“29 desambra–4 janoary. Ny Testamenta Voalohany momba an’i Jesoa Kristy: Fampahafantarana ny Testamenta Taloha,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Testamenta Taloha 2026 (2026)
“Fampahafantarana ny Testamenta Taloha,” Avia, hanaraka Ahy: 2026
29 desambra–4 janoary: Ny Testamenta Voalohany momba an’i Jesoa Kristy
Fampahafantarana ny Testamenta Taloha
Rehefa mihevitra ny handalina ny Testamenta Taloha ianao amin’ity taona ity, dia inona no zavatra tsapanao? Mazoto ve ianao? Misalasala ve ianao? Matahotra ve ianao? Takatry ny saina tsara ireo fihetseham-po rehetra ireo. Ny Testamenta Taloha no iray amin’ireo amboarana asa soratra efa ela indrindra teto an-tany, ary izay no mahatonga azy ho sady mampientanentana no mampatahotra. Ireo asa soratra ireo dia avy amina kolontsaina fahiny izay mety ho toa vahiny na indraindray hafahafa na tsy mampahazo aina mihitsy aza ny fahitana azy. Kanefa ao anatin’ireo asa soratra ireo isika dia mahita olona niaina karazan-javatra izay toa efa mahazatra. Hitantsika ao ireo lohahevitry ny filazantsara izay mijoro ho vavolombelona momba ny maha-Andriamanitra an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany. Eny, ny olona tahaka an’i Abrahama, i Saraha, i Ana, ary i Daniela dia azo lazaina fa niaina fiainana tena tsy mitovy amin’ny antsika. Izy ireo koa anefa dia niaina fifaliana tao amin’ny fianakaviany sy fifandirana tao amin’ny fianakaviany, niaina fotoana nisian’ny finoana sy fotoana nisalasalana, ary niaina fahombiazana sy tsy fahombiazana, tahaka ny iainantsika rehetra. Fa ny zava-dehibe kokoa noho izany, dia nampihatra finoana, nibebaka, nanao fanekempihavanana, niaina zavatra ara-panahy izy ireo ary tsy nilavo lefona velively teo anatrehan’ny fampanantenana Mpamonjy iray. Rehefa mianatra ny fomba fiasan’ Andriamanitra teo amin’ny fiainan’izy ireo isika dia mahita Azy koa eo amin’ny fiainantsika ary miara-miteny amin’ilay mpanao salamo hoe: “Ny teninao dia fanilon’ny tongotro sy fahazavana ho an’ny lalako. … Koa tia izany ny mpanomponao” (Salamo 119:105, 140).
Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana
Mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ny Testamenta Taloha
Fomba iray ahitana sakafo ara-panahy feno ao amin’ny Testamenta Taloha ny mitady ilay Mofon’aina, dia i Jesoa Kristy (jereo ny Jaona 6:48). Ohatra, hitanao ho inona ny Mpamonjy ao amin’ireto manaraka ireto?
-
Mana (Eksodosy 16:4, 11–15; Jaona 6:35)
-
ilay zanak’ondry atao sorona (Eksodosy 12:3–5; Jaona 1:29)
-
Ilay menarana varahina (Nomery 21:4–9; Jaona 3:14)
-
Jona (Jona 1:4–17; Matio 12:38–41)
Inona no ampianarin’ireo ohatra ireo antsika momba Azy? Inona koa ireo andinin-tsoratra masina hafa momba an’i Jesoa Kristy ao amin’ny Testamenta Taloha izay efa fantatrao?
Ao amin’ny hafany hoe “I Jesoa Kristy no harena,” dia namporisika antsika ny Loholona Dale G. Renlund mba “hahatsiaro sy hifantoka mandrakariva amin’i Jesoa Kristy” (Liahona, nôv. 2023, 98). Hevero ny hamaky ny hafany, ka tadiavo ireo zavatra azonao atao mba hahitana an’i Jesoa Kristy tsy ao amin’ny Testamenta Taloha ihany fa eo amin’ny fiainanao ihany koa.
Jereo koa ny “Tandindona na sarinteny momba an’i Kristy” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Jesoa Kristy,” Médiathèque de l’Évangile; “Hitady ny Tompo aho dieny izao,” Bokin-kiran’ny ankizy, 67.
Tadiavo ireo fanehoana an’ohatra izay mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy. Nampianatra an’i Adama ny Tompo hoe: “Ny zavatra rehetra dia manana ny endriny, ary ny zava-drehetra dia [noharina] sy natao mba ho vavolombelona manambara Ahy” (Mosesy 6:63). Na mandalina na mampianatra ianao, ny fifantohana amin’i Jesoa Kristy dia afaka manampy anao hahita ny hevitry ny soratra masina sy hampitombo ny fitiavanao sy ny finoanao Azy. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 7.)
I Jesoa Kristy no Jehovah ao amin’ny Testamenta Taloha.
Nampianatra ny Filoha Dallin H. Oaks hoe: “Ny Ray dia nampahafantatra fa i Jesoa Kristy Zanany Lahitokana no Mpamonjy sy Mpanavotra antsika ary nandidy antsika Izy hoe –henoy Izy.– Ny hevitra tsoahantsika avy amin’io torolalana io dia ny hoe ireo raki-tsoratra masina ahitana ny teny nambaran’ –Andriamanitra– na ny –Tompo– dia saika teny nambaran’i Jehovah, i Jesoa Kristy ilay Tompontsika nitsangana tamin’ny maty lalandava” (“Ireo fampianaran’i Jesoa Kristy,” Liahona, May 2023, 102).
Ireo fampianaran’i Jesoa Kristy
Rehefa nifanditra tamin’i Jesoa mikasika ny maha-Izy Azy ireo mpitarika ny Jiosy dia nanambara Izy hoe: “Talohan’ny nisian’i Abrahama dia Izy Aho.” Ireo teny ireo dia nanaitra ny olona izay nandre an’i Jesoa, ary nivonona ny hitora-bato Azy izy ireo (jereo ny Jaona 8:58–59). Hevero ny hamaky ny Eksodosy 3:13–15; 6:3–5 mba hahitana ny antony nahatezitra ny Jiosy sasany tamin’ny zavatra nolazain’i Jesoa.
Nahoana no zava-dehibe aminao ny mahafantatra fa i Jesoa Kristy no Jehovah?
Namerina tamin’ny laoniny “zavatra tsotra sy sarobidy” maro ny Tompo tamin’ny alalan’i Joseph Smith.
Tao anatin’ny fahitana iray, ny Tompo dia nampiseho an’i Nefia ny fivoahan’ny Baiboly, ka nanazava Izy fa “zavatra tsotra sady sarobidy” maro no hoesorina ao anatin’izany. Hevero ny hamaky ny 1 Nefia 13:21–29, 38–42, ka tadiavo ny drafitra nataon’ny Tompo mba “hampahafanta[rana] ireo zavatra tsotra sady sarobidy.” Araka ny 2 Nefia 3:12, dia ahoana no fomba hiarahan’ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna miasa?
Rehefa mandalina ny Testamenta Taloha ianao amin’ity taona ity dia handalina koa ny sasany amin’ireo “boky hafa” hitan’i Nefia mialoha. Tafiditra ao anatin’izany:
-
Ny bokin’i Mosesy, ampahany mandrafitra ny fandikana ny Baiboly nataon’i Joseph Smith. Mamerina amin’ny laoniny ireo fahamarinana sy tantara tsy hita ao amin’ny lahatsoratry ny Genesisy 1–6 amin’izao fotoana izao izany.
-
Ny bokin’i Abrahama, izay nambara tamin’i Joseph Smith rehefa namakafaka ireo papirosy Egyptiana fahiny izy (jereo ny Sujets et questions, “Origines du livre d’Abraham,” Médiathèque de l’Evangile).
-
Ireo Andinin-tsoratra masina isan-karazany avy ao amin’ny Dikantenin’Joseph Smith, ka ny sasany amin’izany dia miseho eo amin’ny fanovozan-kevitra eny farany ambanin’ny pejy, ary ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina.
Ireto misy ohatra vitsivitsy amin’ireo tantara ao amin’ny Testamenta Taloha izay naverina tamin’ny laoniny tamin’ny alalan’i Joseph Smith: ny tanànan’i Ziona an’i Enoka (Mosesy 7:18–19), ny fahitana hitan’i Abrahama momba ny filankevitra tany an-danitra (Abrahama 3:22–28), ary ny asa fanompoan’i Melkizedeka (Dikantenin’i Joseph Smith, Genesisy 14:25–40). Nahoana no “tsotra sady sarobidy” aminao ireo tantara ireo?
Adam and Eve Offering Sacrifices [(I Adama sy i Eva manolotra fanatitra], nataon’i Keith Larson (ampahan-tsary)
Manampy ahy hahatakatra ny fifandraisako mifono fanekempihavanana amin’ Andriamanitra ny Testamenta Taloha.
Ny Testamenta Taloha dia tantaran’ Andriamanitra mikatsaka ny hahatonga antsika ho “rakitra soa” ho Azy amin’ny alalan’ny fanekempihavanana (Eksodosy 19:5). Noho izany antony izany, ny fomba tsara hiomanana hamaky ny Testamenta Taloha dia ny mianatra momba ireo fanekempihavanana, indrindra fa ny fanekempihavanana maharitra mandrakizay izay natolotr’ Andriamanitra an’ireo mpaminany fahiny toa an’i Abrahama, i Isaka, i Jakoba ary ny taranany. Ary fomba iray tena tsara hianarana momba ireo fanekempihavanana ny mandalina ny hafatry ny Filoha Russell M. Nelson “Ny fanekempihavanana maharitra mandrakizay” (Liahona, ôktôbra 2022, 4–11).
Rehefa mamaky ianao dia manontania tena hoe: Nahoana no zava-dehibe amiko ireo fanekempihavanana? Inona no “karazam-pitiavana sy famindram-po miavaka” azoko avy amin’ Andriamanitra rehefa mitandrina ny fanekempihavanana nataoko Taminy aho? Eo am-pamakianao ny Testamenta Taloha amin’ity taona ity dia jereo ireo zavatra tian’ Andriamanitra hampianarina anao momba ny fifandraisanao mifono fanekempihavanana Aminy.
Jereo koa ny Jeremia 31:31–34.
Mba hahitana fampahalalana misimisy kokoa, dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Liahona sy ny Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.
Hevitra enti-mampianatra ny ankizy
Afaka mianatra momba an’i Jesoa Kristy aho ao amin’ny Testamenta Taloha.
-
Mety ho sarotra ho an’ny ankizy ny mahatakatra ireo teny sy kolontsaina ao amin’ny Testamenta Taloha, kanefa afaka manampy azy ireo hahita an’i Jesoa Kristy ao anatin’ny tandindona sy tantara ianao. Azonao sy ny zanakao atao angamba ny mijery ilay sary etsy ambany, The Prophet Isaiah Foretells Christ’s Birth [Manambara mialoha ny fahaterahan’i Kristy ny Mpaminany Isaia]. Avelao ny zanakao hanondro ireo antsipirian-javatra hitan’izy ireo. Sariho manokana amin’i Jesoa zazakely ny sain’izy ireo. Avy eo dia azonao vakina miaraka amin’izy ireo ny zavatra nosoratan’i Isaia momba ny fahaterahan’ny Mpamonjy ao amin’ny Isaia 7:14; 9:6. Zarao amin’ny zanakao ny zavatra tsapanao momba ny fikarohana ny Mpamonjy ao amin’ny Testamenta Taloha amin’ity taona ity.
Isaiah Writes of Christ’s Birth [Manoratra momba ny fahaterahan’i Kristy i Isaia], nataon’i Harry Anderson
-
Afaka mamaky ny Salamo 23 na ny Isaia 53:3–9 koa ianao sy ny zanakao ary mitady teny izay mampahatsiahy anareo an’i Jesoa Kristy. Inona no ampianarin’ireo teny ireo antsika momba ny fiainany sy ny Sorompanavotany?
Te hanao fanekempihavanana amiko ny Ray any An-danitra.
-
Lohahevitra lehibe ao amin’ny Testamenta Taloha ny fanekempihavanana. Mba hampahafantarana io lohahevitra io amin’ny zanakao dia azonao atao ny miresaka amin’izy ireo momba ireo fampanantenana ataon’izy ireo amin’ny fianakaviana na namana ary hazonin’izy ireo sy ny antony maha-zava-dehibe ny fitandremana ireo fampanantenana ireo. Azonareo atao avy eo ny mijery ny sarin’ny batisa iray ary miresaka momba ilay fampanantenana, na fanekempihavanana, ataontsika amin’ Andriamanitra rehefa atao batisa isika (jereo ny Môzià 18:10, 13). Azonao atao koa ny mampiseho sarin’ny tempoly ary mizara ny zavatra tsapanao momba ireo fanekempihavanana ataontsika any.
-
Ny pejin’ny sahanasa ho an’ity herinandro ity dia afaka manampy ny zanakao ho faly hanao sy hitandrina fanekempihavanana amin’ny Ray any An-danitra. Azonareo atao koa ny mihira hira iray momba ny fanaovana fanekempihavanana, toy ny “Rehefa atao batisa aho” (Bokin-kiran’ny ankizy, 53).
I Jesoa Kristy no Jehovah ao amin’ny Testamenta Taloha.
-
Moa ve ny zanakao mahafantatra olona izay antsoina amin’ny anarana samihafa any amin’ny sehatra samihafa? Angamba ny ray aman-dreny na mpampianatra iray dia antsoina amin’ny fomba samihafa any am-piasana sy any an-tokantrano ary any am-piangonana. Resaho ny momba ireo anarana ireo. Avy eo dia miaraha mamaky ny Eksodosy 6:3 ary asao ny zanakao hitady ireo anarana izay nahafantarana an’i Jesoa Kristy talohan’ny nahaterahany.
Mba hahitana fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.