Avia, hanaraka Ahy
05–11 janoary. “Izao no asako sy voninahitro”: Mosesy 1; Abrahama 3


“5–11 janoary. -Izao no asako sy voninahitro-: Mosesy 1; Abrahama 3,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Testamenta Taloha 2026 (2026)

“5–11 janoary. -Izao no asako sy voninahitro-,” Avia, hanaraka Ahy: 2026

kintana sy vagongon-javozavon-kintana eo amin’ny habakabaka

5–11 janoary: “Izao no asako sy voninahitro”

Mosesy 1; Abrahama 3

Ny Baiboly dia manomboka amin’ny teny hoe “tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany” (Genesisy 1:1). Fa inona no nisy teo talohan’ io “tamin’ny voalohany” io? Ary nahoana Andriamanitra no nahary izany rehetra izany? Nanazava ireo fanontaniana ireo tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith ny Tompo.

Ohatra, nanome antsika rakitsoratra momba ny fahitana iray izay nahitan’i Abrahama ny fisiantsika amin’ny maha-fanahy antsika “talohan’ny nisian’izao tontolo izao” Izy (jereo ny Abrahama 3:22–28). Ny Tompo koa dia nanome antsika dikanteny na fanitsiana nentanim-panahy an’ireo toko enina voalohany ao amin’ny Genesisy, antsoina hoe bokin’i Mosesy, izay tsy manomboka amin’ny hoe “tamin’ny voalohany.” Fa izany kosa dia manomboka amin’ny zavatra niainan’i Mosesy izay manome ny sahan-kevitra sasantsasan’ilay tantara momba ny Fahariana. Toerana tsara hanombohana ny fandalinantsika ny Testamenta Taloha ireo soratra masin’ny andro farany ireo rehefa miaraka satria izy ireo dia miresaka ireo fanontaniana fototra sasantsasany izay afaka manome sahan-kevitra manodidina ny vakiteny ataontsika: Iza moa Andriamanitra? Iza moa isika? Inona ny asan’ Andriamanitra, ary inona no anjara toerana sahanintsika ao anatin’izany? Ireo toko manokatra ny Genesisy dia azo raisina ho toy ny valintenin’ Andriamanitra ho an’ilay fangatahan’i Mosesy hoe: “Mamindrà fo amin’ny mpanomponao Andriamanitra ô, ary lazao ahy ny momba ity tany ity sy ny mponiny ary koa ireo lanitra” (Mosesy 1:36).

sary famantarana ny fandalinana

Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana

Mosesy 1

sary famantarana ny seminera
Amin’ny maha-zanak’ Andriamanitra ahy dia manana anjara araka an’ Andriamanitra aho.

“Raha miresaka mivantana aminareo ny Tompo,” hoy ny nampianarin’ny Filoha Russell M. Nelson, “ny zavatra voalohany izay alainy antoka fa takatrareo dia ny tena maha-ianareo anareo” (“Safidy ho an’ny mandrakizay” [fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny tanoratokan-tena sy mpivady vao herotrerony, mey 2022], Médiathèque de l’Évangile). Manaraka izany dia hiezaka hampisavorovoro anao amin’izany fotoana izany i Satana. Tadiavo ao amin’ny hafatr’ Andriamanitra ho an’i Mosesy ao amin’ny Mosesy 1:4, 6 sy ao amin’ireo hafatr’i Satana ao amin’ny Mosesy 1:12 io fisehoan-javatra io. Inona no ianaranao avy amin’ireo andininy ireo momba ny fahasamihafana misy eo amin’ Andriamanitra sy i Satana?

Nampianatra koa ny Filoha Nelso hoe: “Ny fomba fisainanareo momba ny tena maha-ianareo anareo dia misy fiantraikany amin’ny fanapahan-kevitra rehetra horaisinareo” (“Safidy ho an’ny mandrakizay”). Hevero ny hanao lisitra ireo safidy ataonao satria ilay maha-zanak’ Andriamanitra anao dia lohalaharana eo anatrehan’ireo anaram-petaka hafa iantsoana anao.

Inona avy ireo andininy na andian-teny fanampiny ao amin’ny Mosesy 1 izay manampy anao hahatakatra ny fanananao hasina? Azonao atao koa ny mamaky misimisy kokoa ny hafatry ny Filoha Nelson ao amin’ny fizarana ao amin’ny “Safidy ho an’ny mandrakizay” izay mitondra ny lohateny hoe “Voalohany: Fantaro ny fahamarinana momba anao.” Inona no tsapanao fa tokony hataonao mba hahatonga ny maha-zanak’ Andriamanitra anao ho fiantsoana anao manan-danja indrindra?

Jereo koa ny “Zanaky ny Ray aho,” Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 113; “Notre véritable identité” (horonan-tsary), Médiathèque de l’Évangile; Lohahevitra sy fanontaniana, “Zanak’ Andriamanitra,” Médiathèque de l’Évangile.

3:39

Our True Identity

reny, ray ary zazakely mitsiky

Mosesy 1:12–26

Afaka manohitra an’i Satana aho miaraka amin’ny fanampian’ny Tompo.

Araka ny asehon’ny Mosesy 1 mazava tsara, ny zavatra niainana ara-panahy mahery vaika dia tsy midika hoe tsy ho tratran’ny fakam-panahy intsony isika. Raha ny marina dia iray amin’ireo tetikadin’i Satana ny maka fanahy antsika hiahiahy ireo zavatra niainana ireo. Rehefa mamaky ny valinteny nomen’i Mosesy an’i Satana ao amin’ny andininy 12–26 ianao dia inona no zavatra nianaranao izay afaka manampy anao hifikitra amin’ny fijoroana ho vavolombelona noraisinao? Inona no nanampy an’i Mosesy handresy an’i Satana tamin’ny farany?

Ny lesona iray hafa avy amin’ny traikefan’i Mosesy dia ny hoe, maka fanahy antsika amin’ny alalan’ny fahamarinana sy ny herin’ Andriamanitra izay sandoka i Satana. Mieritrereta zavatra vitsivitsy tsy tena izy, toy ny zavamaniry artifisialy na saribakoly. Ahoana no ahafahanao milaza fa tsy tena izy ireo? Avy eo dia eritrereto ireo zavatra sandoka ampiasain’i Satana ankehitriny mba hakana fanahy anao. Inona no ianaranao avy amin’ny Mosesy 1:13–18 mikasika ny fomba hamantarana sy handavana ireo zavatra sandoka ampiasainy? Ahoana no ahafahan’ny Tompo manampy anao? (jereo ny Mosesy 1:24–26).

Jereo koa ny Matio 4:1–11; Gary E. Stevenson, “Aza mamitaka ahy,” Liahona, nôv. 2019, 93–96; “Je suis un fils de Dieu” (horonan-tsary), Médiathèque de l’Évangile.

6:31

I Am a Son of God

Azo arafitra ny fianarana ao an-tokantrano kanefa afaka mandeha ho azy tsy ilàna drafitra koa izany. “Ny fahafahana mampianatra ao amin’ny fianakaviana matetika dia mitranga amin’ny fotoana tsotra sy andavanandro—rehefa mihinana sakafo, manao asa, manao kilalao, [na] mandeha” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 31). Ohatra, ankoatra ny famakiana mikasika ny fomba nanoheran’i Mosesy an’i Satana ao amin’ny Mosesy 1, dia afaka manokana fotoana fohy ianao mandritra ny sakafo hariva hiresahana amin’ny fianakaviana mikasika ny fomba nanoheranao ny fitaoman’ny fahavalo.

Mosesy 1:27–39; Abrahama 3

Ny asa sy ny voninahitr’ Andriamanitra dia ny manampy ahy hahazo ny fiainana mandrakizay.

Rehefa avy nahita ireo zavatra noharin’ Andriamanitra tao anatin’ny fahitana i Mosesy dia nanontany ny Tompo hoe: “Lazao ahy … nahoana no toy izao ireo zavatra ireo” (Mosesy 1:30). Inona no zavatra misarika ny sainao amin’ny valintenin’ Andriamanitra ao amin’ny Mosesy 1:31–39? Inona no maha-samy hafa ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizay? (jereo ny Lohahevitra sy fanontaniana, “Fiainana Mandrakizay,” Médiathèque de l’Évangile). Inona no fanampiana entin’i Jesoa Kristy mba hanatanterahana azy roa? Nahita fahitana koa i Abrahama izay voarakitra ao amin’ny Abrahama 3. Inona no hitanao ao amin’ny andininy 24–26 izay afaka manampy amin’ny famaliana ny fanontanian’i Mosesy?

Abrahama 3:22–28

Fanahy aho talohan’ny nahaterahako teto an-tany.

Tsy dia mahafantatra firy momba ny fiainantsika talohan’ny nahaterahana isika. Saingy ny ankamaroan’ny zavatra fantatsika dia avy amin’ny fahitana hitan’i Abrahama ao amin’ny Abrahama 3:22–28. Rehefa mamaky ireo andininy ireo ianao dia ataovy lisitra ireo fahamarinana hitanao, tafiditra ao anatin’izany ireo fahamarinana momba ny tenanao sy momba an’i Jesoa Kristy. Nahoana no manan-danja aminao ireo fahamarinana ireo? Inona no fiovana azon’izany entina eo amin’ny fiainanao?

Jereo koa ny Lohahevitra sy fanontaniana, “Fiainana talohan’ny nahaterahana,” Bibliothèque de l’Évangile.

Mba hahitana fampahalalana misimisy kokoa, dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Liahona sy ny Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.

sary famantarana ny fizarana ho an’ny ankizy 01

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

Mosesy 1:1–4, 6, 12

Zanak’ Andriamanitra aho.

  • Rehefa avy miara-mamaky ny hafatr’ Andriamanitra ho an’i Mosesy ao amin’ny Mosesy 1:4 ianareo dia hevero ny hamela ny zanakao hijery ny sariny eo amin’ny fitaratra ary hanome hafatra mitovy amin’izany ho an’ny tenany: “Zanaky ny Ray aho.” Avy eo dia afaka mifampizara izany hafatra izany izy ireo: “Zanak’ Andriamanitra ianao.” Mety hahita sarina olona isan-karazany mihitsy aza ianao ka hanasa ny zanakao hifanondro ary hiteny hoe: “Zanak’ Andriamanitra ity.” Ifampizarao ny antony mahafaly anareo noho ny fahafantarana fa zanak’ Andriamanitra ianareo. Ahoana no hanovan’io fahalalana io ny fomba fitondranao ny tenanao sy ny hafa?

  • Afaka mampitaha ny hafatr’ Andriamanitra tamin’i Mosesy ao amin’ny Mosesy 1:4 amin’ny hafatr’i Satana ao amin’ny andininy 12 ianao sy ny zanakao. Ahoana no ahafahanao manampy ny zanakao hanavaka ny hafatr’ Andriamanitra ho azy ireo amin’ny an’i Satana?

I Jehovah miseho amin’i Mosesy

Moses Seeing Jehovah [I Mosesy mahita an’i Jehovah], nataon’i Joseph Brickey (antsipiriany)

Mosesy 1:6, 39

“Manana asa ampanaovina ahy ny Ray any An-danitra.

  • Eo am-pamakianao miaraka amin’ny zanakao ny Mosesy 1:6 dia azonao atao ny miresaka amin’izy ireo momba ny “asa” nomanin’ Andriamanitra ho an’i Mosesy. Ampiasao ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara,, lah. 13–16, na ny Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha, pejy 64–84, mba hanampiana ny zanakao hahita ny zavatra vitan’i Mosesy niaraka tamin’ny fanampian’ny Ray any An-danitra. Inona no asa tian’ Andriamanitra hataontsika? (jereo ohatra ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:20).

Mosesy 1:12–26

Afaka manohitra ireo fakam-panahin’i Satana aho.

  • Rehefa mandalina ny Mosesy 1:12–26 miaraka amin’ny zanakao ianao dia ampio izy ireo hahita ny zavatra nataon’i Mosesy mba hanoherana an’i Satana (jereo ny andininy 13, 15, 18, 20–22, 26). Mety hahafaly azy ireo ny milalao an-tsehatra ireo zavatra azon’izy ireo atao mba hanoherana ny fakam-panahy (toy ny mivavaka, na mandeha miala, na mangataka fanampiana).

Abrahama 3:22–28

Fanahy aho talohan’ny nahaterahako teto an-tany.

  • Ny fahafantarana momba ny fiainantsika talohan’ny nahaterahana dia afaka manentana ny zanatsika hanao safidy mifototra amin’ireo fahamarinana mandrakizay. Mba hanampiana azy ireo hianatra momba izany dia azonao atao ny manome azy ireo teny na andian-teny manan-danja vitsivitsy hita ao amin’ny Abrahama 3:22–28, toy ny hoe “talohan’ny nisian’izao tontolo izao,” “fanahy,” “hanao tany,” ary “hosedraina.” Inona no ampianarin’ireo andininy ireo antsika momba ny antony nandefasan’ny Ray any An-danitra antsika ety an-tany?

  • Nohamafisin’ny hira iray toy ny “Hanaraka ny drafitry ny Ray aho” (Bokin-kiran’ny ankizy, 86) ny zavatra ampianarina ao amin’ny Abrahama 3 . Angamba azonao atao ny manasa ny zanakao hanao sary mifandray amin’ireo tononkira.

  • Ampio ny zanakao hieritreritra toe-javatra izay tsy maintsy hisafidianan’izy ireo ny hanao na tsia ny zavatra nasain’ Andriamanitra hataon’izy ireo (jereo ny Abrahama 3:25; jereo koa ny Ho Zatovo Mahery : Torolalana amin’ny fanaovana safidy). Avelao izy ireo hanao fanazaran-tena hanome ireo mety ho valinteny amin’ireo toe-javatra ireo. Ahoana no ahafahan’ny Mpamonjy manampy antsika rehefa manao safidy tsy araka ny tokony ho izy isika?

Mba hahitana fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

I Mosesy mandroaka an’i Satana

Moses Overcomes Satan (Resin’i Mosesy i Satana), nataon’i Joseph Brickey

Pejin’ny sahanasa ho an’ny Kilonga: Zanaky ny Ray aho