“Zavatra tokony hotadidina: Ny fanekempihavanana,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Taloha 2026 (2026)
“Ny fanekempihavanana,” Avia, hanaraka Ahy: 2026
Zavatra tokony hotadidina
Ny fanekempihavanana
Manerana ny Testamenta Taloha ianao dia hamaky matetika ny teny hoe ffanekena. Ankehitriny isika dia matetika no mihevitra ireo fanekempihavanana ho fampanantenana masina atao amin’ Andriamanitra, fa tany amin’ny tontolo fahiny anefa ny fanekena dia ampahany manan-danja mandrafitra ny fifaneraseran’ny olona koa. Ho fiarovana sy hahavelona azy dia nila nifampatoky ny olona ary ny fanekempihavanana dia fomba iray niarovana izany fifampitokisana izany.
Koa rehefa niteny tamin’i Enoka sy i Noa ary i Mosesy sy ireo olona hafa momba ireo fanekempihavanana Andriamanitra, dia nanasa azy ireo hiditra amina fifandraisana mifono fifampitokisana miaraka Aminy Izy. Antsointsika hoe fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizay na ny fanekempihavanan’i Abrahama izany, izay entina ilazana ny fanekempihavanana nataon’ Andriamanitra tamin’i Abrahama sy i Saraha ary avy eo dia nohavaozina tamin’ny taranak’izy ireo, dia i Isaka sy i Jakoba izany (izay nantsoina koa hoe Isiraely). Ao amin’ny Testamenta Taloha dia fantatra tsotra fotsiny hoe “ny fanekena” izany. Ho hitanao fa ny Testamenta Taloha dia tena tantaran’olona izay nahita ny tenan’izy ireo ho mpandova io fanekempihavanana io, ilay vahoakan’ny fanekempihavanana.
Mbola zava-dehibe hatrany ankehitriny ny fanekempihavanana natao tamin’i Abrahama, indrindra ho an’ny Olomasin’ny andro farany. Nahoana? Satria olon’ny fanekempihavanana koa isika na taranaka mivantana avy amin’i Abrahama sy i Isaka ary i Jakoba na tsia. Noho izany antony izany dia zava-dehibe ny mahatakatra ny dikan’ilay fanekempihavanan’i Abrahama sy ny fomba fiantefan’izany amintsika ankehitriny.
Inona no atao hoe fanekempihavanan’i Abrahama?
Te “ho mpandala bebe kokoa ny fahamarinana” i Abrahama (Abrahama 1:2) ka dia nasain’ Andriamanitra ho amina fifandraisana mifono fanekempihavanana izy. Tsy i Abrahama akory no voalohany nanana io faniriana io, ary tsy izy koa no voalohany nandray an’io fanekempihavanana io. Raha ny marina dia fanekempihavanana maharitra mandrakizay izany. Nikatsaka ny “fitahian’ireo ray” izy (Abrahama 1:2), fitahiana izay nomena an’i Adama sy i Eva tamin’ny alalan’ny fanekempihavanana ary avy eo dia nomena ireo izay nikatsaka tamim-pahavitrihana ireo fitahiana ireo.
Ny fanekempihavanan’ Andriamanitra tamin’i Abrahama dia nampanantena fitahiana mahafinaritra: fandovana tany, taranaka be dia be, fahafahana manao ireo ôrdônansin’ny fisoronana ary anarana izay homena voninahitra ao anatin’ireo taranaka ho avy. Saingy tsy amin’ireo fitahiana izay horaisin’ i Abrahama sy ny fianakaviany fotsiny anefa no ifantohan’io fanekempihavanana io fa amin’ny fitahiana izay hoentin’izany ho an’ireo zanak’ Andriamanitra sisa. “Ho fitahiana tokoa hianao,” hoy Andriamanitra, “ary aminao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany” (Genesisy 12:2–3).
Nanome sata manana tombontsoa manokana an’i Abrahama sy i Saraha ary ny taranak’izy ireo teo anivon’ny zanak’ Andriamanitra ve io fanekempihavanana io? Raha amin’ilay heviny hoe tombontsoa hitahiana ny hafa io ihany. Ny fianakavian’i Abrahama dia natao “[hitondra] ity asa fanompoana ity sy ny Fisoronana ho any amin’ny firenen-drehetra,” sady nizara ny “fitahian’ny Filazantsara, izay fitahian’ny famonjena, dia ny fiainana mandrakizay.” (Abrahama 2:9, 11). Ny maha-vahoakan’ny fanekempihavanan’ Andriamanitra azy dia tsy midika hoe tsara kokoa noho ny hafa izy ireo. Nidika izany fa nanana adidy hanampy ny hafa ho lasa tsaratsara kokoa izy ireo.
Io fanekempihavanana io ilay fitahiana nirin’i Abrahama mafy. Rehefa avy naharay izany i Abrahama dia niteny tao am-pony hoe: “Ny mpanomponao dia efa nitady Anao tamin-kafanam-po tokoa; ankehitriny dia hitako Ianao” (Abrahama 2:12).
Efa an’arivo taona lasa izay no nitrangan’izany, saingy amin’izao androntsika izao dia tafaverina amin’ny laoniny io fanekempihavanana io. Ary tanteraka eo amin’ny fiainan’ny olon’ Andriamanitra izany amin’izao fotoana izao. Mahazo vahana ny fahatanterahan’ilay fanekempihavanana amin’izao andro farany izao satria mandroso ny asan’ Andriamanitra, mitahy fianakaviana manerana izao tontolo izao. Ary izay te ho mpandala bebe kokoa ny fahamarinana tahaka an’i Abrahama, izay mikatsaka ny Tompo amin-kafanam-po, dia afaka ny ho ao anatin’izany.
Midika inona amiko ny fanekempihavanan’i Abrahama?
Zanaky ny fanekempihavanana ianao. Manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra ianao rehefa atao batisa sy rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo. Ary mandray ny fahafenoan’ny fanekempihavanana amin’ireo ôrdônansy masin’ny tempoly ianao.
Lasa vahoakan’ Andriamanitra isika amin’ny alalan’ireo fanekempihavanana sy ôrdônansy ireo. Voafatotra Aminy “amin’ny fatotra maharitra mandrakizay” isika. “Rehefa manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra isika,” hoy ny nampianarin’ny Filoha Russell M. Nelson, “dia miala mandrakizay amin’ny tsy fiandaniana. Andriamanitra dia tsy hanary ny fifandraisany amin’ireo izay nikolokolo fifamatorana toy izany Taminy. Raha ny marina, ireo rehetra izay nanao fanekempihavanana tamin’ Andriamanitra dia afaka mahazo karazana fitiavana sy famindram-po manokana. … Noho ny fanekempihavanantsika amin’ Andriamanitra, dia tsy ho reraka mihitsy Izy amin’ny ezaka ataony hanampiana antsika, ary tsy ho lany mihitsy ny faharetany feno famindrampo amintsika.” Ho hitanao ao amin’ny tantaran’ny vahoakan’ny fanekempihavanan’ Andriamanitra ao amin’ny Testamenta Taloha izany, ary ho hitanao eo amin’ny fiainanao manokana izany amin’ny maha-iray amin’ireo zanany ao amin’ny fanekempihavanany anao.
Come, Be Not Afraid [Aza matahotra], nataon’i Dan Wilson
Izany no fahatakarana sarobidy nomena antsika noho ny Famerenana amin’ny laoniny ny fanekempihavanan’i Abrahama tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith. Noho izany, rehefa mamaky momba ny fanekempihavanana ao amin’ny Testamenta Taloha ianao dia aza mieritreritra ny fifandraisan’ Andriamanitra tamin’i Abrahama, sy i Isaka ary i Jakoba fotsiny. Fa eritrereto koa ny fifandraisany aminao. Rehefa mamaky momba ny fampanantenana taranaka tsy hita isa ianao, dia aza ny momba ireo an-tapitrisany miantso an’i Abrahama ho rainy ireo fotsiny no eritreretina. Eritrereto koa ny fampanantenan’ Andriamanitra ho anao momba ny fianakaviana mandrakizay sy ny fitomboana mandrakizay. Rehefa mamaky momba ny fampanantenana ny tany lova ianao, dia aza ilay tany nampanantenana an’i Abrahama fotsiny no eritreretina. Eritrereto koa ny momba ny anjara selestialin’ny tany, ilay lova nampanantenaina ny “malemy fanahy” izay “miandry an’i Jehovah” (Matio 5:5; Salamo 37:9, 11). Ary rehefa mamaky momba ilay fampanantenana ianao fa ny vahoakan’ny fanekempihavanan’ Andriamanitra dia hitahy “ny fianakaviana rehetra eto an-tany” (Abrahama 2:11), dia aza mieritreritra fotsiny ny asa fanompoana nataon’i Abrahama na ireo mpaminany izay taranany. Fa eritrereto koa, amin’ny maha-mpandala ny fanekempihavanana ao amin’i Jesoa Kristy anao, izay azonao atao mba ho fitahiana ho an’ny fianakaviana manodidina anao.