Avia, hanaraka Ahy
Zavatra tokony hotadidina: Mamaky ny Testamenta Taloha


“Zavatra tokony hotadidina: Mamaky ny Testamenta Taloha,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Taloha 2026 (2026)

“Mamaky ny Testamenta Taloha,” Avia, hanaraka Ahy: 2026

sary famantarana ny eritreritra

Zavatra tokony hotadidina

Mamaky ny Testamenta Taloha

Rehefa naniry ny hitaona ireo rahalahiny hatoky ny Tompo i Nefia dia nizara tantara momba an’i Mosesy sy ireo fampianarana avy amin’i Isaia izy. Rehefa naniry ny hamporisika ireo Kristianina tany am-piandohana mba hino ireo fampanantenan’ Andriamanitra ny Apôstôly Paoly dia nampahatsiahy azy ireo ny finoan’i Noa, Abrahama, Saraha, Rahaba ary ny hafa izy. Ary rehefa niteny an’ireo mpitarika ny Jiosy i Jesoa Kristy mba “handalina ny soratra masina,” ka nanazava fa izy ireo dia “mijoro ho vavolombelona momba Ahy” (Jaona5:39), ny soratra masina izay noresahiny dia ireo rakitsoratra antsointsika hoe Testamenta Taloha.

Raha lazaina amin’ny teny hafa, rehefa mamaky ny Testamenta Taloha ianao dia mamaky teny izay nanentana ny fanahy sy nampionona ary namporisika ny vahoakan’ Andriamanitra nandritra ny an’arivo taona ara-bakiteny.

Saingy afaka manampy anao hahita vahaolana amin’ireo olana amin’izao fotoana izao ve ny zavatra nosoratana taloha ela be? Eny, afaka manampy izany. Indrindra raha tadidinao hoe momba an’iza marina ny Testamenta Taloha.

Testamenta iray momba an’i Jesoa Kristy

Na inona na inona olana mety atrehanao sy ny fianakavianao dia i Jesoa Kristy foana no valiny. Koa mba hahitana valiny ao amin’ny Testamenta Taloha dia tadiavo Izy. Tsy ho mora foana izany. Mety mila misaintsaina amim-paharetana sy mikatsaka fitarihana ara-panahy ianao. Indraindray toa tena mivantambantana ny firesahana momba Azy, toy ny ao amin’ny fanambaran’i Isaia hoe: “Zaza no teraka ho antsika, zazalahy no omena antsika: … ary ny anarany dia hatao hoe … Andrian’ny fiadanana” (Isaia 9:6). Any amina toerana hafa dia aseho amin’ny fomba tsy miharihary kokoa ny Mpamonjy, amin’ny alalan’ny tandindona sy ny zavatra mitovy. Ohatra, amin’ny alalan’ny famariparitana biby fanaovana sorona na amin’ny alalan’ny tantaran’i Josefa izay namela heloka ireo rahalahiny sy namonjy azy ireo tamin’ny mosary.

I Jesoa Kristy mijoro eo amin’ny vatolampy iray mitazana ny ranomasina

Light of the World [Fahazavan’izao tontolo izao], nataon’i Scott Sumner

Raha mikatsaka finoana lehibe kokoa ny Mpamonjy ianao eo am-pandalinanao ny Testamenta Taloha, dia hahita izany. Angamba mety ho izay no tanjon’ny fianaranao amin’ity taona ity. Mivavaha mba hitarihan’ny Fanahy anao hahita sy hifantoka amina andininy, sy tantara ary faminaniana izay hampanakaiky kokoa anao amin’i Jesoa Kristy.

Voatahiry amin’ny fomban’ Andriamanitra

Aza manantena ny Testamenta Taloha hanome tantara feno sy tsy misy tomika momba ny olombelona. Tsy izany no zavatra nezahin’ireo mpanoratra sy mpanambatra tany am-boalohany noforonina. Ny nifantohan’izy ireo kokoa dia ny nampianatra zavatra momba an’ Andriamanitra, momba ny drafiny ho an’ireo zanany, momba ny dikan’ny hoe vahoakan’ny fanekempihavanany, ary momba ny fomba hahitana fanavotana rehefa lavo isika. Indraindray dia tamin’ny alalan’ny fampifandraisana zava-niseho ara-tantara araka ny nahazoan’izy ireo azy no nanaovany izany, ka tafiditra tao anatin’izany ireo tantara avy amin’ny fiainan’ireo mpaminany lehibe. Ohatra iray amin’izany ny Genesisy, sy ireo boky toy ny Josoa, Mpitsara ary ny 1 Mpanjaka sy 2 Mpanjaka. Fa misy ireo mpanoratra hafa ao amin’ny Testamenta Taloha izay tsy nanana tanjona ny hilaza tantara mihitsy. Naleon’izy ireo kosa nampianatra tamin’ny alalan’ny zavakanto toy ny tononkalo sy ny literatiora. Tafiditra ao amin’io sokajy io ny Salamo sy ny Ohabolana. Avy eo dia misy ireo teny sarobidin’ny mpaminany, toa an’i Isaia sy i Malakia, izay niresaka mikasika ny tenin’ Andriamanitra tamin’i Isiraely fahiny ary, amin’ny alalan’ny fahagagana ao amin’ny Baiboly, dia mbola miresaka amintsika ankehitriny.

Moa ve ireo mpaminany sy mpahaitononkalo ary mpanambatra boky rehetra ireo nahalala fa hovakin’ny olona maneran-tany ny tenin’izy ireo an’arivo taona maro aty aoriana? Tsy fantatsika izany. Saingy gaga isika fa tena izany mihitsy no nitranga. Firenena maro no nitsangana ary avy eo nianjera, tanàna maro no resy, mpanjaka maro no niaina ary avy eo maty, fa ny Testamenta Taloha dia naharitra noho izy rehetra ireny, nandalo taranaka nifandimby, nandalo mpanora-dalàna samihafa, nandalo dikanteny samihafa. Mazava ho azy fa nisy ny zavatra very na nasiam-panovana, saingy na izany aza dia betsaka no voatahiry tamin’ny fomba mahagaga.

mpaminany fahiny manoratra eo amin’ny horonan-taratasy

Old Testament Prophet [Mpaminany tao amin’ny Testamenta Taloha] nataon’i Judith A. Mehr (ampahan-tsary)

Zavatra vitsy tokony hotadidina ihany ireo rehefa mamaky ny Testamenta Taloha ianao amin’ity taona ity. Notehirizin’ Andriamanitra ireo asa soratra fahiny ireo satria fantany ianao sy ny zavatra lalovanao. Nanomana hafatra ara-panahy ho anao ao amin’ireo teny ireo Izy, izay hampanakaiky kokoa anao Aminy ary hanorina ny finoanao ny drafiny sy ny Zanany Malalany. Angamba hotarihiny any amina andininy iray na hevi-baovao izay hitahy ny olona iray fantatrao ianao, na any amina hafatra iray azonao zaraina amina namana iray, na olona iray ao amin’ny fianakaviana, na Olomasina namana anankiray. Tena maro ny zavatra mety hitranga. Tsy mampientanentana ve ny mieritreritra izany?

Nanoratra i Nefia hoe: “Fa ny fanahiko dia finaritra amin’ny soratra masina” (2 Nefia 4:15). Mety hahatsapa toy izany koa ianao rehefa mamaky ny maro amin’ireo teny novakin’i Nefia, izay antsointsika ankehitriny hoe Testamenta Taloha.

Ireo boky ao amin’ny Testamenta Taloha

Ao amin’ny ankamaroan’ny dikantenin’ny Testamenta Taloha avy amin’ny Kristianina, dia tsy mitovy amin’ny fomba nandaminana azy tamin’ny fotoana voalohany nanambarana azy ho amboarana boky iray ny filaharan’ireo boky. Noho izany, raha toa ka mampivondrona ireo boky ho sokajy telo ny Baiboly Hebreo, dia ny lalàna sy ireo mpaminany ary ireo asa soratra izany, ny ankamaroan’ny Baiboly Kristianina kosa dia mandrindra ireo boky ho sokajy efatra: lalàna (Genesisy–Deoteronomia), tantara (Josoa–Estera), bokin-tononkalo (Joba–Tononkiran’i Solomona), ary mpaminany (Isaia–Malakia).

Nahoana no zava-dehibe ireo sokajy ireo? Satria ny fahafantarana ny karazana boky izay halalininao dia afaka manampy anao hahatakatra ny fomba handalinana izany.

Ity misy zavatra tsara tadidiana rehefa manomboka mamaky “ny lalàna,” na ireo boky dimy voalohan’ny Testamenta Taloha ianao. Ireo boky ireo, izay raisina ho nosoratan’i Mosesy, dia mety ho efa nandalo teo am-pelatanana mpandika boky sy mpanambatra boky maro dia maro rehefa nandeha ny fotoana. Ary fantatsika fa nandritra ny taonjato maro dia nesorina hiala tao amin’ny Baiboly ireo “ampahany maro izay tsotra sady sarobidy indrindra” (jereo ny 1 Nefia 13:23–26). Na izany aza, ireo bokin’i Mosesy dia tenin’ Andriamanitra avy amin’ny fanentanam-panahy, na dia hoe iharan’ny tsy fahatanterahan’olombelona, tahaka ny asan’ Andriamanitra rehetra ampitaina amin’ny alalan’ny olona mety maty aza izy ireo (jereo ny Mosesy 1:41; Fanekem-pinoana 1:8). Manampy eto ny tenin’i Môrônia, izay miresaka momba ny rakitsoratra masin’ny Bokin’i Môrmôna izay natambany: “Raha misy hadisoana, dia hadisoan’ny olona izany; noho izany dia aza maniny ny zavatr’ Andriamanitra” (pejin-dohatenin’ny Bokin’i Môrmôna). Raha lazaina amin’ny teny hafa, ny bokin-tsoratra masina dia tsy voatery tsy hisy fahadisoan’ olombelona vao atao hoe tenin’ Andriamanitra.

Fanamarihana

  1. Jereo ny 1 Nefia 4:2–3; 17:23–43; 19:22–23.

  2. Jereo ny Hebreo 11.

  3. Jereo ny Russell M. Nelson, “I Jesoa Kristy mandrakariva no valiny,” Liahona, mey 2023, 127–28.

  4. Jereo ny Levitikosy 1:3–4.

  5. Jereo ny Genesisy 45–46.

  6. Ny Filoha M. Russell Ballard dia nilaza hoe: “Tsy kisendrasendra na fifandrifian-javatra no ananantsika ny Baiboly ankehitriny. Nisy olo-marina notaomin’ny Fanahy hirakitra ireo zavatra masina hitan’izy ireo sy ireo teny nentanim-panahy henony sy nolazainy. Nisy olona hafa feno fanolorantena notaomim-panahy hiaro sy hitahiry ireo rakitsoratra ireo” (“The Miracle of the Holy Bible,” Liahona, mey 2007, 80).