“16–22 febroary. -Ho mpandala bebe kokoa ny fahamarinana-: Genesisy 12–17; Abrahama 1–2,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana : Testamenta Taloha 2026 (2026)
“16–22 febroary. -Ho mpandala bebe kokoa ny fahamarinana-, “Avia , hanaraka Ahy: 2026
Melchizedeck Blesses Abram [Mitsodrano an’i Abrama i Melkizedeka], nataon’i Walter Rane (ampahan-tsary)
16–22 febroary: “Ho mpandala bebe kokoa ny fahamarinana”
Genesisy 12–17; Abrahama 1–2
Noho ny fanekempihavanana nataon’ Andriamanitra taminy dia nantsoina hoe “rain’ny mpino” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:41) sy “Sakaizan’ Andriamanitra” i Abrahama (Jakoba 2:23). Olona an-tapitrisany ankehitriny no manaja azy ho toy ny razambeny mivantana, ary misy maro hafa natsangana ho ao anatin’ny fianakaviany tamin’ny alalan’ny fiovam-po ho amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. I Abrahama anefa dia avy tamina fianakaviana sahirana—ny rainy izay niala tamin’ny fanompoana marina an’ Andriamanitra dia nanandrana nanao sorona an’i Abrahama ho an’ andriamanitra diso. Na dia teo aza izany, ny fanirian’i Abrahama dia “ny ho mpandala bebe kokoa ny fahamarinana” (Abrahama 1:2), ary ny tantaram-piainany dia maneho fa notanterahin’ Andriamanitra ny faniriany. Mijoro ho vavolombelona ny fiainan’i Abrahama fa na nanao ahoana na nanao ahoana ny tantaran’ny fianakavian’ny olona iray, dia afaka ny ho feno fanantenana ny hoavy.
Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana
Hotahin’ Andriamanitra noho ny finoako sy ny faniriako ara-drariny aho.
“Isika rehetra dia voasariky ny fianakaviantsika [sy] ny kolontsaintsika,” hoy ny nampianarin’ny Loholona Neil L. Andersen, “kanefa mino aho fa misy toerana ao anatintsika tsirairay avy izay fehezintsika sy foronintsika manokana. … Amin’ny farany, ireo faniriana ao anatintsika dia lasa miaina ary hita eo amin’ny safidintsika sy ny zavatra ataontsika” (“Educate Your Desires, Elder Andersen Counsels,” ChurchofJesusChrist.org). Diniho ny fomba anehoan’ny Abrahama 1:1–19 ny zavatra nampianarin’ny Loholona Andersen. Mety hanampy ny fanontaniana toy ireto:
-
Inona no nirin’i Abrahama? Nahoana no porofon’ireo faniriana nananany ireo zavatra nataony? Ahoana no fomba nanohanan’ Andriamanitra ny faniriany?
-
Inona avy ireo fanirianao? Ahoana no ahitana taratra izany ao amin’ireo zavatra ataonao? Ahoana no hanohanan’ Andriamanitra anao?
-
Inona no hafatra entin’ireo andininy ireo ho an’ireo olona manana olona ao amin’ny fianakaviana izay tsy maniry ny fahamarinana?
Ny iray tamin’ireo faniriana lehibe indrindra nananan’i Abrahama sy i Saraha, dia ny hanan-janaka izany, dia tsy tanteraka nandritra ny taona maro (jereo ny Genesisy 15:1–6). Inona no ianaranao avy amin’ny Hebreo 11:8–13 mikasika ny fomba niatrehan’i Abrahama sy i Saraha io fitsapana io? Ahoana no hanampian’ny Mpamonjy anao “hankamamy” ny fampanantenany, na dia “eny lavitra eny” aza izy ireo?
Jero koa ny “La délivrance d’Abraham” (horonan-tsary), Médiathèque de l’Évangile.
Deliverance of Abraham
Genesisy 12:1–3; 13:15–16; 15:1–6; 17:1–8, 15–22; Abrahama 2:6–11
Maniry antsika hanao fanekempihavanana Aminy Andriamanitra.
Nahoana no zava-dehibe ho anao ny mahafantatra momba ny fanekempihavanana nataon’ Andriamanitra tamin’i Abrahama? Satria te hanao fanekempihavanana mitovy amin’izany aminao Andriamanitra. Nampanantena Izy fa hitohy hatrany amin’ny taranaka fara mandimbin’i Abrahama izany, na hoe “taranaka,” ary “izay rehetra mandray ity Filazantsara ity dia … hisaina ho isan’ny taranakao” (Abrahama 2:10–11). Raha lazaina amin’ny teny hafa dia mitohy ao aminao ilay fanekempihavanana, rehefa atao batisa ianao ary feno kokoa rehefa manao fanekempihavanana any amin’ny tempoly ianao (jereo ny Galatiana 3:26–29; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:30–32).
Noho izany antony izany dia azonao atao ny mandalina ny Abrahama 2:6–11 ary manao lisitra ny zavatra izay nampanantenain’ Andriamanitra an’i Abrahama sy i Saraha (jereo koa ny Genesisy 12:1–3; 13:15–16; 15:1–6; 17:1–8, 15–22). Ahoana no mety hiantefan’ireo fitahiana ireo aminao?
Ny sasany amin’ireo fampanantenana ireo dia manan-javatra mitovy aminy any amin’ny mandrakizay. Amin’ny fomba ahoana no hahatanteraka mandrakizay ny fampanantenana toy ny tany lova na taranaka maro? (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131:1–4; 132:20–24, 28–32).
Ankoatra ny fampanantenana fitahiana dia nilaza tamin’i Abrahama Andriamanitra fa “ho fitahiana” izy (Genesisy 12:2; nampiana fanamafisana). Inona no dikan’izany araka ny eritreritrao? Ahoana ahafahanao ho lasa fitahiana? (jereo ny Abrahama 2:11).
Mba hampianarana mikasika ireo fanekempihavanana dia niresaka momba ny onjan-dranon’ny renirano Amazone ny Loholona Dale G. Renlund, ary ny Filoha Emily Belle Freeman dia niresaka momba ny fandehanana amin’ny lalana vatovatoana iray miaraka amin’ny kitrokely marary (jereony “Mahazo ny herin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ireo fanekempihavanana,” Liahona, mey 2023, 35–37; “Miara-mandeha amin’i Kristy ao anaty fifandraisana araka ny fanekempihavanana,” Liahona, nôv. 2023, 76–79). Vakio ny iray amin’ireo hafatra ireo na izy roa mba hahitana fehezan-teny izay manampy amin’ny famaliana ilay fanontaniana hoe “Nahoana no tian’ Andriamanitra hanao fanekempihavanana Aminy aho?”
Asao ny mpianatra mba hifampianatra. Raha toa ka mampianatra ny fianakavianao na ny kilasy iray ao am-piangonana momba ireo fanekempihavanana ianao dia hevero ny hanome ny olona tsirairay ampahany amin’ny hafatry ny Loholona Renlund na ny hafatry ny Filoha Freeman mba hohalalinina. Avy eo dia azon’izy ireo zaraina amin’ny fianakaviana na ny kilasy ny zavatra nianarany. Manome fahafahana ny olona hijoro ho vavolombelona sy hianatra avy amin’izy samy izy izany ary manasa ny Fanahy. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 26.)
Jereo koa ny Sujets et questions, “Alliance abrahamique,” Médiathèque de l’Évangile; “Zavatra tokony hotadidina: Ny fanekempihavanana,” ato amin’ity loharanom-pitaovana ity.
The Abrahamic Covenant [Ny Fanekempihavanan’i Abrahama], nataon’i Dilleen Marsh (ampahan-tsary)
Genesisy 14:18–19; Dikantenin’i Joseph Smith, Genesisy 14:25–40
“Lehilahy nanam-pinoana i Melkizedeka.”
Alaovy sary an-tsaina hoe nampahafantatra an’i Melkizedeka tamin’ny olona iray izay tsy nahafantatra azy ianao. Inona no mety ho nolazainao? Mitadiava hevitra ao amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith, Genesisy 14:26–27, 33–38 ao amin’ny torolalana ho an’ny soratra masina); Almà 13:13–19sy Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:1–4. Inona avy ireo toetra tahaka ny an’i Kristy hitanao ao amin’ireo famaritana momba an’i Melkizedeka ireo? Inona no fiantraikan’ny fandalinanao ny fiainan’i Melkizedeka eo amin’ny fomba fijerinao ny Fisoronana Melkizedeka?
Genesisy 14:18–24; Dikantenin’i Joseph Smith, Genesisy 14:36–40
Nandoa fahafolonkarena i Abrahama.
Inona no ianaranao momba ny fihetsik’i Abrahama manoloana ny harena ao amin’ny Genesisy 14:18–24 sy ny Dikantenin’i Joseph Smith, Genesisy 14:36–40 (ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina)? Ohatra, diniho ny valinteny nomeny ny mpanjakan’i Sodoma ao amin’ny Genesisy 14:23. Inona no fiantraikan’ny fankatoavana ny lalàn’ny fahafolonkarena teo amin’ny fomba fijerinao ny vola?
Genesisy 16
Maheno ahy Andriamanitra.
Eo am-pamakianao ny Genesisy 16, dia azonao atao ny mieritreritra fotoana iray izay nahatsapanao fa niharan’ny tsy rariny ianao, tahaka ny nahazo an’i Hagara. Mariho fa ny hoe “Isimaela” dia midika hoe “Maheno Andriamanitra.” Ahoana no nanehoan’ Andriamanitra anao fa efa nandre anao Izy?
Jereo ihany koa ny “Instant de paix, moment si doux,” Cantiques, no. 79.
Mba hahitana fampahalalana misimisy kokoa, dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Liahona sy ny Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.
Hevitra enti-mampianatra ny ankizy
Afaka mitantana ahy amin’ny tanany i Jesoa Kristy.
-
Rehefa mamaky ny Abrahama 1:18 sy ny 2:8 ianao sy ny zanakao dia azonao asaina izy ireo mba hihaino ampahany iray amin’ny vatana izay voalaza ao amin’ireo andininy roa ireo. Azonareo atao angamba ny manao kilalao iray ka ao anatin’izany ny ankizy iray dia manakimpy ny masony ary tarihinao amin’ny tanana hankany amina toerana iray ilay ankizy. Avy eo dia azonao atao ny miresaka momba ny hoe toy ny ahoana izany manana an’i Jesoa Kristy mitarika antsika amin’ny tanana na miaro antsika izany.
Genesisy 13:5–12
Afaka ny ho mpampihavana aho.
-
Mety ho tian’ny zanakao ny hilalao an-tsehatra ilay tantara avy ao amin’ny Genesisy 13:5–12, ka mody manao ny tenany ho i Abrahama, i Lota, ary ireo mpiandry omby izy ireo. Ahoana no ahafahantsika manaraka ny ohatra nasehon’i Abrahama amin’ny maha-mpampihavana antsika amin’ny fianakaviantsika na ny namantsika? Andramo lalaovina an-tsehatra ny valintenin’izy ireo.
Lot’s Choice [ny safidin’i Lota], nataon’i William Fredericks © Providence Collection/licensed from goodsalt.com
Genesisy 13:16; Genesisy 15:1–6; 17:1–8; Abrahama 2:9–11
Maniry antsika hanao fanekempihavanana Aminy Andriamanitra.
-
Hevero ny hampiseho ny zanakao fitoeran-javatra misy fasika, na ny kintana eny amin’ny lanitra amin’ny alina, na ilay sary any amin’ny faran’ity rindran-damina ity. Izany dia afaka manampy azy ireo hahatakatra ireo fampanantenan’ Andriamanitra ao amin’ny Genesisy 13:16; 15:1–6. Resaho ny fomba nianaranao natoky ireo fampanantenan’ Andriamanitra, na dia toy ny tsy ho azo tanterahina aza izany.
-
Mba hampianarana ny zanakao momba ny fanekempihavanana dia angataho izy ireo hitantara aminao fotoana iray izay nanaovan’izy ireo fampanantenana na momba ny olona iray nanao fampanantenana tamin’izy ireo. Raha manampy dia mizarà ohatra vitsivitsy avy aminao manokana, ka tafiditra ao anatin’izany ireo fanekempihavanana nataonao tamin’ Andriamanitra tamin’ny batisa na tany amin’ny tempoly. Inona no fiantraikan’ireo fanekempihavanana nataonao eo amin’ny fifandraisanao amin’ Andriamanitra? Misafidiana andian-teny vitsivitsy avy ao amin’ny Genesisy 15:1–6; 17:1–8; Abrahama 2:9–11 mba hizarana ny sasany amin’ireo fitahiana nampanantenain’ Andriamanitra an’i Abrahama sy i Saraha.
-
Mba hanampiana ny zanakao hiomana hanao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra rehefa atao batisa izy ireo dia azonao atao ny mampiasa ny sasany amin’ireo hevitra momba ny asa atao izay aroso ao amin’ny tovana A na nytovana B.
Abrahama 1:12–17; Genesisy 16:7–11
Maheno ahy Andriamanitra.
-
Rehefa notandindomin-doza ny ain’i Abrahama, dia niantso an’ Andriamanitra izy. Rehefa irery tany an-tany foana i Hagara dia nahafantatra izy fa nandre azy Andriamanitra. Hevero ny hizara ireo tantara roa ireo amin’ny zanakao: “Abrahama sy Saraha” sy “Hagara” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha, 28–31, 32–33. Inona no ianarantsika momba an’ Andriamanitra avy amin’ireo tantara ireo? Avy eo dia azonareo atao ny mifampizara zavatra niainana izay nahatsapanareo fa nandre anareo Andriamanitra. Afaka manamafy io fitsipika io ny hira iray toy ny “Vavaky ny ankizy” (Bokin-kiran’ny ankizy, 12–13).
Abraham and Sarah
Hagar
Mba hahitana fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.