“11–17 mey. -Mitandrema fandrao hadinoinao Jehovah-: Deoteronomia 6–8; 15; 18; 29–30; 34,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Testamenta Taloha 2026 (2026)
“11–17 mey. -Mitandrema fandrao hadinoinao Jehovah,-” Avia, hanaraka Ahy: Testamenta Taloha 2026
Moses on Mount Nebo [Mosesy eo amin’ny Tendrombohitra Nebo], nataon’i John Steel, © Providence Collection/nahazoana fahazoan-dalana avy amin’ny goodsalt.com
11–17 mey: “Mitandrema fandrao hadinoinao Jehovah”
Deoteronomia 6–8; 15; 18; 29–30; 34
Nanomboka teo ambonin’ny tendrombohitra iray ny fanompoan’i Mosesy teto an-tany rehefa niresaka taminy tao anatin’ny roimemy iray nirehitra afo Andriamanitra (jereo ny Eksodosy 3:1–10). Nifarana teo amin’ny tendrombohitra iray koa izany, 40 taona mahery taty aoriana, rehefa nataon’ Andriamanitra nahatazana kely ny tany nampanantenaina avy teny an-tampon’ny Tendrombohitra Nebo izy (jereo ny Deoteronomia 34:1–4). Nandany ny androm-piainany nanomana ny zanak’i Isiraely hiditra ny tany nampanantenaina i Mosesy, ary ny bokin’ny Deoteronomia dia mirakitra ireo fampianarany, fampahatsiahivany, fanentanany, ary fangatahany farany tamin’ny Isiraelita. Ny famakiana ireo teniny dia mampazava tsara fa ny tena tanjon’ny asa fanompoan’i Mosesy, ilay fanomanana nilain’ireo vahoaka, dia tsy resaka fijanonana ho velon’aina tany an-tany foana, na fandresena fahavalo, na fanorenana firenena iray. Fianarana nitia an’ Andriamanitra sy fankatoavana Azy ary fijanonana ho nahatoky Taminy izany. Izany no fiomanana ilaintsika rehetra mba hidirana ny tany nampanantenaina an’ny fiainana mandrakizay. Ka na dia tsy nandingana tao amin’ny “tany tondra-dronono sy tantely” (Eksodosy 3:8) aza i Mosesy, dia niditra ny tany nampanantenaina izay nomanin’ Andriamanitra ho an’ireo rehetra izay manara-dia Azy izy noho ny finoany sy ny fahatokiany.
Raha hanao topimaso ny bokin’ny Deoteronomia, dia jereo ny “Deoteronomia” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina.
Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana
Deoteronomia 6:4–7; 8:2–5, 11–17; 29:18–20; 30:6–10, 14–20
“Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra.”
Ny lalàn’i Mosesy dia ahitana fombafomba ivelany. Araka ny ho hitanao ao amin’ny torohevitr’i Mosesy ao amin’ny Deoteronomia, dia niahiahy koa ny Tompo momba ny toetra anaty nananan’ny vahoakany, ilay toetoetra ara-panahin’ny fon’izy ireo.
Tadiavo ao amin’ireo andinin-tsoratra masina etsy ambany ny teny hoe fo, ary saintsaino ny mety ho tandindona fonosin’izany. Azonao eritreretina ho toy ny karazam-pitiliana ara-panahy ao am-ponao ireo andinin-tsoratra masina ireo. Inona no mety ho voka-pitiliana homenao ny tenanao? Inona no mety ho fitsaboana hatolotrao mba hanatsarana ny fahasalamana ara-panahin’ny fonao? Soraty ireo zavatra tsapanao:
-
Deoteronomia 6:4–7:
-
Deoteronomia 8:2–5:
-
Deoteronomia 8:11–17:
-
Deoteronomia 29:18–20:
-
Deoteronomia 30:6–10:
-
Deoteronomia 30:14–20:
Mety ho fomba iray handrindrana ny eritreritrao ny manao sarina fo sy manoratra ao anatin’izany ireo zavatra izay lazain’ny Tompo fa tokony hanananao ao am-ponao. Avy eo dia azonao soratana eo ivelan’izany ireo zavatra izay tokony hosakananao tsy ho ao am-ponao.
Ahoana no hanehoanao fa tia an’ Andriamanitra amin’ny fonao rehetra ianao? Raha mila hevitra dia jereo ny “Tiavo Andriamanitra, tiavo ny namanao” ao amin’ny Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy, 10–12
Jereo koa ny M. Russell Ballard, “Moa ny fitiavanao Ahy mihoatra noho ny fitiavan’ireto?,” Liahona, nôv. 2021, 51–53.
Mikatsaha hevi-baovao ara-panahy ho anao manokana. Ny Avia, hanaraka Ahy dia manolotra ireo andinin-tsoratra masina sy ireo fitsipika hifantohana ao amin’ny soratra masina kanefa aza avela hametra ny fandalinanao izany. Rehefa mamaky ny Deoteronomia ianao dia mety hahita fitsipika iray izay tsy nasongadina ato. Avelao hitarika anao ho amin’izay zavatra ilainao ianarana ny Fanahy.
Deoteronomia 6:4–12, 20–25
“Mitandrema fandrao hadinoinao Jehovah.”
Ny ankamaroan’ireo Isiraelita izay hiditra ny tany nampanantenaina dia tsy nahita ireo loza tany Egypta na niampita ny Ranomasina Mena. Fantatr’i Mosesy fa nila nitadidy ireo fahagagana nataon’ Andriamanitra sy ireo lalàn’ Andriamanitra izy ireo sy ireo taranaka ho avy mba hijanona ho vahoakan’ Andriamanitra.
Inona no torohevitra hitanao ao amin’ny Deoteronomia 6:4–12, 20–25 izay mety hanampy anao hahatsiaro ireo zavatra lehibe nataon’ Andriamanitra ho anao? Inona no tsapanao fa tokony hataonao mba “ho ao am-ponao” (andininy 6) isan’andro ny tenin’ny Tompo?
Azonao atao koa ny mandalina ny hafatry ny Rahalahy Jan E. Newman mitondra ny lohateny hoe “Mampitoetra ny feon’ny vahoakan’ny fanekempihavanana ao amin’ny taranaka vao misondrotra” (Liahona, nôv. 2023, 36–38) ary diniho ny fomba hampitanao ny finoanao an’i Kristy amin’ireo taranaka ho avy.
Jereo koa ny Deoteronomia 11:18–21; Dale G. Renlund,“Saintsaino ny hatsaram-po sy ny halehibeazan’ Andriamanitra,” Liahona, mey 2020, 41–44.
Deoteronomia 15:1–15
Ilaina amin’ny fanampiana ireo sahirana ny fahalalahan-tanana sy ny finiavana hanaraka ny sitrapon’ny Tompo.
Mbola tsy tonga eo amintsika ilay andro izay “hisy olo-malahelo eo aminao” (Deotoronomia 15:4), noho izany ireo fitsipika momba ny fanampiana ny mahantra ao amin’ny Deotoronomia 15 dia mbola sarobidy, na dia efa niova aza ny fomba fanao manokana. Diniho ny zavatra ampianarin’ny andininy 1–15 momba ny antony hanampiantsika ny olona sahirana sy ny momba ny fihetsika tokony hasehontsika eo anatrehan’ izany.
Inona no dikan’ny hoe “sokafy tsara amin’[ny olona sahirana] ny tananao”? (andininy 8, 11). Inona no ianaranao avy amin’ny ohatra nasehon’ny Tompo momba ny fanampiana ny olona sahirana? (jereo ny andininy 15).
Deoteronomia 18:15–19
I Mosesy dia “tahaka” an’i Jesoa Kristy.
I Petera, i Nefia, i Môrônia, ary ny Mpamonjy tenany mihitsy dia samy nanao fanamarihana momba ilay faminaniana ao amin’ny Deoteronomia 18:15–19 (jereo ny Asan’ny Apostoly 3:20–23; 1 Nefia 22:20–21; Joseph Smith—Tantara 1:40; 3 Nefia 20:23). Inona no zavatra ianaranao momba ny Mpamonjy avy amin’ireo andininy ireo? Eritrereto ny zavatra efa novakinao momba an’i Mosesy tao anatin’ny herinandro vitsivitsy lasa. Ahoana no maha-“tahaka an’”i Jesoa Kristy an’i Mosesy?
Nilaza tamin’ny vahoakany tany Amerika fahiny i Jesoa Kristy hoe: “Izaho no Izy izay noresahin’i Mosesy” (3 Nefia 20:23).
Deotoronomia 29:9; 30:15–20
Manasa ahy hanao safidy eo amin’ny tsara sy ny ratsy ny Tompo.
Mety hahaliana ny mampitaha ny tenin’i Mosesy ao amin’ny Deotoronomia 29:9; 30:15–20 amin’ny sasany amin’ireo fampianaran’i Lehia farany ho an’ny fianakaviany ao amin’ny 2 Nefia 2:26–29; 4:4. Ahoana no nanazavan’i Lehia ny zavatra nampianarin’i Mosesy? Inona no hitanao ao amin’ireo andininy ireo izay mitaona anao “[hisafidy] ny fiainana”? (Deotoronomia 30:19).
Hevitra enti-mampianatra ny ankizy
Deotoronomia 6:5
Afaka mitia an’ Andriamanitra amin’ny foko manontolo aho.
-
Mba hanampiana ny zanakao hahatakatra ny Deotoronomia 6:5 dia afaka manao sarina fo sy sarin’ny firafetan’ny vatana ary sarina sandry matanjaka ianao. Afaka manondro an’ireo sary ireo zanakao rehefa mamaky ny teny hoe “fo,” “fanahy,” ary “hery” ianao. Ahoana no anehoantsika amin’ny Tompo fa tia Azy amin’ny fontsika sy ny fanahintsika ary ny herintsika manontolo isika?
Deotoronomia 6:6–15
Afaka mitahiry ny tenin’ Andriamanitra ato am-poko aho.
-
Vakio miaraka amin’ny zanakao ny torohevitry ny Tompo ho an’ny Isiraelita mba hametrahana andinin-tsoratra masina any amin’izay hahitan’izy ireo izany isan’andro (jereo ny Deoteronomia 6:6–9). Izany dia mety hitaona anao sy ny zanakao hieritreritra fomba mba hahazoana antoka fa tsy “[hadinonao] Jehovah” (andininy 12) ary mba hahatsiarovana ny zavatra nataony ho anao.
-
Azonao atao ny manamarika fa ny Deoteronomia 6:13, 16 sy ny 8:3 dia nanampy ny Mpamonjy nandritra ny fotoana iray manan-danja teo amin’ny fiainany. Mba hahitana izany dia miaraha mamaky ny Matio 4:1–10. Avy eo dia afaka mifampizara andinin-tsoratra masina vitsivitsy izay nanampy anao tamin’ny fotoan-tsarotra ianao.
Deoteronomia 18:15–18
Mampianatra antsika momba an’i Jesoa Kristy ny mpaminany.
-
Rehefa miara-mamaky ny Deoteronomia 18:18 ianareo dia ampio ny zanakao hahatakatra fa ilay Mpaminany tahaka an’i Mosesy ao amin’io andininy io dia i Jesoa Kristy. Azonareo atao angamba ny mijery ny sarin’ireo zavatra nataon’i Mosesy sy ireo zavatra nataon’i Jesoa Kristy, ary avelao ny zanakao hampifandray azy ireny (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 15, 16, 38, 39). Inona no nampianarin’ny mpaminanintsika antsika ankehitriny momba ny Mpamonjy?
Deotoronomia 29:12-13; 30:8–10
Noho ireo fanekempihavanana nataoko dia anisan’ny vahoakan’ Andriamanitra aho.
-
Ny firesahana momba ny Deoteronomia 29:12–13 dia manolotra fahafahana ho anao sy ny zanakao mba hiresadresahana momba ireo fanekempihavanana hataon’izy ireo na efa nataony tamin’ny Ray any An-danitra. Inona no dikan’izany hoe anisan’ny vahoakan’ Andriamanitra izany? Mahatonga antsika ho vahoakan’ Andriamanitra amin’ny fomba ahoana ny fampanantenana ataontsika? (jereo ny andininy 13; jereo koa ny Môzià 18:8–10).
-
Raha mila fanampiana ny zanakao amin’ny fahatakarana ny atao hoe fanekempihavanana dia toroy hevitra izy ireo mba hitady famaritana ao amin’ny “Fanekempihavanana” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina (Médiathèque de l’Évangile). Inona no fampanantenana nifanaovan’ Andriamanitra sy ny Isiraelita ao amin’ny Deoteronomia 30:8–10? Inona avy ireo fampanantenana nataontsika tamin’ Andriamanitra? (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37, 77). Ahoana no fomba ampifandraisan’ireo fampanantenana ireo antsika Aminy?
Mba hahitana fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.