Avia, hanaraka Ahy
18–24 mey. “Koa mahereza sy matanjaha”: Josoa 1–8; 23–24


“18–24 mey. -Koa mahereza sy matanjaha-: Josoa 1–8; 23–24,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Testamenta Taloha 2026 (2026)

“18–24 mey. -Koa mahereza sy matanjaha,-” Avia, hanaraka Ahy: Testamenta Taloha 2026

I Mosesy manome tsodrano an’i Josoa

Moses Ordaining Joshua [I Mosesy manendry an’i Josoa], nataon’i Darrell Thomas (ampahan-tsary)

18–24 mey: “Koa mahereza sy matanjaha”

Josoa 1–8; 23–24

Na dia taranaka maro aza no efa lasana, dia efa akaiky ny fahatanterahan’ny fampanantenan’ny Tompo: Handova ny tany nampanantenaina ihany ny zanak’i Isiraely nony farany. Saingy nanakana ny lalan’izy ireo ny Renirano Jordana, ny rindrimben’i Jeriko, ary vahoaka iray natanjaka izaitsizy nitsipaka ny Tompo (jereo ny 1 Nefia 17:35). Ary dia hiatrika izany rehetra izany tsy misy an’i Mosesy mpitarika malalany izy ireo. Mety nahatonga ny Isiraelita sasany hahatsapa ho trotraka sy feno tahotra ny toe-javatra nisy, kanefa hoy ny Tompo hoe: “Koa mahereza sy matanjaha.” Inona no antony nahatonga azy ireo nanana herimpo? Tsy noho ny herin’ny tenany ihany na ny an’i Mosesy na ny an’i Josoa, no nahatonga azy ireo nanana herimpo fa noho ilay hoe “momba anao Jehovah Andriamanitrao amin’izay rehetra alehanao” (Josoa 1:9). Rehefa tsy maintsy hamakivaky ny reniranontsika manokana sy hampianjera ny rindrimbentsika manokana isika dia misy zavatra mahatalanjona afaka mitranga eo amin’ny fiainantsika satria “hanao fahagagana eo ami[ntsika] Jehovah” (Josoa 3:5).

Mba hanaovana topimaso ny bokin’i Josoa dia jereo ny “Josoa ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina.

sary famantarana ny fandalinana

Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana

Josoa 1:1–9

Hiaraka amiko Andriamanitra rehefa miezaka ny ho mahatoky Aminy aho.

Alaivo sary an-tsaina hoe mety ho toy ny ahoana ho an’i Josoa izany hoe nantsoina hisolo an’i Mosesy izany. Jereo izay nolazain’ny Tompo ao amin’ny Josoa 1:1–9 mba hankaherezana azy. Eritrereto ireo olana sarotra atrehanao. Inona ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo no manome herimpo anao?

Ny anarana hoe Josoa (Yehoshua na Yeshua amin’ny teny Hebreo) dia midika hoe “Mamonjy i Jehovah.” Ary ny anarana hoe Jesoa dia azo avy amin’ny hoe Yeshua. Koa rehefa mamaky momba an’i Josoa ianao dia diniho ny anjara asany amin’ny fitarihana ny zanak’i Isiraely hamakivaky ny Renirano Jordana sy hiditra ny tany nampanantenaina. Inona no mampitovy ny asa nanirahana azy amin’ny zavatra ataon’i Kristy ho antsika?

Josoa 1:8

sary famantarana ny seminera
Ny tenin’ Andriamanitra dia afaka ny hampanambina ny lalako.

Rehefa nandrisika an’i Josoa ny Tompo dia nanome torohevitra ao amin’ny Josoa 1:8 momba ny soratra masina, na “ny bokin’ny lalàna.” Rehefa mieritreritra ny andraikitra mavesatra hosahanin’i Josoa, dia nahoana no mety ho hanampy tokoa io torohevitra io?

Rehefa manasa antsika hamaky ny soratra masina ny Tompo dia matetika Izy no mampiasa teny izay mifono zavatra mihoatra ny famakiana tsotra fotsiny. Mampanantena fitahiana lehibe koa Izy. Ny tabilao etsy ambany dia afaka manampy anao hahita ireo fanasana ireo sy ireo fitahiana nampanantenaina:

Fanasana

Ireo fitahiana nampanantenaina

Josoa 1:8

Fanasana

Misaintsaina andro aman’alina

Ireo fitahiana nampanantenaina

1 Nefia 15:23–24

Fanasana

Ireo fitahiana nampanantenaina

2 Nefia 32:3

Fanasana

Ireo fitahiana nampanantenaina

Môzià 1:7

Fanasana

Ireo fitahiana nampanantenaina

Miroborobo eo amin’ny tany

Helamàna 3:29–30

Fanasana

Ireo fitahiana nampanantenaina

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:85

Fanasana

Ireo fitahiana nampanantenaina

Russell M. Nelson, “Henoy Izy,” Liahona, mey 2020, andiam-pehezan-teny farany ao amin’ny pejy 89

Fanasana

Ireo fitahiana nampanantenaina

Tamin’ny fomba ahoana no nanatanterahan’ny Tompo an’ireo fampanantenana ireo teo amin’ny fiainanao? Mety ho fotoana tsara izao hanombanana ny fahazaranao mandalina ny soratra masina. Inona no efa mandeha tsara? Inona no tsapanao fa tokony hataonao mba hanananao traikefa manan-danja kokoa amin’ny tenin’ Andriamanitra?

Jereo koa ny “Pour sonder tes EcrituresCantiquesno. 163.

Josoa 2

Samy ilaina ho an’ny famonjena ny finoana sy ny asa.

Ireo Kristianina tao amin’ny Testamenta Vaovao dia nandray an’i Rahaba ho toy ny ohatra amin’ny herin’ny finoana sy ny asa (jereo ny Hebreo 11:31; Jakoba 2:25). Rehefa mamaky ny Josoa 2 ianao dia eritrereto ny anjara asa tanan’ny finoana sy ny asa nataon’i Rahaba tamin’ny famonjena ny tenany sy ny fianakaviany ary ireo Isiraelita mpisafo tany. Inona no ampianarin’izany anao momba ny fomba ahafahan’ny finoanao an’i Jesoa Kristy sy ny asa ataonao hisy fiantraikany eo amin’ny tenanao manokana sy ny hafa?

I Rahaba mitazana eo am-baravarankely

I Rahaba eo am-baravarankeliny. Waiting for the Promise [Miandry ilay fampanantenana], nataon’i Elspeth Young (ampahan-tsary)

Josoa 3–4

Afaka miaina ireo “fahagagana” avy amin’ Andriamanitra aho rehefa maanam-pinoana an’i Jesoa Kristy.

Nanao fahagagana teo anivon’ny vahoakany ny Tompo rehefa nitarika azy ireo ho any amin’ny tany nampanantenaina Izy, ary afaka manao izany koa Ho anao Izy. Ireto misy fanontaniana vitsivitsy hitarihana ny fandalinanao ny Josoa 3–4:

  • Nahoana araka ny eritreritrao no nila nanamasina ny tenany ny Isiraelita talohan’ny niampitan’izy ireo ny Renirano Jordana? (jereo ny Josoa 3:5).

  • Mariho fa ny renirano dia tsy nisaraka raha tsy rehefa avy “naroboky ny mpisorona … tamin’ny sisin-drano ny tongony” (Josoa 3:13, 15). Nahoana izany no zava-dehibe?

  • Zavatra manan-danja hafa maro no niseho teo amin’ny Renirano Jordana. Jereo ny 2 Mpanjaka 2:6–15; 5:1–14; ary ny Marka 1:9–11. Inona no fifandraisana hitanao eo amin’ireo zava-nitranga ireo?

  • Ahoana no nanaovan’ny Tompo “fahagagana” teo amin’ny fiainanao? (Josoa 3:5). Ahoana no ahafahanao miaina, na mahafantatra, matetika kokoa ireo fahagagana ireo? (jereo ohatra ny Josoa 3:17).

Josoa 6–8

Manasa ny herin’ Andriamanitra ho eo amin’ny fiainako ny fankatoavana.

Ny Josoa 6–8 dia miresaka ireo ady teo amin’ny tanin’i Jeriko sy Ay. Rehefa mamaky an’ireo toko ireo ianao dia eritrereto ny fomba hiadianao amin’ny fakam-panahy (jereo ohatra ny Josoa 7:10–13). Inona no ianaranao mikasika ny fomba ahafahan’ Andriamanitra manampy anao ary inona no ilainao atao mba hahazoanao ny heriny? Ohatra, inona no zavatra nisarika ny sainao tao anatin’ireo toromarika nomen’ny Tompo mba hakana an’i Jeriko? (jereo ny Josoa 6:1–5). Mety hanentana ny fanahinao angamba ilay tantara ao amin’ny Josoa 7 mba hamantaranao raha “misy zavatra efa voaozona” eo amin’ny fiainanao ka ilainao esorina (Josoa 7:13).

Josoa 23–24

“Fidionareo anio izay hotompoinareo.”

Ireo fampianarana farany nataon’i Josoa tamin’ny Isiraelita ao amin’ny Josoa 23–24 dia ahitana fampitandremana sy torohevitra ary fitahiana nampanantenaina manan-danja. Azonao atao angamba ny manao lisitra ny zavatra hitanao. Raha dinihina ny zavatra rehetra nolalovan’ny Isiraelita dia nahoana i Josoa, araka ny eritreritrao, no nilaza tamin’izy ireo ireo zavatra ireo rehefa ho faty izy? Inona no hitanao izay manentana ny fanahinao “hifikitra amin’ny Tompo”? (Josoa 23:8).

Jereo koa ny Dale G. Renlund, “Misafidiana ianareo anio,” Liahona, nôv. 2018, 104–6.

sary famantarana ny fizarana ho an’ny ankizy

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

Josoa 1–46

“Koa mahereza sy matanjaha.”

  • Ity misy fomba iray hanampiana ny zanakao “[hahery] sy hatanjaka” (Josoa 1:6) amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Asao izy ireo hitady andian-teny iray izay miverimberina ao amin’ny Josoa 1:6, 9, sy 18, ary hanoratra izany na hanao tsianjery izany. Ampio ireo zanakao hieritreritra tranga izay mety hilany an’io hafatra io, tahaka an’i Josoa. Azonareo atao koa ny miara-mamerina mijery ny sasany amin’ireo tantara ao amin’ny Josoa 1–46 (jereo koa ny “Josoa mpaminany” sy ny “Rahaba sy ireo mpisafo tany” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha, 85–91). Ahoana no nanehoan’ireo olona ao amin’ireo tantara ireo herimpo sy tanjaka tao amin’ny Tompo?

    2:59

    Joshua the Prophet

    1:39

    Rahab and the Spies

Josoa 1:8

Mitondra fitahiana ho ahy ny fandalinana ny soratra masina.

  • Ny famakiana ny Josoa 1:8 dia afaka mitaona ny zanakao hamaky samirery ny soratra masina. Ampio izy ireo hitady teny ao amin’io andininy io izay mampianatra azy ireo ny fomba sy ny antony tokony hamakiantsika ny soratra masina. Azon’izy ireo atao ny mitady zavatra mitovy amin’izany ao amin’ny 1 Nefia 15:23–24; 2 Nefia 31:20; 32:3; Jakôba 4:6; Helamàna 3:29–30. Azonao atao koa ny manampy azy ireo hanao drafitra mba hamaky ny soratra masina sy hanatanteraka izany.

Josoa 3–4

Tsy maintsy atao batisa aho mba hidirana ny fanjakan’ny lanitra.

  • Azonao atao ny mampiasa ny tantaran’ny Isiraelita niampita ny Renirano Jordana ho toy ny tandindon’ny batisa, ka mandao ny fiainantsika taloha tany an-tany foana ary manomboka fiainam-baovao iray ao amina fifandraisana mifono fanekempihavanana amin’ Andriamanitra. Noho izany rehefa miara-mamaky ny Josoa 3–4 ianareo na ny “Josoa mpaminany” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha, 85–89), dia azonareo atao koa ny mijery ny sarin’i Jesoa natao batisa ary hazavao fa natao batisa tao amin’ilay renirano niampitan’ny Isiraelita i Jesoa. Avy eo ianareo dia afaka mihira hira iray toy ny “Batisa” (Bokin-kiran’ny ankizy, 54–55). Ifampizarao ny fomba hitovian’ny fanaovana batisa amin’ny fanombohana fiainam-baovao ao amin’ny fanjakan’i Jesoa Kristy.

    2:59

    Joshua the Prophet

sary natambatra maneho an’i Jesoa atao batisa sy zatovolahy iray atao batisa

Josoa 24:15

Afaka misafidy ny hanompo an’i Jesoa Kristy aho.

  • Inona no azonao atao mba hanampiana ny zanakao hianatra hisafidy ny hanaraka an’i Jesoa Kristy, tahaka ny nanasan’i Josoa ny Isiraelita mba hanao izany? Azonao atao ny manasa azy ireo:

    • Hanao tsianjery andian-teny fohy avy ao amin’ny Josoa 24:15. Ezaho atao mahafinaritra ho an’ny zanakao izany. Mety hiankina amin’ny taonan’izy ireo ny isan’ny teny tadidiny.

    • Mitadiava tantara momba ny olona izay nisafidy ny hanompo an’i Jesoa Kristy. Azon’izy ireo atao ny mijery ao amin’ny gazetiboky Namana, ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, na ny Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha sy ireo tantara hafa ao amin’ny soratra masina.

    • Lalaovy an-tsehatra ireo trangan-javatra izay ahafahan’izy ireo misafidy ny hanaraka sy hanompo ny Mpamonjy.

Mampiasà sahanasa isan-karazany. “Tsy mitovy ny ankizy rehetra, ary rehefa mihalehibe izy ireo dia hiova ny zavatra ilain’izy ireo. Ny fampianarana amin’ny fomba isan-karazany dia hanampy anao hanome ireo zavatra samihafa ilain’izy ireo” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 31).

Mba hahitana fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

placeholder

First Steps of Faith into the Jordan [Dingana voalohan’ny finoana ho ao amin’i Jordana], nataon’i Trent Gudmundsen

Pejin’ny sahanasa ho an’ny Kilonga: Tsy maintsy hatao batisa aho mba hidirana ny fanjakan’ny lanitra