Avia, hanaraka Ahy
9–15 febroary. “Nahita fitia teo imaso[n’ny Tompo i Noa]”: Genesisy 6-11; Mosesy 8


“9–15 febroary. -Nahita fitia teo imaso[n’ny Tompo i Noa]-: Genesisy 6–11; Mosesy 8,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Testamenta Taloha 2026 (2026)

“9–15 febroary. -Nahita fitia teo imaso[n’ny Tompo i Noa]-,” Avia, hanaraka Ahy: 2026

biby mandao ilay sambofiara niaraka tamin’i Noa sy ny fianakaviany nijoro teo ambonin’ny vatolampy iray

Jehovah Keeps a Promise (Mitazona fampanantenana ataony i Jehovah), nataon’i Sam Lawlor

9–15 febroary: “Nahita fitia teo imaso[n’ny Tompo i Noa]”

Genesisy 6–11; Mosesy 8

Noho isika miaina ao anatin’ny andro farany dia manana antony manokana hifantohana tsara amin’ny tantaran’ny Safodrano isika. Rehefa nampianatra ny fomba tokony hiandrasantsika ny Fiaviany fanindroany i Jesoa Kristy dia hoy Izy: “Toy ny tamin’ny andron’i Noa, dia ho toy izany koa amin’ny fiavian’ny Zanak’olona” (Joseph Smith—Matio 1:41). Ankoatra izany, ireo andian-teny izay mamaritra ny tamin’ny andron’i Noa toy ny hoe “simba” sy ny hoe “feno herisetra,” dia afaka mamaritra mora foana ny androntsika (Genesisy 6:12–13; Mosesy 8:28). Toa azo ampiharina amin’izao androntsika izao ihany koa ny tantaran’ny Tilikambon’i Babela, miaraka amin’ilay famaritany ny avonavona arahin’ny fikorontanana sy ny fizarazarana avy eo.

Manan-danja ireo tantara fahiny ireo, tsy hoe noho izany mampiseho amintsika ny fiverimberenan’ny faharatsiana teo amin’ny tantara fotsiny ihany. Fa manan-danja kokoa noho izanyny hoe mampianatra antsika ny zavatra tokony hatao manoloana izany izy ireo. “Nahita fitia teo imaso[n’ny Tompo]” i Noa (Mosesy 8:27). Ary ny fianakavian’i Jareda sy ny rahalahiny dia niantehitra tamin’ny Tompo ka narovana tamin’ny faorokoroana ny fiteny sy ny fampielezana tao Babela (jereo ny Etera 1:33–43). Raha manontany tena isika hoe ahoana no hiarovana ny tenantsika sy ny fianakaviantsika mandritra ny fanimbana sy ny herisetra, dia manana zavatra maro ampianarina antsika ireo tantara ao amin’ireo toko ireo.

sary famantarana ny fandalinana

Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana

Genesisy 6Mosesy 8

sary famantarana ny seminera
Misy fiarovana ara-panahy amin’ny fanarahana ny mpaminanin’ny Tompo.

Moa ve ianao mahita zavatra ao amin’ny famariparitana ny andron’i Noa izay toa mitovy amin’ny toe-javatra iainana amin’izao androntsika izao? Jereo manokana ny Mosesy 8:15–24, 28. Inona no lohahevitra hitanao miverimberina?

Ny zavatra manan-danja iray izay ho hitanao fa mitovy dia ny niantsoan’ Andriamanitra an’i Noa ho mpaminany, ary niantso mpaminany koa Izy ankehitriny. Hevero ny hanao lisitra an’ireo fahamarinana nianaranao momba ireo mpaminany avy ao amin’ny Mosesy 8:13–30. Inona no mampitovy ny mpaminanintsika velona amin’i Noa? Mazava ho azy fa ny mpaminanin’ny Tompo ankehitriny dia tsy mampitandrina ny amin’ny Safodrano na manasa antsika hanampy amin’ny fanamboarana sambofiara. Fa inona no ampitandremany antsika? Ary asainy manao inona isika?

Nampianatra ny Loholona Allen D. Haynie hoe: “Ny Ray any An-danitra tonga lafatra sy be fitiavana dia nisafidy ny lamin’ny fanambarana fahamarinana amin’ny zanany tamin’ny alalan’ny mpaminany” (“Mpaminany velona ho an’ny andro farany,” Liahona, mey 2023, 25). Hevero ny handalina ny hafatry ny Loholona Haynie ka tadiavo ireo antony mahatonga ny fananana mpaminany ho famantarana ny fitiavan’ny Ray any An-danitra. Ahoana no nanampian’ny fanarahana ny mpaminanin’ny Tompo anao hahatsapa ho voaro eo amin’ny fiainana amin’izao andro farany izao?

Jereo koa ny Sujets et questions, “Prophètes,” Médiathèque de l’Évangile.

1:37

Why Do We Have Prophets?

Genesisy 6:5–13

Fanehoana ny famindram-pon’ Andriamanitra ny Safodrano.

Misy olona sasany manontany tena momba ny fahamarinan’ Andriamanitra rehefa nandefa safodrano Izy “handringana … ny olona” (Genesisy 6:7). Ny Loholona Neal A. Maxwell dia nanazava fa tamin’ny fotoanan’ny Safodrano, dia “tonga tamin’ny fotoana iray nananany hery nandravana ny fahafahana misafidy ny fahasimbana ka tsy nahafahana nandefa ireo fanahy tety araka ny rariny” (We Will Prove Them Herewith1982], 58). Azonao atao ihany koa ny mieritreritra ny nahatonga ny Safodrano ho fanehoana famindram-po. Inona no hitanao ao amin’ny Genesisy 6:5–13 izay maneho ny halehiben’ny famindram-po sy ny fitiavan’ny Tompo ny vahoaka?

Genesisy 9:8–17

Ireo famantarana na tandindona dia manampy ahy hahatsiaro ireo fanekempihavanana nataoko tamin’ny Tompo.

Araka ny voalazan’ny Genesisy 9:8–17, dia afaka mampahatsiahy inona anao ny avana? Manampy inona amin’ny zavatra takatrao ny Dikantenin’i Joseph Smith, Genesisy 9:21–25 (ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina)? Azonao atao koa ny manao lisitra ireo zavatra hafa (toy ny tandindona, zavatra azo tsapain-tanana, na zavatra hafa) izay nomen’ Andriamanitra anao mba hampahatsiahy anao ny fanekempihavanana nataonao. Inona no ampianarin’ireo zavatra ireo anao? Ahoana no hanampian’izany anao hitadidy?

Jereo koa ny Gerrit W. Gong, “Tsarovy mandrakariva Izy,” Liahona, mey 2016, 108–11; “Viens vers moi,” Cantiques, no. 109.

tilikambo ahitana lehilahy mihanika izany amin’ny tady sy tohatra

The Tower of Babel [Ny tilikambon’i Babela], nataon’i David Green

Genesisy 11:1–9

Ny fanarahana an’i Jesoa Kristy no hany lalana mankany amin’ny Ray any An-danitra.

Ny tantaran’ny vahoakan’i Babela nanamboatra tilikambo dia mizara fifanoherana mahaliana amin’ilay tantaran’i Enoka sy ny vahoakany nanangana an’i Ziona, izay nohalalininao tamin’ny herinandro lasa. Samy nanandrana nanakatra ny lanitra ireo andian’olona roa ireo, saingy tsy nitovy ny fomba nanaovany izany. Ahoana no fomba nahazoan’ny vahoakan’i Ziona ny lanitra? (jereo ny Mosesy 7:18–19, 53, 62–63, 69). Inona no ianaranao avy amin’ny Genesisy 11:1–9 sy ny Helamàna 6:26–28 momba ny vahoakan’i Babela? Mampianatra inona antsika momba ny ezaka manokana ataontsika hiverenana eo anatrehan’ Andriamanitra izany? Inona no nomen’ Andriamanitra mba hanampiana antsika “hahatakatra ny lanitra”? (Genesisy 11:4; jereo koa ny Jaona 3:16).

Mianara amim-pahavitrihana. Ny fianarana dia mety ahitana zavatra mihoatra ny famakian-teny na ny fihainoana fotsiny. Ohatra, rehefa mianatra momba ny Tilikambon’i Babela ianao sy ny fianakavianao na ianao sy ny iray kilasy aminao dia afaka manoratra, amin’ny taratasy kely, zavatra izay manalavitra antsika amin’ Andriamanitra. Avy eo dia azonareo soratana amin’ny taratasy hafa ireo zavatra izay mampanakaiky antsika kokoa an’ Andriamanitra. Amboary hiendrika tilikambo ireo andiana taratasy voalohany ary amboary hiendrika tempoly ireo andiana taratasy faharoa.

Mba hahitana fampahalalana misimisy kokoa, dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Liahona sy ny Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.

sary famantarana ny fizarana ho an’ny ankizy 01

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

Genesisy 6:14–22; 7–8; Mosesy 8:16–24

Ny fanarahana ny mpaminany dia hitahy ahy sy ny fianakaviako.

  • Tia ny tantaran’i Noa sy ilay sambofiara ny ankamaroan’ny ankizy. Hevero ny hanome fahafahana ny zanakao hizara ny zavatra fantany momba izany. Mba hanampiana azy ireo dia azonao ampiasaina ireo sary ato amin’ity rindran-damina ity, “Noa sy ny fianakaviany” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha (22–25), ary ny andininy fahatelo ao amin’ny “Araho hatrany ny mpaminany” (Bokin-kiran’ny ankizy, 58–59). Mety ho tian’ny zanakao ny hilalao an-tsehatra ny ampahany amin’ilay tantara. Ohatra, mody mampiasa fitaovana hanamboarana ny sambofiara na mandeha toy ny biby miditra ao anaty sambofiara izy ireo.

  • Rehefa miara-miresaka momba an’i Noa ianareo dia ampio ny zanakao hahita fa voatahy isika noho ny fananantsika mpaminanin’ Andriamanitra amin’izao fotoana izao. Ampio ny zanakao hamaky ny Mosesy 8:16–24 mba hitadiavana ireo zavatra nampianaran’i Noa izay mbola ampianarin’ireo mpaminanin’ny Tompo ankehitriny. Ahoana no hitahiana antsika rehefa ankatoavintsika ireo fampianarana ireo?

Genesisy 9:15–16

Hitazona ireo fampanantenana nataony tamiko Andriamanitra.

  • Mety ho tian’ny zanakao ny hanao sary na handoko avana iray mandritra ny firesahanareo ny momba ny zavatra asehon’izany (jereo koa ny Dikantenin’i Joseph Smith, Genesisy 9:21–25 [ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina]). Inona no tian’ Andriamanitra hoeritreretin’i Noa sy ny fianakaviany isaky ny mahita avana izy ireo?

  • Azonao aseho ny zanakao koa ny zavatra iray any aminao izay mampahatsiahy anao zavatra manan-danja eo amin’ny fiainanao, toy ny peratra tamin’ny fanambadiana, na sary, na diary. Avelao ny zanakao hizara ohatra avy amin’izy ireo manokana. Afaka mitondra any amin’ny firesahana zavatra izay manampy antsika hahatsiaro ny fanekempihavanana nataontsika koa izany, toy ny fanasan’ny Tompo izay manampy antsika hahatsiaro ny fanekempihavanana nataontsika tamin’ny batisa mba hanaraka an’i Jesoa Kristy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:75–79).

avana roa

Nilaza tamin’ny fianakavian’i Noa Andriamanitra fa ny avana dia ho “fanekena izay ataoko ho amiko sy ho aminareo” (Genesisy 9:12).

Genesisy 11:1–9

Ny fanarahana an’i Jesoa Kristy no hany lalana mankany an-danitra.

  • Mety hahafinaritra ny manamboatra tilikambo avy amin’ny goba na zavatra hafa miaraka amin’ny zanakao. Rehefa manao izany ianao dia hazavao fa nieritreritra ny vahoakan’i Babela fa afaka ho tonga any an-danitra izy ireo amin’ny alalan’ny fanorenana tilikambo avo iray. Azonareo atao avy eo ny miara-mijery sarin’ny Mpamonjy iray ary manontany ny zanakao ny fomba hanampiany antsika ho tonga any an-danitra. Avy eo dia azonareo atao ny mifampiresaka momba ireo zavatra azonareo atao mba hanarahana ny Mpamonjy.

  • Ankoatra ny famakiana ny tantaran’ny tilikambon’i Babela ao amin’ny Genesisy 11:1–9 dia afaka mamaky ny Helamàna 6:28 ianao sy ny zanakao. Araka ny voalazan’io andininy io, dia nahoana ny vahoaka tao Babela no nanangana ilay tilikambo? Nahoana ny fanamboarana io tilikambo io no lalana diso hankanesana any an-danitra? Azonareo atao avy eo ny mamaky ny 2 Nefia 31:20–21 sy ny Helamàna 3:28 mba hitadiavana ny fomba tsara hahatongavana any an-danitra. Inona no torohevitra homentsika ny mponin’i Babela?

Mba hahitana fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

Ny sambofiaran’i Noa

Noah’s Ark [Ny sambofiaran’i Noa], nataon’i Adam Klint Day. adamdayart.com

Pejin’ny sahanasa ho an’ny Kilonga: Ny fanarahana ny mpaminany dia hitahy ahy sy ny fianakaviako