombelahin-tongotry ny rahalahiny kambana, Esao. Ny anarana hoe “Jakoba” dia midika hoe “mpisolo toerana”, olona iray izay manolo olon-kafa. Niaina araka ny hevitr’izany anarana izany i Jakoba tamin’ny alalan’ny fiezahana, nihoatra ny indray mandeha, mba hisolo toerana an’i Esao ho mpandova ny tsodranon’ny fizokiana satria tsy mendrika izany i Esao (jereo ny Genesisy 25:30–34; 26:34–35; 27:36). Tsy fitovian-kevitra tao amin’ny fianakaviana ny vokatr’izany, ary tsy maintsy nandositra nankany an-tany foana mba hamonjeny ny ainy i Jakoba.

Taona maro taty aoriana dia nandidy an’i Jakoba Andriamanitra mba hiverina hody. Teny an-dalana dia nikatsaka fitahiana, tamim-panetrentena, avy tamin’ Andriamanitra indray i Jakoba. Ny soratra masina dia mamaritra io fotoana io ho toy ny “tolona” ho an’i Jakoba, ary nanambara izy fa tsy hilavo lefona “raha tsy tahinao aho” (Genesisy 32:27). Tonga avy eo ny lesona sy ny fitahiana. Novain’ Andriamanitra ho Isiraely ny anaran’i Jakoba, izay midika hoe, ankoatra ireo zavatra hafa, “aoka Andriamanitra no hanjaka.” Nianatra i Isiraely fa mba handraisana ireo fitahiana sarobidy indrindra avy amin’ Andriamanitra, ireo fitahiana avy amin’ny fanekempihavanany, dia tsy ilaina ny misolo toerana olona hafa. Tsy novidina na norobaina na azo vokatry ny fandresena ireo fitahiany. Omeny maimaim-poana ho an’ireo rehetra izay miaina araka ny anaran’i Isiraely izy ireo, izay mamela an’ Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainan’izy ireo.

sary famantarana ny fandalinana

Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana

Genesisy 24

Ny fanekempihavanan’ny fanambadiana dia zava-manan-danja ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra mandrakizay.

Eo am-pamakiana ny Genesisy 24, dia manontania tena hoe nahoana i Abrahama no nandray ny fanambadian’i Isaka zanany lahy ho tena manan-danja. Nahoana ny fanambadiana no manan-danja amin’ Andriamanitra?

Inona avy ireo toetra tsara hitanao ao amin’i Rebeka izay hanampy mba hananana fanambadiana sy fianakaviana mafy orina? (jereo manokana ny andininy 15–28, 57–61).

Jereo koa ny Sujets et questions, “Mariage,” Médiathèque de l’Évangile.

Genesisy 25:29–34

Afaka manome lanja ny zavatra mandrakizay ho ambony noho ny zavatra ara-nofo aho.

Tao amin’ny kolontsain-dry Isaka sy Rebeka dia nandray ny fizokiana ilay zanaka lahimatoa, izay midika hoe lova lehibe kokoa, miaraka amin’ny andraikitra lehibe kokoa amin’ny fikarakarana ny fianakaviana. Rehefa mamaky ny Genesisy 25:29–34 ianao, dia diniho ny antony mety ho nahavonona an’i Esao hanary ny fizokiany ho takalon’ny sakafo iray. Inona no lesona hitanao ho an’ny tenanao ao amin’io tantara io? Mety hanampy ny fanaovana lisitra roa: (1) ireo fitahiana mandrakizay tian’ Andriamanitra homena anao sy (2) ireo zavatra araka izao tontolo izao izay mety hanelingelina anao. Avy eo dia azonao vakina ilay andinin-tsoratra masina ka manolo ny “fizokiana” amin’ny zavatra iray avy eo amin’ny lisitra voalohany ary ny manolo ny “voanemba masaka” amin’ny zavatra iray avy eo amin’ny lisitra faharoa. Ahoana no hifantohanao amin’ny Mpamonjy sy amin’ireo fitahiana mandrakizain’ny filazantsarany?

Jereo koa ny Matio 6:19–33; M. Russell Ballard, “Tsarovy izay manan-danja indrindra,” Liahona, mey 2023, 105–7.

I Jakoba tao Betela

Jacob at Bethel [I Jakoba tao Betela], nataon’i James Smetham

Genesisy 28

sary famantarana ny seminera
Ny fanekempihavanana ao amin’ny tranon’ny Tompo dia mitondra ny herin’ Andriamanitra eo amin’ny fiainako.

Raha natory teo amin’ny ondana vato i Jakoba dia nanofy toe-javatra izay nanova fiainany. Tena masina izany zavatra niainana izany ka nantsoin’i Jakoba hoe Betela, na “tranon’ Andriamanitra,” ilay toerana, sady nanambara izy hoe: “Ato amin’ity fitoerana ity tokoa Jehovah” (Genesisy 28:16).

Rehefa mamaky ny Genesisy 28 ianao dia azonao atao ny manontany tena hoe inona no nahatonga izany zavatra niainana izany ho tena masina tamin’i Jakoba. Inona no zavatra niainany tamin’izany fotoana izany? Inona no mety ho zavatra tsapany? Azonao atao koa ny mitady teny na andian-teny ao amin’ny andininy 10–22 izay mampahatsiahy anao ny tranon’ny Tompo. Inona no fahatsapana azonao mikasika an’ Andriamanitra, ny tranony, ary ireo fanekempihavanany?

Any amin’ny faran’ity rindran-damina ity dia misy sary hosodoko izay maneho ny nofin’i Jakoba. Azonao atao ny mampiasa izany rehefa mamaky ianao. Raha toa ianao ka hamorona zavakanto manokana izay maneho ny nofiny dia inona no hataonao? Inona avy ireo fahamarinana avy ao amin’ilay tantara izay hezahinao aseho an-tsary?

Ilay hira “Mon Dieu, plus près de toi” (Cantiques, no. 54) dia mifototra amin’ny zavatra niainan’i Jakoba. Inona no fifandraisana hitanao eo amin’io hira io sy ny Genesisy 28:10–22? Ahoana no fomba hanampian’ny tempoly anao mba hahatsapa ho akaiky kokoa an’ Andriamanitra? Hevero ny hitady valin’io fanontaniana io ao amin’ny hafatry ny FilohaRussell M. Nelson hoe “Ny tempoly sy ny fototra ara-panahinao” (Liahona, nôv. 2021, 93–96). Azonao atao koa ny mamerina mijery ireo fanekempihavanana sy ireo fitahiana avy amin’ny tranon’ny Tompo ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 27.2 (Médiathèque de l’Évangile). Ahoana no fomba hitondran’ny fitandremana ireo fanekempihavanana ireo ny herin’ Andriamanitra eo amin’ny fiainanao?

Aoka ianao ho tia mamorona. Misy fomba maro ahafahana mianatra avy amin’ny soratra masina ankoatra ny famakiana izany fotsiny. Ny olona sasany dia mahita fa takatr’izy ireo tsara kokoa ny soratra masina raha toa ka manao sary maneho ireo tantara izy ireo. Ny sasany dia mahita hevi-baovao ara-panahy ao anatin’ny hira masina mifandray amin’ny soratra masina. Aza ferana ho iray ny fomba entinao mianatra. Manàna fahavononana hanandrana fomba fiasa isan-karazany.

Genesisy 29:31–35; 30:1–24

Mahatsiaro ahy ao anatin’ny fitsapana lalovako ny Tompo.

Rehefa mamaky ny Genesisy 29:31–35 sy ny 30:1–24 ianao dia tadiavo ireo teny mamaritra ny famindram-pon’ Andriamanitra tamin-dRahely sy tamin’i Lea. Saintsaino ny fomba nataon’ Andriamanitra mba “[hitsinjovany] ny fahoria[nao]” sy “[hahatsiaro[vany]” anao (Genesisy 29:32; 30:22).

Genesisy 32–33

Afaka manasitrana ny fianakaviako ny Mpamonjy.

Rehefa niverina tany Kanana i Jakoba dia “natahotra indrindra … ka poritra dia poritra” ny amin’izay fomba handraisan’i Esao azy (Genesisy 32:7). Eo am-pamakianao ny Genesisy 32–33, dia saintsaino ny fifandraisanao manokana amin’ny fianakavianao, angamba indrindra indrindra momba ilay fifandraisana iray izay mila fanasitranana. Angamba mety hanosika anao hanolo-tanana olona iray io tantara io. Afaka manampy amin’ny fitarihana anao amin’ny vakiteny ataonao ny fanontaniana toy ireto manaraka ireto:

  • Ahoana no niomanan’i Jakoba hihaona tamin’i Esao?

  • Inona no hitanao ho misongadina momba ny vavaka nataon’i Jakoba izay hita ao amin’ny Genesisy 32:9–12?

  • Inona no azontsika ianarana momba ny famelan-keloka avy amin’ny ohatra nasehon’i Esao?

  • Ahoana no ahafahan’ny Tompo manampy antsika hanasitrana ny fifandraisana ao amin’ny fianakaviana?

Mba hahitana fampahalalana misimisy kokoa, dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Liahona sy ny Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.

sary famantarana ny fizarana ho an’ny ankizy 01

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

Genesisy 24:10–21

Afaka ny ho tsara fanahy amin’ny hafa Aho.

  • Mba hanasongadinana ny ohatra mahatalanjona nasehon’i Rebeka amin’ny hatsaram-panahy dia azonao aseho ny zanakao ny sary etsy ambany na ny pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro ity rehefa mamintina ilay tantara ao amin’ny Genesisy 24:10–21 ianao. Mety ho tian’ny zanakao ny hilalao an-tsehatra ilay tantara. Mety hitarika any amin’ny firesahana momba ny fihetsika feno hatsaram-panahy efa hitanao sy ny zanakao izany.

  • Miaraha mihira hira iray momba ny hatsaram-panahy, toy ny “Tsara fanahy” (Bokin-kiran’ny ankizy,, 83). Afaka mihaino ny teny hoe “hatsaram-panahy” (na teny mitovitovy amin’izany) ny zanakao dia hitsangana rehefa maheno izany. Ahoana no ahafahantsika manana hatsaram-panahy tahaka an’i Rebeka?

sarin’i Rebeka

Old Testament Heroes [Ireo olona be herimpo ao amin’ny Testamenta Taloha], nataon’i Dilleen Marsh (ampahan-tsary)

Genesisy 25:21–34

Manan-danja kokoa noho ny zavatr’izao tontolo izao ny zavatra mandrakizay.

  • Hevero ny hampiasa ny “Jakoba sy Esao” (ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha, 38–41) mba hanampiana ny zanakao hahatakatra ilay tantara ao amin’ny Genesisy 25:21–34. Azon’ny zanakao atao angamba ny maka sary an-tsaina hoe nangataka torohevitra avy amin’izy ireo i Esao raha toa ka tokony hanakalo ny fizokiany amina hani-masaka na tsia. Inona no holazainao aminy?

    2:5

    Jacob and Esau

  • Inona avy ireo zavatra manan-danja mandrakizay aminao sy ny zanakao? Azon’ny zanakao atao angamba ny mitady sary na zavatra izay maneho ireo zavatra ireo. Ahoana no ahafahantsika maneho amin’ny Tompo fa manan-danja amintsika ireo zavatra ireo?

Genesisy 28:10–22

Manampy ahy hiverina any amin’ny Ray any An-danitra ny fanekempihavanana.

  • Rehefa miara-mamaky ny Genesisy 28:10–22 ianareo dia azonao atao ny mampiasa tohatra iray (na sary tahaka ilay iray any amin’ny faran’ity rindran-damina ity) mba hiresahana momba ny zavatra mampitovy ny fanekempihavanantsika amin’ny tohatra iray. Angamba afaka mody manao hoe miakatra tohatra ny zanakao, ka isaky ny zanatohatra tsirairay dia miresaka momba ireo fotoana ampanantenantsika amin’ Andriamanitra fa hankatò Azy isika, toy ny rehefa atao batisa isika, na mandray ny fanasan’ny Tompo, na mandeha any amin’ny tempoly. Mitondra antsika hanatona an’ Andriamanitra bebe kokoa amin’ny fomba ahoana ireo fanekempihavanantsika?

Genesisy 32:6–11; 33:1–4

Ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia afaka manampy ahy hitia ny fianakaviako.

  • Mba hampahafantarana ireo andininy ireo dia azonao atao ny manazava fa taorian’ny taona maro nisian’ny tsy fifankahazoana dia nandeha nihaona tamin’i Esao indray i Jakoba. Iaraho mamaky ny Genesisy 32:6–11. Inona no tsapan’i Jakoba? Inona no nataony mba hahazoana fanampiana? Miaraha mamaky ny Genesisy 33:1–4 mba hahitana ny fomba namalian’ny Tompo ny vavak’i Jakoba. Raha afaka miresaka amintsika i Jakoba sy i Esao amin’izao fotoana izao, dia inona no mety holazain’izy ireo mba hanampiana antsika rehefa misy fifandirana ao amin’ny fianakaviana?

Mba hahitana fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

Nanofy tohatra sy anjely nidina avy tany an-danitra i Jakoba

Jacob’s Dream [Ny nofin’i Jakoba],, nataon’i J. Ken Spencer

Pejin’ny sahanasa ho an’ny Kilonga: Afaka ny ho tsara fanahy amin’ny hafa aho.