Avia, hanaraka Ahy
12–18 janoary. “Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany”: Genesisy 1–2; Mosesy 2–3; Abrahama 4–5


“12–18 janoary. -Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany-: Genesisy 1–2; Mosesy 2–3; Abrahama 4–5,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana : Testamenta Taloha 2026 (2026)

“12–18 janoary. -Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany-,” Avia, hanaraka Ahy: 2026

tany sy ny volana

12–18 janoary: “Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany”

Genesisy 1–2; Mosesy 2–3; Abrahama 4–5

Satria tena tsara tarehy sy mahatalanjona ny tontolo manodidina antsika, dia sarotra ny maka sary an-tsaina ny tany fony izy “tsy nisy endrika sady foana,” ary “foana sy tsy nisy mponina” (Genesisy 1:2; Abrahama 4:2). Ny zavatra iray ampianarin’ny tantaran’ny Fahariana antsika dia ny hoe, amin’ny farany dia afaka manao zavatra tena tsara avy amin’ny zavatra mbola tsy voalamina Andriamanitra. Manampy ny fitadidiana izany rehefa toa mikorontana ny fiainana. Mpahary ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary tsy mbola vita ny asa famoronana ataon’Izy ireo amintsika. Afaka manisy hazavana mamiratra amin’ny fotoana maha-maizina ny fiainantsika Izy ireo. Afaka mameno ny fahabangana misy eo amintsika amin’ny fiainana izy ireo. Afaka manova antsika ho lasa ilay andriamanitra tokony hahatongavantsika izy ireo. Izany no dikan’ny hoe noharina tahaka ny endrik’ Andriamanitra, araka ny tarehiny (jereo ny Genesisy 1:26). Manana ny fahafahana ho tonga tahaka Azy isika: nasandratra, feno voninahitra, olon’ny lanitra.

Raha hanao topimaso ny bokin’ny Genesisy, dia jereo ny “Genesisy ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina.

sary famantarana ny fandalinana

Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana

Genesisy 1:1–25; Mosesy 2:1–25; Abrahama 4:1–25

“Tamin’ny alalan’ny Lahitokako no nohariako ireo zavatra ireo.”

Na dia tsy fantatsika aza ny zava-drehetra momba ny fomba nahariana an’izao tontolo izao dia mahaliana ny manamarika ny zavatra nosafidin’ Andriamanitra mba hambara momba ny Fahariana. Inona no ampianarin’ Andriamanitra anao momba izany ao amin’ny Genesisy 1:1–25; Mosesy 2:1–25; ary Abrahama 4:1–25? Nahoana no tiany ho fantatrao ireo zavatra ireo? Rehefa misaintsaina ireo tantara ireo ianao dia azonao atao koa ny mieritreritra ny zavatra ampianarin’izany anao momba ny Ray any An-danitra, momba an’i Jesoa Kristy, izao tontolo izao ary momba ny tenanao.

Mba hanatsarana ny fandalinanao dia hevero ny hamaky ireo andininy ireo eo anivon’ireo zavaboarin’ Andriamanitra na eo am-pihainoana hira iray toy ny “Vous, créations de notre Dieu” (Cantiques, no. 31). Afaka mitady ny sarin’ireo zavatra nohariny izay manampy anao hahatsapa fanajana ho an’ilay Mpahary ianao. Hevero ny hizara ireo sary ireo amin’ny hafa, miaraka amin’ny fijoroana ho vavolombelona anananao.

Jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:32–34.

sary hosodoko maneho ny Saha Edena

The Garden of Eden [Ny Saha Edena], nataon’i Grant Romney Clawson

Genesisy 1:26–27; Mosesy 2:26–27; Abrahama 4:26–27

sary famantarana ny seminera
Noharina araka ny endrik’ Andriamanitra aho.

Eo am-pamakianao ny Genesisy 1:26–27; Mosesy 2:26–27; ary ny Abrahama 4:26–27, dia saintsaino ny dikan’ny hoe noharina araka ny “endrik’ Andriamanitra”, lahy sy vavy. Nahoana no zava-dehibe aminao ny mahafantatra ny momba ireo fahamarinana ao amin’ireo andininy ireo? Ohatra, inona no fiantraikan’ireo fahamarinana ireo eo amin’ny fomba fahitanao ny tenanao sy ny hafa ary Andriamanitra? Ahoana no ahafahan’izy ireo manampy anao rehefa manana fahatsapana ratsy momba ny tenanao ianao?

Mba hanampiana anao hieritreritra ireo fanontaniana ireo dia manandràma mameno fehezan-teny tahaka ity iray ity: “Noho ny fahafantarako fa noharina araka ny endrik’ Andriamanitra aho dia misafidy ny … aho”. Afaka manampy ny famerenana mamaky ilay hoe “Masina ny vatanao” ao amin’ny Ho Zatovo Mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy (pejy 22–29). Hevero ny hisafidy zavatra hataonao mba hanehoana amin’ Andriamanitra fa fantatrao fa masina ny vatanao.

2:51

God's Greatest Creation

Mety hilaza ny olona sasany fa ny hoe noharina araka ny endrik’ Andriamanitra dia midika fa ny eritreritsika sy ny fahatsapantsika ary ny faniriantsika rehetra dia ankatoaviny ary tsy mila mivoatra (na tsy afaka mivoatra) isika. Inona no havalinao izany? Inona no hevi-baovao azonao avy amin’ny Môzià 3:19 sy ny Etera 12:27?

Genesisy 1:27–28; 2:18–25; Mosesy 3:18, 21–24; Abrahama 5:14–18

Ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray dia tendrin’ Andriamanitra.

“I Adama sy i Eva dia natambatra tao anatin’ny fanambadiana mandritra izao fiainana izao sy mandrakizay tamin’ny alalan’ny herin’[ny] fisoronana maharitra mandrakizay” (Russell M. Nelson, “Lessons from Eve,” Ensign, nôv. 1987, 87). Saintsaino izany rehefa mamaky ny Genesisy 1:27–28; 2:18–25; Mosesy 3:18, 21–25 ary ny Abrahama 5:14–19 ianao. Ahoana no ahafahanao mandray ny fanambadiana araka ny fahamasinana nomen’ Andriamanitra izany?

Jereo koa ny 1 Korintiana 11:11; “Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” Médiathèque de l’Évangile.

Genesisy 1:28; Mosesy 2:28; Abrahama 4:28

Tompon’andraikitra amin’ny fikarakarana ny zavaboarin’ Andriamanitra aho.

Inona no torolalana omen’ny Genesisy 1:28; Mosesy 2:28; ary ny Abrahama 4:28 momba ny andraikitsika eo anatrehan’ny zavaboarin’ Andriamanitra? Inona no zavatra anampian’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:16–21 sy ny 104:13–18 ny fahatakarana anananao?

Jereo koa ny Gérald Caussé, “Ny fitantanan-draharaha ataontsika eto an-tany,” Liahona, nôv. 2022, 57–59.

Genesisy 2:2–3; Mosesy 3:2–3; Abrahama 5:2–3

Nitahy sy nanamasina ny andro Sabata Andriamanitra.

Nataon’ Andriamanitra ho masina ny andro Sabata, ary angatahiny isika mba hihazona izany ho masina. Eo am-pamakianao ny Genesisy 2:2–3; Mosesy 3:2–3; ary Abrahama 5:2–3, dia eritrereto ny zavatra mahatonga ny Sabata ho “voatahy” aminao.

Jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:9–13.

0:50

Highlight: The Sabbath Is a Delight

Mba hahitana fampahalalana misimisy kokoa, dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Liahona sy ny Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.

sary famantarana ny fizarana ho an’ny ankizy 01

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

Genesisy 1:1–25; Mosesy 2:1–25; Abrahama 4:1–25

Namorona ny tany i Jesoa.

  • Ahoana no ahafahanao manao ny fianarana momba ny Fahariana ho zavatra mahafinaritra ho an’ny zanakao? Azonao atao ny mitondra azy ireo mandeha manao fikarohana any ivelany an’ireo karazan-javatra izay natao nandritra ny vanim-potoana tsirairay nandrafitra ny Fahariana. Mety hijery ny sarin’ireo zavatra noharin’i Jesoa ihany koa ireo zanakao (jereo ny “Ny fahariana ny tany” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha, 8–12). Avy eo ianao sy ny zanakao dia afaka miresaka momba ny zavatra tsapanareo momba an’i Jesoa Kristy rehefa avy namaky momba ny Fahariana.

  • Hevero ny hiaraka hihira hira iray momba ny fitiavan’ny Ray any An-danitra, toy ny “Tia ahy ny Ray any An-danitra” (Bokin-kiran’ny ankizy, 16–17). Azon’ny zanakao atao angamba ny mampiditra ao amin’ilay hira ireo zavatra hafa noharin’ Andriamanitra ka manampy azy ireo hahatsapa ny fitiavany.

Ampio ny ankizy haneho ny fahaizan’izy ireo mamorona. “Rehefa manasa ny ankizy hanao sary, na hanorina zavatra na hanoratra zavatra mifandray amin’ny fitsipiky ny filazantsara anankiray ianao dia manampy azy ireo hahatakatra tsara kokoa ilay fitsipika ianao ary manome azy ireo mpampahatsiahy azo tsapain-tanana mikasika ny zavatra nianarany” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy32).

Genesisy 1:26–27; Mosesy 2:26–27; Abrahama 4:26–27

Noharina araka ny endrik’ Andriamanitra aho.

  • Afaka mampivelatra toetra mahay maneho fanajana ny zanakao sy maneho fanajana ny vatany sy ny an’ny hafa rehefa mianatra izy ireo fa noharina araka ny endrik’ Andriamanitra avokoa isika rehetra. Mba hanampiana azy ireo hahatakatra ny dikan’izany dia azonao atao ny mamela ny zanakao hijery ny sariny amin’ny fitaratra na sary iray eo am-pamakianao ny Mosesy 2:26–27 amin’izy ireo. Azonao atao koa ny mampiseho amin’izy ireo fa matetika ireo biby mbola kely dia “mitovy” amin’ny ray aman-dreniny (jereo ny sary ato amin’ity rindran-damina ity, ohatra). Izany dia mety hitarika amin’ny resadresaka momba ny antony maha-zava-dehibe ny fahafantaranao fa noharina araka ny endriky ny Rainao any An-danitra ianao.

    bera sy ny zanany
  • Mety ho tianao sy ny zanakao ny hanao sarina vatan’olombelona ary hanapatapaka ilay sary ho lasa piozila. Rehefa miaraka manambatra ny piozila ireo zanakao dia afaka miresaka momba ny fomba ahafahan’izy ireo maneho amin’ny Ray any An-danitra fa feno fankasitrahana noho ny vatany izy ireo.

Genesisy 2:2–3; Mosesy 3:2–3; Abrahama 5:2–3

Andro masina ny Sabata.

  • Rehefa mamaky ny Mosesy 3:2–3 ianao dia angataho ny ankizy hihaino ny zavatra nataon’ Andriamanitra tamin’ny andro fahafito. Ampio ny zanakao hitady na hanao ny sarin’ireo zavatra azon’izy ireo atao amin’ny alahady mba hahatonga izany ho andro masina sy tsy hitovy amin’ny andro hafa. Ifampizarao ny antony maha-zava-dehibe aminareo ny mitandrina ny andro Sabata ho masina.

  • Ampio ny ankizy hilalao an-tsehatra ny fomba fanazavan’izy ireo amin’ny namana iray ny antony isafidianany hanao zavatra izay manome voninahitra ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa amin’ny alahady. Toroy hevitra izy ireo mba hampiasa ny Genesisy 2:2–3 ao amin’ny fanazavany. Amin’ny fomba ahoana no anehoan’ny fitandremana ny andro Sabata ho masina ny fitiavantsika sy ny fankatoavantsika ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy?

Mba hahitana fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

I Jehovah mijoro eo amin’ny rahona miaraka amin’ny tanany eo ambonin’izao tontolo izao izay arafiny

The Creation [Ny Fahariana], nataon’i Annie Henrie Nader

Pejin’ny sahanasa ho an’ny Kilonga: Namorona ny tany i Jesoa Kristy