Avia, hanaraka Ahy
2–8 febroary. “Ny Tompo dia niantso ny vahoakany hoe i Ziona”: Mosesy 7


“2–8 febroary. -Ny Tompo dia niantso ny vahoakany hoe Ziona-: Mosesy 7,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Taloha 2026 (2026)

“2–8 febroary. -Ny Tompo dia niantso ny vahoakany hoe i Ziona-,” Avia, hanaraka Ahy: 2026

I Enoka nahita fahitana momba an’i Jesoa Kristy

Enoch Sees the Meridian of Time [Nahita ny Mitataovovonan’ny Fotoana i Enoka], nataon’i Jennifer Paget

2–8 febroary: “Ny Tompo dia niantso ny vahoakany hoe i Ziona”

Mosesy 7

Nandritra ny tantara dia niezaka ny hahavita ny zavatra vitan’i Enoka sy ny vahoakany ny olona: manorina fiarahamonina tonga lafatra izay tsy misy fahantrana na herisetra. Amin’ny maha-vahoakan’ Andriamanitra antsika dia manana izany faniriana izany koa isika. Antsointsika hoe manangana an’i Ziona izany, ary ankoatra ny fikarakarana ny mahantra sy ny fampanjakana ny fiadanana, dia tafiditra ao anatin’izany ny fanaovana fanekempihavanana, ny fiaraha-mitoetra amim-pahamarinana ary ny fahatongavana ho iray miaraka amin’ny tsirairay sy miaraka amin’i Jesoa Kristy, “ny Mpanjakan’i Ziona” (Mosesy 7:53). Raha toa ka tsy dia araka izay tianao hahitana azy izao tontolo izao, na ny fiarahamonina misy anao, na ny fianakavianao, dia manampy ny manontany hoe: Ahoana no nanaovan’i Enoka sy ny vahoakany izany? Ahoana no nahatongavan’izy ireo ho “iray fo sy iray saina” (Mosesy 7:18) na dia teo aza ny fifandirana nanodidina azy ireo? Ao anatin’ireo antsipiriany maro omen’ny Mosesy 7 antsika momba an’i Ziona, dia mety ho ity no manan-danja manokana ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany: tsy tanàna fotsiny i Ziona, fa toe-po sy toe-panahy koa izy io. I Ziona, araka ny nampianarin’ny Tompo, dia “ny madio am-po” (Fotopampianarana sy fanekempihavanana 97:21). Noho izany, ny fomba tsara indrindra hanorenana an’i Ziona angamba dia ny manomboka ao am-pontsika sy any an-tokantranontsika manokana.

sary famantarana ny fandalinana

Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana

Mosesy 7:16–21, 27, 53, 62–69

sary famantarana ny seminera
Afaka manampy amin’ny fananganana an’i Ziona aho.

Rehefa nianatra voalohany momba an’i Enoka sy ny Tanànan’ny Fahamasinana ny Mpaminany Joseph Smith dia nahazo fanentanam-panahy izy. “Fantany fa tonga ilay andro izay hanorenan’ny Tompo indray an’i Ziona eto an-tany” (Saints, 1:108–9), ary nanomboka nikatsaka nandritra ny androm-piainany ny hanorina an’i Ziona izy. Ny famakiana ny Mosesy 7 dia afaka mitaona anao hanohy izany ezaka izany ankehitriny.

Azonao atomboka amin’ny alalan’ny fandinihana ireo fanontaniana hoe “Inona no atao hoe Ziona?” sy ny hoe “Inona no maha-samy hafa izany amin’ny ambin’izao tontolo izao?” Hevero ny hanao lisitra ireo valinteny izay tonga ao an-tsainao rehefa mandalina ny Mosesy 7 ianao, indrindra ireo andininy 16–21, 27, 53, 62–69.

Ny valinteninao amin’ireo fanontaniana ireo dia mety hampazava tsara ny hoe mbola manana asa maro tokony hatao mba hanorenana an’i Ziona isika. Noho izany ahoana no fomba hanaovantsika izany? Mety hanampy ny mieritreritra ireo fotoana izay nahatsapanao fa “iray fo sy iray saina” tamin’ny olona iray ianao (Mosesy 7:18). Mety tao amin’ny paroasy, na fianakaviana, na vondrona tany am-piasana na tany an-tsekoly izany. Inona no nataon’ny olona mba hamoronana firaisan-kina marina?

Ireto misy loharanom-pitaovana hafa azonao trandrahana mba hahitana hevitra sy fitaomam-panahy. Mifidiana iray na maromaro hohalalinina, ary soraty avy eo ny zavatra tsapanao fa tokony hataonao mba hanorenana an’i Ziona:

Namana mifankahery ao anatin’ny vondrona iray ao anaty kilasy

Tian ’Andriamanitra mba ho “iray fo sy iray saina” ny vahoakany (Mosesy 7:18)”

Mosesy 7:53

I Jesoa Kristy no “Mpanjakan’i Ziona.”

Midika inona aminao izany hoe manana an’i Jesoa Kristy ho Mpanjakanao izany? Jereo ireo anarana hafa iantsoana an’i Jesoa Kristy ao amin’io andininy io. Inona no ampianarin’izany anao momba Azy? Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe tonga “eo amin’ny vavahady sy mianika eo akaiki[ny]”?

Jereo ihany koa ny “O viens, toi, Roi des rois,” Cantiques, no. 29.

Mosesy 7:28–69

Mitomany, ary mifaly, ho an’ireo zanany Andriamanitra.

Ny olona sasany dia mahita an’ Andriamanitra ho toy ny olona lavitra izay tsy tohim-po amin’ny zavatra mitranga amintsika. Nahazo fomba fijery hafa momba an’ Andriamanitra i Enoka tao amin’ilay fahitana voarakitra ao amin’ny Mosesy 7. Inona no nianarany momba an’ Andriamanitra, ary inona no zavatra ianaranao, ao amin’ny andininy 28–40? Nahoana araka ny eritreritrao no taitra i Enoka nahita an’ Andriamanitra nitomany? Nahoana no zava-dehibe aminao ny mahafantatra fa mitomany Izy?

Rehefa nitohy ilay fahitana dia nitomany koa i Enoka. Saingy nizara taminy antony hifaliana koa Andriamanitra. Tadiavo ao amin’ny Mosesy 7:41–69 izany. Inona no ianaranao avy amin’ny fahitan’i Enoka ka afaka manampy anao “[hanandratra ny fonao sy hifaly],” na dia eo aza ny “[ngidy]” eo amin’ny fiainanao (andininy 44)?

Mosesy 7:59–67

Ho avy indray i Jesoa Kristy amin’ny andro farany.

Ny fahitana hitan’i Enoka, indrindra fa ny zavatra voarakitra ao amin’ny Mosesy 7:59–67, dia iray amin’ireo faminaniana voalohany momba ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany ao anatin’ny tantara. Inona no manaitra anao mikasika ny fomba amariparitan’ireo andininy ireo ny andro farany? Ohatra, eritrereto ny fomba ahatsapanao fa tanteraka ireo faminaniana ao amin’ny andininy 62. Inona no ampianarin’ireo andian-teny ireo anao momba ny asan’ Andriamanira amin’ny andro farany?

Jereo koa ny Henry B. Eyring, “Mpirahavavy ao Ziona,” Liahona, nôv. 2020, 67–69.

Mba hahitana fampahalalana misimisy kokoa, dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Liahona sy ny Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.

sary famantarana ny fizarana ho an’ny ankizy 01

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

Mosesy 7:18–21, 62–63, 68–69

Tian’ Andriamanitra mba ho “iray fo sy iray saina” isika.

  • Mba hanampiana ny zanakao hianatra momba an’i Enoka sy i Ziona dia azonao ampiasaina ny “Enoka mpaminany” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha (19–21) na ny andininy faharoa ao amin’ny “Araho hatrany ny mpaminany” (Bokin-kiran’ny ankizy, 58–59). Avy eo dia azonao atao ny mangataka ny zanakao hanampy anao hamerina hitantara ilay tantara amin’ny tenin’izy ireo manokana. Mety hanampy ny sarin’i Enoka ato amin’ity rindran-damina ity.

  • Ity misy fomba iray hanampiana ny zanakao hahatakatra ny dikan’ny hoe “iray fo sy iray saina” (Mosesy 7:18): Manamboara fo amin’ny alalan’ny taratasy ary hetezo ho tapatapa-taratasy maromaro izany, ataovy ampy isa tsara mba hahafahan’ny ankizy tsirairay manana iray amin’izany. Avelao izy ireo hanoratra ny anarany eo amin’ny tapa-taratasiny ary hiara-hiasa hanambatra ilay fo. Eo ampanaovan’izy ireo izany dia miresaha momba ny zavatra iray tianao momba ny ankizy tsirairay.

reny mamihina zanakavavy
  • Angataho ny zanakao mba hanisa hoe impiry ny teny hoe “Ziona” no mipoitra ao amin’ny Mosesy 7:18–21, 62–63, 68–69. Isaky ny mahita ilay teny izy ireo dia ampio mba hahita ny zavatra lazain’ilay andininy momba an’i Ziona (jereo koa ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Ziona,” Médiathèque de l’Évangile). Ahoana no ahafahantsika hitovy kokoa amin’ilay vahoaka voafariparitra ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo?

Amporisiho ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina. Na mampianatra ny fianakavianao any an-trano ianao na mampianatra ao amin’ny kilasy iray isaky ny Alahady, dia iray amin’ireo fomba tsara indrindra ahafahanao manampy ny hafa hanorina finoana maharitra an’i Jesoa Kristy ny manampy azy ireo hanorina fahazarana hikatsaka ny hiaina zavatra manokana avy amin’ny soratra masina. Zarao ireo zavatra niainanao mahakasika ny soratra masina, ary amporisiho ny olona ao amin’ny fianakaviana na ny mpianatra ao amin’ny kilasy hizara ny zavatra niainan’izy ireo. Rehefa maheno isika fa voatahy ny hafa noho ny famakiana ny soratra masina dia matetika isika no mahazo fitaomam-panahy hikatsaka ireo fitahiana ireo avy amin’ny Tompo. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy25.)

Mosesy 7:32–33

Tian’ny Ray any An-danitra hisafidy ny hanaraka Azy aho.

  • Mba hampahafantarana ny Mosesy 7:32–33 amin’ny zanakao dia azonao atao ny miresaka amin’izy ireo momba ny safidy iray izay tsy maintsy nataon’izy ireo vao haingana. Avy eo dia azonareo atao ny miara-mamaky ireo andininy ireo mba hahitana ny zavatra tian’ny Ray any An-danitra hosafidintsika. Inona avy ireo safidy azontsika atao mba hampisehoana fa misafidy Azy isika? Azon’ny zanakao atao angamba ny mifandimby milalao an-tsehatra ny iray amin’ireo safidy ireo ary ny hafa kosa mamantatra ny zavatra asehon’ilay fihetsika.

Mosesy 7:59–67

Hiverina eto an-tany indray i Jesoa.

  • Mametraka fanontaniana amin’ny Tompo i Enoka ao amin’ny Mosesy 7:59. Asao ny zanakao hitady izany ary avy eo dia angataho izy ireo hitady ny valiny ao amin’ny andininy 60. Azonao atao koa ny miresaka amin’izy ireo momba ny fotoana iray izay niandrasan’izy ireo olona iray hody ao an-trano. Anontanio azy ireo ny zavatra tsapany sy ny zavatra nataony mba hiomanana. Ahoana no ahafahantsika mivonona amin’ny fiverenan’i Jesoa?

  • Hevero ny hampiseho sary maneho ireo fotoana nisehoan’ny Mpamonjy tamin’ny olona (toy ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 60, 82, 83, ary 84). Inona no ataon’ireo olona ao amin’ny sary? Inona no mety ho tsapan’ny olona rehefa nihaona tamin’i Jesoa izy ireo? Mihirà hira iray mikasika ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany, toy ny “Raha ho avy indray Kristy” (Bokin-kiran’ny ankizy,, 46–47), dia anontanio ny ankizy hoe ho toy ny ahoana izany hoe tonga indray i Jesoa raha ny fieritreretan’izy ireo izany. Avelao ny ankizy hizara ny zavatra tsapan’izy ireo momba ny fahitana an’i Jesoa rehefa tonga indray Izy.

Mba hahitana fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

I Enoka sy ny vahoaka avy ao amin’ny tanànan’i Ziona atao tonga olona novana

City of Zion Translated [Tanànan’i Ziona novàna], nataon’i Del Parson

Pejin’ny sahanasa ho an’ny Kilonga: Tian’ Andriamanitra hifankatia isika