Avia, hanaraka Ahy
26 janoary–1 febroary. “[Ampianaro malalaka amin’izany zavatra izany ny zanakao]”: Genesisy 5; Mosesy 6


“26 janoary–1 febroary. -[Ampianaro malalaka amin’izany zavatra izany ny zanakao]- :Genesisy 5; Mosesy 6,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Testamenta Taloha 2026 (2026)

“26 janoary–1 febroary. -Ampianaro malalaka amin’izany zavatra izany ny zanakao-,” Avia , hanaraka Ahy: 2026

I Adama sy i Eva

Better than Paradise (Tsara kokoa noho ny Paradisa), nataon’i Kendal Ray Johnson

26 janoary–1 febroary: “[Ampianaro malalaka amin’izany zavatra izany ny zanakao]”

Genesisy 5; Mosesy 6

Ny ankamaroan’ny ao amin’ny Genesisy 5 dia fitanisana ireo taranaka teo anelanelan’i Adama sy i Eva sy i Noa. Mamaky anarana be dia be isika fa tsy dia mianatra zavatra betsaka momba azy ireo. Avy eo isika dia mamaky ity andalana mahaliana saingy tsy voazava ity hoe: “Ary niara-nandeha tamin’ Andriamanitra i Enoka; ka tsy hita izy, fa nentin’ Andriamanitra” (Genesisy 5:24). Tsy maintsy misy tantara ao ambadik’izany andininy izany! Saingy tsy misy fanazavana fanampiny akory dia mitohy indray ilay fitanisana taranaka.

Soa ihany fa ny Mosesy 6 dia manambara ny antsipirian’ny tantaran’i Enoka, ary tena tantara tsara izany. Mianatra momba ny fanetrentena nananan’i Enoka isika, ny tsy fahatokian-tenany, ny hery anaty hitan’ Andriamanitra tao aminy ary ny asa lehibe nataony tamin’ny naha-mpaminanin’ Andriamanitra azy. Mahazo fahalalana mazava kokoa momba ny fianakavian’i Adama sy i Eva koa isika rehefa niroso nankany amin’ireo taranaka nifandimby izany. Mamaky momba ny “fanjakazakana lehibe” nataon’i Satana isika saingy hitantsika ihany ny momba ireo ray aman-dreny izay nampianatra ny zanaka “ny lalan’ Andriamanitra” (Mosesy 6:15, 21). Ny tena sarobidy indrindra dia ny zavatra ianarantsika momba ny fotopampianarana izay nampianarin’ireo ray aman-dreny ireo: finoana an’i Jesoa Kristy, fibebahana, batisa, ary fandraisana ny Fanahy Masina (jereo ny Mosesy 6:50–52). Izany fotopampianarana izany, tahaka ny fisoronana izay miaraka aminy, dia “efa tany am-piandohana [ary] ho any am-piafaran’izao tontolo izao koa” (Mosesy 6:7).

sary famantarana ny fandalinana

Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana

Mosesy 6:26–36

Ny fahotana dia mametra ny fahafahako mahita sy mahatsapa ary mandre ireo zavatr’ Andriamanitra.

Rehefa mandalina ny Mosesy 6:26–36 ianao dia inona no zavatra ianaranao momba ny vokatry ny fahotana? Ahoana no nahitanao ireo vokany ireo? Inona avy ireo toetra nananan’i Enoka ka nanampy azy handresy ireo vokany ireo? Ahoana no nitahian’ Andriamanitra azy vokatr’izany?

Mosesy 6:26–47

sary famantarana ny seminera
Miantso ahy hanao ny asany Andriamanitra na dia eo aza ireo fahalemeko.

Raha toa ianao ka mahatsapa ho sahiran-tsaina eo anatrehan’ny zavatra niantsoan’ny Tompo anao mba hataonao dia tsy irery ianao. Na i Enoka aza nahatsapa izany rehefa nantsoin’ Andriamanitra ho mpaminany izy. Rehefa mamaky ny Mosesy 6:26–36 ianao dia tadiavo ny antony nahatsapan’i Enoka ho sahiran-tsaina sy ny zavatra nolazain’ny Tompo taminy mba hampaherezana azy.

Azonao tadiavina ao amin’ny andininy 37–47 ireo fomba nanohanan’ny Tompo an’i Enoka sy nanomezany hery azy mba hamitana ny asany (jereo koa ny Mosesy 7:13). Afaka mampitaha ny zavatra niainan’i Enoka amin’ny an’ireo mpaminany hafa izay nahatsapa ho tsy ampy fahaizana ianao, tahaka an’i Mosesy (jereo ny Eksodosy 4:10–16), i Jeremia (jereo ny Jeremia 1:4–10), i Nefia (jereo ny 2 Nefia 33:1–4), ary i Môrônia (jereo ny Etera 12:23–29). Inona no tsapanao fa tian’ Andriamanitra hianaranao avy amin’ireo soratra masina ireo momba ny asa nasainy hataonao?

I Enoka mivavaka

A Seer Hath the Lord Raised Up (Moses 6:36) [Mpahita iray no efa natsangan’ny Tompo (Mosesy 6:36)], nataon’i Eva Timothy

Apôstôly sy mpaminany maro amin’izao andro maoderina izao no naneho fahatsapana mitovy amin’ny an’i Enoka rehefa namariparitra izay tsapany izy ireo mahakasika ny hoe toy ny ahoana no nandraisan’izy ireo ny antsony. Ohatra, jereo ny fijoroana ho vavolombelona nozarain’ny Loholona Ulisses Soares ao amin’ny “Miteny amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina ireo mpaminany” (Liahona, mey 2018, 98–99).

Inona no azonao ianarana avy amin’ireo mpaminany sy apôstôly ireo mikasika ny fahatsapanao ho tsy ampy fahaizana? Oviana ianao no nahatsapa fa manampy anao ny Mpamonjy rehefa mangataka anao hanao zavatra sarotra Izy? Hevero ny hanoratra zavatra hiainana vitsivitsy any aoriana any izay hilanao miantehitra amin’ny fanampian’ny Mpamonjy. Ahoana no ahafahanao miatrika ireo toe-javatra ireo amim-pinoana an’i Jesoa Kristy?

Jereo koa ny David A. Bednar, “Mitoera ato Amiko, ary Izaho ao aminareo; Koa mandehana miaraka Amiko,Liahona, mey 2023, 123–25; “Ny lalanao no lalako,” Fihirana sy Hiran’ny Ankizy, lah. 92.

Mosesy 6:48–68

Efa nampianarina hatrany am-piandohana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Satria manana ny bokin’i Mosesy isika dia fantatsika fa efa nampianatra ny zanany ny fomba hahitana fanavotana hatramin’ny andron’i Adama sy i Eva Andriamanitra. Rehefa mandalina ny Mosesy 6:48–68 ianao dia tadiavo izay zavatra tsy maintsy fantatsika sy ataontsika mba ho avotra. Diniho ny fanontanian’i Adama ao amin’ny andininy 53. Efa nanontany tena momba izany ve ianao? Inona no zavatra ianaranao avy amin’ny valintenin’ny Tompo ao amin’ny andininy 53–65? Azonao atao ny mieritreritra ireo andininy ireo ho toy ny hafatry ny Tompo nandritra ny fotoam-batisan’i Adama. Inona no ianaranao momba ny batisa avy amin’ny hafany? Nahoana Izy araka ny eritreritrao no nampitaha ny batisa tamin’ny “[fahaterahana] indray”? (andininy 59). Inona no azonao atao mba “[hateraka] indray” hatrany hatrany mandritra ny fiainanao?

Mitadiava tandindona. Ao amin’ny soratra masina, ireo zavatra azo tsapain-tanana na ireo zavatra mitranga dia matetika maneho fahamarinana ara-panahy na tandindon’ny fahamarinana ara-panahy, indrindra fa ireo fahamarinana momba ny Mpamonjy (jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy7). Afaka mampitombo ny fahatakaranao ny momba Azy sy ny fotopampianarany ireny tandindona ireny. Ohatra, inona no ianaranao avy amin’ireo tandindona toy ny fo sy sofina ao amin’ny Mosesy 6:27, maso sy tanimanga ao amin’ny Mosesy 6:35, na rano ao amin’ny Mosesy 6:59–60?

Mosesy 6:51–62

“[Ampianaro malalaka amin’izany zavatra izany ny zanakao].”

Rehefa avy nampianatra an’i Adama ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ny Tompo ao amin’ny Mosesy 6:51–63, dia niteny tamin’i Adama ny Tompo mba hampianatra izany amin’ireo taranaka ho avy. Hevero ny hanao lisitra ireo fahamarinana ireo. (Mety hanampy ny mizara ilay andinin-tsoratra masina ho vondron’andininy kelikely kokoa, toy ny andininy 51–52, 53–57, 58–60, 61–63). Nahoana ireo fahamarinana ireo no manan-danja ho an’ny taranaka vao misondrotra ankehitriny? Inona koa no azontsika ianarana avy amin’ny toromariky ny Tompo ho an’ny ray aman-dreny ao amin’ny Môzià 4:14–15 sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:25–28; 93:40–50?

Ny famakiana momba ny “bokim-pahatsiarovana” izay nohazonin’ny fianakavian’i Adama sy i Eva dia mety hanosika ny fianakavianao hanao ny bokim-pahatsiarovanareo manokana. Inona no tsapanao fa tian’ny Tompo hampidirinareo ao? Hevero ny hitahiry ny fampahafantarana avy ao amin’ny bokim-pahatsiarovanareo ao amin’ny FamilySearch.org

Jereo koa ny Dieter F. Uchtdorf, “I Jesoa Kristy no herin’ny ray aman-dreny,” Liahona, mey 2023, 55–59.

Fianakaviana miara-mamaky soratra masina

Mba hahitana fampahalalana misimisy kokoa, dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Liahona sy ny Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.

sary famantarana ny fizarana ho an’ny ankizy 01

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

Mosesy 6:26–34

Afaka manampy ahy hanao zavatra sarotra Andriamanitra.

  • Rehefa nantsoina hitory ny filazantsara i Enoka dia nanahy izy sao dia tsy hahomby. Nampian’ Andriamanitra anefa izy. Iaraho vakina ity tantara ao amin’ny Mosesy 6:26–34 ity (jereo koa ny “Enoka mpaminany” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha, 19–21). Nahoana i Enoka no nahatsapa fa tsy afaka nitory ny filazantsara izy? (jereo ny Mosesy 6:31). Ahoana no nanampian’ Andriamanitra an’i Enoka? (jereo ny Mosesy 6:32–34; 7:13).

  • Mety ho tian’ny zanakao ny hizara na hilalao an-tsehatra ohatra hafa momba ny fotoana nanampian’ Andriamanitra ny olona hanao zavatra sarotra. Ohatra, i Noa, i Davida, i Amôna, na i Samoela ilay Lamanita (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 7, 19, 78,81). Azonao atao koa ny mizara zavatra niainanao manokana ary mamela ny zanakao hiresaka momba ny fomba hanampian’ Andriamanitra azy ireo hanao zavatra sarotra.

Mosesy 6:50–62

Ny finoana, ny fibebahana, ny batisa ary ny fandraisana ny Fanahy Masina dia manomana ahy hiverina amin’ Andriamanitra.

  • Nampianarin’ Andriamanitra an’i Adama izay tokony hataontsika mba hiverenana any Aminy: manana finoana an’i Jesoa Kristy, mibebaka, atao batisa ary mandray ny fanomezana ny Fanahy Masina. Ampio ny zanakao hitady ireo fitsipika ireo ao amin’ny Mosesy 6:52, 57. Avy eo dia azonao atao ny manampy azy ireo hanoratra lahateny fohy momba ny iray amin’ireo fitsipika ireo. Ny lahateny tsirairay dia mety ahitana soratra masina avy ao amin’ny Mosesy 6, sy zavatra niainana ary fijoroana ho vavolombelona iray. Avelao izy ireo hifampizara ny lahateniny.

  • Azonao atao ihany koa ny mampiseho sary izay maneho ireo fitsipika voalohan’ny filazantsara (jereo ny fanekem-pinoana fahaefatra). Apetraho eo amin’ny tsipika iray mitondra mankany amin’ny sarin’i Jesoa Kristy ireo sary ireo. Rehefa mamaky ny Mosesy 6:52 ianao dia afaka mijoro eo akaikin’ilay sary marina ny zanakao rehefa maheno ireo teny maneho ilay sary izy ireo.

  • Mety ho tian’ny zanakao ny hihira hira izay mampianatra ireo fitsipika ao amin’ny Mosesy 6:52, toy ny “ Finoana,” “Rehefa atao batisa aho,” ary “Ny Fanahy Masina” (Bokin-kiran’ny ankizy, 50–51, 53, 56). Ampio izy ireo hitady ireo fitsipika ireo ao amin’ny Mosesy 6:52.

Mosesy 6:57–58

Tian’ny Ray any An-danitra hampianatra ny zanany ny ray aman-dreny.

  • Mba hamporisihana ny zanakao hanohana ny ray aman-dreniny amin’ny maha-mpampianatra ny filazantsara azy ireo dia asao ny ankizy iray hamaky ny Mosesy 6:58 sy hamantatra ilay didy nomen’ Andriamanitra ny ray aman-dreny. Avy eo dia azonao atao ny mampiseho ny sarin’i Adama sy i Eva mampianatra ny zanany (tahaka ilay iray any amin’ny faran’ity rindran-damina ity) ary avelao ny zanakao hiresaka momba ny zavatra hitany eo amin’ilay sary. Azon’ny zanakao atao ny manao ny sarin’ny fianakaviany miara-mamaky soratra masina, na miara-mivavaka, na miara-milalao.

Mba hahitana fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

I Adama sy i Eva mampianatra ny zanany eo ambanin’ny hazo

Adam and Eve Teaching Their Children [i Adama sy i Eva mampianatra ny zanany], nataon’i Del Parson

Pejin’ny sahanasa ho an’ny Kilonga: Mampianatra ahy ny fomba hiverenana any amin’ny Ray any An-danitra ny filazantsara