“19–25 janoary. Ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva: Genesisy 3–4; Mosesy 4–5,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Testamenta Taloha 2026 (2026)
“19–25 janoary. Ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva,” Avia, hanaraka Ahy: 2026
I Adama sy i Eva, nataon’i Douglas M. Fryer
19–25 janoary: Ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva
Genesisy 3–4; Mosesy 4–5
Amin’ny voalohany ny tantaran’ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva dia mety ho toa zava-doza. Noroahina tao amin’ny Saha kanton’i Edena i Adama sy i Eva. Nalefa tao amina tontolo ahitana fijaliana sy alahelo ary fahafatesana izy ireo (jereo ny Genesisy 3:16–19). Ary tafasaraka tamin’ny Rainy any An-danitra izy ireo. Saingy ireo fahamarinana naverina tamin’ny laoniny tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith ao amin’ny bokin’i Mosesy dia manome antsika fomba fijery miavaka momba ny Fahalavoana.
Eny, kanto ny Saha Edena. Saingy nila zavatra bebe kokoa noho ny tontolo manodidina izay kanto i Adama sy i Eva. Nila nanana fahafahana hivoarana izy ireo, ary torak’izany koa isika rehetra. Ny fandaozana ny Saha Edena no dingana voalohany tena nilaina amin’ny fiverenana amin’ Andriamanitra ka ho tonga tahaka Azy amin’ny farany. Izany dia nidika fiatrehana fifanoherana, fanaovana safidy, fanaovana fahadisoana, fianarana mibebaka ary fahatokisana ny Mpamonjy izay nanao Sorompanavotana mba hahafahana mivoatra sy mahazo “fifaliana amin’ny fanavotana antsika” (Mosesy 5:11). Noho izany, rehefa mamaky momba ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva ianao dia aza mifantoka amin’ny maha-toa zava-doza izany fa mifantoha kosa amin’ireo zavatra izay afaka ny ho azo. Aza mifantoka amin’ilay paradisa nafoin’i Adama sy i Eva fa amin’ilay voninahitra raisintsika noho ny safidin’izy ireo.
Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana
Genesisy 3; Mosesy 4
Ampahany manan-danja ao anatin’ny drafitr’ Andriamanitra ny Fahalavoana.
Marina fa ny safidin’i Adama sy i Eva dia nitondra tany amina zava-tsarotra maro izay iainantsika eto amin’ny fiainana an-tany. Saingy tsy midika izany fa malahelo isika noho ny safidy nataon’izy ireo. Rehefa mamaky ny Genesisy 3 sy ny Mosesy 4 ianao dia mety hanontany tena hoe, nahoana no zava-dehibe tamin’ny drafitr’ Andriamanitra ny Fahalavoana?
Araka ny Mosesy 5:9–12, dia inona no tsapan’i Adama sy i Eva momba ny Fahalavoana? Ahoana no ahafahanao mampihatra ny tenin’izy ireo eo amin’ny zavatra iainanao ao amin’ity tontolo lavo ity? Inona koa no ianaranao avy amin’ny 2 Nefia 2:19–25?
Jereo koa ny Môzià 3:19; Almà 12:21–37; ary ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:39–43.
Leaving Eden [Mandao an’i Edena], nataon’i Annie Henrie Nader
Genesisy 3:1–7; Mosesy 4:22–31; 5:4–15
Manolotra fanantenana sy fanavotana i Jesoa Kristy.
Ny tantaran’i Adama sy i Eva dia tantara iray mifono fanantenana sy fanavotana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Mba hahitana ny antony dia afaka manomboka amin’ny alalan’ny fikarohana ny vokatry ny Fahalavoana ao amin’ny Genesisy 3:1–7; Mosesy 4:22–31 ianao sy amin’ny alalan’ny fanasiana marika na fitanisana ny zavatra hitanao. Inona no fiantraikan’ireo vokany ireo eo aminao? Avy eo dia azonao atao ny mamaky ny Mosesy 5:4–15 ka mitady ny drafitr’ Andriamanitra mba hanavotana antsika amin’ireo vokany ireo. Nahoana i Adama sy i Eva no “faly” taorian’ny namangian’ilay anjely azy ireo? Inona no ianaranao avy amin’izy ireo mikasika ny drafitry ny Ray any An-danitra?
Jero koa ny “Grâce à lui” (horonan-tsary), Médiathèque de l’Évangile.
Because of Him
Genesisy 3:16; Mosesy 4:22
Inona no hevitry ny hoe i Adama no “hanapaka” an’i Eva?
Matetika diso ny fandraisana io andinin-tsoratra masina io ka noraisina hoe manana ny rariny ny lehilahy raha maneho toetra feno haratsiam-panahy amin’ny vadiny. Amin’izao androntsika izao dia nampianatra ireo mpaminanin’ny Tompo fa ny mpivady dia tokony hifampijery amin’ny maha-mpiara-miasa mitovy lenta azy ireo eo amin’ny fanatanterahana ny andraikiny masina ao amin’ny fianakaviana (jereo ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao” [Médiathèque de l’Évangile]). Ny Loholona Dale G. Renlund sy Rahavavy Ruth Lybbert Renlund dia nanazava fa ny lehilahy marin-toetra dia “hikatsaka izay hanompoana; hanaiky ny hadisoany izy ary hikatsaka famelana; mora midera izy; hieritreritra izay zavatra tian’ny ankohonany manokana izy; ho tsapany ny vesatra lehiben’ilay andraikitra mba hanome –izay ilaina eo amin’ny fiainana sy fiarovana– ho an’ny ankohonany; hitondra ny vadiny amim-panajana sy amim-panetrentena lehibe tokoa izy. … Hitahy ny ankohonany izy” (The Melchizedek Priesthood: Understanding the Doctrine, Living the Principles [2018], 23).
Mila fahafahana misafidy sy fanoherana aho mba hivoarana.
Nampianatra ny Loholona Dale G. Renlund hoe: “Ny tanjon’ny Raintsika any An-danitra eo amin’ny fitaizana dia tsy ny hanao izay hahatonga an’ireo zanany hanao ny marina; fa ny hanao izay hahatonga an’ireo zanany hisafidy hanao ny marina ary ho tonga tahaka Azy amin’ny farany” (“Fidionareo anio,” Liahona, nôv. 2018, 104). Nahoana no zava-dehibe tokoa ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra ny misafidy ny hanao ny tsara?
Eo am-pamakianao ny Mosesy 4:1–4 dia tadiavo ny zavatra nataon’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy mba hiarovana ny zonao hisafidy, ilay fahafahanao misafidy. Ahoana no ahafahanao mahazo ilay hery miaro avy amin’izy ireo? Mba hahazoana hevitra dia hevero ny handalina ny fizarana “Manaova safidy entanim-panahy” ao amin’ny Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy (4–5).
Hevero koa ny hamaky ny zavatra nampianarin’i Lehia momba ny fahafahana misafidy ao amin’ny 2 Nefia 2:11–20, 25–30. Nahoana ny fanoherana no ilaina amin’ny fahafahana misafidy? Ahoana no ahafahanao maneho ny fankasitrahanao an’i Jesoa Kristy noho ny nanomezany anao “fahafahana hisafidy”? (2 Nefia 2:27).
Jereo koa ny Dallin H. Oaks, “Fifanoherana amin’ny zava-drehetra,” Liahona, mey 2016, 114–17; Lohahevitra sy fanontaniana, “Fahafahana misafidy,” Médiathèque de l’Évangile; “Bien Choisir,” Cantiques, no. 154.
Ampitomboy ny fandraisana anjara. Maro ny sahanasa hoenti-mianatra azo atao samirery, na miaraka amin’ny fianakaviana, na miaraka amin’ny iray kilasy, na ataon’ny vondrona kely, na ataon’olon-droa. Mampiasà fomba isan-karazany hampandraisana anjara ny olona, izay mety tsy manana fahafahana handray anjara raha amin’ny fomba hafa. Ho an’ity sahanasa ity dia azonao atao ny manasa olona iray na vondrona iray hamaky ny Mosesy 4 sy ny boky torolalana Ho Zatovo Mahery! rehefa mandalina ireo andininy ao amin’ny 2 Nefia 2 ny vondrona iray hafa. Avy eo izy ireo dia afaka mifampianatra ny zavatra nianarany tao amin’ny fizarana tsirairay nosahaniny.
I Satana dia mikatsaka ny “hamitaka sy hanajamba” ahy.
Eo am-pamakianao ny Mosesy 4:4–12; 5:13–33 dia hevero ny hitanisa ireo fomba niezahan’i Satana nakana fanahy an’i Adama sy i Eva sy ireo zanak’izy ireo. Ahoana no fomba hiezahany manao ireo zavatra ireo ankehitriny? Ahoana ny fomba hanampian’ny Ray any An-danitra anao mba hanoherana ireo famitahan’i Satana?
“Izaho Tompo Andriamanitra … [nampiakanjo] azy ireo.”
Rehefa avy nihinana ilay voankazo voarara i Adama sy i Eva dia niezaka nanafina ny fitanjahany izy ireo. Taty aoriana dia nanolo-tena ny hampiakanjo azy ireo ny Tompo. Rehefa mamaky ny Mosesy 4:13–16, 27 ianao dia diniho izao manaraka izao:
-
Saintsaino hoe mety maneho inona ny fitanjahana sy ny fitafiana ao amin’ny soratra masina (jereo mba hahitana ohatra ny Apokalypsy 7:9, 13–15; 2 Nefia 9:14; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:22–26, 76). Inona no ianaranao avy amin’ny zavatra niainan’i Adama sy i Eva mahakasika ny fitanjahana sy ny fitafiana?
-
Raha efa nandray ny fanafiana masina tany amin’ny tempoly ianao dia eritrereto ny zavatra mety holazain’i Adama sy i Eva aminao momba ny lanjan’ny garmentan’ny tempoly ary maneho inona izany.
Sacred Temple Clothing
Hanaiky ny fanatitra atolotro Andriamanitra raha omeko amin’ny fo feno fahavononana sy fankatoavana izany.
Rehefa mandalina ny Mosesy 5:4–9, 16–26 ianao dia diniho ireo toetra nananan’i Adama sy i Eva ary i Kaina sy i Abela zanakalahin’izy ireo teo anatrehan’ny fanolorana fanatitra. Nahoana ny Tompo no nanaiky ny fanatitra natolotr’i Abela fa tsy ny an’i Kaina?
Inona no angatahin’ny Tompo mba hafoinao? Misy zavatra ve ao amin’ireo andininy ireo izay mamolavola ny fomba fisainanao mikasika ireo fanehoana fahafoizan-tena ireo?
Mba hahitana fampahalalana misimisy kokoa, dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Liahona sy ny Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.
Hevitra enti-mampianatra ny ankizy
Manavotra antsika amin’ny Fahalavoana i Jesoa Kristy.
-
Mba hanampiana ny zanakao hahatakatra tsara kokoa ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva dia afaka manao tahadikan’ireo sary avy ao amin’ny “Adama sy Eva” (ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha, 13–16) ianao dia hetezo izany. Avy eo ianareo dia afaka miara-miasa mba handamina ireo sary araka ny filaharany sady mifanakalo hevitra momba ny zavatra niainan’i Adama sy i Eva. Rehefa manao izany ianareo dia resaho ny antony maha-zava-dehibe ny fialan’i Adama sy i Eva tao amin’ny Saha Edena tao anatin’ny drafitry ny Ray any An-danitra.
-
Afaka mahatsapa fankasitrahana noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ny zanakao rehefa takatr’izy ireo ny fomba handreseny ny vokatry ny Fahalavoana. Rehefa miara-mamaky ny Mosesy 4:25; 6:48; Romana 5:12; 2 Nefia 2:22–23 ianareo dia ampio ny zanakao hitady fomba hamenoana ity fehezan-teny ity: “Noho ny Fahalavoana, dia … aho.” Avy eo, rehefa miara-mamaky ny Mosesy 5:8–11, 14–15; 6:59; Almà 11:42 ianareo, dia afaka mameno ity fehezan-teny ity izy ireo: “Noho i Jesoa Kristy, dia …aho.” Ifampizarao ny fankasitrahanareo an’i Jesoa Kristy.
Afaka misafidy ny tsara aho.
-
Hevero ny hanao lesona tsotra avy amin’ny alalan’ny fampiasan-javatra azo tsapain-tanana mba hampahafantarana ny fitsipiky ny fahafahana misafidy: asao ny ankizy handoko ny pejin’ny sahanasa ho an’ity herinandro ity, saingy loko anankiray ihany no omeo azy ireo mba hampiasainy. Nahoana no tsara kokoa ny manana safidy maromaro? Azonareo atao avy eo ny miara-mamaky ny Mosesy 4:1–4 ary miresaka momba ny antony itiavan’ Andriamanitra ny ahafahantsika misafidy na ny tsara na ny ratsy. Ahoana no fomba hanampian’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy antsika hanao safidy tsara?
-
Ampio ny ankizy hieritreritra sy hanao sary ireo safidy tsara azon’izy ireo atao mba hanarahana an’i Jesoa Kristy. Na afaka miaraka mihira hira iray mikasika ny fanaovana safidy tsara ianareo, toy ny “Fidio ny tsara” (Bokin-kiran’ny ankizy, 82). Afaka mifampitantara fotoana iray nanaovanareo safidy tsara ianareo ary milaza ny zavatra tsapanareo taorian’izany.
The Fall [Ny Fahalavoana], nataon’ny Robert T. Barrett
Afaka mivavaka amin’ ny Ray any An-danitra aho.
-
Rehefa tsy maintsy nandao ny Saha Edena i Adama sy i Eva dia tsy afaka ny hiaraka amin’ny Ray any An-danitra intsony izy ireo. Vakio miaraka amin’ny zanakao ny Mosesy 5:4, 8 ary ampio izy ireo hitady ny zavatra nataon’i Adama sy i Eva mba hahatsapan’izy ireo ho akaiky Azy sy mba handrenesan’izy ireo Azy. Inona avy ireo zavatra sasantsasany azontsika lazaina amin’ny Ray any An-danitra ao anatin’ny vavaka ataontsika?
Mba hahitana fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.
In Similitude of the Sacrifice of the Only Begotten of the Father [Mitovy amin’ny sorona nataon’ny Lahitokan’ny Ray], nataon’i Mike Malm (jereo ny Mosesy 5:5–9)